Sandrandahy - Fandriana - Miarinavaratra amin'ny nahitako azy

Nampidirin'i radotiana | 4 Des, 2008

Miezaka mitsidika toerana iray mbola tsy nalehako aho isaky  ny mandeha any Dago. Efa ela moa aho no mba te ho any amin'izany Fandriana izany ka dia tapa-kevitra tampoka tamin'ity indray mitoraka ity.

Ny fahaizan'i Lefy nitantara ny momba an'io Faritra io tao amin'ny i Forum Moov no anisan'ny nanentana ahy.

Talata atoandro izahay no niditra ny tananan'i Fandriana izay 81 km raha avy ao Antsirabe. 

 

undefined

 

Io ny ampahany amin'ny tananan'i Fandriana raha tazanina avy aty amin'ny arabe mivoaka mankany Miarinavaratra. 

 

 undefined

 

Efa hiditra ny tanana ianao no mahita ity takelaka fanoroan-dalana ity. Manamorona iny lalam-be mankany antsena iny no misy ny ankamaroan'ireo trano vaventy mampalaza an'i Fandriana. Ny mahavariana dia saika mikatona izy ireo. Misy aza moa ny sasany dia asiana bara hazo na vy mihitsy avy ety ivelany isaky ny varavarana. Tsy sahy naka sary aho fa toa masiaka fijery ny olona.  

 

undefined

 

Vetivety izahay telo lahy dia tapi-dalankaleha rehefa tonga tao antanana. Azo iantsoana tsara ny finday avy eo Fandriana ka dia niantso ilay namako iray mipetraka any Tana aho mba hanontany azy izay azo atao eo antanana. Lehibe tao Fandriana mantsy izy. Hadisoam-panantenana anefa ny ahy fa hoy izy hoe "Tsy misy azo atao firy ao raha tsorina aminao ny tena marina afa tsy ny mandeha mijery mpianatra mirava. Ny mpianatra hoy izy mahita fahafinaretana mijery ny vahiny tonga moa ny vahiny koa mba misy analana azy. Misy tsena maresaka any Miarinavaratra hoy ihany ilay namako isaky ny Alarobia fa mandehana any. Resiny lahatra aho dia nanapa-kevitra ny hijanona hatory izahay. Vetivety dia maizina ny teo antanana. Maizina tena maizina satria nisy fahatapahany koa ny famatsiana herinaratry ny Jirama. Jiro labozia roa no nampirehetina hanazava ny efitrano natoriana. Tamin'ity indray mandeha ity no nahalalako fa hay misy mpamaky ihany ireny baiboly manga napetraky ny Gideoana iraisam-pirenena any amin'ny hotely ireny. Iny izaho mbola varimbariana mijery ny sary nalaiko ny andro tontolo iny no indro i T... nanomboka namaky. Ilay ampahany amin'ny teny anglisy no novakiany ka hoy aho hoe vakio mafy fa ahitsiko raha misy diso fanonona sady somary nanalako kely ihany izy.  Lany tamin'ny fampianarana teny anglisy azy roalahy tamin'ny alalan'ny soratra masina teo ny alina :-)

Vao nangiran-dratsy izahay dia efa nanainga hamonjy an'i Miarinavaratra. Mbola rakotry ny zavona matevina ny tananan'i Fandriana tamin'izay.

 

undefined

 

Nanontany tena aho hoe mba tamin'ny firy loatra ireto olona ireto no efa nanomboka nandeha tongotra sady niloloha ny entan-keliny hoentiny hamidy any antsena. 

 

 

 

Ambohimpihaonan'ny tantsaha tokoa ny tsena.

 

undefined 

 

Santionany amin'ireo trano vaventy izay fahita any Fandriana io amin'ny sary eo ambany io.  Efa mampiasa finday koa ny olona amin'iny faritra iny ary dia anisan'ny antondia any antsena ny famahanana herinaratra ny finday. 400 Ariary ny sarany izay maharitra herinandro hono. Mazava ho azy moa izany fa tsy velomina mandrapaharivan'ny andro ny findaindry zareo fa tsitsiana araka izay azo atao.  Amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 8 ora ihany no velomina ny finday amin'ny maraina ary amin'ny ora toy izany koa ny hariva.  

