Ela ny ela - ceinture de sécurité ao Dago?

Nampidirin'i radotiana | 3 Mar, 2007

Ohatran'ny tsy mampino ahy hoe ho haingana be toy izany ny fahatanterahan'ity nofinofiko iray ity. Faniriako hatrizay ny mba hanaovan'ny mpamily fiara sy ny mpandeha mipetraka eo aloha ny antsoina hoe " ceinture de sécurité". Izaho moa dia efa diso zatra loatra an'izy io ka tena tsy mahazo aina mihitsy rehefa mandeha fiara any Dago. Mihomehy foana ireo mpamily na ireo mpiraitampo amiko rehefa mahita ahy mampiasa azy. Niezaka nanazava  ny antony iziriziriako hanaovana azy aho fa tena tsy resy lahatra ry zareo.

Manomboka amin'ny 16 jolay 2007 anefa hoy ny tatitra angazety nivoaka tao amin'ny http://www.madagascar-tribune.com/ Laharana faha 5501 : Sabotsy 03 Mars 2007, dia ho lasa fandikan-dalana mahavoasazy ny tsy fampiasana azy io ao Madagasikara.

Araka ny eritreritro dia mendrika omena tehaka mafy be mirefodrefotra ny Ministeran'ny fitanterana sy ny fizahan-tany ary ireo mpiandraikitra ny fiahiana ny fifamoivoizana.

Tsy io resaka ceinture de sécurité io ihany hono no hahavoasazy fa ao  koa ny firesahana amin'ny finday eo ampamiliana fiara, ny fanamaizinana ny fitaratry ny fiara, sns ... (vakio ny gazety)

Source: Madagascar Tribune. No 5501 : Samedi 03 Mars 2007

Tsy maintsy ho volena "seat belt" daholo indray izany ireo vam efa vizana be dia be ao Dago ireo? Bizna vaovao hoan'izay mahay manararaotra indray ity.

 

Jereo ato ireo nofinofiko hoan'i Dago.

 

Source: Madagascar Tribune N° 5507 : Samedi 10 Mars 2007


6 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ela ny ela - ceinture de sécurité ao Dago?"

  1. Rado o, tena miara-mitehaka izany koh. Hoatran'ny ndeha ho démonter-na daholo ny any amin'ny casse aty hanaovana bizna any kle ! Any ilay norme européenne sa internationale mila enjehina aloha izao miaraka amin'ny fiarovana ny rivotra iainana e (pollution) nefa tsy zakan'ny saran-dalan'ny mpiray tanindrazana ange ilay izy no tena blèm e. Mbola misy 5 volana moa izany hiomanana ka ENGA anie ka hotanteraka izany. Misaotra tamin'ny vaovao e.

    Nampidirin'i ikalamako 04 Mar 2007, 05:15
  2. Tsy misy fisaorana kah. Hitako hoe miavaka iny vaovao iray iny d izay no nizarako azy. Vao nanoratra teo ilay zandriko any Dago nanamafy an'ireo voalazan'ny gazety ireo. Tsy maintsy betsaka aloha ny hiferinaina amin'ny voalohany satria tsy zatra fa ho fitsinjovana ny ainy ihany anie no antony e.

    Nampidirin'i Rado 04 Mar 2007, 19:14
  3. Ekeko ary ilaina ireo fanovana ireo saingy ny tokony hampiarana lalàna henjana kokoa mialohan'io seat belt sy ny fitaratra maizina io aloha ny fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, izay samy manao izay danin'ny kibony fa tsy misy fanarahan-dalàna.Io no tena hitako mampidi-doza lavitra aza!

    Nampidirin'i kally 05 Mar 2007, 12:18
  4. Marina ny tenin'i Kally io. Heveriko hoe efa dingana iray aloha ny nahatsapan'ny tompon'andraikitra fa tokony hisy fanovana entitra amin'ity resaka fifamoivoizana ity. Ny fitondrana fiara ao anatin'ny hamamoana koa ny ahy tena mba tiako asiana fihenjanana matotra eo amin'ny polisy ao Dago.

    Nampidirin'i Rado 05 Mar 2007, 18:56
  5. Ny mampalahelo @ izy ity anie dia tsy voakasik'io lalana io ireo manampahefana sy ireo olona ambony eo @ fitondrana e! .Ny vahoaka foana no tena henjanina sy henjehina @ izy io .

    Nampidirin'i bilakarenjy 06 Mar 2007, 02:37
  6. Lasa resa-be ilay izy ry Bilakarenjy fa d miandry izay fanapahan-kevitra farany ny vahoaka. Ilay resaka vitre fumée na teintée ity no tena hitako be mpanohitra. Ho hita eo izay hiafarany. Amiko aloha tokony ho ny filoha na ny praiministra ihany no omena an'io tombontsoa handoko fitaratra io. Na koa hoe mba avela handoko ny firatra aoriana ny olona.

    Nampidirin'i Rado 08 Mar 2007, 23:26