Sary nalaina teo Analakely tamin'ny 28 Janoary 2009

Nampidirin'i radotiana | 29 Jan, 2009

Samy mandika ny hevitry ny sary araka ny firehany hatrany. 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

VITA TOMPOKO 


9 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sary nalaina teo Analakely tamin'ny 28 Janoary 2009"

  1. Le sary voalohany zany de mba entina hisarihana ny katolika rehetra, de sady mba te-hampiseho fa tena mpivavaka ilaikely Ntsonane, tena mpivavaka ve hanohitra fitondrana!!! "Andriamanitra tsy tompon'ny fikorontanana fa ny filaminana araka ny teniny" No sady mampianatra ny vahoakany Andriamanitra manao hoe : "Aoka isika hanaiky ny fahefana lehibe, fa izay rehetra fahefana misy de voatendrin'Andriamanitra..." Romana 13/1-7 Nampidirin'i tsiafoi1 29 Jan 2009, 08:34
  2. "EUH..TSOFIKO RANO NAREO TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY RAHA HO ANY @ MBS, DIA ZAHO KOA MBA TSOFY RANO RAHA HIVERINA ENY @ 13 MAY TOMPOKOLAHY SY TOMPOKOVAVY"...euh...fa raha sendra mivadika ny tantara ka tsy voafehiko nareo dé lazaiko fa nokaramaina nareo tompokolahy sy tompokovavy...euh...zaho lé bandikely tsy dia misaina tsara tompokolahy sy tompokovavy...

    HO ELA VELONA NY DEMOKRASIA! HAVERENO RATSIRAKA HAMPINANA ANTSIKA NY TAITSIKA! SOA IHANY FA TEO TGV MAIVANDOHA MBA HATANTERAKA IZANY! AMEN!

    Nampidirin'i Anti-maivandoha 29 Jan 2009, 12:31
  3. maivandoha mitsy ra tgv nitarika olona tsy o voafehy fa tena maivandoha koa ramose nentin ny hambo-po tafaotra ka tsy niraharaha ny faorian ny vahoaka. samy maivandoha kay ka mitadiava ndray àry olona mavesadoha ra mahita e! aleo ilamina rangah a! ny madinika iany anie no voa mafy e! ramose nga tsy ikaly, ra tgv ve ho noana? Nampidirin'i bema 29 Jan 2009, 15:24
  4. Mihidy vy be mitsy le izy nefa efa avy norobaina.Hafa aloha iny alina iny fa alina NAMPANANA NY TSY MANANA E!Minoa fotsiny ihany fa mahazo mandroaka entana maimaimpoana na tsy misahirana aza.Ny maty indray maty ny hatendany,voalaza fa noana ka tsy ny ronono no nalaiana fa akanjo sy kiraro.... Veloma daholo eeee!!!! Nampidirin'i Therese May 29 Jan 2009, 22:08
  5. de tena raharaha tokoa ireto sary ry rado!nahita ny tsy fahita indray ny gasy kely, mampalahelo fa asa na ho voafehin'i andry ihany ny tantara na hanao ahoana ity hiafaràna.
    fa efa tany dago sahady indray mou enao ry rado?

    Nampidirin'i neutre 30 Jan 2009, 20:30
  6. mampalahelo aloha ny fanararaotana nisy teo @ fandrombana zavatr'olona!! efa natsidiko etsy ambony fa mandalo mikarakara dossier aho no eto dia tena fadiranovana noho ny tahotra sy ny filazana zavatra loza etsy sy eroa!! efa voaozona angamba isika ity ry malagasy!! tsy momba ny atsy aho no tsy momba ny aroa fa ny tiako ambara dia izao! potika ny hany fanantsika potika ny firenentsika ary mino aho fa potika koa ilay fitiavantanindrazana izay ao amin'i malagasy!!ny tantara no hitsara!! io anie no hianaran'i zanatsika any aoriana any e!! o!ry gasikarako hoatra ny valalan'amboa ianao ity ka na ny tompony aza tsy tia Nampidirin'i maman'i zaza 30 Jan 2009, 21:03
  7. neutre,
    I zandry gasy no tsy mahatombona ao antrano fa mangidihidy foana hono ny faladiany handrakitra ny zava-misy antsary. Izy no nandefa an'ireo sary tamin'ny posts roa farany ireo kah.

    Nampidirin'i radotiana 31 Jan 2009, 06:00
  8. Misaotra betsaka Rado tamin'ny sary! Mampihomehy ny mieritreritra ilay fisehoan-javatra tamin'iny fotoana iny, ankehitriny. Maromaro izahay no mpitazana tety alavidavitra mahita ireo olona handeha handroba, eo @ 50 eo h eo no mpamaky. Sady namaky ilay tranombarotra ry zareo no niôgaôga hoe tgv! tgv! tgv! hihihi! vaky ny trano, niditra amin'izay ny mpaka entana, olona izany! Sady maka no miteny hoe: mba hanana amin'izay ny tsy manana e, alainay fa hetranay ihany no nahazahoany an'itony, ao ny mpanisy sira, mangala daholo fa tsy mampaninona azy hono io fa efa misy entana ho avy indray any. Alaivo fa mba hampanana ny tsy manana e. ireo foana no teny niverimberina teo. Ny tao @ magro aloha dia azo neverina ihany hoe olona noana ireo nandroba ireo, fa ny tao amin'ireo tranombarotra hafa no tsy azon'ny mpitazana indraindray, atao inona rey olona tapaka tiroire fanao eo andoha fandrina,vita @ melamine, tsy azo arendrika na harafitra ho lasa fanaka hafa akory, nifandrotehana tao angamba dia samy nahazo tapany aby. Ny an'ny sasany tazana avy eny amin'i citic indray dia tranona cd en vrac 2 na telo no entina dia mideradera ery hoe izahay koa mba nahazo. Mahavariana an, hanoanana koa ve no nahatonga ilay olona haka ilay tranona cd.

    Nampidirin'i latina 03 Feb 2009, 13:34
  9. Latina,
    raha maika haka tsoa-kevitra ianao dia halaim-panahy hiteny hoe ohatran'ny nobehazina tao anatinny kolon-tsaina tia manararaotra izany ny gasy. Na ny mpitondra na ny entina samy nanararaotra amin'izay azony nanararaotana daholo. Mbola mijanona ho nofinofy hatreto aloha izany Dago handry fahizay izany.

    Nampidirin'i radotiana 08 Feb 2009, 06:19