Mety ho izany tokoa ve?

Nampidirin'i radotiana | 5 Jol, 2006

Anisan'ireo liana amin'ny tantara fahagola mikasika an'i Madagasikara aho ary dia nampihaonin'ny kisendrasendra tamin'ity vazaha amerikana iray antsoina hoe David Halvorson iray volana lasa izay. Nanao fampisehoana fampahafantarana an'i Madagasikara teto amin'ny tanana izahay tamin'izay fotoana izay no nipoitra tampoka avy any i David ary tonga dia nampiresaka be ny amin'ny momba  an'i Dago.

Izay mipetraka aty ivelany moa dia azoko antoka fa efa sendra an'ireny vazaha ohatran'ny (miseho) mahalala an'i Madagasikara noho ny gasy ireny. Tamin'ity indray mitoraka ity aloha dia tsy maintsy nisapaoritra aho fa dia tena mahalala betsaka momba an'i Dago noho izaho izy eh.

Ny dadan'ny dadabe sy bebeko antsoina hoe Peter C Halvorson sy Antonette Nilsen Halvorson izay samy teraka sady lehibe tany Madagasikara hoy izy no anisan'ireo misionera voalohandohany nitondra ny fivavahana Loterana tany Madagasikara.

Nanoratra boky i Antonette Nilsen Halvorson izay renin'ny dadabeko hoy ihany i David Halvorson. Ny tantaram-piainany tany Madagasikara no voarakitra ao anatin'io boky io.  "Loharano"  no lohatenin'ilay boky izay voatonta voalohany  tamin'ny taona 1948. (io amin'ny sary eo ambany io ny fonony). Ity indray kosa ny ISBN 0-9726655-0-1  hoan'izay liana.

Izaho moa izany tsy mbola naheno ny fisian'io boky io mihitsy dia tena tsy nanan-kandahatra firy fa dia ny hoe "mahafinaritra izany, sns..." no tadidiko voateniko matetitetika. Vita ny resaka dia lasa i leiry. Tsy tadidiko hoe afaka adin'ny firy anefa fa ohatran'ny vetivety kely dia iny indray i ra David fa niverina sady nanolotra ahy ilay boky.

Na dia tsy Loterana aza moa ny tena dia tsy andriko izay hodiana hamakiana azy milamina taty antrano nony hariva. Mahaliana ahy foana mantsy ny mamaky ny zavatra soratan'ireny vahiny nipetraka na nandalo tany Dago ireny. Ity indray mitoraka ity moa dia hoe nosoratan'olona niaina tamin'ny andro faha mpanjaka mihitsy.

Betsaka ny zava-baovao tamiko tao anatin'ilay boky amin'ny ankapobeny na dia hita hoe mirona kokoa amin'ny resaka fivavahana aza ny zava-boalaza ao anatiny. Ny fiainan'izy ireo tao Betafo, Antsirabe ary Fort Dauphin moa no tena voaresaka ao. Nisy ampahany ihany koa mikasika an'Antananarivo. Nilaza moa i Antonette Nilsen Halvorson, izay mpanoratra fa anisan'ireo nanatry maso teo amin'ny kianjan'ny Mahamasina ny fanosorana an'i Ranavalona III ho mpanjakan'i Madagasikara izy tamin'ny taona 1883. Hoy mantsy izy hoe " ... The last queen of Madagascar - Ranavalona III - was crowned in the year 1883. I was there that day."

Tantarainy antsipirihany ny zava nitranga tamin'io andro fanosorana ho mpanjaka an' i Ranavalona III io. Anisan'izany ny fianjeran'ny satroboninahitry ny mpanjaka tamin'ny tany raha izy ndeha hiakatra teo ambony kalesy taritin'ny soavaly fotsy hiseho vahoaka iny.  Inoako hoy izy fa mbola tsy nitarika kalesy mihitsy ity soavaly fotsy natao hitarika ny kalesy hotaingenan'ny mpanjaka ity fa vao ndeha hiakatra teo amboniny i Ranavalona III dia nitroatra tampoka ilay soavaly ka nahatonga ny satroboninahitra teny andohan'ny mpanjaka hilatsaka tamin'ny tany. "Fambara ratsy iny fa tsy hijanona ela eo amin'ny fanjakany izy" hoy hono izany lehilahy iray sendra teo akaikin'ny mpanoratra tamin'izany andro izany. . Afaka nitaingana ilay kalesy ihany moa izany ny mpanjaka nony avy eo ary dia nahita azy ny olona izay nanatrika.  22 taona hoy izy Ranavalona III tamin'izay. ... Votsitra teny antanany tokoa ny fanjakany 12 taona taty aoriana nony tonga ny mpanjanaka Frantsay tamin'ny taona 1895.   Tantara efa diso fantatsika daholo ireo fa mba tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny ny ahy.

