Sary nalaina teny Analakely - 9 Febroary 2009

Nampidirin'i radotiana | 10 Feb, 2009

Analakely -  11:30 am

 

 

Kianjan'ny 13 Mai - 11:31 am

 

Kianjan'ny 13 Mai - 12:26 pm

 VITA TOMPOKO 

 


16 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sary nalaina teny Analakely - 9 Febroary 2009"

  1. misaotra Rado.
    dia iza kay nampanamboatra ireo sary mitovy habe sy endrika ireo?
    Peace !

    Nampidirin'i ikalamako 10 Feb 2009, 03:31
  2. Ikalamako,
    Azo heverina fa ny orinasa INJET an'i Andry Rajoelina no nanamboarana an'ireo sary ireo kah. Asa anefa?

    Nampidirin'i radotiana 10 Feb 2009, 03:43
  3. Tanterak'i Andry TGV indray iny ny dingana faharoa lehibe manaraka.
    Tsiahiviko eto fa ny dingana lehibe voalohany dia ny fanampenam-bava ny Fanjakana amin'ny alalan'ny fanapotehana ny haino aman-jery RNM/TVM
    Ny dingana faharoa dia ny fanerena ny miaramila hitifitra amin'ny alalan'ny famporisahana olona marobe hirohotra hiditra ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Ny ataoko soa ihany tamin'iny aloha dia vetivety dia nijanona ny fihoaram-pefy nataon'ny sasany fa raha tsy izany efa vaky tsy nisy noraisina koa io Banque Centralen-tsika io. Fa ny nampalahelo dia ny rà latsaka nohon'ny fieritreritana tsy misy kely akory. Dia mihevitra ve ireo nankeny fa i Andry TGV no hanarina ny fiainany. Ny hoavin'ny tsirairay dia ny tsirairay ihany no mamboatra azy na iza mitondra eo na iza. Ny ezaka ataon'ny tsirairay isa-minitra no mampandroso fa izany fitondrana izany fitaovana hametraka rafitra hampandrosoana fotsiny.
    Ireo mihirahira fahafahana TGV amin'ny fanagejana, FA NOGEJAIN'IZA KAY IZY IREO E? Ny tena marina mihira izy ireo hiverenany amin'ny vahoan'ny fangejana FRANTSAY.
    Izany eo ihany fa vitan'ny TGV aloha izay ny dingana faharoa hilazany fa mihosin-drà ny fitondrana ankehitriny.
    Ny dingana fahatelo efa kononiny indray izao dia ravizina volabe ny mpitatitra hampiato ny asany amin'ny Alakamisy 12 febroary 2009. Amin'izay mikatso tsara ny toe-karena sy ny asa aman-draharaha sahanin'ny tsirairay sy ny fitondrana. Raha tsy izany mantsy dia sarotra be ny manao ilay grève générale fa manjary misy mbola mafy loha mandeha miasa ihany.
    Mahay i TGV kah! Hita mihitsy ny naha-enfant gâté pourri azy tany anaty boîte de nuit! Mahay izay mbola mankamamy ny ataony fa midina ifotony dia anontanio ny olona hoe fahafahana inona no angatahany. Ny valin'ny dia hoe
    - talohan'ny 7 febroary : Euh ... tsy haiko.
    - taorian'ny 7 febroary : Ka Ra8 mamono olona.
    FA IZA NO NAMPAMONO OLONA?

    Nampidirin'i ravolijery 10 Feb 2009, 10:42
  4. Hitanareo ve ilay tanany mbola manao V? Tahaka n ymilaza hoe V daholo ireo @ sary ireo fa nataoko seza iakarana! Mbola manao recrutement V izay vonona hanao martiorako

    Nampidirin'i Aza V ho'aho 10 Feb 2009, 12:36
  5. misaotra anao rado tam ireo fanamarihinao ireo a, tena marina tokoa izany fa fanapotehana firenena sy tsy fitiavantanindrazana mihintsy no ao anatinio Andry Andry io, sady mahay miala ery oe tsofiko rano refa fatany fa misy loza hanjo ny ol any, de mihevitra ve izy oe tsy tompnandraikitra am reny retra ireny? fa mann ko alou nu fanjakana no tsy mbola misambotra aniny devoly lah iny iany e? to mbola mi gest b sy miseo milay iany mantsy, fa inn ko ty ataon fanjakana ity e? ny vahoka ts tia korontana sy te iasa tsara mba amelomany ny tenany no mijaly!!

    Nampidirin'i olontsotra 10 Feb 2009, 12:40
  6. Efa maro ny V no olana koa !

