Tohin'ny voan-dalana antsary avy any Dago - Nov 2008

Nampidirin'i radotiana | 14 Nov, 2008

Mitohy ny tantara hoy ny Zain... Asa na efa firy izay no efa nahazo an'ireto fiara tsy tontan'ny ela noravahana ny lokon'ny Zain ireto. Tsy tena resy lahatra amin'ny fahombiazan'ny Zain aloha aho hatreto. Tsy mety tafapaka any Dago mihitsy mantsy ny antsoko raha vao laharana finday an'ny Zain no antsoiko avy aty Etazonia.

 

Mitombo isa hatrany ny gazety antsoratra. Nahatsapa aho talohan'ny nandehanako ho any Dago teo fa tahotra sy horohoro indray no azoko fa tsy mba fafiny tamin'ny famakiana gazety gasy "online." Fanafihana mitam-basy sy vono olona mahatsiravina matetika no voatatitra.  Tsy dia tsapako loatra anefa aloha ilay tsy fandriam-pahalemana rehefa tena tonga tany. 

 

Tohizana kely ny loko volom-parasin'ny Zain :-)

Anosy amin'ny nahitako azy andro vitsivitsy lasa izay.

 

Na dia maniry ohatran'ny anana aza anefa ny trano simenitra voaravaka fitaratra manjelatra ao andrenivohitra dia  mbola maro koa ireo miaina ao anatin'ny fahatsorana tanteraka. Tany mena, hazo sy fantsika ary bozaka sy taretra ny akora ampiasaina dia vita.

 

 Toamasina amin'ny endriny ankehitriny.

 

 Ampahany amin'ireo làlana nohavaozina. Efa misy kodiaran-telo koa ny posy any arak'ireny nitanteran'i Jentilisa azy tany aloha ireny. Mbola vohizin-togotra kosa anefa fa tsy toy ny KINGA ao Antsirabe.

 

Tamin'iny faritry Vatovavy Fitovinany iny. 

 

Tonga tany ihany ny aron'akanjo nalefan-dRamose fa ny dabilio... Valo isaky ny dabilio kosa ve?

 

Manazava be amin'ny teny frantsay i ramose teto... 

 

Efa teny Ivato aho no navoakan'i T... avy any ampaosiny any ity karatra mena ity. "ento any ity ry Rado hoy izy hapetrakao amin'ny blaogy". Tadidiny hay ilay resakay teny andalana. Mpanamory ireny fiara tsy matahotra lalan-dratsy ireny izy. Matetika hono izy no antonin'ireny jôbakely ireny dia ilazany hoe "za ramose mba hividiano mofo fa homeko mofo anie ramose eh". Ohatran'ny tsy teo hoy i T... no hakako ity karatra mena ity avy ao anaty poketrako. " iny ny andry" hoy hono izy sady atohony amin'ilay jôba ilay izy. Mitsoaka mandositra avy hatrany hoy izy izay tratrako sady toran'ny hehy.

Nanatitra ahy hiondrana koa moa ilay zandriko lahy be hanihany izay ka avy hatrany izy dia nitsatsaingoka sady nisintona ilay karatra teny amin'i T.... "mba fantatrareo ve moa ry T... ny antony nitsoahan'ilay jô?

"Vakio mivadika anie io soratra io eh."

 

VITA TOMPOKO 


22 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Tohin'ny voan-dalana antsary avy any Dago - Nov 2008"

  1. Manana karatra mena roa hono i T... fa aza matahotra ianareo an.

    Nampidirin'i radotiana 14 Nov 2008, 05:41
  2. Gravy be ilay teny mivadika !!!

    Nampidirin'i Rasoa 14 Nov 2008, 09:35
  3. hihihi! Tsy nihomehy indray aho raha tsy ilay karatra mena. Ohatry ny hafahafa be ny mahare hoe misy olon-dehibe lehilahy manana an'ireny koa. Toa tsy mba mahita mizara an'ireny mantsy aho ho an'ny vehivavy lehibe eto Tanà!!!.

    Nampidirin'i latina 14 Nov 2008, 10:02
  4. Rasoa njy ity lalin-tsaina an! ahola koa! lol Nampidirin'i news2dago 14 Nov 2008, 11:01
  5. Rasoa => enao ity lalin-tsaina a! latina => Za ko mba manotany teny @ io Nampidirin'i news2dago 14 Nov 2008, 11:06
  6. Rasoa,
    Gaigs zany hoy aho tamin'ny naheno azy voalohany. Ohatran'ny hoe nosainina lalina be nefa dia mety ho fifanandrifian-javatra.

