Ireo nofinofiko hoan'i Dago

Nampidirin'i radotiana | 10 Jan, 2007

  Nahita aho tamin'ilay fandalovana tany Dago tamin'ny volana Desambra teo fa efa misy ezaka ary hita maso ny vokany ataon'ireo mpitondra.

  Na izany aza anefa dia mihevitra aho fa tsy mahadiso raha manolotra ny soson-kevitra eto aho/isika ny amin'izay mety hanatsara misimisy kokoa ny fiainana ao Madagasikara.

  Manasa anao koa aho handray anjara hametraka izay nofinofinao.


FIFAMOIVOIZANA

  1- Tokony ho velomina indray ireo " Traffic lights" manampy ny mpandeha tongotra hiampita arabe sady manampy ny fiarakodia te hivily miankavia na ankavanana eo amina sampanan-dalana. (Ny ao andrenivohitra aloha no tena hitako mila azy ity maika).

  Ny polisy no manao an'io asa fandrindrana ny fifamoivoizana io ankehitriny. Rehefa tsy eo ny polisy dia mifanaritaka samy manao izay saim-patany ny mpamily. Izay tafatsofoka mialoha no tompon'ny lalana.

  Tadidiko fa nisy betsaka azy io tao Analakely, Antanimena,  sampanana hoany Ampahibe eo amin'ny Route circulaire, sampanana hoany Ankatso sy Antanimora, ...

  Tsy manaratsy  ny vita sinoa aloha fa tsy tafa ilay eo amin'ny 67Ha eh. Mila mba atao manarampenitra ohatran'ny fahita any Europe sy aty USA ohatra.


  2- Mba hisy "median" ilay tsipika fotsy mitohy sy tapataka iny amin'iny arabe teritery sady miholakolaka mankany Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, ...

  Mba entanina sy ampianarina ny mpamily tsy hangalatra ny ampahan-dalana tsy natokana hoazy rehefa mivily amin'ireny fiholanana tsy ifankahitan'ny fiara mifanena ireny.

Firy isan-taona re ny aina voatsimbina raha mba miala amin'ilay fi-coupe-na fiholanana ny mpamily ao Dago e?

Aleo ireo fotsiny aloha fa amin'ny manaraka indray tohizana.


21 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ireo nofinofiko hoan'i Dago"

  1. Marina ny voalazanao radotiana a! Ny ahy indray dia tonga dia mafonja be :) le nofinofy : enga anie mba hiakatra ny fari-piainan'ny tantsaha! hihihi Raha ny fomba eritreretiko hahatongavana @'izany aloha dia tsy ho voatantara eto satria lava loatra e! Fa singany iray fotsiny dia ny hoe : tokony havaozina ny fananan-tany ( regime foncier ), ary hamoraina ny fividianan'ny mpamboly ny tany iray raha tena vonona hamboly izy.


    Ny mahatonga ahy handroso an'io dia izao : Malalaka sy betsaka ny tany ao Mkara. Fa matetika dia sarotra ho an'ny tena tantsaha ny hangataka sy hividy izany @ fanjakàna. Koa ny ankamaroan'ny tany dia an'ireo tandrenivohitra mpanankarena. Ary dia ofainy @ mpamboly : io ilay hoe "manao ampahany" na "métayage". Vokany dia tsy manana faharisihana (motivation) ilay mpamboly (tsy sahy mandany zezika izy ohatra na mikarakara ) satria tsy azy manontolo ny vokatra azo eo, fa mbola isasahany aman'olona. Izany tranga izany moa no isan'ny tsy mahatonga an'i Marovoay sy Alaotra ho sompitr'i Mkara intsony ( asa raha fantantsika fa mihena izay tsy izy isan-taona hatrany ny voka-bary isaka hektara any amin'ireo faritra ireo )
    Ny vahaolana arosoko moa dia ny zava-misy iainan'dry zareo etiopiana ankehitriny : "izay olona mahavita manajary ny tanim-panjakana iray (domaine publique) mandritra ny taona voafaritra, ka mahavita maka tombontsoa @'izany dia lasa tompony". Raha io lalàna io no ampiharina ao amintsika dia mino aho fa hamokatra be ny tantsaha. Maro moa ny "mesures d'accompagnement" tokony hiaraka amin'azy io fa dia anjaran'ny mpanao lalàna indray izay!
    Eto dia tsaroako ilay teny filamatra t@'ny andron'ny sosialisma manao hoe : Mamokatra mamokatra mamokatra hatrany.Asa 'nareo raha miombon-kevitra amiko fa dia tena tokony ho filamatra hatrany izy io : indrindra fa ho an'ny firenena toa an'i Mkara izay be tantsaha ( à vocation agricole ). Ny zava-misy manko dia te hanao varotra ( affaire na bizn daholo ny olona, fa tsy mazoto hamokatra na hanao "création de richesse" intsony. Dia izay angamba no amaranako azy fa sao lava loatra :)

