Tao antranon'i Elvis Presley - Memphis. TN

Nampidirin'i radotiana | 15 Nov, 2007

Rehefa tena miezaka mitadidy aho hoe firy amin'ny hiran'i Elvis Presley no fantatro, dia hira iray monja no mba tadidiko. "Peace in the Valley". Tao anaty fiaran'izay amerikana namako iray izay no nahenoako azy io tany Dago efa ho folo taona mahery lasa izay.  Tsy dia rototra tamin'ity mpihira kalaza ity aho izany raha ny tena marina. Tsy haiko anefa ny tsy hitsidika an'i "Graceland Mansion" nonenany fahavelona rehefa nandalo tao Memphis, Tennessee aho tamin'ny herinandro lasa teo.

Elvis Presley Boulevard no anarana entin'ilay arabe manemitra ny tamboho misy ny trano nonenany.  $102.000 no nividianany azy tamin' i Ruth Brown Moore ny taona 1957.

Eo ampitan'ity vavahady feno hafatra avy amin'ireo "fan"inany ianao no tsy maintsy miditra aloha raha te hitsidika an'i Graceland. Misy ambaratongany ny saram-pidirana ao. $25 ny mora indrindra. Hain'ny vazaha mihitsy  ny miketrika izay hahazoana ny vola any ampaosinao :-)

Tereny haka sary manoloana ity sarin'ny vavahady vita hosodoko ity aloha ianao mialoha ny handraisanao ny zotra mitondra etsy ampita.

Novolena "jiro mena" mihitsy eo anoloan'ny vavahady mba hiampitampitan'ireo zotra mpitatitra ny mpitsidika.

Mahazo maka sary rehefa tafiditra tao anatiny saingy tsy azo asiana jiro mitselatra.

Tsotra ny endriky ny lakozia. Mety izao angamba no anisan'ny raitra tamin'izany andro izany :-)

Efitranon-tserasera. Fijereny fahitalavitra. Vata fahitalavitra telo avy hatrany no miara mandeha ao amin'io efitra io.  

Voatemitra lamba ny rindrina sy  ny valin-drihan'ity efitra iray ity.

Ireo boky nahaliana azy. Nisalotra ny fehikibo mainty(dingana voalohany) teo amin'ny taranja haiady karaté izy  ny taona 1960.

Iray amin'ireo hosodoko mihantona amin'ny rindrina ao antranon'i Elvis Presley.

Ny 8 Janoary 1935 izy no teraka ary maty ny 16 Aogositra 1977.  Mba anjaranao kosa ny manao ny kajy e :-)

VITA TOMPOKO.

 


19 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Tao antranon'i Elvis Presley - Memphis. TN"

  1. misaotra tompoko.
    Ny "fan"-inany izany hankalaza ny tsingerintaona nahaterahany amin'ny andro hankalazako ny herintaonan'ny blaogy.com-ko (cf. "ho feno folo volana ny namana seraserako") hahaha.
    Ny ahy ry rado "Love me tender" no toa mba haiko ; ary ahatsiarovako an'i "voromailala" io hira io fa indray andro izay izy nandefa horonana misy azy mihira an'iny (coucou voromailala!).
    Fantatro hoe nanao rock Elvis fa tsy haiko ny lohateny sy ny hoe ahoana ilay feon-kira.

    Nampidirin'i ikalamako 15 Nov 2007, 01:07
  2. Misaotra an'i radotiana nizara fa dia nahaliana izy izany.
    Hay ve izy lasa lavidavitra @haiady karaté e? tena tsy fantatro indray izany.
    Ary io boky "the prophet" io no mba "lire de chevet"-ko!lol
    manoro hevitra anareo mba hamaky azy io raha mbola tsy namaky fa tena misy ho eritreretina tsara:)

    Ny ahy ny hirany misimisy ihany no fantako fa "can't help falling in love with you" no tiako indrindra.

    Nampidirin'i Sonia 15 Nov 2007, 01:15
  3. Ikalamako:
    Miara mankalaza aminao eo izany ny fanina tamin'ileiry kou :-)
    Azo jerena ato ny momba an'i Elvis amin'ny ankapobeny:

    http://www.elvis.com/elvisology/

    Sady nilalao sarimihetsika izy no nihira raha tsy diso aho.

    Nampidirin'i radotiana 15 Nov 2007, 01:19
  4. Sonia:
    Raha manao fikarohana eto amin'ny vohikala eto ianao dia mety hahita fa lasa lavitra noho io fehikibo mainty- dingana voalohany io izy tamin'ny resaka haiady Karate.

    Boky " the Prophet". Izaho mbola tsy namaky an'izy ity. Resaka inona no tena voizin'ity boky ity amin'ny ankapobeny?

    Betsaka ny hirany tsara fa tsy tafalatsaka tato amiko fotsiny. :-)

    Nampidirin'i radotiana 15 Nov 2007, 01:25
  5. ah oki oki,

    the prophète, dia boky miendrika poetika ny ao anatiny ary misahana manokana ny fanontaniana goavana eo @fiainana (fitiavana, fitiavan-janaka, mariazy, fivavahana, fahafatesana sns).
    tsara be sady mahaliana :-)

    @internet toa misy mirakitra azy io azo vakiana tsara.

