Ela tsy nitoratorahana blao-gy...

Nampidirin'i radotiana | 26 Sep, 2008

"Izay indray ialahy vao hita izay ela be izay" hoy i "Ra Danz" mpiara mianatra tamiko tao amin'i Kolejy Rasalama na dia vao ora vitsivitsy monja aza no tsy nifankahitanay roa lahy. Tamin'ity indray mitoraka ity indray kosa aloha dia tena nitombona ny tenin'ialahy "Ra-Danz" fa valo volana ngarangidina aho tsy afaka nitoraka blao-gy teto.

Nisy fotoana aho nanao lava-kodiarana tany Florida nandritra ny volana maromaro ka dia aleo aloha izay nanaitra tany no atao be lazao eto. 

Ilay fisetrasetran'ny mpamily fiara no nahan-torakovitra ahy tamin'ny voalohany. Nanontany tena mihitsy aho hoe noho ny fisian'ilay toeram-pirimorimoana amin'ny fiara haingam-pandeha ao Daytona ve no antony sa resaka hafa mihitsy. Toa mihevi-tena ho mpanamory matihanina daholo ny ankamaroan'ny olona. Ny be antitra anefa amin'io mitobaka mameno ny arabe mandositra ny hatsiaka mamirifiry any amin'izay nisy azy tany. Tsy dia nataoko nahagaga intsony taty aoriana ny fahitana ireo takela-by marobe izay rakotra dokam-barotra milaza ny toy hoe " Izahay antsoina hiady ny zonao raha naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana ianao" sy ny sisa.

 

Ny hitsidika an'i Key West izay nosy kely any amin'ny tapany farany antsimo indrindra aty Etazonia no efa mba faniriako hatrizay. Tsy azo nodinganina moa i Miami raha hoany Key West ianao ka dia nararaotina koa ny hijery ny tora-pasiky Miami Beach sy ny kotaba takarivany miaraka amin'ny gadon-kira salsa manakoako eran'ny Ocean Boulevard. Lalan-tokana mifanena no mitondra anao mankany Key West. Nosy kely maromaro mifampitohitohy no manome ny Florida Keys. Tetezana mitoman-davana no iampitana ary dia masiaka dia masiaka tokoa ny mpitandro ny fifamoivoizana amin'ny tsy fanajana ny hafainganam-pandeha. 

undefined 

 

90 Miles (144 km) avy eto i Cuba hoy ny sora-mandry eo ary eto no tendrony farany Atsimo indrindra amin'i Etazonia hoy ilay sora-baveny fotsy somary efa vaso-basoka. Lasa dia lasa ny fisainako nandinika ny zava-boalazan'ity "fanosehana" be feno loko marevaka ity. Efa akaiky be an'i Cuba mihitsy anie aho izany e" hoy aho nanonofinofy.Mifandrombaka maka sary eo daholo ny mpizaha tany. Ireny mpitondra soavaly vy miakanjo hoditra mainty sady be volom-bava ireny no sendra ahy teo. Sahirana mihitsy aho vao nahita irika hakana io sary eo ambony io. Tsy nasiana be filirony fa izay voapika tao dia izay izany no izy :-)

 

 undefined

 Eto no manomboka ny lalam-pirenena voalohany aty Etazonia. Ohatran'ny hoe eo amin'ny Gara Soarano hoany Tsiroanomandidy izany io :-)

Anisan'ny tena nahavariana ahy tao Key West ny fahitako ireo akoho dia  mirenireny etsy sy eroa. 

undefined 

 Efa ndeha hody aho ny ampitson'ny fotoana nakako ity sary ity no nahita tamin'ny gazety tao antoerana fa nisy akoho mpirenireny miisa 450 hono nosamborin'ny fanjakana tao antanàna ary nitadiavana olona hizarana azy maimaim-poana tany Dade City, FL. Samy manana ny olany tokoa ny olona hoy aho niteny irery teo ampamakiana ilay gazety. Raha tany Dago izao izany akoho zaraim-potsiny izany... :-)

 Nosy Kely io amin'ny sary eo ambany io ary misy trano vitsivitsy miorina eo aminy. Vitsy ireo olona tena monina any Key West raha ny fahitako azy. Faritra iantefan'ny rivo-doza mahery mantsy izy iny. Ny vanim-potoanan'ny Ririnina aty Etazonia ihany ny ankamaroan'ny olona no monina any.  

 undefined

 

Anisan'ny maro mpitsidika ny trano fonenan'ingahy Ernest Hemingway, mpanoratra amerikana malaza. Tadidiko ny fianarana tsianjery maimbo ny lisitr'ireo boky nosoratany fony izahay taona voalohany tao amin'ny sampam-pianarana Teny Anglisy teny amin'ny Anjerimanontolon' Antananarivo. Misaotra anao ihany aloha Mr Rakotovao fa hay mbola mba nisy tadidiko ihany izy ireny rehefa tonga teo ambavahadiny teo aho :-)

 

undefined 

 

Lafo fiainana i Key West satria dia tsy maintsy tanterina mankany daholo ny zava-drehetra ka dia naleo ny làlana miverina tany Naples izay tsy maintsy mamakivaky ny Everglades no nasiana olona.

Mba sambany aho no nahita arabe mitondra ny anaran'i Madagasikara taty Etazonia ka dia tsy aritro raha tsy niverenana nalaina sary.  Ao amin'ny nosy kely antsoina hoe Marco Island izay tsy dia lavitra ny tanànan'i Naples no misy azy io. 

  

 undefined

VITA TOMPOKO.