Azoko tamin'ny tsy nampoizina

Nampidirin'i radotiana | 20 Jio, 2006

Tamin'ny fotoana tsy nampoiziko no nahatonga ahy ho voapetaka ny anarana hoe Rado. Roa taona lasa izay, ndeha hiverina hody aty Amerika rehefa avy nanao vacances iray volana tany Dago aho. Izaho irery moa no nandeha tany tamin'io fotoana io. Ny alina mialoha ny andro niaingako dia mba niangavy ahy ny zaobaviko (Farah no anarany) hoe ndao mba hanalanala azy kely any amin'ny ville (Analakely) rehefa avy miasa vao mody. Ndao ary hoy aho tsy sarotiny. Efa ho sivy taona aho izay no nipetraka taty amin'ny bekintana. Azo lazaina ho naniry faka aty raha ny tena marina saingy tsy mahafoy ny an'ny tena ihany koa ka dia miezaka ny hamangy an'i Dago indray mandeha isan-taona. Hitako tsara mihitsy ny fiovaovan'ny ao Madagasikara tao anatin'izay sivy taona nivezivezeko teo izay. Ao ny fiovana tsara ao ny fiovana ratsy. Fiovana tsy azo nihodivirana daholo anefa ireny fa tsy maintsy nitranga araka ny fahitako azy. Teo amin'ny Arcade Analakely no fotoanako sy Farah zaobaviko tamin'izay hariva izay. Mbola azo irevirevena labiera,... hampiderana vam, teny tamin'io. Asa na mbola navelan'ny fivondronana io amin'izao fotoana izao. Hitako tamin'ny  gazety mantsy taty aoriana fa toa hoe nanomboka tezitra ny mpitondra fa mandoto tanàna izay tsy izy ireo mpirevy mivoaka alina sy ireo mpivarotra amoron-dalana mamalifaly azy ireo manoloana ny arcade iny.

Tonga tokoa ary i Farah rehefa avy niasa ny hariva dia tapakevitra izahay rehefa avy nihainohaino nijery ny zava-misy teo fa ndeha hihinana glace kely aloha. Teny andalana hiakatra hoany andohan'Analakely iny , tsy lavitra ny Hotel Glacier izahay no nifanena tampoka tamin'izay jo be haingo be izay. Nahafantatra an'i Farah izy ka tsy nisy fika nialana fa dia voatery nijanona kely teo aloha izahay niresaka. Raikitra ny fampifankafantarana. Tsy haiko na taiza no nahazoan'i Farah an'izany anarana hoe Rado izany fa ohatran'ny tonga dia nandeha hoazy tao ambavany ny nanondro ahy sady niteny hoe "Rado, vadin'ny zokiko". Misy zavatra tsy mazava izy izany hoy aho tany antsaiko tany fa nahoana no lasa Rado fotsiny teo ny anarako. Nilaza moa ilay jo fa hoe " Nirina no anarany. "Faly mahalala" hoy aho. Ny zavatra tsy azoko dia tampoka teo dia hoe hanaraka anay hihinana glasy koa hono izy. Niera tamiko moa i Farah sady niteny hoe " ahoana tsy maninona ve raha miaraka amintsika izy?" "tsy maninona" hoy aho tsy naka sarotra sady nieritreritra fa mety mba mila namana koa angamba i Farah fa tsy dia azony ny ainy hoe izahay roa irery no ho hitan'ny olona mandeha eran'Analakely. Be resaka be i Nirina ary ohatran'ny be fanadihadiana be izany ny momba ahy. Sahirana aho aloha tamin'ny voalohany nizatra ilay anarako vaovao. Nisy fotoana mantsy izy niantso hoe " ary i Rado ve...." dia izaho tsy namaly. Tsy tadidiko hoe izaho no iantefan'ny resany hay. I Farah efa mangalam-pijery any amiko vao "cope" aho hoe mila valiana haingana izany resaka izany fa ialahy ry "Rado" no iantefany.

Niverina tany Dago indray aho tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity ary nandeha tany Fianarantsoa fa avy any mantsy ny rafozako. Ndeha handefa email tamina cybercafe iray aho no nisy olona henoko niantsoantso hoe "Rado, rado,.." tsy dia lavitra teo. Tsy nihotsina mihitsy aho aloha ela ela. Tsy tadidiko hoe izaho anie ilay "Rado" antsoiny. Nanatona mihitsy izy nony farany sady nokitihiny aho. "Rado" hoy izy. "Oviana elah no tonga". Gaga be aho nahita an'i Nirina. Tena ity ilay jo tamin'ny taona lasa hoy aho aneritreritra fa tena tadidiny aho.  marina. Kely koa moa izay cybercafe tao Ampasambazaha izay ka tena naheno ny antsony daholo ny olona sady be koa ny nihainohaino niandry toerana hisokatra teo. Any aminay daholo ny mason'ny olona satria izy dia tena ireny be paozy miavaka be ireny. Somary "eccentric" kely raha ho ahy tia zavatra tsotsotra. Tsy fantatro koa na fantatry ny olona izy fa ohatran'ny hafahafa izany ny fijerin'ny olona manodidina. Voatery nilalao ilay anjarako hoe "Rado" indray aloha aho izany sady nitady fika hivoahana haingana tao amin'ilay cybercafe araka izay azo atao. "Ity ny laharan'ny findaiko" hoy izy "dia antsoy aho fa mba te hiaraka aminao." " Misaotra fa voaraiko ity" hoy aho sady lasa aho namonjy ny varavarana hivoaka rehefa avy nanao veloma azy.

