Balloon Fiesta - Albuquerque, New Mexico (2007)

Nampidirin'i radotiana | 16 Okt, 2007

Izay indray aho vao afaka mitoraka blaogy na dia betsaka tokoa aza ny zavatra mba tiana ho raketina sy ho zaraina eto. Aleo ny farany izay vao vita omaly no aroso mialoha. Nanatrika ilay  fihaonambe iraisam-pirenena fanao isan-taonan'ireo balloonista eran'izao tontolo izao tany Albuquerque, New Mexico aho ny Oct 5 - Oct 14, 2007.  Balloons miisa 500 mahery no nandray anjara tamin'izany. Balloon Fiesta araka ny anarany tokoa fa dia voaravaka toy ny hazo noely ny habakabaka isa-maraina nandritry ny sivy andro.

Ireo balloons asidin'ny rivotra mafana (hot air balloons) no betsaka nandray anjara tamin'ity fihaonam-be ity. Raha tsorina dia noho ny hafanan'ny rivotra ao anatin'ilay balloon raha mitaha amin'ny rivotra ety ivelany no mampisidina azy. Rivotra mangatsiaka no ampidirina ao anatiny amin'ny voalohany hampibontsina azy. Hafanaina amin'ny lelan'afo amin'izay ireo rivotra efa voaangona ireo rehefa avy eo.  Ampiana ny hafanana raha te hitsingevana ny balloon na koa te  hiakatra avo avo kokoa.  Anesorana ny rivotra mafana ao anatiny amin'ny alalan'ireo lalan-drivotra (vents) azo sokafana sy hidina  raha te hidina ambanimbany na hipetraka amin'ny tany. 

  

Miandry "thumb's up" avy amin'ireo "zebra"(jereo ny sary eo ambany) hoe mahazo miainga amin'izay fotsiny ity balloon iray ity.

Efa mitsingevana e. Mahazo maka sary amin'izay. :-)

I Brazil no lohalaharana amin'ny fanamboarana balloons eran'izao tontolo izao. Orinasa telo no tena mibahana ny tsena famokarana azy ity any aminy. $20 000 ka hatramin'ny $30 000 ny vidin'ny balloon iray vaovao. $25 eo kosa no vidin'ny gazy ilaina hampitsingevana ilay balloon mandritry ny adiny roa. Ny maraina be manodidina ny amin'ny enina eo no tena tsara hanidinana amin'ny balloon satria malefaka kokoa ny hafanana ety ivelany ary tony kokoa ny rivotra eny amin'ny habakabaka. Eo amin'ny 19 km isan'ora na latsak'izany ny hafainganam-pandehan'ny rivotra tena tsara anidinana amin'ny balloon.

Afatotra amin'ny fiaran'ny tompony aloha ny balloon mialoha ny hanidinany

Santionany amin'ireo "Special Shape Balloons". Azo atao amin'ny endrika isan-karazany ny balloons.  Ity Creamland Cow ity no anisany goavana indrindra ary tena nahasarika ny maro. Ny andro faha efatra nanambotsinana azy izy vao nety nitsingevana ary dia horakoraka tsy nisy ohatran'izany no niarahabana ny fiakarany.

 

 40 minitra no ilaina hamenoana rivotra mangatsiaka ity WellsFargo Bank Stage coach ity.

Hoan'ireo mpakafy ny Star Wars. Darth Vader

Ity balloon miendrika carousel ity no niondranan'ny gasy.

Ireto "Zebra" ireto no mpanome alalana ny balloon tsirairay hahazo hisidina. Mitsoaka kiririoka izy amin'izay fotoana izay sady manome ny marika " thumb's up" amin'ny tanany. Tsikaritro fa samy manao izay hampihavaka ny fomba fitafiny ireto Zebra ireto.

Natao itondrana mpitsangatsangana anabakabaka ity balloon iray ity. Nahatratra hatramin'ny $325 ny saran-dalana. "Sold out" ry zareo ny Sabotsy lasa teo fa maro loatra ny maniry te hitaingina balloon.

Ohatran'ny hoe manindry be izany koa ireto "pra" mitaingi-tsoavaly ireto. Aty amin'ny tanin'ny Cowboys marina aho hoy aho nahita azy ireo. Zorro Style ny fiakanjony.

Mba topazo maso kely anie ireo "korontam-by" eo ambalahany e?

 

VITA TOMPOKO.

