Fandalovana tany Dago - Dec 2006

Nampidirin'i radotiana | 30 Des, 2006

Tafaverina soamatsara aty amin'ny Bekintana indray aloha na dia ranomandry be tsy ifankahitana aza no niandry taty. 

Samy manana ny fahitany ny zava-misy moa fa raha ho ahy manokana dia misy fivoarana be ny fahadiovan'ny renivohitr'i Dago sy ny faritra maro amin'ny ankapobeny. 

Tsy maintsy "shocked" kely foana raha vao mitontona any fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia milamina. Io ilay antsoin'ny olona hoe "reculture shock". Lasa vahiny any amin'ny taninao indray ianao ka gaga mahita izao zavatra lasa tsy mahazatra rehetra izao.

Ilay mikosoka kapoaka rehefa harivariva eo analakely kosa aloha tena tsy tafa mihitsy na dia izany aza eh.

Ireto misy sary vitsivitsy nalaiko tetsy sy teroa tamin'ireo toerana nandehanako.

ANTANANARIVO

 

 

 

Efa misokatra ity by-pass mankany Ambohimangakely ity amin'izao.

Mihamaro ny toeram-ponenana toa tsy d mahasosotra ny mijery azy.

Tsy azo lavina ihany koa anefa fa ny toy izao no mbola iainan'ny gasy maro an'isa ao andrenivohitra.  Faritra akaikin'ny 67 Ha.

Niampy iray ny mpifaninana amin'ny orinasa Orange sy Celtel eo amin'ny sehatry ny fifandraisana amin'ny finday. Mihamora ny vidin'ny finday amin'ny ankapobeny. Io tolotra 49 000 Ariary io no anisan'ny mora indrindra raha tsy diso aho.

Lasa fomba fiteny andavan'andron'ny olona ny hoe " mety be amiko ".

Mihagoavana hatrany ny takelaka dokambarotra toa izay hita eo akaikin'ny Hotel Hilton ity.

Anosy. Azo isaina ireo taxi-be manao ankisisika amin'iny arabe manamorona ny tambohon'ny Sekoly Saint Michel iny no afabela amin'ireto polisy ireto.

Mahasarika ny masoko hatrany ny tao-tranom-piangonana ka dia tsy maintsy mba omena kely ny anjara toerany eto. :-)    Faravohitra

Miverina kely amin'ny zava-misy tsy azo hodian-tsihita.

Andohatapenaka.

Hoan'ireo izay mirevy mamonjy Braderie.

Ndao hikisaka kely hoany BIRA amin'izay.

Milay be eny amin'ny Gara sy ny manodidina azy eny fa mba mandalova any rehefa afaka. Ohatran'izao ny teny Antsena Sabotsy talohan'ny Krismasy.

Tia loko marevaka sady misoratsoratra ny Malagasy amin'ny ankapobeny raha ny fahitako azy.

Tapakevitra tampoka aho mba hijery an'izany MORONDAVA izany fa efa ela loatra no nahenoako ny lazany.

Nandalo an'i Betafo.

 

Maizina tanteraka vao tonga tao Miandrivazo. Nanomboka teto dia gidragidra ny lalana. 120 km natao tao anatin'ny adiny 10 tao anaty aizina. Niteny ny zandary mpisava taratasy tao fa misy andianjiolahy mirongo basy manakana sy mitora-bato ny mpandeha alina manomboka eo Miandrivazo ka hatrany Malaimbandy. Tsy nisy hevitra fa tsy maintsy natsofoka tany anelalenan'ny Taxi-Brousses Minibus efa za-dalana tany ny fiara nentinay.

Raha mieritreritra ny hoany Morondava mandeha fiara aloha dia aleo miandry ny lalana vita fa tena gidraka be.

Nazava ny andro vao tonga tao Malaimbandy.

 

Tsy maintsy ho ny Sinoa angamba no nanao ny lalana tany. Tsotra kokoa noho ilay ao Moramanga ity saingy tena mahatazana tokoa ilay toerana misy azy.

