Tutorial- Fanovana sary (Header) eto @ blaogy.com

Nampidirin'i radotiana | 2 Feb, 2007

Araka ny fangatahan'ny namana sasany dia aleo omena tsotsotra eto ireo dingana arahina hanovana ny sary eo amin'ireo "endrika" ampiasaintsika eto amin'ny blaogy.com.

Fitaovana ilaina:

1- Ny sary tinao hapetraka

2- Adobe Photoshop na mampiasà ny Cellsea

3- Toerana ametrahanao ny sary online. Ohatra: http://www.geocities.com raha manana kaonty ao amin'ny yahoo ianao.

 

Dingana voalohany

Ho ahy dia ny endrika Kubrick no ampiasaiko.

1- Sokafy ny blaoginao (oh: anarana.blaogy.com)

- Manaova "right click" eo ambonin'ilay sary tinao hovana.

- Save as (tehirizo amin'izay tinao hasiana azy ilay kubrickheader.jpg)

Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana faharoa

Raha mampiasa Adobe Photoshop na photo editor hafa ianao dia azonao jerena ny haben'io sary io.

Image --> Image Size

Dingana Fahatelo

Sokafy ny sary tinao hampiasaina ary akelezo hitovy habe amin'io faritra miloko manga eo amin'ilay Kubrickheader.jpg. Tokony ho kely noho ny 760 pixels izany ohatra ny "width" ary latsaky ny 200 pixels ny "height".  (Ny fanovana ho zoro dombo ny sisiny efatra moa mbola tutorial hafa indray iny.)

- Hetezo (Cut) ilay sary tinao ampiasaina ary Apetaho "Paste" eo ambonin'ilay faritra miloko manga. Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana fahaefatra

1- Omeo anarana vaovao ilay sary avy namboarina.

2- Asio izay soratra tinao hapetraka eo.

3- Aza adino ny mitahiry ny fanovana farany nataonao (Save)

 

Dingana fahadimy

Ampiakaro any amin'izay toerana tinao ametrahanao azy online ilay sary vaovao.

Ohatra:

- Ndeha ataontsika hoe rakoto no anaranao (username), 

- mampiasa ny www.geocities.com ianao itehirizanao  sary ao amin'ny internet.

- tambohogasyheader.jpg no anaran'ilay sary vao avy namboarina.

Tokony ho toy izao izany ny adiresy hampiasainao eo amin'ny dingana fahaenina.

http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg

 

Dingana fahaenina

1-Midira ato amin'ny blaogy.com-nao. (log in), rehefa tafiditra ao anatiny dia,

2- Mankanesa ao amin'ny réglages --> Fanovana CSS

3- Apetaho (copy --> paste) eo amin'ilay Fanovana CSS ireto code ireto.

#header { background: url(http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg) no-repeat center center;
border: none;
}

4- Ilay soratra ao anaty fonosana (...) ihany no ovana hifanaraka amin'izay adiresy misy ny sary vao avy namboarinao.

 

Raha endrika "Kubrick" no nampiasainao dia ampio an'ireto code ireto mba tsy hisehoan'ilay anaran'ny blaoginao indroa.

h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;}

 

5- Tehirizo.

VITA TOMPOKO.

Raha misy manahirana hafa dia azo anontaniana an'i Hery na i Pissoa angamba sa ahoana?


16 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Tutorial- Fanovana sary (Header) eto @ blaogy.com"

  1. Misaotra betsaka Rado fa za zany mila maka bahana tsara mihitsy aloha hanao an'io..hihihihi

    otrin ecolagen ilay tutorial? haha

    Misaotra e...aleo aloha handramana

    Nampidirin'i kitjo 02 Feb 2007, 18:30
  2. Aleo aloha ho sedraina eto raha mazava io tutorial io na maizina. Hihihi.

    Arotsahy any amin'i Hery ho fanohanana ny blaogy.com ny ecolage eh. Sa ahoana ry Hery?

    Nampidirin'i Rado 02 Feb 2007, 18:39
  3. Tena milay e. Merci Rado an.

    Nampidirin'i hery 02 Feb 2007, 19:09
  4. nety daholo ilay izy ry Rado
    fa eo @ ilay
    3 @ dingana fahaenina farany aho no nikatso..
    Azonao hazavaina kokoa ve ilay anaty ( )..?
    Azafady e!