    Nampidirin'i Tokinao 10 Jan 2007, 02:03
  2. Milay io nofinofin'i Tokinao io.

    Aleo ampidirintsika ao anatin'ny sokajy: TOE-KARENA ilay izy e.

    1- Izay Tantsaha afaka manajary tanim-panjakana ary mahazo tombony ao anatin'ny fotoana voafaritra dia homen'ny fanjakana alalana ho tompony.

    Nampidirin'i Rado 10 Jan 2007, 02:17
  3. Ampidiro ary e! hihihi Amin'izay mba hita eo izay fanakianana ataon'ny olona. OK

    Nampidirin'i Tokinao 10 Jan 2007, 02:46
  4. Slt Rado

    Ny ahy indray dia ny fampianarana...
    Tokony ahena ilay enseignement general...na koa avela amin' izao fa saingy velomina ary raisin'ny fanjakana ho matotra tsara ny fampianarana teknika..

    tena lava lotra ilay 12 taona kanefa rehefa vita Bacc toa mbola tsisy zavatra hay entina miatrika asa!

    Ny itondrana azy dia atao toy ny aty SIngapore...miara-miasa ny ministera misahana ny fampianarana teknika sy ny orinasa ao an-tanana ka formation avy hatrany izay ilain'ny orinasa no ampanaovina ny mpianatra...rehefa mivoaka ry zareo amzay tonga dia miditra miasa...raha misy fitaovana tsy maintsy vidiana entina manofana ny mpianatra dia ifampizaran'ny fanjakana sy ilay sekoly ary ireo orinasa izay mila azy...

    mety havesatra aloha io kanefa manedha miandalana ka jerena araka ny filana ao an-toerana sy ny fahafaha-manao!

    Nampidirin'i kitjo 10 Jan 2007, 22:06
  5. Tohanako antsakany sy andavany ity nofinofin'i Kitjo ity. Aleo ampidirina ao amin'ny sokajy: FAMPIANARANA.

    1- Tokony hanome vahana ny fampianarana teknika ny fanjakana ary hiara hiasa amin'ireo orinasa ao Madagasikara amin'ny fanatanterahana izany. Ahena ny fampianarana ankapobeny mba ahafahan'ny mpianatra mifantoka misimisy kokoa amin'ny sampan'asa tiany hatao any aoriana.

    2- Tokony foanana ny fanadinana toy ny CEPE, BEPC, BACC fa tsy azo itarafana ny tena fahaizan'ny mpianatra.

    Ny zavatra mitranga tsy ampoizina mialoha na mandritra ny fotoana anatanterahina ny fanadinana dia mety hitarika ny mpianatra hamerintaona. (Oh: aretina, voina isan-karazany,...)

    Ovaina ho "Credit System" no ampiasaina. Izay taranja tsy ahombiazan'ny mpianatra ihany no averiny. Rehefa feno ny "Credits" ilainy hahazoany ny diploma katsahiny dia afaka mifindra amin'ny ambaratongam-pampianarana manaraka izy.

    3- Ataon'ny Fanjakana vaindohan-draharaha ny fampiakarana ny "Self esteem" ny zaza mpianatra malagasy. Esorina ao anatin'ny voambolan'ny mpampianatra ny teny fanapempoana sy fanabatibatiana ny mpianatra. (Oh: Izany avy koa ka tsy hay! Fa ny inona ny anareo no misaina e! Zaza dondrona! ... )

    Nampidirin'i Rado 10 Jan 2007, 23:01
  6. hihihi
    mampme le farany io izany..fa marina an!