    Nampidirin'i Sonia 15 Nov 2007, 10:25
  6. Sonia:
    Misaotra nizara fa avy hatrany dia no google-vako ilay boky. Mila mankafy tononkalo izany vao tena afaka mamaky azy tsara. Ohatran'ny misy fironana amin'ny fivavahana Baha'i sy ny finoana Silamo ny foton-kevitra voiziny sa diso aho. Nanaitra ahy ny soratra voalaza ao anatiny manao hoe "He that has read this book and understood it should read no other." mety ho afaka hijanona tsy hamaky izay hevitra na firehana voizin'ny hafa intsony tokoa ve raha mahatsapa tena fa mahazo izay ampitain'ny mpanoratra io boky io?

    Mankasitraka!

    Nampidirin'i Radotiana 15 Nov 2007, 11:05
  7. tsy dia hoe mila mankafia tonokalo kah. Asa anefa.
    Ny hoe fironany ara-pivavahana indray tsy dia atokisako loatra satria na libanais aza i Khalil gibran (ilay mpanoratra) dia kristianina ny finoany.

    Somary miendrika paraboles no nanaovany ilay prophète io.
    Vao 15taona izy dia efa nanomboka nanoratra an'io fa elaela taty aoriana vao tena novitainy.

    Nampidirin'i Sonia 15 Nov 2007, 12:47
  8. Misaotra betsaka Sonia a.

    Nampidirin'i Rado 15 Nov 2007, 12:57
  9. Misaotra n'i Rado nizara fa dia mahavariana ny mijery ny sary miampy fanazavana. Mazotoa foana manoratra fa izahay mazoto maka tsirony

    Nampidirin'i latina 15 Nov 2007, 14:12
  10. Latina:

    Na izaho koa aza anie mahita "fafiny" amin'izy ity e. Manoratra eto foana rehefa mahita ho soratana ka :-) Misaotra nitsidika.

    Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 04:54
  11. Misaotra betsaka Rado fa mahafinaritra ny blaogy toa itony, mba ahitan'ny rehetra izay tsy voajeriny ato amin'ny net na dia mi-surf ela aza, mahafinaritra ahy ny mitsikilo ny blaogy soranan'ny olona.

    Nampidirin'i Volana 16 Nov 2007, 17:02
  12. Hono hoy aho Rado? Sary biby sa olona ve io amin'i salon fijereny tele io? Sa bibiolona :) sa ve rajako?
    Ary mba azon'ny Rado resahina ve ny mombamomban'ny nahafatesan'ilay lehilahy malaza. Misaotra mialoha o.

    Nampidirin'i soanja 16 Nov 2007, 18:52
  13. Volana:
    Tsy dia misy tokony isaoranao ny amin'iny fa fahafinaretana ho ahy koa anie ny manoratra azy ity rehefa mba misy fotoana kely iny.

    Natao ho vakinao mihitsy izy io fa aza miafiafy "mitsikilo" izany rehefa mamaky azy :-)

    Nampidirin'i radotiana 17 Nov 2007, 01:00
  14. Soanja:
    Tsy tena arako loatra izy io hoe inona fa toa rajako no fahitako azy :-) Asa re?

    Samy manana ny filazany azy ny olona fa izay volaza ao amin'ity tranonkala ity no ohatran'ny inoako kokoa:
    http://morbid-curiosity.com/id142.htm

    Nampidirin'i radotiana 17 Nov 2007, 01:05
  15. On the morning of August 16, 1977, Elvis
    played a game of racquet ball and then retired to his living room where he played perhaps his last song, “Unchained Melody.? After that, it is presumed that he went up to his bedroom where he was later found on the floor of his bathroom (the coroner's report stated he was found on the floor of his dressing room) by then girlfriend, Ginger Alden. He had been lying there for about three hours before being discovered. Despite the length of time passed, all attempts were made to save "the King." Their efforts failed and he was pronounced dead at 3:30 am at a Memphis Hospital (now renamed Elvis Presley Memorial), by his personal physician George Nichopoulos.

    Nampidirin'i radotiana 17 Nov 2007, 01:11
  16. Lasa natavy izany i leiry tamin'ny farany sady lasa niankindoha tamin'ireo zava-mahadomelina sy ny fanafody maro insan-karazany.

    Nampidirin'i radotiana 17 Nov 2007, 01:19
  17. eny hoy aho e ! ho ela velona ny fahatsiarovana azy. toa hoe izy no maty manankarena indrindra ankehitrio !
    izaho koa mpakafy azy ary tia rock, amin'izao mantsy aho hihomehezan'ny mpiara-miasa sy namana fa pôketra misy ny sariny no entiko dia hoy ireo hoe, lanjalanjainao isanandro ilery izany, dia hoy aho mamaly : ka izy tsinona tsy mandia tany intsony saingy izao, mandihy rock foana izahay ! hi hihi

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 19:42
  18. Tena fan-ina tanteraka aminy izany i Tsikisariaka kou. Mba mandalova any rehefa mankaty amin'ny bekintana ianao amin'ny manaraka sa ahoana?

    Nampidirin'i radotiana 26 Nov 2007, 19:40