Tsy afaka intsony anefa ilay anarana hoe Rado satria rehefa manoratra hoan'ilay zaobaviko aho dia lasa Rado no iantsony ahy. Mety anarana kofa sipany taloha ary ve izany Rado izany sa anarana mba tiany homeny anjanany any aoriana sa dia hoe anarana mahafinaritra ny sofiny tsotra izao. Izy moa tsy mety mamaly hatrany na dia efa napetrako mivantana taminy daholo ireo fanontaniana ireo fa dia ny hoe " Izay fotsiny no anarana nifanandrify ny vavako tamin'iny fotoana iny dia izay fa tsy misy zavatra hafa ifandraisany amiko" no avaliny ahy foana. "Sipa mihodina mantsy iny Nirina iny ka tsy tiako ho tena fantany ny anaranao." hoy izy.  "Tafaraka taxi-brousse ndeha hiakatra hoany Tana izahay indray mandeha dia izay no nahafantarako azy". hoy ihany izy nanohy.  " Hay ve hoy aho" tsy te hanadihady betsaka intsony na dia tonga saina aza mandinika ny fahasahisahian'i Nirina. Mety ho hitany ve izao ity zavatra nosoratako momba azy ity? ...Azoko antoka fa tsy maintsy mbola hifanena tampoka amin'i Nirina aho indray andro any dia ho hita eo izay tohiny. Enga anie mba ho tadidiko foana fa izaho no Rado.


12 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Azoko tamin'ny tsy nampoizina"

  1. Ka na izahay mamaky ny soratanao eto aza moa dia Rado koa no ahalalanay anao, dia faly mahafantatra.

    Nampidirin'i kally 20 Jio 2006, 16:27
  2. Mahavariana izany!

    Nampidirin'i soanja 20 Jio 2006, 23:49
  3. Manaona Rado a!
    i Nirina ihany re ity ry Rado a. Maninona ary i Rado no tsy miantso intsony. Sa efa any be kintana ka ...

    Vazivazy lesy io raRado fa mbola i Tokinao ity fa tsy i Nirina a. hahaha

    Nampidirin'i Nirina ( tokinao ) 21 Jio 2006, 02:59
  4. D misaotra anareo rehetra namaky sady nametraka hevitra ary dia faly mahafantatra ihany koa.

    Nampidirin'i Rado 21 Jio 2006, 03:05
  5. Hihihi, mahatsikaiky ...

    Fa nahoana kosa moa no tianareo hisy olona fantany hoe Rado no anarany e? Izaho nefa mahita hoe normal be izany ... sady isan'ny anarana be mpanana no misy olo-malaza hoe Rado, hihihi.

    Nampidirin'i pissoa 21 Jio 2006, 03:55
  6. Mety marina tokoa ny eritreritry Pissoa kah. Izaho fotsiny angamba no tia manadihady. Amiko ohatran'ny hoe misy antony daholo ny zava-drehetra. Nefa tsy voatery eh...hi,hi...Misaotra nankafy.

    Nampidirin'i Rado 21 Jio 2006, 05:19
  7. za ndray tsy d'accord @ pissoa 'ka. Ny zavatra rehetra ry pissoa misy antony avokoa.
    Eto ohatra de izao : "ny maha be mpanana ny anarana we rado izay indrindra" io de efa antony. Ary mino tsara aho fa ao anatin'ireo olona maro antsoina we rado, dia tsy maintsy nisy iray izay nahafinaritra an'i fara. Tsy misy vehivavy hanome anaram-bositra ratsy ho an'ny zaodahiny izany, indrindra fa eo imason'olona hafa.

    De ity koa : sûr aho fa anaran'ny sipany na olona notsiriritiny taloha io rado io matoa izy tsy mety miteny.

    Ra olona malaza tsotra mantsy ( toa an'i rado mpanoratra ohatra ), de tsy maintsy noteneniny.

    Nampidirin'i Tokinao 22 Jio 2006, 07:47
  8. Samy misy azo raisina ihany aloha ny hevitrareo mitsam fa aleo ho reveko manja fotsiny amin'izao le we "Rado" fa efa nomena ahy e. Enga anie mba ho tadidiko fotsiny rehefa tena amin'ny fotoana tena ilana azy. :-)) sao d izaho indray no hamalan-kira eo.

