Taos Pueblo, NM - Tapa-porohana

Nampidirin'i radotiana | 26 Okt, 2007

Afaka nitsidika ny iray amin'ireo tanàna vitsy sisa tavela any Taos, New Mexico aho. Nifindra any mantsy ireo taranaka Puebloana tao Mesa Verde, Colorado. Raha atao ny kajy amin'ny halaviran-dalana amin'izao fotoana dia nifindra 397 km nianantsimo antsinanana ry zareo. Hita misongadina ny fitovitovian'ny endriky ny rafi-trano. Ny hany mahasamihafa azy fotsiny dia fitaovana nampiasaina nananganana azy sy ny toerana nanorenana ny tanàna.

Ny kiefitrefitra mifampitohitohy sady mifampitaingina mbola notazoniny ihany. Tao-trano tany toy ireny tambohon'ny ntaolo gasy ireny ireto trano ireto. Foana izany ny fampiasana vato toy ny ao Mesa Verde. Ny foko Puebloana antsoina hoe Red Willow no mipetraka any Taos Pueblo, NM.

Mbola misy mipetraka amin'ny ampahany amin'ireto trano ireto ankehitriny saingy ny ankamaroany dia efa lasa toerana fivarotana firavaka sy asa-tanana amin'ny mpizaha tany.

 

 Adinonao tanteraka mihitsy fa aty Amerika ianao rehefa tafiditra ao anatin'ity tanàna ity.

Hita taratra fa nandalo tao ny Espanola amin'ny rafitry ny varavaran-kazo sasany.

Ny Eglizy St Jerome izay naorina tamin'ny taona 1619. Rava tamin'ny taona 1680 tamin'ny fotoana nisian'ny fanoheran'ny Puebloana ny mpanjanaka Espanola. Naorina indray ny taona 1692 rehefa tafaverina indray ny Espanola. Rava fanindroany indray io eglizy io ny taona 1847 tamin'ny fotoana niadian'ny Amerikana sy ny Meksikana. Naorina indray ny taona 1850 ary dia io mbola mijoro hita amin'ny sary mandrak'ankehitriny io.

Mbola misy ireo "Kiva" saingy tsy azon'ny mpizaha tany tsidihina. Ny teny Indiana antsoina hoe Tiwa no ifampiresahan'ny mponina. Tsy hay soratana io teny io fa dia ampitaina amin'ny taranaka mifandimby fotsiny amin'ny alalan'ny fampiasana azy. Efa miteny anglisy ny ankamaroan'ny olona saingy misy "accent" tena mampiavaka andry zareo. Ny tena mampalahelo dia feno "Casinos" ny " Indian Reservations" any New Mexico.

Efa hirotsaka ny ranomandry ka dia ho vita hatreo ny fandehandehanana aloha raha tsy hoe misy irika tampoka indray :-)

VITA TOMPOKO

Pissoa: Raha ny fahazahoako azy dia nohezahina naverina tamin'ny  endriny teo aloha foana io Eglizy St Jerome io isaky ravan'ny ady.


16 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Taos Pueblo, NM - Tapa-porohana"

  1. ohatran'ny hoe nobataina ilay trano tary dia nafindra eto. Toa kindriandriana !
    Fa fohy angaha ny olona any ry rado ? Izany hoe de petite taille ?
    Ary ao anaty trano izany tsy azo asiana tohatohatra fa tsy maintsy mananika avy any ivelany rehefa hiakatra ny rihana.
    lol fa dia tsy hitsangana any akory izany ny gratte-ciel!
    Misaotra rado an, milay.

    Nampidirin'i ikalamako 27 Okt 2007, 09:07
  2. ouuayyyyeeeee, mahafinaritra be! feno mpizaha tany izao mankany e!

    bizz @ zokiko ao e! :)

    Nampidirin'i sipagasy 27 Okt 2007, 13:02
  3. Ikalamako:
    Izy aloha dia tena kindriandriana tokoa. Mahalasa fisainana ny mandinika azy indridra rehefa tena hitanao maso.

    Fonentana tokoa ry zareo. Mitovitovy amin'ny ankamaroan'ny gasy amin'ny ankapobeny. 1 m 65 eo angamba ny salan'isan'ny halavany raha tsy diso fitadidy aho.

    Tsy mifampitohy ireo efitrano rehetra ireo. Izay no mahatonga ny tohatra ety ivelany.

    Tany aloha tany aza hono tsy nisy varavarana na varavaran-kely ny rindrin'ireo trano ireo fa ny tao antampony ihany no nisy ny varavarana fidirana ao anatiny.

