"Sotro vy" enti-miady amin'ny SIDA

Nampidirin'i radotiana | 1 Nov, 2007

Aleo asiana fiverenana kely any Dago amin'izay. Efa ela aho no te handrakitra ity sary ity teto amin'ny blaogiko fa izao angamba vao tonga ny anjarany. :-) Asa na firy aminareo no efa sendra an'ireto sotro fihinanam-bary amin'ny hotely gasy ireto tany Dago. Tamin'ny fandalovako tao Ejeda tamin'ny volana Avrily 2007 no sendra azy ity voalohany tao amin'ny hotely iray tao antampon-tanàna. Rehefa niverina hoany Toliary aho herinandro vitsivitsy taorinan'izay mbola sendra azy ihany koa tao amin'ilay hotely gasy  tsotsotra ao Beahitse.  Nozaraina an'ireto sotro ireto daholo ve hoy aho izany ny hotely fisakafoanana amin'ity làlam-pirenena mampitohy an'i Toliary sy Taolagnaro ity?

Mena ny lokon'io soratra io raha ny fahitako azy tany ampiandohana saingy ravan'ny rano nanasana azy matetika angamba.  Voasikotra tanteraka amin'ilay tahon-tsotro ilay "hafatra".

Deraiko manokana ny olona nahita ny hevitra fa tena miavaka. Tsy azonao odiana fanina mihitsy mantsy io soratra io raha vao tonga eo anoloanao ny vary sy laoka ao anaty vilia. :-)) 

Asa raha efa manenika an'i Dago izy io ankehitriny na any amin'iny faritra atsimo iny  ihany.

Tsy naharitra aho fa dia nangataka tamin'ilay tompon'ny hotely tao Beahitse. "Aleo mba  hovidiako ity sotro ihinanako ity " hoy aho taminy. Gaga be izy. "Fa ataonao inona?" hoy ny fanontaniany.  " ho entiko hanentanana ny hafa" hoy aho toa tsy dia tena nanampo loatra ny teny nivoaka ny vavako. " Ento ho anao fotsiny raha izany." hoy izy somary nitsiky. 

VITA TOMPOKO

 


13 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny ""Sotro vy" enti-miady amin'ny SIDA"

  1. hevitra tsara tokoa. Isan'ny fitaovana azo entina miady amin'ity aretin-dratsy ity.
    Misaotra an'i Rado mizara eto.
    Raha izaho koa izaho no tany dia tena nanao toa an'i Rado, saika hividy, fa tena "original" ilay hevitra.
    Enga anie mba hisy vokatra tokoa.

    Nampidirin'i ikalamako 01 Nov 2007, 00:48
  2. Tokony haparitaka eran'i Madagasikara izy io ry Ikalamako fa tena mety ho fitaovam-panentanana mahomby a. Mety handaitra kokoa noho ny fampiasana fimailo sy ny fitaovana hafa aza. Raha intelo isan'andro ilay olona no misakafo dia intelo koa izy izany no hahatsikarira io teny io. Asa anefa aloha.

    Nampidirin'i radotiana 01 Nov 2007, 00:53
  3. Efa io nalohako androany io izany ny vidin'ilay sotro e. :-)

    Nampidirin'i radotiana 01 Nov 2007, 00:55
  4. Ny olona mpandeha voyazy izany no tena atao sendra azy ? :-)

    Nampidirin'i lap 01 Nov 2007, 02:28
  5. Lap:
    izay mihitsy raha ny fahitako azy maimaika. Raha efa mitondra ianao d aza manaparitaka moa raha mbola tsy voa de aza manaiky hiparitahany. Mba liana aho hijery ny antontanisa mampiseho ny fihenan'ny fiparitahan'io otrikaretina io vokatry ny fampiasana ity "innovative approach" anakiray ity any aoriana any.

    Nampidirin'i Rado 01 Nov 2007, 02:49
  6. Azafady indray ary aloha fa hanita-kevitra lavitra kely aho: "ary raha tsy mahay mamaky teny ilay olona?" sa ilay symbole kely no ahalalany azy?