Tsy tody tany amin'ilay "Baobab Alley"  aho fa na dia izany aza mba nahita baobaba ihany teny andalana.

Fotsy be ny tora-pasik'i Morondava

Nandalovana vetivety i Morondava dia namonjy an'i Bira haingana hitodi-doha hianantsimo antsinanana.

Nandalo an'Ambatovaky,  ilay toerana anisan'ny voaala sary matetika raha handeha hoany Ranomafana - Ifanadiana ny vahiny na mpizaha tany.

Niova tampoka ny endriky ny tanana raha vao vita ny arabe.

Tsy mampino fa 30 minitra fotsiny no anaovana an'iny lalana mampitohy an'Alakamisy-Ambohimaha sy Vohiparara iny amin'izao fotoana izao raha adiny roa izy teo aloha.

Ohatran'izao ny lalana mandalo eo amin'ny tananan'i Sahavondronana ankehitriny.

Tsy nety ny saiko raha tsy nandeha kely tany Tsiroanomandidy nialohan'ny niaigako tany Dago tamin'ny herinandro lasa. Efa ela koa no naniriako hijery ny fiovana tany.

Gaga aho fa misy "median" mandritra ny km maromaro ny arabe RN  1  na dia any akodahoda be aza.

Toa mbola ho ela anefa vao ho zatra hanaja azy ireny ny mpamily fiara ao Dago.

Aleo faranana any Tana ny dia sa ahoana?

Sendra nifanontona tamin'ny faradoboka nataon-dRa8 tao Mahamasina ny fandalovako tao Tana ka dia nanao fanahiniana mihitsy aho mba hijery ny zava-misy tao. Namorom-potsy i Mahamasina. Tsinjo teny antsefatsefany teny ihany koa anefa ny Tee shirt mena zarain'i Celtel (madacom taloha) maimaimpoana hoan'ireo izay mividy laharana finday vaovao any aminy.

Tsy afenina fa toran'ny hehy foana aho rehefa maheno ny filoha mikabary amin'ny fampielezan-kevitra na tamin'ny fahitalavitra na ilay tao Mahamasina. Sendra izy tonga tao mantsy aho no tonga tao ihany koa. Faranany amin'ny "eh!" daholo ny zavatra teneniny. Ohatra. "Handeha kely amin'izay aloha izahay eh!" na hoe " 1er tour de vita eh!", ...

Lasa fitenin'ny olona koa ilay manisy "eh!" any amin'ny farany  amin'ny resaka andavan'andro rehefa te hampihomehy izy.

Elaela vao tsapako fa tetika efa maty paika hay ny an'ny filoha mba hahatsapan'ny olona fa tsy misy elanelana firy manasaraka azy amin'ireo sara-babem-bahoaka (tantsaha, ... ary isan'ireo vahoaka niaina teny andalam-be izy).

Aleo faranana amin'izay ary aloha eh!

Vita tompoko!


20 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Fandalovana tany Dago - Dec 2006"

  1. Misaotra nizara fa tena afapo. Saingy izao hoa: i rado ve no nanao retouche io fiangonan i betafo io fa toa mivadika ny lakroa?

    Nampidirin'i miangaly 30 Des 2006, 04:53
  2. Miangaly,
    Tsy misy resaka retouche izany io fa tena io lakroa mifototra io mihitsy no ao ka. Mila mandeha mamaky kely ny tantara ao amin'ny baiboly angamba ianao dia mahazo ny antony nahatonga an'io lakroa io nataondry zareo nifototra.

    Misaotra nitsidika sady nametraka hafatra.

    Rado

    Nampidirin'i Rado 30 Des 2006, 07:03
  3. Aleo omeko sopapa ihany i Miangaly izany. Io lakroa io no antsoina hoe Lakroan'i Masindahy Petera.

    Raha maharaka ny tantaran'io Apostoly iray io ianao nohomboina tamin'ny hazo fijaliana toa an'i Kristy koa izy. Nihevitra anefa ny tenany fa tsy mendrika azy ny ho faty mitovy amin'ny nahafatesan'i Kristy ka dia nangataka tamin'ireo namono azy izy mba hatsongoloka ny hazofijaliany.

