Ireo nanaitra ny masoko tany Dago - 2008

Nampidirin'i radotiana | 18 Jan, 2008

Tafaverina soamatsara indray ary dia miarahaba ny mpitoraka blao-gy rehetra. Ireto no voan-dalana mba tiako ho zaraina aminareo.

Analakely tao anatin'ny fety. Mihamaro ireo mitady vola amin'ny fakan-tsary toy izay hita amin'ireto trano eva fotsifotsy mitandahatra ireto.

 

Nifanosehana ny sisin'arabe midina hoany Analakely avy eo Ambohijatovo saika isan'andro. 

Mivoaka daholo izao karazana hetsika hisintonana ny mpanjifa ny tolotra amin'ny fampiasana Finday rehetra izao. Orange, Celtel ary Telma no mifanandrina eto. Mihirahira eran'Analakely ireto andian-tanora ireto hisintonana ny mason'ny olona. Miparitaka miresaka amin'izay sendra azy izy ireo avy eo ary dia manazava ny tolotra vaovao aroson'ny orinasa Orange.

Novakiana lalan-tsara voarary biriky mafy voatra  ny sasany amin'ireo zaridaina eo ampovoan'Analakely.

Tsara ilay eritreritra saingy tokony mba fantsona vy matevina angamba no nampiasaina fa tsy simenitra fotsiny. Efa misy mianjerazera sahady ny sasany amin'izy ireto.

Misy an'ity tsangam-bato vaovao ity eo ampitan'ny BNI Analakely. Tsy misongadina loatra izy raha tazanina lavitra noho ny lokony mitovitovy amin'ireo tafo fanitso arafesina aorinany. 

 

Tsy sahy manitsaka eo amin'ilay zaridaina ny olona na dia mitohy ao ambadika aza io marika fiampitana io. Efa mba miezaka mikajy ny olona fa  ny mpiketrika no mila mandinika tsara. Jereo eto ny sary lehibe kokoa.

 

Inoako fa ny fametrahana ireo jiro telo loko natao handrindrana ny fifamoivoizana no mety ho vaha olana maharitra hoan'Antananarivo. Ilay jiro vita sinoa teny amin'ny 67Ha aloha tsy tafa na dia eo aza izany. Enga anie mba ho hitan' Atoa AndryTGV ity blaogiko ity. :-) 

Ketrika vaovao amin'iny làlana hoany Bira iny.

Milay fa Misaotra e! " Ny soa fianatsa ro ..."

Hoan'ilay namako mpiondana 3CV any Ambaidra :-)

VITA TOMPOKO aloha ny androany.


26 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Ireo nanaitra ny masoko tany Dago - 2008"

  1. Tsy misy fitodika (angle) hafa ahafahana maka ilay fiampitan'ny mpandeha an-tongotra ve? (passage clouté); mba haneho tsara ilay fiketrika tsy ampy fandinihana? Tena peuuuuh be kosa iny sary iraika iny.

    Nampidirin'i DotMG 18 Jan 2008, 08:47
  2. Sary roa ihany no ananako teo ry DotMG. Maimaika avy ao anaty fiara aho no naka io sary io. Raha azavaina dia misy zaridaina miendrika telolafy eo. Napetraky izay nanao azy eo amin'ny andaniny anakiroa amin'ilay zaridaina ny tsipika fotsy fiampitan'ny mpandeha tongotra. Tsy nasiany lalan-kely anefa eo amin'ilay zaridaina. Raha te hiampita izany ianao dia tokony hanitsaka eo ambonin'ilay zaridaina. Tsy sahy ny olona dia lasa manao toa io ramatoa amin'ny sary io. Mandeha manaraka ny moron'ilay zaridaina ety amin'ny arabe.

    Nampidirin'i radotiana 18 Jan 2008, 09:17
  3. mankasitraka! tsara ny hevitra toy izao amin'izay ireo havana, tapaka sy namana any ampita any mba afaka maminavina antsary sy an'eritreritra ny zava-misy eto dago!

