Sary nalaina teny Antaninarenina - 7 Febroary 2009

Nampidirin'i radotiana | 8 Feb, 2009

Antaninarenina - 2:01 pm

  

 

Antaninarenina - 02:44 pm  

 

 

Antaninarenina - 02:45 pm

 

 

Antaninarenina - 03:02 pm 

 

 

Tohatoha-baton'Antaninarenina -  4:10 pm 

 

 

Tohatoha-baton'Antaninarenina - 04:11 pm

 

 Tohatoha-baton'Antaninarenina - 4:12 pm

 

VITA TOMPOKO  


24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sary nalaina teny Antaninarenina - 7 Febroary 2009"

  1. Nataoko ny tsy hihomehy fa handinika tsara fa ilay ordinatera tena muahahaha

    Nampidirin'i sitlo 08 Feb 2009, 09:22
  2. Misaotra ny mpaka sary fa tena mazava zao hoe inona kay no tao ambadik ilay demokrasia tadiavina

    Nampidirin'i Pisokely 08 Feb 2009, 10:40
  3. Tena tsy azoko hoe maninona no mbola misy mahataona entan'olona ihany nefany efa reny no nitranga. Lay sary misy mitondra TELE sy Ordi no tiako tenenina. Tena menatra aho hoe gasy @ zao fotoana zao aloha. Sady malahelo be! Inona no tokony atao mba hampiatoana izao.

    Nampidirin'i Domoina 08 Feb 2009, 11:52
  4. Misaotra Rado tamin'ny sary. Mampalahelo tokoa ny zavamisy. Tandremo ihany ho an'ny mpaka sary fa ny zavamisy tahak'izao tsy dia tsara anaovana vy very ny aina!Diamondra tsy ananam-paharoa ny aintsika. Ny politika dia ho politika ihany.

    Nampidirin'i soanja 08 Feb 2009, 12:49
  5. Misaoara tamin'ny sary fatena naka "RISQUE" tokoa ianao naka azy ireo! Tsara ihany ny manipika fa nisy mpanao gazety voatifitra tamin'io fotoana io ka ny ahy dia ny mampitandrina anareo mpaka sary mba ho mailo hatrany! Midera ny asa vitanao ahoi ry Rado! Misaotra

    Nampidirin'i Tsoa 08 Feb 2009, 15:19
  6. Ny resaka anie mazava e! Nano ny asany tamim-pahamatorana ireo niaro ny lapa. Ireo ninia nandefa mpanakorotana sady nampanantena "entana" an'ireo mpandroba no tompon'andriakitra.
    Rehefa manomana fihetsiketsehana an-dalambe ianao dia TOMPON'ANDRIAKITRA tanteraka. Rahatoa ka olondehibe aloha no mitarika e! Raha mbola zaza miala sakana toy andry zareo nitarika nankeny antaninarenina de resaka afa indray aloha.

    Nampidirin'i Gasy-et-fier-de-l'être 08 Feb 2009, 18:48
  7. Ary toa misy oul mitaona entana ihany eee?.. izao ve no atao hoe demokrasia? lol
    misaotra be dia be tamin'ny sary!!!!