    MArina mitsy io resaka "credit system" io ary zay no saika tena mahasamihafa ilay fampianarana frantsay @ hafa ..

    ny fahitako azy aloa dia ry zareo reo mitsy no fositra fa zarany ny Gasy sy ireo firenena manaraka ny systeme-ny ho vendrana eo amin'izay afaka ambaniany...

    Ankoatra an' izay resaka fampianarana ihany, ny "Histoire" tokony ahena kokoa ny momba an' i Eoropa fa velarina mba hiresaka an' izao tontolo izao mihitsy, eny na dia Afrika aza...indrindra izay mety hahakasika resaka toe-karena! Ny ankizy Gasy lasa tsy mazoto hijery an' izany satria mankaleo be ry De Gaule foana ve ko!

    Nampidirin'i kitjo 11 Jan 2007, 08:21
  7. Ity indray resaka "SOSIALY"?

    "Reo ONG sy Association ao Dago dia tokony hiova famindra kely
    Marina fa tsara ny manao zavatra satria misy ny mamatsy vola..

    Fa ny vahoaka tokony tsy zarina hamatam-bonona intsony..tokony "impliquer-na" tanteraka anaty projet ry zareo mba handray anjara..eny mety tsy ara-bola fa ara-kevitra hitadiavam-bola ohatra...ara-kevitra @hoe inona no andeha atao...ara-batana sns

    Rehefa mahatsiaro manko izy fa nisy ny ezaka nataony dia hainy ny manaja izay omena azy fa zay no toe-tsaina mbola mampalahelo be ao amintsika ao...

    Nampidirin'i kitjo 11 Jan 2007, 08:24
  8. SOSIALY:
    1- Ampandraisina anjara (ara-bola, herin-tsandry, herin-tsaina,...) ny vahoaka iantefan'ny fanampian'ny ONG miasa ao Madagasikara mba tsy ho zatra toloram-potsiny fa mba hahatsiaro ho tompon'ny ezaka.

    FIFAMOIVOIZANA: ity tena nofinofy tanteraka mihitsy.

    3- Mba asiana takelaby mamaritra ny hafainganam-pandeha amin'ireo lalam-pirenena mivoaka ny tanan-dehibe.

    Firy isan-jaton'ny fiara ao Dago anefa no mbola mandeha tsara ireny "Odometer" ireny ka ahafataran'ny mpamily hoe mandeha firy km isan'ora izy? Raha tsy mihavao ny ankamaroan'ny vam ao amin'ny tanana tsy ho tafa ity anakiray ity fa apetraka eto ihany na d izany aza.

    Nampidirin'i Rado 11 Jan 2007, 11:55
  9. Somary saritsarotra ihany io nofin'i Rado farany io an!

    Ny hitako aloha dia any @ fanovana ny toe-tsain' ilay olona no fototra iaingan' io satria ilay fanarahan-dalana sy fanarahana toromarika io dia sarotra be ho an'ny Gasy...

    ka na fifamoivoizana io, na fanariana fako, fanimbana zavatra, parking sns...tsy ilay dabam-pako akory no tsisy fa ilay olona mihitsy no tsy manary ao anatiny..

    ka ilay fanovana toe-tsaina sy fanentanana aloha no hiaingana dia mandeha ho azy ny fampiasana azy...ka na apetraka aza ny takela-by sns rehefa ilay olona na sofera mihitsy no tsy manaraka dia fanariam-bola sy haingo-tanAna fts

    sa?

    Nampidirin'i kitjo 11 Jan 2007, 19:44
  10. Any amin'ny fanovana toe-tsaina mihitsy no fototry ny resaka ry Kitjo. Manaiky aho. Tsy mora anefa io raha tsy mahasahy ny mpitondra hanova zavatra. Jereo fotsiny ireny toerana fiantsona telefona eny andalam-be ireny e. Tsy dia nampino hoe ho tafajanona teny ireny tamin'ny voalohany. Betsaka ny fitaratra nanjavona,... ny hitako indray mandeha izay aza dia nisy nanapaka teo mihitsy ilay fitaovana firesahana iny. Amin'izao fotoana anefa ohatran'ny mba mandeha daholo ihany ny ankabeazan'izy ireny raha ny fahitako azy farany teo. Ny fahitako azy izany. Izay tsy tena izingiziniko fa marina, dia ny fampidirana zavatra hanatsara ny fiainana tsikelikely no mety hanova ny toe-tsaina. Raha resaka fanentanana fotsiny mety ela be vao hahitan'ny gasy vokany.