 


11 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Balloon Fiesta - Albuquerque, New Mexico (2007)"

  1. misaotra betsaka ary ry Rado fa dia mahavariana.
    Fa Gasy firy, ary mponina any sa nandeha namonjy an'io fiesta io fotsiny no nandray anjara tany ? (tokony mba nasehonao koa ny [ianareo]solontenantsika koh.

    Nampidirin'i ikalamako 16 Okt 2007, 11:42
  2. rahoviana izany no hisy any amintsika? :p

    Nampidirin'i simp 16 Okt 2007, 15:10
  3. Oay ! Tsara be mihitsy ireto sary nalainao ireto ! Manana esprit creatif mihitsy ry zalahy nanamboatra an'ireo balloons ireo kah. Tokony mba misy toy ireny mihitsy any Madagasikara. Nampidirin'i lehilahytsyresy 16 Okt 2007, 18:31
  4. Ikalamako:
    Roa ny isan'ny gasy mipetraka any Abuquerque, NM. Mpianatra ny iray ary efa mponina tanteraka ny iray hafa. Mahafinaritra foana ny mihaona samy gasy na dia samihafa ny faritra nihaviana any Dago aza. Izaho moa avy aty Colorado.

    Simp:
    Mety mbola ho avy any Dago ihany ny fitiavana te hisidina amin'ny balloon rehefa tena matanjaka tsara ny fahafaha mividin'ny olona. Nofinofy mety ho azo tanterahina ihany izany indray andro any kah.

    Nampidirin'i Rado 16 Okt 2007, 21:14
  5. Fa izaho aloha, dia miala tsiny fa tsy hitaingina an'io e! ny zanako miteny fona hoe ndao fa matahotra aho kouuh hihih sady ny aty aminay ny higadonany avy eo mety ho eny an-tanim-bary e!! tanim-blé kouuh aleo hilam hihihi, eny vao henjehin'ny jeep alaina avy eo mantsy kouh. Fa izaho mora fanina dia tsy hahatanty an'io mihintsy koa e!

    Nampidirin'i sipagasy 16 Okt 2007, 23:36
  6. Sipagasy:
    Raha mora fanina na matahotra haavon-javatra aloha dia aleo tsy miditra ao anatin'iny sobika be iny mihitsy. Ohatran'ny hoe mitazatazana eo amoron-davarangana avo be sady mikisaka ianao eny ambony eny. Izaho aloha mihevitra fa ohatran'ny mba tsara andramana ihany raha ohatra ka misy ny mety ahafahana mitaingana azy.

    Nampidirin'i Rado 17 Okt 2007, 00:58
  7. Lehilahytsyresy: Marina mihitsy ny anao fa dia tena mahay mamorona sady mahay mampiady loko tokoa ry zalahy mpanamboatra balloons fa dia tena niaiky aho. Ny hanaovana azy any Dago indray aloha hitako hoe lavitr'ezaka. Mbola eo amin'ny dingana voalohany amin'ny " Maslow's Hierarchy of Needs " mantsy ny ankamaroan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao.
    Tsy atao mahakivy anefa izany fa mbola hoavy ny andro hoy ilay be fanantenana.

    Nampidirin'i radotiana 17 Okt 2007, 10:02
  8. Misaotra betsaka nizara fa sady ahalalan-javatra no fahafinaretan'ny maso. Mbola ho ela tokoa ity fialam-boly iray ity vao hahazo laka aty amintsika. Mitaingina indray mandeha kosa ve no efa ohatrinona kou! Efa mahavita saram-pianaran'ny mpianatra anankiroa mandritra ny taona anankiray any amin'ny sekoly katolika malaza raha atao ny kajy tsotsotra.
    Soa fa nisy itony mpitoraka bilaogy toa an'i Radotiana itony nahafahana nanonofinofy farafaharatsiny.

    Nampidirin'i Latina 17 Okt 2007, 17:16
  9. Latina:
    Misaotra betsaka nandalo nitsidika sady nametraka hafatra. Izy aloha dia fahafinaretan'ny maso ny mijery azy e. Ny mitaingina azy koa mbola resaka hafa :-P. Mazotoa.

    Nampidirin'i Rado 17 Okt 2007, 18:11
  10. Izay indray vao hita an lol...Tsara be le sary e! Ilay misy bumble bee anaky 2 no tena tiako indrindra...mahay raha ny vazaha lol ;-)

    Nampidirin'i Mirana 21 Okt 2007, 08:53
  11. Mirana:
    Izay indray vao navelan'ny fiketrehana ho hita kou. Mandalondalo matetika eto indray aloha mandra-pa. :-)

    Nampidirin'i Rado 21 Okt 2007, 11:37