  

 undefined

 

Mitobaka ny fitafiana "fripy". Miova tsikelikely noho izany ny endriky ny tontolo ambany vohitra. Na dia eo aza izany dia mbola misy koa ireo azo itarafana ny tena maha gasy.

 

 

Na trano tsotra io na trano vaventy dia samy mampiasa an'ity "home made antenna"  ity daholo mba hijerena vata fahitalavitra. Ohatran'ny hoe ilay vy manify boribory amin'ny kodiarana bisikileta izany no fahitako azy. 

 

undefined 

 

Tsy azo nodikaina i Sandrandahy raha hoany Fandriana ianao. Narahina ara-bakiteny ny nampidirana ny teny Anglisy ho tenim-pirenena fahatelo ao Dago.

 

 

Nasehoko ilay namako avy any Fandriana ireto sary ireto rehefa tonga tao Tana dia hoy izy nanala kely tamiko hoe "Tena nandeha tany Fandriana marina ianao"

 

VITA TOMPOKO 


18 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sandrandahy - Fandriana - Miarinavaratra amin'ny nahitako azy"

  1. mafinaritra kosa an. Sady mahay mitantara tsara toi :)

    za alou mahita mintsy hoe tsy misy tsara noho ny ambany vohitra ee... ra misy electricite sy rano izy no tena tonga lafatra :P
    gasy ka manja ;-)

    Nampidirin'i simp 05 Des 2008, 02:27
  2. Milay any ambanivohitry Dago ry Simp a! Ity finday ity koa aloha tena nampihena ny fitototoan-dRamalagasy mihitsy.

    Mbola miaina ao anatin'ny fahatsorana tanteraka ny olona. Hitako hoe mahay mankafy ny fiainana amin'izay ananany.

    Nampidirin'i radotiana 05 Des 2008, 04:54
  3. Ilay tranobe ireny dia any olona lasa nila ravin'ahitra ka naha-angona...dia lasa fomba ny manao trano be raha maha-angona...ny ampiasana azy ireny dia rehefa misy raharaha lehibe (famadihana,...) ka anasana ny vazan-tany efatra, dia ao ny vahiny rehetra be dia be no milasy...

    Nampidirin'i finoanaranoray 05 Des 2008, 08:36
  4. ankoatra anay misy rà avy any @io tanàna io dia vitsy @ireo mpizaha tany sy olon-kafa no mitsidika sy mitatitra an'i fandriana toy izao.mahazo aina be aho eto am-pamakiana azy no sady maka sary an-tsaina ny zva-nitranga rehetra t@ androm-pahazazana tao, @ireto sary asehonao.
    na dia io aza no fahitanao ny tanàna dia aza hadino fa namoaka olo-manga sy olo-mahafinaritra maro i fandriana.volana aogositra sy volana desambra no mety ahitanao ireo trano be mikatona ireo misokatra @ ankapobeny,izany hoe noely sy famadihana.
    misaotra anao eh!

    Nampidirin'i namana fandrianoise 05 Des 2008, 13:08
  5. Misaotra fa tsara be ny sary nalainao sy ny fitantarana . Mbola misy tohiny ve io sa tapitra eo?. Fanontaniana: inona ilay RADO @ voalohany io ?
    Fanamarihana: fa dia naninona re no teny Frantsay sy Anglisy ihany no nataon'ny Ben'ny Tanàna fa aiza ny teny Malagasy (Marche, Market, Tsena) Indrisy ry tenin-drazako!!!

    Nampidirin'i tebokaefatra 05 Des 2008, 17:47
  6. Finoanaranoray,
    Misaotra tamin'ny fanampim-panazavana mikasika ireo trano be ao antananan'i Fandriana. Efa nolazain'ny olona tamiko ihany ny amin'izay fa mba tiako koa hoe ny hafa no hampita azy eto. Mitovy ny ankamaroan'ny Gasy mila ravin'ahitra aty ivelany ihany io angamba. Mba manangana zavatra any Dago na tsy hipetraka any mandavan-taona aza.