    Nampidirin'i Vale 08 Feb 2009, 22:59
  8. Inona moa no tokony hahagaga anao @ izany. Ny aty anie efa mandondona isam-baravarana ary tsy mifidy ny fahantrana e! Mafy anie rey olona izany hoe raim-pianakaviana avy miasa afy sy efa reraka nefa ny zavatra azo tsy mahavita mihoatra ny herinandro e ! Inona no atao e? mba toroy hevitra. Ianareo any lavitra any anie mety hoe raha mahita kely androany mety mbola ahita rahampitso e Ny niantombohan'ny olana anie dia ny tsy fahazakan'i Ravalomanana ny faharesin'ny olony teto Antananarivo, ary nandeha ny vava t2 izany fa ho faizina Antananarivo. Nefa ny zavatra tena tsapa dia tsy mifanitsy ny zavatra ataon'ny Fanjakana sy y ilain'ny Vahoaka. Satria ny Fanjakana, taorian'ny Lalaon'ny Nosy dia nirehareha mafy mihintsy fa nanao zavatra. Ekena izany saingy ny fanontaniana napetrakin'ny olona dia hoe : Inona no akon'ny fanaovana an'io Jet d'eau eo am-povoan'ny arabe io @ ny fanalefahana ny hasarotry ny fiainana na ho fanatsarana ny andavan'andronay : ny lalankely, rano fisotro, jiro manazava, vidim-piainana.... Lany soa aman-tsara i Andry Rajoelina. Dia niasa izy : tena nisy vokany ny fanaovana cours gratuit ho an'ny Mpianatra hanala CEPE, BEPC sy BAC,...Dia betsaka ny programme tonga dia nahazo fanampiana sy avy dia natao.May volontratra ny Mpitondra ary...Dia tena nanao tokoa ny Fanjakana @ fisakanana ny asa tokony atao nefa tsy tsapany fa mibahana fiainam-pirenena sy manitsakitsaka ny Lalana misy izy @ izany. Ny fijeriko azy dia ratsy toro-hevitra ny Filoha ka nanao zavatra tsy am-piheverana ary tena latsaka tao anaty velam-pandrika vita omana... Koa amiko aleo izy hizaka ny nataony izy, saingy ny mampalahelo dia ireto ran'olona latsaka sy aina nafoy. Miondrka am-panajana eo anatrehan'ireo namoy ny aina ary manome fankaherezana sy fampionona feno ho an'reo fianakaviany. Ny lesona azo tsoahina betsaka fa aleo alefa tsikelikely Misaotra anao namaky h@ ny farany Nampidirin'i Radison 08 Feb 2009, 23:38
  9. Tamin'io fotoana nisian'ny fitsoahana eo amin'ny sary eo ambony io mbola misy nahavita nanandrana "nanamboatra" ny fakatsarin'ilay mpanao gazety wazungu ihany. Soa fa tsara fikitra ka tsy vitany. Efa eo ambavahoanan'ny fahafatesana mbola ketrika voretra ihany no ao antsain'ny sasany.

    Nampidirin'i radotiana 09 Feb 2009, 02:27
  10. tandremo ihany ry mpaka sary e!!!!!
    lahitokana anie ny aina e!!!!

    Nampidirin'i sipagasy 09 Feb 2009, 05:04
  11. Ho an'i Radison ity. Tena betsaka ny mahatsapa izany fahantrana zany e, gasy ny tena mantsy e. Tadidio fa tsy moramora koa ny mitondra firenena sy manarina azy, eny fa na ny firenena mandroso aza miady mafy mba hiarina fa mila fotoana fa tsy resaka taona vitsy fotsiny. Tsy d'accord amin'ny zavatra rehetra nataon-dRa8 za fa na zany aza mba nahavita ihany izy. Mampalahelo kosa ny zavatra mitranga amin'izao satria hitako fa tsy am-piheverana ny zavatra nataon'ny Andry zao. Miantso "demokrasia" izy fa zao ataony izao aloha dia tsy demokrasia. Mino aho fa misy fomba hafa afaka nitondrana io fa tsy toy izao. Raha tsy miravina haingana io dia vao mainka ho sarotra amin'izay mpitondra manaraka eo ny hanarina ny firenena dia avy eo indray afaka 4 taona dia hirotaka indray isika fa mbola mahantra foana. Dia diso fanantenana ny tenako aloha, tena hitako efa nisy fandrosoana teo fa dia tsy haiko hoe naninona no dia lasa toy izao.
    Zao koa, tsy azo ekena mihitsy ny fangalarana na fanararaotana na ahoana na ahoana fa zany no tsy mbola hahombiazantsika foana.