    Nampidirin'i radotiana 14 Nov 2008, 13:51
  7. Latina, Ka tsy olon-dehibe anie i T... fa mbola bandibandy amin'ilay manaitaitra jôba kely ireny e :-) Ny sipany hono no nahazo an'io karatra mena io araky ny filazany. Maromaro no azony dia nangataka iray tany izy. Nampidirin'i radotiana 14 Nov 2008, 14:00
  8. News2dago,

    Asa na mety hahavaly ny fanontanianao ilay fanazavana hoan'i Latina eo ambony.

    Nampidirin'i radotiana 14 Nov 2008, 14:06
  9. ie!

    Nahavaly tsara mihitsy e

    Nampidirin'i news2dago 14 Nov 2008, 14:39
  10. ary naninona no tsy nalainao ny revy eny bypass isaky ny week end alina sy ny zoma alina. tonga malahelo ny revy aty dago ianareo raha mahita anizany.
    i masay ko efa vita mafinaritra be fa tsy tratranao.

    Nampidirin'i haingo 14 Nov 2008, 17:46
  11. Haingo,
    Aleo mba ho ny hafa indray no hitatitra ny revy eny amin'ny bypass sy ny eny amin'ny Masay e.

    Nampidirin'i Radotiana 14 Nov 2008, 21:32
  12. aoka aloha :P

    Nampidirin'i simp 15 Nov 2008, 15:01
  13. Mba tsy zakako loatra ry Rado ny mahita ireo zaza marobe mifanisina eo amin'ireo dabilio. Manaiky ve ianao raha forwardevako any amin-dry zareo ao amin'ny Presidansa ny blaogi-nao azafady?

    Misaotra indrindra fa mahafapo tokoa ny tatitra!

    Nampidirin'i soanja 15 Nov 2008, 21:55
  14. Tsy haiko ny hafa fa izaho ihany koa rehefa miantso zain avy aty dia tena 1 @ 4 no mahazo, hany ka tereko mampiasa orange daholo ny olona fiantsoko :))

    Mahaontsa be mijery an'ilay zaza, firy @ireo re no hiditra ceg, dia firy no ho tonga lycée sy ho eny @ université?

    Nampidirin'i maintikely 16 Nov 2008, 14:09
  15. Maintikely,

    Efa nanery olona antsoiko matetika hampiasa madacom toa anao koa aho taloha. Nivadika indray anefa izy ity ny fandehany. Mety tsy hety hiova intsony ry zareo kou :-)

    Firy amin'ireo ankizy ireo tokoa moa no ho tody eny amin'ny anjerimanontolo? ????

    Efa hitany io fa aza manahy ianao Soanja. :-)

    Nampidirin'i Radotiana 17 Nov 2008, 02:32
  16. Simp,
    Izaho mpitatitra fotsiny an. Ry zareo mpikarakara no nanova an'io tsipelina io. Mety mba "cool" sady "catchy" angamba hono no antony :-)

    Nampidirin'i Radotiana 17 Nov 2008, 03:37
  17. Efa mitsidika ity blaogy ity zaho matetika. Misaotra manome vaovao avy any @ tanàna. Tena mahaliana ny fitantaranao azy!

    Nampidirin'i Domoina 18 Nov 2008, 08:58
  18. Domoina,
    Misaotra mitsidika sady nankafy.

    Nampidirin'i radotiana 18 Nov 2008, 20:49
  19. Misaotra e!Am le nampitsiky! Nampidirin'i Bens 19 Nov 2008, 22:12
  20. Bens,
    Tsy misy fisaorana ra-Bens a. Misaotra nametraka :-)

    Nampidirin'i Radotiana 20 Nov 2008, 10:06
  21. Tsara be ilay voan-dàlana an-tsary fa misaorta Rado a! Ilay tsy fahaterena sy havitsian'ny efitra fianarana moa dia olana goavana ao Mkara. 'Zany hoe tsara aloha rehefa manana finiavana hatrany ny ankizy sy ray aman-dreny e.

    Iny teny avadka iny indray no tsy tato an-tsaiko lol.

    Nampidirin'i Tokinao 22 Nov 2008, 14:53
  22. Tokinao,
    Tsy misy tokony isaorana ny amin'iny kah. Mahafinaritra ny mizara izay nanaitra ny maso tany Dago. Efa manao ezaka ihany ny mpitondra raha ny fahitako azy saingy mila tosika avy amin'ireo izay tsara sitrapo ihany koa.

    Nampidirin'i Radotiana 22 Nov 2008, 18:48