    Nisy nilaza tamiko koa fa ataon'ny olona ho fitehirizana vokatra koa ny sasany amin'izy ireny (katsaka, sns...)

    Nampidirin'i Radotiana 05 Des 2008, 20:22
  7. Fandrianoise, Ohatran'ny "negative" be angaha ny famakianao ny fitantarako azy? Tsy izay loatra no tanjoko fa nitantara fotsiny izay zavatra niainako tamin'iny andro vitsivitsy iny. Manana namana maromaro avy any Fandriana aho ary mahafinaritra daholo izy rehetra. Anisan'ny nanintona ahy hamaky ny tantaran'ny olona avy any tao amin'ny forum moov io ary nitarika ahy hitsidika tany mihitsy nony farany. Marina tokoa ny teninao fa maro dia maro ireo olo-mangan'i Gasikara avy ao Fandriana sy ny faritra manodidina azy ary nanana ny tombony koa izy tamin'ny lafiny fampianarana raha zohina hatrany amboalohany ny tantara. Inoako fa tsy napetrapetraka fahatany ireo sarina penina roa manidy ny vavam-boay eo amin'ny sary voalohany ireo. Nankafiziko iny dia iny Fandrianoise a. Ny hotely fandraisam-bahiny no tokony mba ampiana anakiray tsaratsara handraisana ny vahiny sy ny mpizaha tany. Nampidirin'i Radotiana 05 Des 2008, 20:44
  8. Bokotraefatra,
    Mety ho io ihany aloha angamba ny fitantarana momba an'i Fandriana sy ny manodidina amin'ity taona ity. Amin'ny fiverenana any manaraka indray manohy azy. Azonao vakiana ao amin'ny http://radotiana.blaogy.com/post/283/1256 ny antony nahatonga io solon'anarana hoe RADO io.

    Manaiky aho fa tokony mba nasiana hoe TSENAN'I SANDRANDAHY koa teo ka. Iny ary no tokony natao voalohany.

    Nampidirin'i radotiana 05 Des 2008, 20:57
  9. isaky ny mamoaka sary i Rado dia ngoma be foana aho.
    Tsy azonao kosa fa ny namana fiandrianoise aza tena misaotra anao mihitsy ary tena naka toerana izy namaky.
    "Tamin'ity indray mandeha ity no nahalalako fa hay misy mpamaky ihany ireny baiboly manga napetraky ny Gideoana iraisam-pirenena any amin'ny hotely ireny" : dia toa misy kapôty koa ataony eo akaikin'ilay baibl e ? Efa nitondran'ilay "namana" iray izay aho nody avy any izy (coucou lery - hihihi).
    Milay hoa ny blaogy fa dia ahafana mamaly ilay tagy farany teo : "pourkoi blogguer sur lì'Afrique", satria betsaka ny afrikana tsy mahalala ny taniny satria tsy manana moyen hizahana tany.

    Nampidirin'i ikalamako 06 Des 2008, 02:33
  10. Ikalamako,
    Izay hahangoma tsy mahafaty anao mihitsy no atao kou :-) Azoko tsara fa nankafy i Fandrianoise fa aza matahotra. Mba nitondra fanampim-panazavana kely fotsiny aho. Mbola hiverina any aho amin'ny taona manaraka raha ny tena fikasako.
    Efa nisy nampiasa angamba ilay fimailo mipetraka eo akaikin'ilay baiboly manga tamin'ny fandalovako.

    Tokony mba hamporisika ny olona hizaha ny taniny tokoa aloha ny any Dago e. Efa tsikaritro fa miha mahazo vahana izy ankehitriny. Ohatran'ny mahatsiaro very izany mantsy rehefa mandeha any amin'ny tany tsy misy havana na olom-patatra raha tsy misy hotely hatoriana.

