Google Alert - Madagascar" - Andry Rajoelina

Nampidirin'i radotiana | 25 Jan, 2009

Tsy azo hodiana fanina intsony fa manomboka tafaporotsaka aty ivelany ny disadisa misy any Dago any. Nivoaka tamin'ny Google Alert "Madagascar" mantsy ny zava-niseho tany Ambohijatovo sy Analakely anikeo maraina. 

 


Andry Rajoelina

©2009 Google - Map data ©2009 Europa Technologies - Terms of Use

Vocal Madagascar mayor calls for strike to 'reclaim democracy'

ANTANANARIVO (AFP) — The mayor of Madagascar's capital Antananarivo, who has branded the Indian Ocean island's government a dictatorship, called for a strike on Monday to "reclaim democracy."

Addressing more than 20,000 supporters at the historic Place du 13 Mai square on Saturday, Andry Rajoelina said "leaders who do not care about the people should not be there. We are here because we refuse to be gagged."

"I am calling for a general strike on Monday (in the capital) by government workers, students and all residents of Antananarivo," the 34-year-old told the rally which was held despite a police ban.

"I urge all the people to continue the struggle to reclaim democracy. I am ready to lead the people should there be a transition. I will be your spokesman."

Interior Minister Gervais Rakotonirina appealed for calm after the rally.

"Following the declarations made today... the government is following the events and urges people to be calm and be wary of manipulations," he told reporters.

Rajoelina ran against President Marc Ravalomana's party as an independent candidate in municipal elections in 2007 and since taking office has grown into the regime's most vocal opponent.

Ravalomanana was re-elected in December 2006 polls and other elections since have generally tightened his grip on power but the mayor of the island's capital is proving a thorn in the president's side.

Rajoelina has recently and repeatedly condemned what he says are shrinking freedoms in Madagascar and also fiercely criticised a massive project to lease vast swathes of farmland to South Korean industrial giant Daewoo.

The president is currently in South Africa and is expected back on Monday.

The crowd dispersed peacefully after Saturday's rally from the square, named after the day in 1972 when fire razed down the Antananarivo city hall during protests that saw the fall of the country's first president Philibert Tsiranana.

The tug-of-war between the Antananarivo mayor and the president intensified on December 13 when the government closed down Rajoelina's television network "Viva" after it broadcast an interview with former president Didier Ratsiraka.

Ratsiraka ruled the island for 25 years and has lived in France since 2002 after losing a deadly political struggle with Ravalomanana which saw the island being effectively split for some time with two parallel administrations.

On January 17, Rajoelina inaugurated a new square in the capital and named it "Democracy Square", in a move widely interpreted as a message to the regime 


9 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Google Alert - Madagascar" - Andry Rajoelina"

  1. Latsaka anelanelany aho raha ny hevitro no anontaniana manoloana ny zava-misy any amin'ny tanana any. Tiako ny ezaka efa natomboky Ra8 ny ankamaroany. Sambany ny mba misy fitondrana nanana drafitra maty paika heverina fa mety hampandroso an'i Dago (MAP no tiako resahina amin'io), Tsy ekeko koa anefa raha ho ahy manokana ny famerana ny olona tsy hamoaka ny heviny ankalalahana. Tafiditra anaty vela-pandrika moa eto ny fitondrana araka ny hevitro satria dia mitombo isa andro aman'alina ny isan'ireo fitakiana ataon'ny mpanohitra. Niainga tamin'ny fitakiana hanokatra ny Viva TV, ...Esory ny misitra roalahy, ... Esory ny Governemanta,...

    Isaky ny Sabotsy teo dia izao mety hivadika ho isan'andro...

    Mety hikoropaka hividy billet hoany Dago daholo amin'izay izay maha sahy amin'ireo nanao sesin-tany ny tenany ao France, ... mety ho voasambotra vao mitontona ao Ivato,...miha romotra ny olona...

    Mety afaka mba manpandefitra ny ambom-pony ve ny Ray Aman-dreny sa zavatra tsy azo eritrerentina mihitsy izany hoan'ny gasy mba hahitana marimaritra iraisana?

    Efa somary "Tricky" ihany moa satria efa tonga any amin'ny Fitondrana Tetezamita sahady ny eriteritry ny sasany.

    Nampidirin'i radotiana 25 Jan 2009, 03:11
  2. Tena vendrana isika Malagasy, na ny mpitondra na ny mpanohatra, na ny vahoaka!! Mampalahelo fa ny vahoaka indray izao no ho fay @ grevy tsy misy farany. Ho potika indray ny economie-tsika dia hahantra mandrakizay izany. Mampalahelo!!

    Nampidirin'i Eric 25 Jan 2009, 03:18
  3. Tsy misy vahaolana toy ny fifampiresahana tokoa e

    Nampidirin'i Tokinao 25 Jan 2009, 03:21
  4. Eric & Tokinao,
    Ny eo amin'ny Fitondrana ny ahy no tena omeko tsiny. Tokony mba manaraka ny fizotran'ny tantara ry zareo. Dia ny lalan-diso nizoran'ny teo aloha ihany ve no mbola nizorana. Ny gasy koa moa efa miha tsy mahari-pery firy intsony. Jereo ny elanelan-taona amin'ireto daty ireto: 1991,2002,2008. Ny sarababem-bahoaka tsy mahita izay harinkarena faobe nitombo any fa ny ny isan'ny kapoakam-bary arotsany ao ambilany no handajalanjany ny mampety na tsia ny fiainany.