    Nampidirin'i Kdaombaramita 10 Feb 2009, 14:26
  7. Tena mampalahelo reto an, zà ko aloa de mba manontany tena iany oe fa inona foana no andrasan'dra Fanja no tsy isamborana anle devoly ratsy iny an, le V koa ange efa tandrony mintsy e. Nampidirin'i Aina 10 Feb 2009, 18:27
  8. Avelao hanao foana, fa izy ihany no ho ampangainy tanany. Dia inona indray no hatao @ herinandro manaraka, mbolahandeha hametraka le minisitra andalambe ve? vonoina indray ny hafa amin'zay mba miheny ny isn'ny mahantra eny andalambe rehefa tsy hita zay anaovana azy...tsy ratsy le fikany

    Nampidirin'i Locsuisse 10 Feb 2009, 22:21
  9. misaotra à tatitra e!

    Nampidirin'i sipagasy 11 Feb 2009, 01:18
  10. Sary hafa mety hahaliana anao:

    http://madagascar-evenements-2009.blog4ever.com/blog/photos-288010-1.html

    Nampidirin'i marina 11 Feb 2009, 03:06
  11. Sarin'leiry no amin'ny manaraka ...

    Nampidirin'i ririboum 11 Feb 2009, 10:19
  12. nareo tena hita oe manao commentaire n"ny olona ts monina etodago ka ts maita ny alikan 8manana.na gaté pourri aza andry;refa afaka teo ra8 de ampy zay.mpanompo sampy;tia tena;tsy manao afatsy ny mamosavy Nampidirin'i leo 11 Feb 2009, 10:48
  13. Ny fanontaniana tokony hapetraka dia hoe inona no nataonao ho any tanindrazanao?
    Aza faly mimenomenona ry zalahy a

    Nampidirin'i Jecy 11 Feb 2009, 15:55
  14. Fa maninona no milaza ialahy isany hoe @ izay mihena ny mahantra eny an-dalambe? Hay ve fantatr'ialahy hoe olona mahantra ireo mahafoy ny ainy ireo e. Mahafoy ny ainy izy ary misotro ny aleoko maty satria efa tsy zakany ny fiainany andavanandro ary mba mieritreritra fiovana izy. Ary ialahy ny hameno ny kibon'ialahy fotsiny, maninona ialahy raha makeny @ kianja 13 mai milaza izay hevitr'ialahy fa angaha ireo olona lazain'ialahy fa mampalahelo ireo afaka mamaky ny blaogin'ialahy. Ary aza mampiseho halahelo ialahy raha tsy afaka manome,kanefa tsy hafaka manome ialahy raha tsy efa nandray. Nampidirin'i jecy 11 Feb 2009, 16:10
  15. Matoa io tsy samborina misy antony.Tsy sahy satria mety misy zavatra hifankahalalana ao.Iza moa no tsy nahalala fa izay nanohatra dia voasambotra daholo nefa maninona no tsy sahy izy misambotra. Ilay minisitra ny fahasalamana no maha gaga ahy nianjera ilay rindrina teny Andohalo olona iray naratra tonga nidododo ra namana fa ity olona firy aiza i Leiry? Samy manao ny taona ny fampisehoana fa ny mety hitranga mety ny olo tsotra Tim sy Tgv no hiady afaka fotoana fohy dia iza no simba? ny tsirairay. Nampidirin'i liana 11 Feb 2009, 21:07
  16. Hoy hono Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva :
    Ny toerana rehetra eto amin’ny fari-tanin’i Madagasikara dia azonareo idirana sy aleha, fa ny faritra manakaiky ny lapan’Ambohitsorohitra kosa dia faritra mena, tsy azo idirana, fa amin’ny andro izay idikidiranareo ao dia ho faty tokoa ianareo.

    Dia hoy kosa ity menarana tamin’i Adama sy Eva : Mandainga Andriamanitra fa tsy ho faty izany ianareo tsy akory raha miditra ao Ambohitsorohitra ao. Andriamanitra ve izy dia hamono ny zanany, tsy misy mihemotra izany eo. Ny tena marina dia amin’ny andro izay hahatafidiranareo ao amin’io lapa io dia hisokatra ny masonareo ka hitovy ho vahoaka sahala aminareo Andriamanitra fa tsy ho Andriamanitra intsony. Dia nidiran’ilay menarana hono ny faritra menan’Ambohitsorohitra, ary niverina avy tany izy ka tsy maty akory, araka ny nambarany. Dia nasainy niditra koa i Eva ary i Eva no niteny tamin’i Adama hoe mahazo miditra fa tsy misy maty izany eo.

    Nampidirin'i tebokamanga 21 Feb 2009, 02:36