    Ohatra hafa: Ilay tetezana fiampitana eo Anosibe. Nihomehy ny olona hoe tsy ny mpizaha tany ihany ve no hiakatra eo. Rehefa tena nitombo tsikelikely ny isan'ny maty nodomin'ny vam taty aoriana vao nahatsapa ny maro fa aleo miakatra an'io tetezana io toy izay hitsapa vintana eo amin'ny arabe.

    Nampidirin'i Rado 12 Jan 2007, 01:54
  11. hhihihi
    tiko kosa aloha io tetezana io e..fa tokony mba haingoana kely fa tsy atao vy be oh io fts...

    Marina aloha izany lazainao izany ka na hahay hanaja moa izy kanefa tsy misy ny hohajaina dia ts hisy vokany..
    Fa na izany na tsy izany zava-dehibe ho an'ny Malagasy mihitsy io fiovana toe-tsaina io!

    Nampidirin'i kitjo 12 Jan 2007, 08:05
  12. Ny ahy indray ry RADO, ny faniriako dia mba te ahita ireny karazana "Safe housing" na toerana fandehanan'ny renim-pianakaviana na fianakaviana tojo ny tsy rariny any antokatrano. Resaka sosialy izany. Ka raha toa ka vonoin'i vadiny ilay ramatoa , izay fahita matetika any dia mba misy toerana mandray azy miankavy kely sy mikarakara azy mandra-pikarakaran'ny fanjakana ny fanamaizana ilay rangahy na ilay ramatoa.

    Tokony hisy olona karaman'i fanjakana hijery sy hanampy an'ireo vehivavy na renim-pianakaviana iharan'ny tsindry hazo lena ary hanaramaso sy hampihatra raha misy io lalana io any Madagasikara. Ny antony mantsy dia betsaka ny renim-pianakaviana hianjadian'io olona io saingy noho ny tsy fahaizany ny lalana miaro azy sy toerana mba hialofany dia miafy eo izy.

    Nampidirin'i Soanja 14 Jan 2007, 04:08
  13. Misaotra an'i Soanja fa ampidirintsika ao anatin'ny sokajy SOSIALY io nofinofinao io:

    2- Fananganana toeram-pialofana vonjy maika hoan'ireo reny na raim-pianankaviana/miaraka amin'ny zanany iharan'ny tsy rariny (Daroka sy famonoana,...) any antokatranony. "Safe Housing".

    Nampidirin'i Rado 14 Jan 2007, 05:25
  14. Ny toerana aloha tsy mbola misy.
    Fa efa misy organisation internationale mikarakara an'io fa tsy tadidiko izy izay raha ny UNICEF angamba miaraka @ Ministeran' ny mponina

    Tsy haiko aloha izay tena ataon-dry zareo fa ny reko fts dia hoe mikarakara ry zareo, rehefa ho avy ny tribonaly dia lasa mitsoaka ilay ramatoa mamonjy ny vadiny dia rava maina..io dol ny cas miseho matetika @ toe-javatra toy izao.

    Ny antony amiko dia
    1- raha voasazy tokoa ilay rangahy dia matahotra valifaty ilay ramatoa rehefa miverina ao an-tokantrano
    2- malahelo sady ao foana ilay saina hoe rehefa miverina dia mifanambitamby eo mifona ilay rangahy dia vitavita ho azy nefa aveo mamerina ihany.

    Ny mahatonga an' ireo zavatra roa ireo anefa dia tsy inona fa tsy mbola ao anatin' ny ran'ny Malagasy zany hisara-panambadiana izany, raha tsy ireo izay milaza ho moderna na tena hoe misy iray @ mpivady lasa manambady olon-kafa.

    Ka raha vao mieritreritra na vonona hi-divaorsa manko dia tsy mitombona ilay hevitra 2 etsy ambony...izay no mbola mahasamihafa antsika @ vazaha ka izay koa angamba no mahatonga ny tsy mbola fisian'io lazain' i Soanja io hoe tena mipetraka tsara.