    Manontany tena aho hoe inona no mety ho nitranga raha tsy nasiana sira be ohatran'iny ilay famoahan'ny Viva TV ilay resaky Deba tany Paris iny?

    Nampidirin'i radotiana 25 Jan 2009, 04:05
  5. Ka izay ilay fanaon-dRavalo. Manindry etsy sy eroa. Dia avy eo tsy manana fanetren-tena kely hoe diso iny zavatra iray nataoko iny.
    I Ravalo miala tsy dia mampaninona loatra fa ireto miezaka manala azy no tena tsy laitrako. Dia tena tsisy olo-manga ve Madagasikara?

    Nampidirin'i Hery 25 Jan 2009, 11:48
  6. Ra ny hevitro alo,dia mampalahelo nyzava-misy eo amintsika Malagasy.Ny olana dia tsy fantatry ny mpitondra mihintsy ny zavatra tena ilain'y olona angamba e!Mino aho fa efa betsaka anie ny olona no efa mahatsoaro mangirifiry eo @ fiainanay e!nefa iaraha-mahalala fa ra vao miteny ianao na mitsikera dia efa koditra ny ho eny @ fitsarana,ka dia aleon'ny olona angamba tsy miteny.Rehefa feno ny zinga anefa tsy maintsy tobaka ihany e!Aza mba atao mihintsy ny hoe:ny hanina anio aza efa manahirana ny mitady azy fa vao maika hisy korontana indray eto.Izay fona no atao masaka an-tsain'ny olona,mety ho mora nefa ny hitadiavanao ny hanina ho haninao anio ra mande tsara ny fiainam-pirenena,zany hoe vitan'ny mpitondra ny tsy hanahirana ny gasy,eo @ sakafo,karana,fialam-boly,ny fianarana...Tsy ho tsapan'ny mpitondra nefa ny zavatra tena manahirana anao,fa ny azy dia hoe mande tsara ny asa,mandroso ny firenena,mandroso tokoa satry mande tsara ny fiainan'ny mpitondra ,mitombo ny harena ananany,mahafinaritra ny mahita gasy mandroso ny fiainany.Nefa iza ireo gasy ireo,olom-bitsy anie ireo e!tsy iza izany fa ny mpitondra e!Ka ra tsy manohitra ny zava-misy ianao,tsy ho tsapan'ny mpitondra izany,nefa ny mampalahelo dia tsy mahazo manao izany ny olona.Ny mpanao politika ra vao miteny dia alefan'ny mpitondra na ny olon-tsotra ny filazana fa ireo ndray ny mpitasy seza.Izy no sahy miteny ka avelao izy hiteny e!Ra tsy misy ny fahalalahan'ny olona eo @ firenena iray tsy hisy zavatra handroso mihintsy eo.Ary ny mpitondra tokony hanova paika fa tsy hanao toy ny taloha,ka akatona ny zao,samborina ra anona,araha-maso akaiky ny fananan-dra anona,zany no efa nisy taloha,ary mbola miverina io ihany @ izao fotona izao.Ny zavatra toy izany no vao maika mapitraotra ny olona anefa. Dia mirary ny firenena mba ahita vaha-olana e! Nampidirin'i ryhe 25 Jan 2009, 22:42
  7. zay zany e,fantra pitady ny manganana ihany ny vahoaka ka mety ahita ny mangidy tsy ho laitra

    amiko ny lalana dia lalana ihany, tsisy tokony handeferana an izany na dia ny kely aza

    Nampidirin'i za 26 Jan 2009, 02:58
  8. Hery, Asa tokoa re raha mba hanana finiavana ny hilefitra ny Filoha. Ohatran'ny efa tara loatra ihany anefa raha ny fahenoako ny zava-mitranga any amin'ny tanana any. efa mitombo isa hatrany tsinona ny fangatahan'ny mpanohitra. Miandry izay ho tohiny sisa ny mpitazana hatreto. Mampalahelo. Kivy be aho raha hiverina amin'ny fitondran-dRatsiraka mianankavy indray. Too Bad. Nampidirin'i radotiana 26 Jan 2009, 03:30
  9. ryhe, Ny ahy no tena mahavariana ahy dia ilay hoe "paika mitovy ny nataon'i Ratsiraka tamin'i Ra8 ihany no nataon'i Ra8 amin'i Andry Rajoelina" Tsikafonina ny orinasa sy ny fananana, ny mpiara mitolona, sns... Tsy mba misy maranitra ve ireo mpanolon-tsaina be dia be ireo hahita tetika hafa, efa fantatra anefa hoe inona no niseho tany aloha

    Nampidirin'i radotiana 26 Jan 2009, 03:58