    Nampidirin'i Rado 23 Jio 2006, 22:02
  9. Aiza kosa no hoe tsy maintsy nisy antony manokana tao an-tsainy tamin'izy nanome io anarana io e! Mety anarana sendra nivoaka ny vavany tampoka fotsiny.
    Rado koa ange tsy anarana ratsy na be mpanana aza e! Vakio ny Raki-bolana Malagasy fa hohitanao ao ny dikan'izany anarana izany. Mety hihambo indray aza angamba ianao hoe Izaho no "Rado".

    Nampidirin'i Lati 12 Sep 2006, 16:29
  10. Misaotra an'i Lati nitsidika sady namela hafatra. Ilay anarana aloha dia hitako tena mahafinaritra na dia ny mihaino azy fotsiny aza. Mba alefaso eo moa ny dikany eh.

    Nampidirin'i Rado 13 Sep 2006, 17:22
  11. Inty ary ny dikany, lavabe ilay izy fa nafohifoheziko fotsiny:

    Amin'ny ankapobeny dia milaza fahatsarana sy voninahitra ny Rado.
    Misy dikany 2 lehibe azo singanina manokana anefa ao anatin'ireo:

    1) Rado: VAKANA hiambozonana "collier" tsy ordinaire, azo adika amin'ny tenin'ny Mpanjanaka hoe: "collier d'Ordre de mérite", ilay asalotra sy iambozonan'ny tenda rehefa mahazo mariboninahitra.
    Efa tamin'ny tany gasy no nisy io mariboninahitra io fa tsy vao zava-baovao nentin'ny mpanjanaka akory, ka nahatonga ny ohabolana hoe "RADO RAVAKY NY VOZONA".
    Nisy antanatohatra maro ny Rado tamin'izany: manomboka any amin'ny VAKANA VONINKAZO, izay hasalotra ny manam-pahefana rehefa manao fitsidiham-paritra.
    Nisy koa ny natao hoe "VONINAHITRA". Izay natokana indrindra hoan'ny mpitari-tafika.
    Nisy karazany koa izy io: manomboka any amin'ny 1 Voninahitra ka hatrany amin'ny 15 Voninahitra (mitovy dika amin'ny grade na General tamin'ny Frantsay), ary miafara amin'ny 16 Voninahitra. Tsy misy azo nandikana an'ito faharoa intsony moa fa vitsy dia vitsy ny olona nahazo azy ka dia natao ho "titre Honorifique" fotsiny sisa.
    Tsy ilay voninahitra azo akory, fa ilay ZAVATRA ISALORANA REHEFA MAHAZO VONINAHITRA NOA ATAO HOE: "RADO". arakaraka ny grade nao izany ny Rado anananao.

    Olom-bitsy arak'izany fa tsy ny rehetra no afaka hanana izany Rado izany.

    Taty aorian'ny fanjanahan-tany moa dia nofohanan'ny Frantsay io fomba fanomezam-boninahitry ny gasy io, fa novandry zareo tanteraka ho lasa "Ordre de Mérite". Ka ny rado ambony indrindra eto Madagasikara dia ny Rado isaloran'ny Filoham-pirenena.

    2) Rado, eto amin'ny dikany faharoa indray dia dia teny entina manokana handokàna ny hatsaran'ny lehilahy, saingy tsy maintsy miaraka amin'ny teny hafa ka zary lasa fototeny. Ny dikany anefa dia tsy miova fa milaza "valeur" sy "hatsarana foana.

    - MARADONDRADONA: mailamailaka misy hajany be rehefa mamindra. Moa va tsy toy ireny tovolahy milatro, mampidera ny sangan'asan'ny mpamorona ireny?
    - HAY IZANY FIRADONY E! hay izany bikan'ilay olona e! fa eto ilay teny hoe "bika" tsy mahavoaka ny tanjak'ilay hatsarana tiana havoitra. soa fa nisy ny teny hoe RADO.
    - MIRADO IZANY RAHA TOVOLAHY! : Hatsaran-tarehy, hatsaram-bika, lehilahy voatefy ara-bika, tsanganana, jorona dia voafehin'io fiteny io avokoa.

    Tsy voatery ho anarana efa azo tamin'ny vao teraka akory ny Rado, fa mety koa anarana omen'ny fiaraha-monina noho ny hatsaram-batana na endrika hananan'ny tovolahy anankiray.

    Sambatra ny olona manana RADO eo amin'ny fiainany, satria ireo hitsikian'ny vintana ihany no afaka hanana izany.

    KA AHOANA? MAHAFALY ANAO NY ANTSOINA HOE RADO SA TSIA?HIHIHI!

    Nampidirin'i Lati 15 Sep 2006, 13:41
  12. Miala satroka tompoko o! Tsy hitako izay ho tenenina (ho soratana mantsy e!).
    Nomena ahy ilay izy ry Lati d isalorako an. Mila mitadidy fotsiny aho hoe misalotra azy. Hihihi. Voafehinao mihitsy ilay taranja fa miaiky aho. Mankasitraka.

    Nampidirin'i Rado 04 Okt 2006, 01:57