    Hevitro: ilay toerana aloha sarotra be satria mety na tsy manan-trano rht io aza lasa ho any daholo..ary mety elaela vao hisy izay...ny zavatra tokony tonga dia azo atao dia ny Fampianarana ireo olon-dehibe..resaka Education civique sy fitondrana tokantrano.
    mety hoe isaky ny fokontany na koa hampamatotra azy kokoa dia asian'ny Fanjakana an' io kilasy ho an'olondehibe io mihitsy ka tsy misy mahazo misoratra ara-panjakana raha tsy efa nanatrika ilay kilasy...

    Nampidirin'i kitjo 15 Jan 2007, 08:20
  15. SOSIALY:
    3- Takian'ny fanjakana amin'ireo izay te hivady (soratra ara-panjakana) ny hianaran'izy ireo lalana (laws) manodidina ny fanambadiana ary ny zon'ny andaniny sy ny ankilany ao antokantrano.

    Ny tena nahavariana ahy tamin'ny zavatra nolazain'izay olom-patatro (vehivavy) vonoin'ny vadiny matetika any Dago izay dia ny filazany fa tsy afaka ny hitory ny vadiny hono izy fa izy ihany no ho sahirana hanati-bary hoazy any ampigadrana any.

    D nampianarina hihari-pery ao amin'ny tokan-trano tokoa angamba ny gasy hoy aho aneritreritra tamin'ny oham-pitenenan'ny olona toy ny hoe:

    - " tokantrano fihafiana "
    - " tokantrano tsy ahahaka " ...

    Nampidirin'i Rado 16 Jan 2007, 03:38
  16. ka zay nddra ange lay lazaiko io e...
    fa zay kosa aloha no mbola maha-hafa antsika gasy e...
    mampalahelo ange ny ankizy @le mpivady mikorontana ary aty ivelany ka zary lamaody sy hifaninana ny Fisarahana
    saingy ny ampihenana ireo fomba fanjanahana ao an-tokantrano reo no ijerena hevitra ny hitaizana ny mpivady

    ahitsiko kely Rado an!
    tsy tena oe lalAna na law akory ilay ampianarina..fampahafantarana fts manko raha izay.

    fa ny tena tiako tenenina dia tena fanabeazana mihitsy ny fitondra-tena ao an-tokantrano, fampahafantarana sy fanabeazana ny anjaran' ny tsirairay...eny h@ resaka fifampiresahana, fifanakalozan-kevitra(communication), fitantanana ara-bola koa aza raha ilaina, fomba fitaizana ny ankizy, resaka momba ny fiterahana sns.....

    Mety tafiditra @io koa ny fanentanana @ ady atao @ fidorohana zava-mahadomelina, ady @ SIDA sy ny areti-mifindra hafa....eny na h@ fomba fitondrana ny mpanampy an-trano aza maninona moa! raha misy...

    izany rehetra izany manko mety ho antony hahatonga saritaka an-tokantrano avokoa..

    aza adino raha misy io ny fampianarana :Stress/anger management!

    Mety ho lasa mpanolo-tsain'ny ministry ny mponina aho izany..hahahha

    Nampidirin'i kitjo 16 Jan 2007, 18:45
  17. Marina ny an'i Kitjo fa ilaina miainga any amin'ny fanabeazana ireo izay vao hanorina tokantrano mihitsy ilay izy. Na izany aza anefa dia heveriko fa tokony hisy lalana miaro ny vehivavy sy ny lehilahy iharan'ny tsirariny ataon'ny vadiny avy any antokatrano. Mba misy zavatra atahorana izany ao.
    Ohatra akaiky fotsiny no raisiko e. Tsy nihena mihitsy ny fanaovana kolikoly raha tsy efa nisy lalana nanenjika an'izay mikasa hanao izany. Mba mahalala matahotra ihany hay. Ohatran'izay ilay heveriko tokony hatao angamba. Tsy izingiziniko fa marina anefa. Mandeha ila ihany koa anefa io lalana resahiko io raha tsy misy rafitra hafa miaraka aminy satria ho sahirana izay ray na renimpianankaviana voatery hisaraka tampoka amin'ny vadiny izay mpiantoka tao antokantrano ohatra.