    Izany Ambatondrazaka izany no mba tiako haleha manaraka. Be koa mantsy izay ankizy namako avy any izay fony mbola nipetraka tamin'ny Cite U tany Dago.

    Nampidirin'i Radotiana 06 Des 2008, 03:14
  11. na mety misy version hafa aza dia nohatsarain'ny fitantaranao i fandriana!tiako be!avy nijery tany hafa teto dago aho nandritra ny herinandro roa, fa na tsara aza ny an'ny hafa, tiako fandriana ary vao mainka matavy amiko ny fitantaranao azy araka ny fijerinao sy ny niainanao azy.ny tsininy fotsiny dia tsy afaka nanaraka anao aho hihihi!!!!

    Nampidirin'i msse 06 Des 2008, 11:42
  12. Namaky ny tantara nahatonga ny anaranao hoe "Rado" izaho ary liana sy nankafy @ fahaizanao mitantara zavatra. Tsara manoratra boky ianao marina eeeee
    Fa tianao koa aloha ilay anarana na dia tsy niteny aza ianao sady ho fahatsiarovana an'i Nirina ooo?? hihihihi

    Nampidirin'i tebokaefatra 06 Des 2008, 20:04
  13. Msse,
    Afaka mitety an'izao tontolo izao ianao fa mbola hafa foana ny zavatra tsapanao rehefa maheno na mahita ny tany nihaviana na nahalehibe. Rehefa hoany amin'iny faritra iny indray aho amin'ny manaraka dia handefa fanasana hoan'ny blaogista eto hoe iza avy no mazoto handeha :-)
    Aza tazonina amin'ny teniko aho fa mba manala fotsiny an.

    Raha mba misy lalana azon'ny fiara aleha mantsy manomboka eo Fandriana mipaka hatrany Marolambo sy Mahanoro dia tena milay. Azo andehanana tongotra hono hoy ny olona tao Miarinavaratra.

    Nampidirin'i Radotiana 07 Des 2008, 01:28
  14. Tebokaefatra,
    Misaotra betsaka amin'ny famporisihina. Fiezahana mitazona ny teny gasy efa mitady ho very no ihezahako mitantara eto na dia ifampitadiavana aza ny fotoana anoratana azy. Mba faniriako ny hanoratra boky tokoa indray andro any fa mbola tsy izao aloha hoy ilay olona mpangatak'andro lava :-)

    Marina mihitsy fa lasa tiako ilay solon'anarana hoe "Rado". Nisy blaogista nahay nanazava ny dikany koa moa tao ka vao maika aho nankafy. Mbola tsy sendra an'i Nirina aho aloha hatreto, asa izay any aoriana any.

    Nampidirin'i Radotiana 07 Des 2008, 01:41
  15. Efa ela aho no nandalo t@ iny toerana iny asa tany @ taona 1992 tany ho any angamba ary ny fahitako ireto sary dia tsy nivoatra ilay tanana toy ny toerana maro eto Madagasikara ihany

    Nampidirin'i news2dago 11 Des 2008, 14:40
  16. news2dago,
    Tsy manankambara ny amin'ny fampitahana nataonao aloha aho satria sambany aho no nandeha tany. Manontany tena kely aho hoe inona tokoa moa izany azo itarafana ny fivoarana sy fandrosoana any ambanivohitra. Trano vaovao moderina ve, lalana vita tara tsara pasoka ve,...

    Misaotra betsaka nitsidika sady nametraka hafatra.

    Nampidirin'i Radotiana 11 Des 2008, 20:13
  17. Mahafinaritra ery ilay sary! misaotra anao nitondra anay tany Fandriana Rado a

    Nampidirin'i Tokinao 14 Des 2008, 13:00
  18. Tokinao,
    Aza mihonona mijery sary izany fotsiny fa mandehana any mihitsy hahita rehefa mankany Dago :-)

    Misaotra nametraka e. Avohay amin'izay iny soavaly mena mitrifana be iny Tokinao fa aza afahy fotsiny any.

    Nampidirin'i Radotiana 15 Des 2008, 03:28