Fitenin-jatovo

Nampidirin'i radotiana | 11 Feb, 2007

" Ka raha tsy kobon'là le kôzy, dia istawaka lesy ry bainina ah!"

     Anisan'ireo tia ny teny gasy madio sady marina ara-tsipelina aho ary izany indrindra no namoahako teto ilay resaka fifaninanana soratonon'2007 hatao any Frantsa atsy ho atsy. Tsy azo amaivanina koa anefa  ny fisian'ny fitenin-jatovo izay ampiasain'ny maro amin'ny fiainany andavan'andro.  

Sendra nandalo ny masoko ity lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety Midi Madagasikara (Nivoaka ny 13 Desambra 2006 - Laharana 7104, pejy 21) ity ka tiako mba ho zaraina amin'ireo izay liana.

Ampahany ihany ireo ary misy ny efa hatry ny ela  no nampiasana azy. Misy ihany koa anefa ireo teny vaovao tanteraka raha ho ahy manokana.

Aleo ho raketina hatrany hahitana ny fivoarany.


24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Fitenin-jatovo"

  1. Ohatran'ny tsy mety mivoaka tsara ilay soratra fa aleo adikako vetivety eto ilay lisitra:

    Analagame: Analakely
    B-Tax: Taxi Be
    Bajô, Jôba: Sipa (vehivavy)
    Bâko: Mividy
    Barakay: Mandeha
    Berlin : Behoririka
    Bexa: Labiera
    Bikina: Bevohoka
    Bolao: Lainga
    Bira: Antsirabe
    Clou: Ariary zato
    Dezaka: Lavitra
    Dizina: Mamo
    Fôkasy: Hadalàna, Famitahana,...
    Kala iray: Roanjato
    Kala be: Manam-bola
    Katry: Mamo
    Kefona: Sakafo
    Kobo: Fantatra, Azo, Tratra
    Koaitra: Mpivarotena
    Kôfa: bandy (lehilahy)
    Kôpy: Mahazo (Teny anglisy " Cope")
    Gala: Arivo Ariary
    Goal: Resevera (mpanampy ny mpamily)
    Glom: Gitara
    Gretra: Manao karatra
    Ikina: Voky be
    Mafy daka: Sigara mahery be
    Mamba: tia loatra
    Makafoka: Mbola reraky ny alina, na avy nisotro
    Mibaradaka: milaza ny afenina
    Mijajika: Tsara, vaovao
    Mitsatsaka: Matahotra
    Milay: Mahafinaritra, tsara
    Mirôzy: Mandehandeha
    ôsika, Pra: Polisy,
    Oainina: Afa-baraka
    Pakta: Manambola
    Parotsa: Vola
    Pikla: Taxi
    Poinsa: Mety, ao tsara
    Py: Toaka
    Tafa: Mety, afaka
    Traingo: Tratra amin'ny zavatra afenina.
    Sahorika: Savoritaka
    Vam: Fiara
    Vozongo, ngozo: Vazaha

    Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 07:51
  2. Misaotra tompoko! Tena miasa @ piesiko mintsy 'reo ;-)

    Nampidirin'i Mirana 11 Feb 2007, 09:39
  3. Tohizo ny lisitra ry Mirana ah.

    Poivra: Vola vahiny - Dolara
    Mibontsina: Bevohoka
    Amboarina: ambakaina, vonoina,... vizanina

    Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 09:51
  4. Toa mbola tsisy J ato fa aleo hasiako iray e hihi
    Jojopila: Vaovao (zavatra vaovao) @ manaraka indray manampy hafa fa za kou ange mbola tsy maharaka an'ity kozy ty e!

    Nampidirin'i Mirana 11 Feb 2007, 10:23
  5. ity koa tenin-jatovo vaovao ry rado :
    vazaha :ray aman-dreny
    vazaha lahy : dada na papa na baina
    vazaha vavy : neny na mama na bofy

    Nampidirin'i bilakarenjy 11 Feb 2007, 12:36
  6. jereo eto betsaka ao ;)

    Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 14:08
  7. solafa==manampy any antrano :)

    Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 14:08
  8. oops, mpanampy no tiako tenenina fa adino le "p"

    sady te hampitombo ny coms eto ;-)

    Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 14:09
  9. tena @ le "ouais" = mijajika = milay = tsara be
    sabnam = sabotsy namehana
    six sept = 67hectares
    entana be = vehivavy be fitombenana :)
    ny M. de izao e = ny marina dia izao e!
    K'aôna ny P. e!? = ka ahoana ny prôgrama e!?
    Misy S. any!? = misy sôsy (vola) any ?!!
    gala = arivo ariary ( ny fidirana @'ireny gala evangelique ireny hono mantsy taloha 1000ariary na 5000fmg matetika )
    komany be = ngeza be ( comme un boeuf )
    bônôkany = bonne occasion
    Fianakams = fianakaviana

    Nampidirin'i Tokinao 11 Feb 2007, 17:15
  10. k'aiza k'aiza = manao ahoana tompoko :) :) :) :) :)

    Nampidirin'i Tokinao 11 Feb 2007, 17:17
  11. hahahha
    mampiomehy sady mahaliana ahy ty resakao ty ry Rado..
    nde hotohizana ary e!

    mampma= tsy tadidiko izy io na "mampiomehy" na "mampalahelo"..hahaha..nea mifanohitra mitsy
    ramaria= noana
    kali = joba = sipa= vehivavy
    kombaka= ady
    rasoerina= masiaka
    kva= alika
    kisoa= pra= polisy
    mi-12 na mi-douze= rehefa milahatra sigara..hahaha
    be taimbaka= be taim-bava= be vava..grrrrr
    misy excedent= be entana= vehivavy be vody..haha..ny ankizilahy aty mpiteny an' io ka tsy haiko ny anyDago raha miteny io "excedent" io koa
    krizy= tezitra
    tsisy S= avy @ hoe tsisy $= tsisy sosy= tsisy vola
    serana= noana - tsisy vola- vizaka
    beka= bisikileta
    tara masinina= tsy kopy - tsy maharaka

    game over= vita! na ohatra oh le oe tsy tafa na tsy poinsa
    Zandrinay no reko niteny an'io fa tsy mbola nahare olon-kafa aloha za any Dago
    Andeha hivoaka zay dia hoy izy hoe :"za tsy handeha fa game over amin' izany ny voloko"

    zay aloha fa aleo ho an' ny hafa ndray

    Mahatsiaro tena ho antitra mitsy aho marina!!!

    Nampidirin'i kitjo 11 Feb 2007, 18:17
  12. kovindro : alika

    kôdy|kôksa, Koaitra: mpandeha mafy be, mpitrifana(Bira)

    frou (frotsaka): vola

    mams : paraky

    sôra : sigara

    dasika : atory (dodo)

    bikina: bevohoka, ,mibontsina

    gli: jokotra, maty, vizana

    nofa, fopla: ratsy, tsy milay

    miklapy : mandeha an-tongotra

    miramala : mandeha mafy

    fango : noana be

    ramaka : noana

    silaka : vasoka

    Misambadidaka=mikorotana

    mandé 11= mi battre = mandé tongotra
    milaiso = mangalatra

    micoinsa = mikoainsa e!

    andé hanaloka = hijery sônema

    manamôly manamôsy ,mihanikazo, mipouka mitapô = mifanena
    gnin, nints : sipa, jô, jôba

    nax : toaka

    kaly : sakafo

    tslaim= milamina, moramora

    mipà= miala

    toto tanana=toaka gasy

    milaiso= mangalatra

    pra,osika= polisy

    rasil= miaramila

    mbala= akanjo

    vovo=trano

    MF sy John Deer =anana sy hena

    boto mitrifana= henakisoa

    kitro, kitsaka= kiraro

    balarora=mampiesona

    toraka bilao= voapetrapetraka

    TOEFL= antitra

    mikefa= manao firaisana ara-nofo, Mandona

    mivazavaza = mihira

    gamatako ito vary ito a = laniako ito vary ito a
    akoho kely = sipa (vhv)
    akoho vavy = vady (vhv)
    reniakoho = vady (vhv) efa niteraka

    Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 20:47
  13. Ilay kiva sy kivindro/kovindro kosa aloha tsy fiteny vaovao fa fitenin'ny any anindrana hatramin'izay e.
    Mampihoney ilay akohokely sy akohovavy.

    Fa izao, raha ireo teny ireo fotsiny no misy ampiasaina amin'ny ilazana zavatra amiko, dia tsy ho azoko ny an-tsasany. Tena mahatsiaro ho antitra amin'ny antsoin'i Kitzo koa izaho amin'izany.