    Nampidirin'i kitjo 03 Feb 2007, 10:18
  5. Mila miditra ao anatin'ny blaoginao ianao Kitjo a.
    - Log in --> Password
    - Click-evo ilay hoe reglages --> Fanovana CSS
    - Copy-evo io code miantomboka eo amin'ny #header...mandrapahatonga eo amin'ny ...{font-size : 0px;}

    Ity ihany no mila ovainao:

    anarana= kitjo
    tambohogasyheader.jpg= anaran'ny sarinao

    (http://anarana.blaogy.com/tambohogasyheader.jpg)

    Nampidirin'i Rado 03 Feb 2007, 12:08
  6. Mety diso angamba ny filazako teo fa aleo ahitsy haingana. Hihihi

    Ny adiresy (path) misy an'ilay sary namboarinao ho "header.jpg" no mila apetraka eo mba ahafahana misintona azy.

    Ohatra hoe: http://geocities.com/kitjo/header.jpg

    Nampidirin'i Rado 03 Feb 2007, 12:40
  7. d'akor
    aleo ary aloha andramako indray

    merci an

    Nampidirin'i kitjo 03 Feb 2007, 13:42
  8. Misaotra indrindra amin'ny fanazavana e! izaho manko anisan'ny nangataka ilay fomba fanaovana azy!

    Nampidirin'i jentilisa 03 Feb 2007, 19:01
  9. Ouufff...
    Nety ihany!
    Misaotra ny mpanoro rehetra e..nisy nanohana akaiky mitsy manko tao ambadika tao fa saika tsy tafavoaka za..hihihi
    mba fanandramana fts aloha ny ahy fa mbola tsy mahita sary atao!!!

    Nampidirin'i kitjo 03 Feb 2007, 23:08
  10. Congrats Kitjo ah.

    Mba lazao eto hoe inona tamin'ilay dingana faha enina no tena maizina taminao mba hanitsiana izay tsy mety.

    Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 01:02
  11. Misaotra ooo

    Ilay apetraka anaty ( ) natoronao io k!

    zany hoe t@ voalohany tsy haiko tsara oe inona marina no atao ao sayd misy an le h h1 sns reo

    angamba mahatsotra az tokony ampianao fts oe:
    ilay http sns adiresy online nametrahana ilay sary fts no adika natain' ilay ( )
    d esorina le oe h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;} ireo....sa??

    Nampidirin'i kitjo 04 Feb 2007, 01:33
  12. Raha tsy manana toerana ametrahana ilay sary vao avy namboarina ianao dia mankanesa ao amin'ny http://geocities.com dia manokafa kaonty ao. Ilay "bojo" (free) no ampiasao. Raha efa manana kaonty ao amin'ny Yahoo moa ianao dia tsy mila manokatra vaovao intsony fa iray ihany tsinona ny geocities.com sy ny Yahoo.com.

    Izay adiresy misy an'ilay sary tafakatra (uploaded) any amin'ny internet no apetraka ao anaty fonosana ao amin'ny dingana fahaenina. Raha vao misy diso io na litera iray aza dia tsy miseho ilay sary vaovao.

    Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 05:50
  13. H@ izao aloha dia ny http://imageshack.us/ no hitako mora indrindra..
    mbola ts nnandrana le geocities aloha za e!
    fa @io ts mila mi log in sns..

    ra io no asiana ilay sary dia aza adino fts manova le izy mba tsy hisy "resizing"

    Nampidirin'i kitjo 04 Feb 2007, 18:57
  14. Ohatra fotsiny ny ahy ilay geocities.com ery ambony fa anisan'ny tsara sady mora ampiasaina tokoa ny http://imageshack.us naroson'i Kitjo. Misaotra an'i Kitjo nizara.

    Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 19:04
  15. six eh

    Nampidirin'i sitlo 18 Mar 2007, 00:42
  16. Ny ahy endrika "forange" dia ity no miasa aminy:
    #header h1 a{
    font-size:0em;
    color: #0000FF;
    }
    Ilay 0000FF dia code de couleur manga be satria manga ny ahy fa ovao arakaraka ny loko miasa aminao. Kaody RGB (red-green-blue) io, 0000ff dia midika Red=0, green=0, blue=255 :wink:

    Nampidirin'i sitlo 22 Mar 2007, 07:08