    Nampidirin'i Soa 09 Feb 2009, 06:35
  12. Iza no tena mpangalatra? Ary iza no tena mpanararaotra? - ny vola hividianana Air force one II tsy mandalo conseil, tsy fantam-pihaviana ? tsy halatra ve izany? F'angaha izy io heveriny fa mitovy @ mamoaka vola am-paosiny ty volam-panjakana ity? Mbola izy koa no miseho be vava hoe "tsy hampahafirin'ny Avion nividiko iny, ze avion na 60M $ ve novidiako de mampimenomenona ? Tsy ny vahoaka malagasy intsony no miteny aminy izao ny momba an'io fa ny Firenena eran-tany. (Nations Uni - FMI - ...) - Ny tany 1300000ha saika amidy @ Coreen, f'angah taninao irery izy ty, marina fa mahantra ny gasy fa de hiafara @ fivarotan-tany mintsy ve, de ho aiza ny taranakay rahatrizay? - ny hetra tsy voalohan'ny orinasany, firy milliara? nefa firy milliard isan'andro ny vola miditra ao? zany ve no mba filoha taratra. Ny anao ngeza be io tsy voalohanao nefa ny vahoaka madinika poretina handoha hetra? - milaza fa aleo olona mahay no apetraka ho membren'ny gouvernemanta? Marina izany, fa maninona ary tao anatin'ny fitondrany efa im-8 no nisolo ny membre gouvernemanta? dikany olona tsy mahay no napetraka. -izao satria manana alalana hibaiko ny miaramilany izy hitifitra ireo mpitolona, miandry azy ny fitsarana international. Ho hitantsika eo ny tohiny. Tsy very maina ireny ra nalatsany ireny? Nampidirin'i MAMAMIA 09 Feb 2009, 10:10
  13. Za koa aloha tsy dia nankasitraka loatra ny nataon'i Ra8 (fitongilanana @ resaka finoana, faritra, ny TIM sy ny tsy TIM, fangoronan-karena,....), fa maika vao tsy reviko kosa ny ataon'ity Andry TGV ity e! Tena lehiry no tena mpamotika firenena sy mpanimba ny zanaka Malagasy. Ataony tohatra fiakarana fotsiny ilay Gasy tsy dia ampy solaitra.
    Mialatsiny @ izay nanana havana maty teny Antaninarenina fa tena matimaty foana ohatry ny fatin'alika izay maty teny. Tonga @ fitenenen'ny taolo hoe Tena nisaina lavitra noho isika izao angamba ny Taolo.

    Nampidirin'i Amigos 09 Feb 2009, 11:13
  14. Vao nirefotra ny teny anteninarenina dia niezaka nanamboatra ny teny @ elite GSM antanimena sy ny Cap 3000 andraharo koa ny mpandroba. Ny teny antanimena mba avotra ihany fa ny teny amin'i Cap 3000 no tsy nisy fika satria be noho ny vitsy ny mpitandro ny filaminana. 200 olona be izao kosa ve no mpandroba kou. Mampahatsiaro ny tamin'ny andron'i TTS taloha ny fiainana ankehitriny. Nampidirin'i latina 09 Feb 2009, 13:47
  15. Amin'izao fotoana izao, tsara raha tohizana ireo ezaka rehetra ataon'ny tsirairay na ny vondron'olona manatsara ny fiainam-piaraha-monina eto Antananarivo na any anindrana toy ny fitandrovana ny aina,
    ny fahafohizan-tena ho an'ny hafa, ny firaisan-kina @ mahantra.
    Endrika ahafahana manohy izany ezaka izany ny fanehoan-kevitra ankalamanjana @ alalan'ny sora-baventy mampiseho ireo soatovina lehibe katsahantsika mpiara-monina.

    Mba ho tsotra sy mazava ny fanehoan-kevitra dia tsara raha teny iray na roa no misoratra eny @ sora-baventy toy ny hoe "Fitandrovana Aina", "Fahafoizan-tena", "Firaisan-kina",
    "Fifampitsinjovana", "Fihavanana", "Fanetren-tena", "Fanoloran-tanana", "Fifanabeazana", "Soa iombonana", "Fifanampiana", "Fiaraha-monina", "Fanantenana".

    Tsy fanoherena olona na vondron'olona, tsy fiandanina olona na vondron'olona, tsy fandresen-dahatra olona na vondron'olona no tanjona fa fanentanana sy fanehoana ireo soatoavina lalain'ny mpiara-monina.

    Io fanehoan-kevitra io dia afaka ataon'ny tsirairay mandra-pahatsapany fihatsarana eo @ fandalana ilay soatoavina anentanany ny mpiara-monina. Afaka atao isaky ny @ 12 ora hatr@ 1 ora ary any @ toerana ankalamanjana ifanarahana mialoha isaky ny fihaonana, toy Vasakaosy-Andavamamba, Mahamasina-Anosy, Antanimena-Ankorondrano,
    Ankorahotra-Bel Air, izany fanehoan-kevitra izany @ izao vanim-potoana izao.