    Raha mirevy teny anglisy ianao dia ireto misy fanazavana mazavazava kokoa:
    St. Peter's Cross
    Peter is believed to have been crucified upside down at his own request, as he did not feel worthy to die the same way as Jesus. Therefore many Christian sects use this cross as a symbol of humility.

    He was an early missionary in Asia Minor and the Roman Empire and founded the Church of Rome with Paul, Emperor Nero saw this new church as a threat, and began a campaign to eradicate these troublemakers. Peter was imprisoned, tortured and finally crucified. Such was his faith, it is believed, he remarkably succeeded in persuading his sadistic captors to change from the normal way of executing prisoners. Sometimes this cross is called Satan's Cross because it points downward to Hell. But this is a misnomer; Satan was never crucified on a cross, rather he fell to his death1. This inverted cross is sometimes used by Satanists to mock the Latin Cross and its meaning.

    Nampidirin'i Rado 30 Des 2006, 07:42
  4. Tongasoa indray ary e! Tsara be ny sary fa misaotra. Izaho koa tsy nahafantatra hoe misy lakroa mitsingoloka izany. Dia misaotra koa amin'ny fanazavana.

    Nampidirin'i Su 30 Des 2006, 12:00
  5. Misaotra betsaka fa mba nandeha tany an-tsary indray! mahafinaritra!!!

    Nampidirin'i kally 30 Des 2006, 16:45
  6. misaotra. de novakiako fotsiny izay nolazainao fa za matahotra teny anglisy be koh

    Nampidirin'i miangaly 31 Des 2006, 01:08
  7. Mba azavao kely hoe Rado inona ilay mikosoka kapoaka eo Analakely o.

    Nampidirin'i Su 31 Des 2006, 08:23
  8. Ireo olona mpiloka amin'ny "kodiakely" saronana ao anaty kapoaka mihoaka. Eny amin'ireny karazana "kermesy" any anelakelan-trano ireny matetika no ahitana azy taloha.
    Ohatra fotsiny, mampiasa kodiakely miisa roa ohatra ilay mpampiloka. Manamboatra kiefitrefitra 12 isa izy izany isafidianan'izay te hiloka aminy. Ny mpiloka no mitsatoka hoe eo amin'ny 7 ny azy no apetrany ny volany izay hitombo avo roa heny raha io tokoa no fitambaran'ny isa avoakan'ireo mason'ny kodiakely roa aorian'ny fikosohana.

    Ny olona sahiran-kirana ara-pivelomana raha ny fahitako azy no voasarika amin'izy ity matetika.

    Nampidirin'i rado 31 Des 2006, 10:46
  9. Mazava izany. Toa fomba vaovao eo Analakely izy izany satria toa tsy nahita firy an'io aho tamin'ny herin-taona lasa izay.

    Nampidirin'i Su 31 Des 2006, 15:07
  10. Amin'ny harivariva rehefa ilay misy mpivarotra tsakitsaky ireny eo anoloan'ny lapan'ny tanana taloha no mety hahitanao azy. Matetika dia ireo bandikely/be mpiambina fiara na mpivarotra toerana iantsonan'ny fiara no alaim-panahy hampitombo haingana ny volany amin'izy ity. Tsy misakana ny olonkafa handray anjara koa anefa izany. Ny fanontaniako fotsiny hoe tsy voararan'ny lalana (laws)ve ny filokana ankalamanjana toy ireny?

    Ny tena nahatonga saina ahy ny nahita an-dry zareo mbola nikosoka kapoaka tao amin'ny kianjaben'i Mahamasina raha sendra mba nandeha nijery ny faradoboka nataon'ny kandida Ra8 tao Mahamasina aho. Ny olona sendra nahatsikaritra moa nimenomenona hoe " Esory any io ry anona fa manala-baraka" fa toa tsy nisy sahy nandroaka mivantana.

    Nampidirin'i Rado 31 Des 2006, 21:22
  11. Misaotra amin'ny sary !