    Nampidirin'i Su 11 Feb 2007, 21:49
  14. Mbo veabelaro oe ry rado raha hainao ilay hoe

    MF sy John Deer =anana sy hena

    Nampidirin'i kitjo 11 Feb 2007, 22:43
  15. Tena mahavarian de mahavariana! zany heo afaka hiresaka ny olona iray de tsy azoko ny resany nefa teny gasy le izy.:)

    Nampidirin'i Soanja 11 Feb 2007, 23:07
  16. Maintso daholo ny lokon'ny fitaovana vokarin'ny John Deer (maintso sy mavo raha ny tena marina). Ilay MF tena tsy fantatro nefa inoako fa mety hitovy loko amin'ny lokon'ny hena angamba ny loko mampiavaka an'io MF io.

    Ireto indray no hitako tany:

    sisiny = ohatra hoe "eny amin'ny sisiny= en marge de la société"
    bandy avy any amin'ny sisiny= bandy avy any amin'ny province.

    hi-battre = handeha an-tongotra

    folaitra = fôpla = fokasy = ratsy.

    dossier = dog = pelaka = homo

    cainfri" = africain = maizina

    inona no kaipa= inona no paika= inona ny inona= inona no malaza ?

    kallyh B air Bag = sipa be nono

    Tsy mahazo reseau = tsy mahazo resaka

    misquad = mihainohaino

    Sketba= lalao basket

    pro = grama = mouv = programa

    mercedes = merc = string


    100 Ar=klou (500 fmg)
    200 Ar=Kala iray (1000 fmg)
    300 Ar=kala iray sy klou (1500 fmg)
    1000 Ar= gala (5000 fmg)
    5000 Ar=gala dimy (25 000 fmg)
    10000 Ar=Maizina iray (50 000 fmg)
    200000 Ar=Biriky iray (1 000 000 fmg)

    Klopy = sigara
    Krika = briquet
    Demareo le klopy eh = ampireheto ilay sigara eh
    miketsa = mikosoka = mandona = manao firsaisana ara nofo.

    Fynda = andafy

    Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 02:03
  17. ny bikina midika ihany koa hoe voky, mamanay fony fahavelony tamin'izy mbola (sa efa) 55 taona teo tsy nanaiky gisitra taminay tao an-trano dia rehefa mba manolotra vary hanampiany ny ao ambiliany ianao dia hoy izy hoe merci fa bikina. Mba mihiratra ihany ny masonay, fa izy angaha hono any ambadik'i sahondra !
    Dia ao ny gilita na gidro : gitara,
    biby : moto, mitaingina biby be hoy rizalahy
    mihanika hazo : mifoka zava-mavesatra
    midotra : mifoka sigara
    Rehefa ny bandy no sady tafika an-dranomasina no an'habakabaka dia sady misotro izy no mifoka.
    Mbola betsaka tokoa ireo fiteny mahavariana fa indraindray tena tsy mi-capte mihintsy izahay e.

    Nampidirin'i ikalamako 12 Feb 2007, 02:30
  18. Ary inona indray ilay istawaka?
    Siksa lesy papa a.

    Nampidirin'i malalatina 12 Feb 2007, 07:14
  19. Istawaka = Tsy misy blema.

    "Tsy kwa" mivadika no mety fototra niaviany.

    Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 09:07
  20. Tsilian-tsofina sendra ré teo Andohatapenaka.

    Nisy rapapa efa "dizina" nandalo d ozy le kôfa teo akaikiko hoe "Tena efa avy any Vatican sahady anie razoky izany eh"

    Elaela aho vao "saina tonga" hoe "avy nandray" izany hay no tiany tenenina.

    Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 09:18
  21. hahahhahahhaha

    za ko aloha tsy 'saina tonga" amzany raha tsy mandinika elaela e...

    mahita tenenina k!

    Nampidirin'i kitjo 12 Feb 2007, 12:22
  22. kil = mpanontany, client

    mikaly = misakafo

    kaly = sakafo

    daba = tomobil

    Nampidirin'i Su 12 Feb 2007, 12:38
  23. Ary efa renareo indray ity . Rehefa misy olona hirahana matsaka (mividy toaka) dia hoy ry zalahy manohy ny resaka :tandremo indray sao manao titanic (sambo milentika) any de fihazana hatramin'ny tavoahangy ,de lazaina fa hoe :nifanena t@ vazaha (rad) .

    Nampidirin'i bilakarenjy 17 Feb 2007, 01:58
  24. Ilay hoe manao titanic efa henoko fa ilay hoe mandeha matsaka no sambany aho vao naheno ny fampiasana azy io. Misaotra an'i bilakarenjy nanome sopapa.

    Nampidirin'i Rado 17 Feb 2007, 05:02