    Tsara raha tsy misy mpitarika na taritina ny fanehoan-kevitra atao fa samy tompon'andraikitra @ rehetra toy ny @ tenany.

    Raha misy vonona dia atomboka @ Talata izao miainga eo anoloan'ny Kianjabe Mahamasina ary manodina @ trottoir an'Anosy izany fanehoan-kevitra izany.

    Nampidirin'i Herintsitohaina 09 Feb 2009, 13:48
  16. Mampalahelo fa miverina foana ny tantara Ny sasany no miady hitazona ny toerany sy miady hahazo toerana , dia ny ain'ny mpiray tanindrazana no lalaovina, SAMY TOMPON'ANDRAIKITRA IREO Fa maninona moa no tanisaina foana ny mandat d'arret nefa avela hiriaria eran'ny tanàna ny voakasik'izany ary maninona koa no nentina eny amin'ny zone rouge ireo vahoaka tsy manantsiny ( ny herin'ny vahoaka anie mahery noho ny basy amantafondro koa lazaina fa tanampolo no nentina teny) Tsy efa mazava ve fa tsy ampy ny mpitondra intsony ny fahefana eo aminy ahafahany mandamina ny raharaha (cinéma médiatique no sisa betsaka) Malahelo ny malagasy aho fa tsy ho zakany ny fiantraikan'izao ara-tsosialy sy ara-toekarena MAHEREZA DAHOLO ARY MIVAVAHA MBA HISY NY FIFANATONAN'IREO ANANKIROA BE DI-DOHA IREO Nampidirin'i gasy mandinika tsy afa manoatra 09 Feb 2009, 15:42
  17. Ekenay fa tsy d'accord @ Andry TGV enao ,fa aza miady amam-paty ,nanao vy very ny aina izy ho ani Tanindrazana ,ny anay alo na inon-kidona na inon-kiatra de tsy miala @ TGV zahay ,olona mahitsy ,ary mino aho fa ra ireny fanapiana azoni gasy ireny vetivety de ho tafarina i Madagscar,matoky azy zahay fa asakasakareo zay minia tsy mahafantatra ny asa ratsin-dr8 ,fa de leo tanteraka ny vahoaka ny 99,99% ny gasy ...mba tsy hitenenana oe izahay rht. Nampidirin'i nirina 09 Feb 2009, 18:43
  18. Ndry !mampalahelo ahy reto nareo Ka na hampiady karajia eo ary ange nareo tsy hampiova any ravalo ho rafolo e!,ny any ravalo efa toetra h@zay ny didijadona,afetsifetsena,fitiavantena.Efa hita fa ny ho hanina androany tadiavina @herinandro @fahantrana mbola tampona ihany ny masonao ,lalina marina ! Be ange ny te hitrotra fa i TGV no sahy e!dia gaga @nao io aho dia tsy mba mahatsapa fahantrana ve ianao io? sambatra ianao ! raha tena te hiaro ny teny ambotsirohatra anie izy mba farafaharatsiny gaz no nalefa e!fa tsy ra no nalatsaka e!nanenjika mafy any Ratsiraka foana !!!!ny nataony ihany ange izao no niverina e!tsy ela dia mivaly ny ratsy hatao hoa fa aza maika !!!!! hoy Naivomanana fa tsy ravalomanana Nampidirin'i naivomanana 09 Feb 2009, 23:12
  19. Tanterak'i Andry TGV indray iny ny dingana faharoa lehibe manaraka.
    Tsiahiviko eto fa ny dingana lehibe voalohany dia ny fanampenam-bava ny Fanjakana amin'ny alalan'ny fanapotehana ny haino aman-jery RNM/TVM
    Ny dingana faharoa dia ny fanerena ny miaramila hitifitra amin'ny alalan'ny famporisahana olona marobe hirohotra hiditra ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ny ataoko soa ihany tamin'iny aloha dia vetivety dia nijanona ny fihoaram-pefy nataon'ny sasany fa raha tsy izany efa vaky tsy nisy noraisina koa io Banque Centralen-tsika io. Fa ny nampalahelo dia ny rà latsaka nohon'ny fieritreritana tsy misy kely akory. Dia mihevitra ve ireo nankeny fa i Andry TGV no hanarina ny fiainany. Ny hoavin'ny tsirairay dia ny tsirairay ihany no mamboatra azy na iza mitondra eo na iza. Ny ezaka ataon'ny tsirairay isa-minitra no mampandroso fa izany fitondrana izany fitaovana hametraka rafitra hampandrosoana fotsiny.
    Ireo mihirahira fahafahana TGV amin'ny fanagejana, FA NOGEJAIN'IZA KAY IZY IREO E? Ny tena marina mihira izy ireo hiverenany amin'ny vahoan'ny fangejana FRANTSAY.
    Izany eo ihany fa vitan'ny TGV aloha izay ny dingana faharoa hilazany fa mihosin-drà ny fitondrana ankehitriny.
    Ny dingana fahatelo efa kononiny indray izao dia ravizina volabe ny mpitatitra hampiato ny asany amin'ny Alakamisy 12 febroary 2009. Amin'izay mikatso tsara ny toe-karena sy ny asa aman-draharaha sahanin'ny tsirairay sy ny fitondrana. Raha tsy izany mantsy dia sarotra be ny manao ilay grève générale fa manjary misy mbola mafy loha mandeha miasa ihany.
    Mahay i TGV kah! Hita mihitsy ny naha-enfant gâté pourri azy tany anaty boîte de nuit! Mahay izay mbola mankamamy ny ataony fa midina ifotony dia anontanio ny olona hoe fahafahana inona no angatahany. Ny valin'ny dia hoe
    - talohan'ny 7 febroary : Euh ... tsy haiko.
    - taorian'ny 7 febroary : Ka Ra8 mamono olona.
    FA IZA NO NAMPAMONO OLONA?