    Nampidirin'i Rado 17 Jan 2007, 09:33
  18. Marina izany ry Rado
    Fa efa samy hanonofy ihany dia hoy aho oe
    Maninona raha tsy hoe asiana lalana fa

    mba tiako ho hita/hisy ny hoe
    Tsy voatery ny lalAna no atahorana vao hanao ny mety fa Ahoana ny ahafahana manova izay toe-tsaina izay mba tsy ho manoloana hery famoretana vao hatahotra...ilay tahotra mihitsy no tokony hiala e...

    Nampidirin'i kitjo 01 Feb 2007, 17:36
  19. FIFAMOIVOIZANA:
    Mba manamboatra an'ireny "Rest Area", toerana natokana hialan-tsasatra na hamonjena WC ny fanjakana amin'ireny lalam-pirenena ireny. Tsy voatery hoe any ankodahoda no asiana azy fa ireo toerana efa mahazatra ny mpamily taxi-brousses hamelany ny mpandeha hivoaka hatramin'izay ihany no ajariana hanamboarana azy.

    Nampidirin'i Rado 03 Mar 2007, 23:36
  20. Mankasitraka, mankatelina tompokolahy sy tompokovavy isany amin'ity toerana famoahana ny nofinofy ity, fa raha ireo rehetra ireo no eo an-dalam-pahatanterahana, eo an-dalàna hoy aho an, dia mety vitako ny handresy lahatra ny vadiko hanorina fiainan-tsambatra vaovao any an-tanindrazana.
    Eny e, miady mafy ihany aho izao, nefa koditra ihany koa sao diso fanantenana ka ilay vava avy eo no tsy laitra hoe : ianao ihany no nisisika hody a, hody. Satria dia any amin'ilay TOE-TSAINA daholo aloha no iaingan'izao rehetra izao, dia ny VOLA ny manaraka. Fa raha tsisy ireo roa ireo, ny gasy tsy maintsy mieritreritra ny anio fotsiny aloha : bizna, izay ihany no hiantohana ny isan'andro, carpe diem ny ady any aloha.
    Kanefa araraotiko ihany ny manolotra ny faniriako taorian'ny nandalovako tany tamin'ny 2003. Narary mafy mamanay, efa fantatro hoe tsisy fanantenana intsony dia nanapa-kevitra aho hody fa izay sisa fanafody ilainy, mifankahita izahay, mahita ny zafikeliny izy. Ka ny iray volana dia laniko tany amin'ny hopitaly foana, dia izaho nandray fiaramanidina nody moa, nanidina tamin'ny 1 maraina ny voromby, izy niala aina tamin'ny 1.30. Tonga aty antrano aho mandray vaovao ratsy. Ka tsy izay no tiako ho resahana betsaka fa ilay iray volana teny amin'ny hopitaly (Befelatanana no resahako eto), gravy be fa ny fanafody rehetra, ny landihazo, alcohol, seringue ... vidina daholo daholo, hatramin'ny cahier handraiketana ny mombamomba ny marary isan'andro, sy ny papier d'emballage ilay marron ireny amboarina ho lasa valopy be asiana ireo valin'ny analyse, radio... natao. Ny hygiène moa amin'izany manginy fotsiny. Misy toilette isaky ny service saingy rizareo personnel ihany no mahazo mampiasa io. Na manasa tanana aza tsy azo atao ao, nefa aiza ny publique ? ary andakira be ary. Dia ny tavoahangy feno rano no atao resegà ao amin'ny efitrano.Dia avy manadio marary ve ianao rey olona dia tondrahana kely ny tanana manasa azy dia tonga dia mikarakara sakafony indray , dray dray dray!
    Ny tena nampihomehy dia ilay manao analyse albumine hono. Misy éprouvettes telo ao amin'ilay service manana marary tokony efa ho roapolo, na mahery aza. Isa-maraina mila manao analyse ny marary dia samy maka ilay éprouvette dia asiana urine, asiana vinaigre moa sa alcool, tsy tadidiko intsony, asiana coton avy eo dia tselarana lelafo amin'izay. Raha mandroatra iny dia misy albumine ianao izany dia mila lazaina ny infirmière rehefa avy eo. Dia avy eo ariana ilay mélange nanaovana fanandramana, kobanina fotsiny ilay tube dia averina amin'ny toerany fa mbola be ny mampiasa azy. INCROYABLE MAIS VRAI. Angamba isika avy aty ivelany dia mahita izany ho hors-norme fa zareo ao tao mahita izany normal tsara mihitsy.
    Dia tena niteny aho tamin'izay hoe handeha hanao lettre ouverte pour Mr le Président de la République hangataka aminy hoe Andriamatoa filoha o, ilay làlana ekeko fa tena ilaina fa ny lafin'ny fahasalaman'ny SARABABEM-BAHOAKA koa mba asio maso ihany, fa tena luxe be ny marary any. Teo no nisy fotoana nanaovako kajy iray sy valo hoe raha mody aho ka ho matretre aza, raha sendra marary aho toa hivoaka any daholo ny eo an-tànana.
    Ka efa misy moa ity nofinofin'i Rado ity dia mba araraotiko ilazana io, ao amin'ny FAHASALAMANA re ry Rado mila jerena fa mbola vao santionany io.
    Satria moa cancer du poumon no nahazo an'i mamanay, dia nila nanao scanner teny amin'ny Girard. Nony tonga ny andro hakana ny valiny, mbola misy tsy hitan-drizareo hono fa mila entina miverina indray ilay marary, dia 800.000 FMG faharoa izay. Ny tena moa manana marary dia nentina ihany nefa izy efa trotroina sisa fa efa tena ambiviny ny ainy. Vita ny faharoa mbola saika nasain-drizareo hanao fahatelo, nefa dia efa hita izao fa efa condamné ilay olona ary efa tsy haharitra intsony. Tamin'izay kosa aloha izaho sy ny zokiko lahy tena tonga dia nivatravatra tamin'izay e, dia nomen-drizareo ihany ilay izy, nefa efa hita daholo ny point voadona. Tena kivy be aho tamin'izay hoe tena tsisy fanajana zon'ny marary intsony fa tena izay hihinana ilay 800.000 isaky ny scanner no zava-dehibe. KIVY TENA KIVY aho tamin'izay fa tena tsoriko.
    Nefa ny rà malagasy moa miantso ihany, ny zaza gasy ray gasy reny, mba manonofy ihany hoe ireo no ho avin'ny firenena, fa isika "ilay ankizy ankehitriny antoky ny taona roa arivo" tamin'ny andron'ny boky mena toa mbola mijery baolina daholo fotsiny fa tsy hita hoe aiza no hatomboka ny fanarenana. Ka dia io ny MAP, tsy sahy mamaky ilay fanamby ao aho satria efa noterena nianatra boky mena tamin'izany nefa aiza aho izao, miaritra trèfle aty an-tanin'olona...
    Ka dia tohanako ny nofinofin'i Rado dia iverenako matetika eto, asiana marika izay vita sy tsy vita afaka dimy taona.
    Koa mahereza daholo, indry ry Kitjo aloha efa any izao hanomboka azy ity, mahavita be akia fa asa fa tsy kabary no tena ilaina any a. Misy fanantenana ve ny fanovana ilay toe-tsaina ????