    Nampidirin'i sazykely 18 Jan 2008, 11:02
  4. mahafinaritra ry rado ny sary nentinao ary mino koa ,fa toy izany koa ny dia naleha tany .
    *Io lalan'ny Bira io toa mbola milay tsara e!.Aiza zao io toerana io ry Rado ?
    *Tsy ratsy koa le famantarana hoe :TAXI ,fa tena efa vitan-dry zalahy tsara ko
    *Ary hazo vaovao daholo izany ireo nampaniriana eo @ arcade ireo raha azoko tsara .
    Masaka be !

    Nampidirin'i bilakarenjy 18 Jan 2008, 13:40
  5. maquette ve ny @ ito sary ito sa tena izy?

    Tonga soa d Tratry ny taona eee :)

    Nampidirin'i simp 18 Jan 2008, 14:44
  6. DotMG:
    Hay moa ianao any Dago ihany dia mba manandrama miampita eo amin'io arabe eo anosy eo akaikin'ny tambohon'Ambohitsirohitra io d ho hitanao ny maha tsy masaka tsara ilay ketrika.

    Sazykely:
    Hoan'ireo aty ampita tsy nandeha tany Dago ela ela no tena antony izarako ireny sary ireny kah. Misaotra betsaka nametraka hafatra.

    Bilakarenjy:
    Iny làlana mianantsimo iny dia vita pasoka hatrany Toliary. Eo Ampangabe ilay toerana fivarotan'ny olona giraffe vita amin'ny rofia tsy lavitra an'Ambatofotsy io toerana io. Eo no miakatra rehefa ndeha hamboly hazo ny SN sy ny mpiasan'ny ministera tamin'ny andron'ny Deba. Analamanga Park no anarana nomena ireo toerana filalaovana sy fivarotana eo amoron'arabe. Ambohimandry indray raha tsy diso aho no anarana vaovao nomena io trano nalaiko sary io.

    Taxi ao Dago:
    Efa ela ela no nitakian'ny mpitondra ny fampiasana ireo soratra hoe Taxi ireo kah. Sendra tsikaritro fotsiny indray andro fa misy mampanofa/mampindrana ny "lanterne" ny mpitondra taxi sasany. Mety efa tsy mamoaka alalana intsony angamba ny tompon'andraikitra.

    Zaridaina ao Analakely:
    Hazo sy voninkazo vaovao daholo ireo raha ny fahitako azy. Lasa zaridaina marevaka be ny eo amin'ny place du 13 Mai. Torak'izany koa ilay eo anoloan'ny Jesosy Mamonjy eny Ankorondrano. Ilay rano mifantsitsitra miakatra eny Andohatampenaka mialoha ny hidirana ny tetezana hoany Itaosy ihany no hitako tsy mbola voafehy loatra ny haitaony. Very aty ivelany matetika ny rano fa tsy mirotsaka ao anatiny. Mandeha mitsitapitapy izy sisa izaho niala tany Dago. Nandalo teo foana tsinona aho isan'andro dia izay no nanamarihako io tranga iray io.

    Nampidirin'i rado 18 Jan 2008, 17:41
  7. Simp:
    Tena izy io kah. Misy trano hafa miendrika sambo anakiroa koa eo anilan'ireo trano ireo. Ety ampita indray no misy an'Analamanga Park. Vao afaka ny tetezan'ny lalamby eo Ampangabe no misy an'ireo rehetra ireo.

    Nampidirin'i rado 18 Jan 2008, 17:44
  8. Tsetsatsetsa tsy aritro:
    Miha maloto ny rivotra iainana ao andrenivohitra. Manjavonjavona foana ny eny amin'ny lanitra eny. Nanontany tena aho hoe mety ho ny setroky fiara daholo ve ireny miakatra ireny? Sempotsempotra izany ianao mifoka rivotra raha mbola tsy zatra ny rivotra fohana ao Tana.

    Soa ihany fa mba efa nametraka dingana ny fanjakana hoe fiara latsaky ny folo taona ihany no mahazo miditra any Dago.