    Tsy azoko antsaina fa hisy trano avo manakadanitra ao Taos, NM kah. Efa lasa karazana haitaotrano manokana mihitsy ny endriky ny trano ao Taos Pueblo. "Southwestern Architecture" no fiantsoana azy. Ny ankamaroan'ny trano moderina any New Mexico dia maka endrik'io taotrano io avokoa.

    Nampidirin'i Radotiana 27 Okt 2007, 19:26
  4. Sipagasy:
    Be mpizahatany mihitsy tonga any. Indrindra amin'ny fotoanan'ny maintany. Miavaka ilay toerana ka aizay no tena mahasarika ny olona.

    Efa nampitaiko ny hafatrao kah.:-)

    Nampidirin'i Radotiana 27 Okt 2007, 19:29
  5. Misaotra Rado nizara.
    Aiza indray ny dian'i RADO amin'ny manaraka?

    Nampidirin'i Radotianafan 28 Okt 2007, 05:02
  6. Radotianafan:
    Tsy manao lava kodiarana intsony aloha ato ho ato :-) Noely any Dago indray izao no tanjona manaraka.

    Nampidirin'i Radotiana 28 Okt 2007, 06:41
  7. Zah ento manaraka anao!
    Inahy anie aho ka vorona!

    Nampidirin'i Radotianafan 28 Okt 2007, 16:42
  8. Radotianafan:
    Hampidirina ao anaty valizy sa ao anaty "jumbo bag"? :-)Bedy amin'izany aho kou.

    Nampidirin'i Rado 28 Okt 2007, 19:18
  9. Tsara be
    Fa maninona kay Rado no miloko manga ny varavarana aty ambany ary tsy miloko ny sasany?
    Dia miisa firy ny olona monina ao @ io tanàna io?
    Azafady fa be question be, fa ny tena moa tsy mihetsika dia mamisavisa fotsiny

    Nampidirin'i ikalakely 29 Okt 2007, 12:10
  10. Ikalakely:
    150 ny olona tena mipetra tanteraka mandava-taona ao anatin'io tanàna io. Misy koa anefa fianakaviana mipetraka ao mandritra ny " Summer" ihany.

    1900 ny isan'ny olona mipetraka amin'ny tanin'ny foko iray manontolo.

    Lokon'ny varavarana:
    Tena Tsy haiko hoe inona no antony andokoan'izy ireo Manga na maintso tanora varavarany.

    Nampidirin'i Radotiana 29 Okt 2007, 18:24
  11. Ikalakely: Asa na mety hanampy anao ity website ity: http://taospueblo.com/ Nampidirin'i Radotiana 29 Okt 2007, 20:46
  12. otran'ny hoe ho levon'ny rano zany ny pozin'ilay lalotra e hihihi

    milay eeee :)

    Nampidirin'i simp 30 Okt 2007, 23:46
  13. Simp:
    Mila mianatra amin'ny ntaolo gasy ry zareo amin'iny resaka lalotra ivelany iny. :-) tany mena sy mololo no afangarony rehefa handalotra ny ety ivelany. Ny antsika gasy raha tsy diso aho ny any amin'iny faritra Antsirabe iny no hitako toa ampifangaroana amin'ny tainomby mba hampateza azy kokoa.

    Indray mandeha isan-taona hono ry zareo tsy maintsy mandalotra foana. Aty Amerika koa moa rehefa tonga ny firotsahan'ny ranomandry dia kaofiny miaraka aminy daholo izay malemilemy rehetra.

    Nampidirin'i Rado 31 Okt 2007, 00:21
  14. Mahay maka sary anie Rado e! sady mahay mizara. Misy zavatra hafa koa ve mety tena kapoakanao?

    Nampidirin'i soanja 31 Okt 2007, 08:33
  15. soanja:
    Maka sary ve izany kapoakako raha ny soratrao no zohiko? Ho tanteraka anie izany :-)Tiako ranketina antsary daholo fotsiny izay mahafinaritra sy manaitra ahy.

    Nampidirin'i Rado 31 Okt 2007, 09:03
  16. Tena mahatety tany an'eritreritra mihitsy, miaraka amin'ny guide gasy, mamaky ny blaoginao miaraka amin'ny sary !!! Hi hi - mampangetaheta fitetezan-tany tsy an'eritreritra intsony.

    Ilay fiangonana (St Jerome) ve mitovy amin'io ihany ilay endriny taloha rava, sa ... tsy azoko tsara.

    Nampidirin'i Pissoa 04 Nov 2007, 22:43