    Nampidirin'i ikalamako 04 Mar 2007, 06:03
  21. Misaotra an'i Ikalamako tamin'io tora-po mafonja dia mafonja narosonao io. Ny faniriako dia ny mba hahitan'ireo tompon'andraikitra any Dago an'ity blaogy ity sy ireo hevitra marobe miposaka ato. Ny filoha sy ny praiministra mihitsy no tiako mba hamaky azy ity mba hahitan'izy ireo ny hetahetan'ny tapaka sy namana isany.

    Efa miha gaigy be tokoa ny fitsabona marary any Dago amin'izao fotoana fa tsy arakaraky ny isian'ny toeram-pitsaboana tsy andoavam-bola azy.Tohanako antsakany sy andavany ny nofinofin'Ikalamako. Aiza moa i Samoela no tsy hamorona an'ilay hira manadroadro ny mpitsabo any Dago nony farany? Tsy ny mpitsabo ihany anefa no tairina mba hifoha fa ireo ao amin'ny fitondrana foibe mpitsinjara sady mpametraka ny laharam-pahamehana amin'ny fampiasana ny "volam-bahoaka" indrindra indrindra.

    Mamporisika anao mpamaky hametraka ny nofinofinao eto. Haravintsika izy ity indray andro any ary itadiavana hevitra ny hanolorana izay mbola tsy tanteraka any amin'ireo mpitondra.

    Manantena ny fandraisanao anjara.

    Nampidirin'i Rado 10 Mar 2007, 14:10