    Nampidirin'i rado 18 Jan 2008, 17:49
  9. Tena tsara manafatra zirafy koa Ravalo izany koa!

    Nampidirin'i jentilisa 18 Jan 2008, 19:17
  10. Jentilisa:
    Aleo aloha ho hita eo izay afitsoky ny osy e :-)

    Nampidirin'i rado 18 Jan 2008, 19:45
  11. rado a, lasa spam ny hevitro (laharana fahadimy izy izay) dia tsy hitanao angamba :(

    Nampidirin'i ikalamako 19 Jan 2008, 00:51
  12. Aleo fa ho jereko ilay izy ry Ikalamako a. Misaotra aloha tamin'ilay hafatra nalefanao tary antokontanibe tary fa voaraiko ihany nony farany :-) tsy d mpakany loatra mantsy aho.

    Nampidirin'i Rado 19 Jan 2008, 01:00
  13. Nosivaniko ny tahirin'ny hevitra voalaza fa spam ry Ikalamako fa tsy hitako tao. Soraty indray mandeha indray raha tsy d manahirana anao e.

    Nampidirin'i radotiana 19 Jan 2008, 01:10
  14. tsss !
    Ka tora-po ilay izy dia tsy tafaverina eto intsony afa-tsy ny hoe "tonga soa rado dia bonnané !". Io tadidiko tsara satria faly nahita an'i rado tonga soa. Ny ambiny lesy tsy koi a ! Nahafaly nahita - sady efa nantenaina moa ! - voan-dalana.
    Tsisy fisaorana t@'ilay tatsy atsimon-trano. Sendra nandalo dia nanao coucou fa nahita daty nalaza :-P : namana hatrany...

    Nampidirin'i ikalamako 19 Jan 2008, 03:38
  15. misaotra tokinao a, izay no mba azoko lazaina.

    Nampidirin'i dailynews 19 Jan 2008, 05:55
  16. tena mifona indrindra aho fa Rado kay!!!!!!!

    Nampidirin'i dailynews 19 Jan 2008, 05:56
  17. Tsy misy fisaorana sady tsy misy ifonana izany dailynews kah. Miandry an'ilay tantarana nofy izahay e.

    Nampidirin'i Rado 19 Jan 2008, 07:19
  18. tonga soa e!!!!

    misaotra @ sary e! mankafia hatrany!

    Nampidirin'i sipagasy 20 Jan 2008, 01:27
  19. Sipagasy:
    Misaotra nitsidika sady nampidi-kevitra e.

    Nampidirin'i rado 20 Jan 2008, 03:19
  20. Tonga soa eto Colorado ary tratry ny taona e! Inona ny voan-dalana azo ankatelemana?

    Nampidirin'i Longmont 20 Jan 2008, 23:03
  21. Longmont: Tonga soa tokoa moa izany fa d misaotra e. Lasa mamaky toraka ato koa angaha? Milay kah!

    Nampidirin'i rado 20 Jan 2008, 23:28
  22. Misaotra betsaka fa mahaliana sady mahafinaritra ny voandalana na eto dago ihany aza ny tenanay. Misimisy ihany ny ketrika tsy dia ampy fandinihina tahaka io fiampitana eo Anosy io ka!