    Fa na izany na tsy izany aloha tena hitako mety tena mety mihitsy ilay sotro no hanaovana azy an, araka ny tenin'i Rado mantsy dia tsy maintsy mihinan-kanina in-telo isan'andro ianao, ka na tiana na tsy tiana tsy maintsy mifantoka ao aminao ilay izy.
    Tsy ratsy fa iza no nanao azy re e? ny governemanta ve sa ny faritra atsimo ihany?

    raha anahy io dia ataoko haingo-trano mihitsy ;)

    Nampidirin'i Ikalakely 01 Nov 2007, 12:25
  7. hihi ikalakely,

    ka tsy atao haingon-trano ihany fa tena hampiharina ilay soratra aminy kouuh!

    hevitra tsara kosa annn!

    Nampidirin'i sipagasy 01 Nov 2007, 15:21
  8. Tsy mety loatra ra haingotrano , mety tsy voatsikaritra, ilay fahitana azy isaky ny hinana iny no mampatsiaro anao ny andraikitra kokoa ;-)

    Nampidirin'i simp 01 Nov 2007, 17:01
  9. Ikalakely:
    Voatery ho fantatry ny olona rehetra koa ve hoe inona no dikan'io symbole kely io? Miankina amin'ny fiparitahana sy ny fahombiazan'ny fanentanana any Dago ihany izany io raha ny fahitako azy. Enga anie izay tsy mahay mamaky teny hanontany izay afaka manoro azy ny tian'izay voasoratra ho lazaina.

    Mety izay sampandraharaha misahana amin'ny fiadina amin'ny fihanaky ity otrikarentina ity angamba no nahita ity hevitra hafakely ity.

    Ilay hoe atao haingon-trano aloha raha ho ahy manokana mbola tsy tao antsaiko mihitsy. Indraindra aza aho mampiasa an'ilay sotro :-)

    Nampidirin'i Rado 01 Nov 2007, 22:15
  10. Milay be ilay hevitra ! Ianao mahita zavatra mahaliana foana a.

    Ary misy tenim-pirenena hafa ve ?! Tsy gasy ihany mantsy no mandeha any.

    Mety hahasarika ny vazaha koa aloha ilay teny gasy e. Rehefa hitany io dia mba mety manontany izy hoe inona no dikany. Fa mety ho azo atao koa mantsy hoe amin'ny sotro teny gasy, amin'ny sotro rovitra teny tsy gasy, hihi.

    Nampidirin'i Pissoa 04 Nov 2007, 22:33
  11. Pissoa:
    Tsy voatery hahaliana iny Pissoa fa niavaka amin'ny mahazatra :-)

    Tsy fantatro raha misy tenim-pirenena hafa aloha fa ny vahiny amerikana niaraka tamiko tonga dia "cope" hoe resaka SIDA ity zavatra ity fa mba adikao amiko hoe rehefa avy nahita ilay marika famantarana.

    Izay fa mazotoa indray ary aloha.

    Nampidirin'i Rado 06 Nov 2007, 07:05
  12. Ary le Rado lava maso an. Raha natao t@ teny gasy ilay izy dia midika izany fa nokendrena indrindra hipaka any @ malagasy; dia ohatry ny lasa kely ny saiko hoe, be vehivavy miditra ve tao @ le hotely nisakafoananareo? Ny vehivavy mantsy no tena lasibatry ny vahiny sy arovana @ ity sida ity. sa ve diso izany?

    Nampidirin'i latina 06 Nov 2007, 18:04
  13. Latina:
    Lava maso ahoana indray ary :-)
    Tsy tandriko aloha na be vehivavy tao amin'ilay toeram-pisakafoanana e. Marina ny teninao fa ampiako kely fotsiny hoe na ny lehilahy gasy koa aza dia inoako fa anisan'ireo kendrena hiantefan'ity hafatra ity kah.

    Nampidirin'i radotiana 10 Nov 2007, 08:13