    Nampidirin'i ravolijery 10 Feb 2009, 10:56
  20. Sary hafa mety hahaliana anao:

    http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-288010-1.html

    Nampidirin'i Marina 11 Feb 2009, 03:07
  21. De inona ndray zao no lazain-dry tgv @ le androany 11/02 iny? Olona azo isaina @ rantsan'inona ndray ireny? de reny zany le hoe 0,01% lazain'ilay razoky etsy ambony? Ary ny ville morte style tgv? Ndryyyyyyyyyyyyyy! Milay kosa an! O ry tgv a, mandiniha tena amin'izay fa tsy ohatra ny any an-tokatranonao sy ny orinasanao akory Antananarivo! Nampidirin'i Haja 11 Feb 2009, 16:41
  22. Mba mahagaga ahy ny tenin'i Nirina hoe TGV olona mahintsy sy ny hoe ho tafarina vetivety M/kara. Asa raha mba mihaino ny kabary ataony hatramin'izay ianao io fa dia lainga sy mamato-tena azy ny teny izay avoakany. Mety variana mihoraka angamba ianao ka tsy afa-mandinika. Anisan'ny teniny ny hoe tadiavin'ny interpol ny DG an'ny Daewoo nefa efa tantara tamin'ny taona 1999 izany, avy eo midradradradra demokrasia nefa izy no voalohany tsy manaiky ny olom-boafidy. Ho an'i Mamamia dia miombon-kevitra aho hoe tsy rariny ny fividianana air force one II fa kosa ny fanofana tany amin'ny vahiny mba ho trandrahana sy hanome asa ny gasy kosa ve dia tsy mety? Raha toa ka saro-piaro amin'io tany io ianao, maninona no tsy roahina daholo koa ireo sinoa sy karana manana tany be dia be eto? Torak'izany koa, aiza ary ianao amin'ny fanajariana ny tany lonaka eto? Aiza ireo manam-bola Malagasy amin'ny fitrandrahana ireo tany malalaka eto amintsika ireo? Rehefa tsy mahavita tena amiko dia tsy maintsy miantso vonjy avy any ivelany sa ianao angamba anisan'ireo faly mahita ny fahantran'ny gasy amin'izao fotoana izao? Ireo firenena andalam-pandrosona rehetra dia niantso investisseur étranger daholo fa tsy nisy nahavita tena. Ohatra mivaingana amin'izay i Maorisy. Farany dia ny hevitra tsy mitovy amiko dia tsy antony hanimbana fananan'olona. Ireny entana simba ireny ve tsy efa mitentina any amin'ny 60Mios$ any izao? Tsorina fa matoa ianao manao amboletra sy manao fandrahonana dia tsy mitombina izany ilay hevitra entinao. Nampidirin'i Raniry 12 Feb 2009, 12:18
  23. Izaho aloha dia tsy mpanao politika fa olo-tsotra mandinika ny zava_misy ankehitriny eto Madagascar! Tsy pro-Ra8 koa aho ary d'accord aho tamin'ny Fanehoan-kevitra ara-démokratika . Nilaza ireo olana rehetra toy ny "Air Force One, Terrains, Antenne Viva, jadona, fanagonan-karena ..." ingahy Andry TGV . Tsara be mihitsy izany satria ilaina ny milaza ny hevitra rehefa hita fa mihoatra ny Fefy ny fitondrana. Izany hevitra rehetra zany dia tokony nentiny teo amin'ny Filoham-pirenena ary raha tsy nihaino