    Misy koa ny miantsy tahaka ilay zaridaina misy rano mifatsitsitra eo ampitan'ny fiangonana Jesosy Mamonjy io. Nisy trangan-javatra nampalahelo sady nampihomehy teo Ambodivona iray andro izay: Ny paompy teny amin'iny faritra iny moa teo aloha dia misy ora ny fisokafany, @ 5ora maraina h@ 8 ora maraina, dia @ 12 ora h@ 2 ora ary ny hariva dia @ 5 ora h@ 8 ora alina. andoavam-bola ny paompy ary miovaova arakaraky ny faritra, misy ny mampiasa carnet dia aloha isam-bolana, ary misy ny mitaky ariary folo isaky ny sô alaina. Na izany aza anefa dia tsy maha afa-po ny olona ny fomba fanomezana rano azy ireo satria dia zara raha misy paompy azo hatsakana rano eny amin'iny faritra iny, fanampin'izay dia azo lazaina fa tsiririn-jinga ny rano mivoaka amin'ilay paompy noho ny fahanteran'ny fitaovana. Indray andro ary raha natsaka sy nilahatra toy ny fanaony ny mpatsaka teo ambodivona dia gaga raha nahita ny filaharan'ny sô lasa alavitra dia lavitra. Maty hono ny paompy tany akafà dia namonjy nitandahatra teo izay tokony ho tany amin'izany faritra nisy paompy maty izany. Tapitra ny lera fisokan'ny mpaompy, tapaka ny rano. Tezitra ny vahoaka madinika mila rano handrahoan-kanina sy ampiasaina, nefa etsy ankilany etsy misy rano mifantsitsitra, toa very @ tany fotsiny, toy ireny hoe efa ampy tanteraka ny rano hoan'ny vahoaka. soa fa tonga ara-potoana ny tompon'andraikitra raha tsy izany dia nirohotra ny olona haka rano teo amin'ilay zaridaina tsara tarehy.
    Am-bava homana am-po miheritra ozy ireo nandaho ka nahita ny fandehan-javatra teo.

    Nampidirin'i latina 21 Jan 2008, 13:34
  23. Latina: Mampihomehy nefa mampalahelo izany zava-niseho izany. Tsy hanome tsiny ireo naka rano teo amin'ilay rano nifantsitsitra aho rehefa tena voatery.

    Mety ho vetivety dia ho ritra koa anefa ilay rano raha ohatra ka izay rano narotsaka tao ihany dobo ihany no miverimberina mifantsitsitra eo.

    Avadiko kely fotsiny ny resaka: Asa na mbola azo nofinofisina ny hahafoana tsy hisy intsony ireny paompy fatsakana hoan'ny zana-bahoaka eny andalam-be ireny any Dago fa mba samy hanana ny rano ho sotroiny any antokatranony daholo ny isam-pianankaviana.

    Mety tsy hitranga amin'ny andro iainantsika mpitoraka sy mpamaky blao-gy eto aloha ilay izy fa na de izany aza hitako hoe tsy dia mahasosotra koa ny manonofinofy azy :-)

    Misaotra Latina nitsidika sady namela hafatra a.

    Nampidirin'i Rado 21 Jan 2008, 18:19
  24. matetika ny eto an-toerana tsy dia mahita firy ireny tsikera mahasoa apetrakareo mandalo ireny, fa dia mifaly havanja fotsiny @ny hoe niova ny tanàna.marina tokoa fa samy manana ny ketrika hitany fa mety, nefa na izany aza dia hita hoe manaonao foana ny sasany indraindray.ianao rahateo moa efa manao fijerin'ny tsy gasy(mba tsy hilazako hoe vazaha satria tsy dia vazaha ianao na mety ho iznay an-taratasy aza)
    avohay indray lesy ny sary sasany hojerena fa sady mampahatsiahy ny fotoana nahafinaritra nandalovanao teto an-tanindrazana ihany ny fijerena azy eto no mba ahafahana manopy maso amin'ireo tranga sasany mila fandinihana manokana.
    mankasitraka eh!

    Nampidirin'i setrasetra 22 Jan 2008, 20:57
  25. Setrasetra:Tsy azo ihodivirana ny tsy hampitaha sy ny tsy hanamarika ny fiovana na tsara io na ratsy isaky ny mandalo any amin'ny tanàna e. Ny fomba fijery indray na fijery vazaha io na gasy rehefa mety hahasoa ve inona no olana sa ahoana?

    Efa miketrika ny sary manaraka kah. Somary be asa kely fotsiny fa alefako eo raha vao misy irika. Mazotoa.

    Nampidirin'i rado 23 Jan 2008, 02:48
  26. Tonga soa Rado dia tratry ny taona sa moa efa nanoratra zà, tsy tadidy intsony!
    milay be ny sary sady amizay teny @ ilay lalako isan'andro taloha daholo ireo!

    Nampidirin'i Ikalakely 30 Jan 2008, 16:45