Miala tsiny fa ohatran'ny hoe nivoana be ny resaka fa ity no tena antony nanosika ahy hanoratra ity ampahany androany ity. Rehefa namaky an'io boky "LO-HA-RA-NO" (The water spring) io aho dia sendra ity taratasy fanendrena hiasa (hampianatra raha ny marina kokoa) nomen'ny governora ireo mpampianatra vaovao voaofana tao Fort Dauphin hiparitaka hampianatra tany amin'ny foko Tanosy.

Io ambany amin'ny sary io ny zavatra voalaza tao anatiny. Jereo tsara fa 'N.N.,' no nasolo ny toerana anoratana ny anaran'ny olona voatendry. Ary mbola 'N.N.' ihany koa no nasolo ny anaran'ny toerana hanendrena ilay mpampianatra.

Aleoko tonga dia mitsotra fa tsy arako na mbola fampiasa amin'ny teny anglisy amin'izao io na  hoe teny efa tsy fampiasa intsony fa ohatran'ny alaim-panahy aho hieritreritra hoe mety ho io fomba fanoratra io no niavian'ny fiteny ankehitriny hoe " any ananona" sy ny hoe "ranona".

Raha vakina ilay litera anakiroa dia ohatran'ny hoe [aen, aen] no mety hamakiana azy. Inoako fa rehefa ela nampiasana azy ny gasy tamin'izany andro izany dia niova kely ny fanononana ilay litera "N" amin'ny teny anglisy dia mety lasa novakiana hoe [an,an] ilay hoe 'N,N'.  Ny hoe ranona indray moa dia mety vokatry fametrahana ny hoe "ry" teo anoloan'ilay 'N, N'.

Tsy mandala na mianatra ny teny Malagasy aho ka tsy afaka manome porofo ny fahamarinam-pototr'ireo fanazavana arosoko ireo fa dia ho raisiko antanandroa izay afaka mitsipaka na manohana azy.

Tsetsatsetsa tsy aritra faraparany:

I Nil Nilsen sy John Engh  no nitondra ny fivavahana Loterana tany Madagasikara. Ny taona 1866 izy ireo no nandao an'i Norway ary niondrana antsambo lay vita tamin'ny hazo nantsoina hoe "ELIESER" ary nihazo ny nosy Madagasikara.  Tadiaovo ilay boky hoan'izay mbola te hahalala misimisy kokoa Eh.

Misaotra anao namaky hatramin'ny farany.

 

 

UPDATE: ( Sept 13, 2006)

Araka ny fangatahan'i Mialina dia indro arosoko eto ny fizahan-takelak'ity boky LO-HA-RA-NO ity:

Ity ambany indray kosa ireo pejy roa nangatahinao izay milaza ny fahitan'ny mpanoratra ny zava niseho teo Mahamasina tamin'izany fotoana izany.

 


4 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Mety ho izany tokoa ve?"

  1. Mahaliana izy izany ranona!

    Nampidirin'i kally 08 Jol 2006, 01:58
  2. :-)) Misaotra ranona nitsidika a.

    Nampidirin'i Rado 08 Jol 2006, 06:55
  3. Tena mba mahaliana ahy io boky resahanao io... asa raha mba afaka apetrakao eto @ blaoginao ny table of Contents @ antsipiriany ... ary pages vistvitsy mintantara ny fandehan'io fanosorana io na fomba malagasy t@ faha-mpanjaka...Tena mba fiangaviana ny ahy iny Rado fa misaotra mialoha raha tanterakao...

    Nampidirin'i Mialina 25 Aog 2006, 09:20
  4. Napetrako eo ambanin'ilay hoe update ny zavatra nagatahin'i Mialina. Mamakia finaritra.

    Nampidirin'i Rado 13 Sep 2006, 23:13