ireto farany dia notohizana hatrany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny "Place de la Démocratie" zay vao notokanana tsy ela akory zay!! Kanjo nivadika ny raharaha satria tamin'ny Diany tany ivelany dia nahazo "aide" de 600 millions d'euro ingahy TGV mba handrodanana ny fitondran-dRa8 ary derrière tout ça il y a noter Reny malala , Pierrot Rajaonarivelo, Didier Ratsiraka et Edgard Razafindravahy! Fantatray zany e!! satria là où il ya Rakotomavo Pascal et Lucienne Ernould!!Il ya les traces de la France et DEBA!! tamin'ny andron'ny colonisation dia efa fanaon'ny Frantsay ny mampisaram-bazana ny samy malagasy ka moa ve tsy izao ataon'ny TGV zao e!!! Miala tsiny aho tompoko fa tsy atoro zany intsony satrai mampalahelo loatra ity Terrorisme ataon'i TGV ity e!!! iza ve ka Tolona " handroba, handrava, hangalatra , handoro fananam-pirenena toy ny Radio RNM sy TVM ..., faniratsirana, fambakana gasy !!!" tolona ve no atao dia entina ny gasy ho eny Ambohitsirohitra ka zany hoe général DOllin zany no mpitari-tolona!!! Aoka re!!marina e!!! Tsy tonga teny akory ange ty TGV anareo fa i MONJA sy Rolland Ratsiraka no tazanay ary ilay député iny. Raha Général marina io Rangahy io dia mahalala zany Zone rouge zany!! Aoka zay ry TGV a!!! Hitsara anao sy ny olonao Andriamanitra ka tsy ho zakanao velively ny fahatezeran'Andriamanitra! Mba asaivo miova re izy io fa mampiady antsika samy gasy fotsiny a!!! Dieu , aie pitié de nous et bénis notre pays qui se trouve sous l'emprise du Démon qui se manifeste par l'intermédiaire de quelques personnes politiques à Madagascar. Amen Nampidirin'i TIA DAGO 13 Feb 2009, 14:10
  24. Hoy hono Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva :
    Ny toerana rehetra eto amin’ny fari-tanin’i Madagasikara dia azonareo idirana sy aleha, fa ny faritra manakaiky ny lapan’Ambohitsorohitra kosa dia faritra mena, tsy azo idirana, fa amin’ny andro izay idikidiranareo ao dia ho faty tokoa ianareo.

    Dia hoy kosa ity menarana tamin’i Adama sy Eva : Mandainga Andriamanitra fa tsy ho faty izany ianareo tsy akory raha miditra ao Ambohitsorohitra ao. Andriamanitra ve izy dia hamono ny zanany, tsy misy mihemotra izany eo. Ny tena marina dia amin’ny andro izay hahatafidiranareo ao amin’io lapa io dia hisokatra ny masonareo ka hitovy ho vahoaka sahala aminareo Andriamanitra fa tsy ho Andriamanitra intsony. Dia nidiran’ilay menarana hono ny faritra menan’Ambohitsorohitra, ary niverina avy tany izy ka tsy maty akory, araka ny nambarany. Dia nasainy niditra koa i Eva ary i Eva no niteny tamin’i Adama hoe mahazo miditra fa tsy misy maty izany eo.

    Nampidirin'i tebokamanga 21 Feb 2009, 02:29