    Tena mbola betsaka ny tsy hitako amin'i Mada :'(

    Nampidirin'i pissoa 02 Jan 2007, 12:35
  12. Rado
    01/03,2007 | 00:16

    Izaho koa ohatran'i Pissoa tamin'ny voalohany. Tsy nandeha afatsy tamin'ireo toerana misy ny fianankaviana na olom-patatra. Taty aoriana aho vao "saina tonga" mahita ireo vahiny mpizaha tany mandoa vola be mitsidika ny tanintsika.

    Aleo mba fantarina ihany ny an'ny tena fa tsy ny "ngozo" indray no hiseho halala azy mialoha. Raha afaka mijery toerana vaovao iray na roa isaky ny mamangy an'i Dago d'efa milay.

    Nampidirin'i Rado 03 Jan 2007, 03:19
  13. Manja ilay reportage sy ny sary fa misaotra fa afa-po no sady miarahaba tratry ny taona 2007.

    Nampidirin'i fraz 03 Jan 2007, 13:03
  14. Mahafinaritra ny mijery ireo sary arahana fanazavana fa dia misaotra betsaka. Na izahay mipetraka eto an-toerana aza ange dia somary varimbariana ihany amin'ny fandinihana ny zava-misy mahafinaritra hiazakazahan'ny vahiny eto an-toerana e!

    Nampidirin'i Lati 08 Jan 2007, 11:58
  15. Tsy misy fisaorana Lati sy Fraz a. Misaotra nitsidika sady nametraka hafatra.

    Nampidirin'i Rado 08 Jan 2007, 12:50
  16. Misaotra t@ ireo sary. Mahasondriana tokoa ny mijery azy. Hay midadasika sy tsara loko toy io ny tora-pasik'i Morondava. Ary manao ahoana i Morondava malaza ho voakiky tsikelikely ny morontsiraka? Marina ny anao, fa tokony hampiroboroboina tokoa ny fahafantarana an'Madagasikara. Isika tompony indray no tsy mahalala noho ireo ngozo.
    Mankasitraka

    Nampidirin'i tinaina 13 Jan 2007, 10:17
  17. Misaotra an'i tinaina nitsidika sady nametraka hafatra. Mahafinaritra mihitsy ny tora-pasik'i Morondava. Raha sendra mandalo fotsiny any ianao dia mety tsy hahatsapa an'io morontsiraka voakiky tsikelikely io fa araky ny henoko dia misoko miadana hatrany io fidiran'ny ranomasina aty anatiny io.

    Nampidirin'i Rado 13 Jan 2007, 16:27
  18. Tena misaotra fa mbola hafa ihany lay hoe any @ tany niaviana e.
    Milay ny any @ tanana e. Tena efa nahazo lay ...e! sahady aho e!...

    Nampidirin'i Domoina 27 Jan 2007, 08:25
  19. Misaotra an'i Rado nitondra voandalana.Tena niova be tokoa any izanyFa tsy azoko ny fanazavanao momba ilay lakroa mitsongoloka ,izahay sy Miangaly mantsy mitovy koa;

    Nampidirin'i Randrana 09 Feb 2007, 20:53
  20. Domoina> Tena efa nahazo lay ...e sahady ary i Domoina izany. Niezaka naminavina aho fa tsy tafa eh. Mba ampireheto kely ny Jiro ry Domoina fa maizina a.

    Randrana> Tsy misy fisaorana kah. Mahafinaritra ny mizara rehefa misy ny azo zaraina. Hihihi.

    I Piera na Petera Apostolin'i Kristy izany no nofantsihina tamin'ny lakroa koa tamin'ny fotoana namonoana azy ho faty. Voaheloka ho faty koa izy tamin'ny farany. Nahatsapa anefa izy fa toa tsy mendrika azy ny ho faty tahaka ny fomba namonoana an'i Kristy ka dia nangataka izy hoe ataovy mitsongoloka ny ahy ny lakroa hamonoanareo ahy.

    Sa ve le teny Anglisy eo ambany eo mihitsy no tian'i Randrana hadika teny gasy?

    Nampidirin'i Rado 10 Feb 2007, 04:40