Sary nalaina teny Mahamasina - 11 Febroary 2009

Nampidirin'i radotiana | 12 Feb, 2009

 Kianjan'i Mahamasina - 11:30 am 

 

 

Kianjan'i Mahamasina - 11:33 am 

 undefined

 

Kianjan'i Mahamasina - 11:34 am

 

Kianjan'i Mahamasina - 11:39 am 

 

 

Kianjan'i Mahamasina -  12:13 pm

 

 

Kianjan'i Mahamasina - 12:33 pm 

 

VITA TOMPOKO 

 

 


14 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sary nalaina teny Mahamasina - 11 Febroary 2009"

  1. Izao izany ilay hoe olona misy "saina" (sary 1er drapeau) ary "miara-mipetsapetsa" sy "tsy mivaoka maina" (noho ny erika)...
    :-)

    Nampidirin'i ndrema 12 Feb 2009, 08:34
  2. Ireo zany ny vahoaka malagasy satria tonga hatramin'ny any @ faritany??????

    Nampidirin'i Maritoa 12 Feb 2009, 08:55
  3. Iza koa anefa no mahalala raha ireto bandykely maloto akanjo ireto no tena misy "saina" fa mbola nahavita niloloha ny tena maha Malagasy sady nitady fialofana teo ambaniny.

    Nampidirin'i njato 12 Feb 2009, 09:04
  4. Mba tsara aloha izao fa maneho ity androany ity hoe tsy ireo teny @ 13 Mai ihany akory ny Malagasy. Tokony samy ho henoina ny feon'ny roa tonta dia zay betsaka no mahazo e. Toy ny fifidianana farany teo hoe io no voafidim-bahoaka dia zay aloha. Miandry ny fifidianana manaraka indray fa tsy hamotika ny firenena akory. Enga anie ka tsy hataon'ny sasany ho fitaovana hampiadiana ny samy Malagasy indray nefany zao. Efa matahotra indray aho. Ny Malagasy anie ka hendry ihany sady mbola ao ihany lay fandalana ny fihavanana. Ny famporisihana ratsy ataon'ny mpitarika no manimba zavatra matetika toy ny nitranga tato ho ato e. Nampidirin'i Havana 12 Feb 2009, 10:12
  5. mandihiza r'i Mahamasina, hifalian'i Manjakamiadana.

    Nampidirin'i ikalamako 12 Feb 2009, 17:35
  6. Misaotra anao hatrany ry Rado mizara ny sary aaa! mankasitraka eee!

    Nampidirin'i VALE 12 Feb 2009, 20:56
  7. Raha ny zava-nisy teto amin'ny tanana hatramin'zay no dinihina dia saika voarodan'ny firotsahana andalambe foana izay fitondrana nisy teo. Mety ho diso ny fitadidiko fa toa mitazam-potsiny aloha izao tontolo izao miandry izay ho hita mazava ho mpandresy vao maneho ny heviny. Ny mampiavaka ity indray mandeha ity anefa dia toa vetivety izany dia tonga ny Firenena Mikambana - ONU, ny firaisam-be Afrika - UA hanelanelana mba hiravinan'ny disadisa. Iny niaraha mahita iny koa moa fa nikoropaka ny Frantsay fa tsy te ho silaka ho mpitazam-potsiny. Azo heverina fa ny marimaritra iraisana no hivoaka eo raha toa ka mahomby ireto mpanelanelana. Eritreritry ny mpitazana ny ahy fa mety hanaiky ve i Ra8 ohatra raha i Monja Rainidefo no hatao Praiminisitra ary ampifandanjaina ny isan'ireo minisitry ny andaniny sy ny ankilany eo amin'ny governemanta?
    Mba tanterahina soa amantsara amin'izay ny fihaonan'ny Firaisam-be Afrikana ary mba ho tohizana koa ny fanatanterahana ny MAP. Ilay mi "reinvent the wheel" lava koa mantsy no tena tsy mampandroso antsika hatramin'izay. Izay tonga eo dia toa te hamorona/hanova hatrany. Tsy mba ho afaka kosa amin'izay ve ny fon'ny "bandy kely" raha todiny amin'izay tanjona izay ny "tolony". Raha samy miziriziry amin'ny heviny moa dia mazava ho azy fa dia ireny efa "film"efa nandeha taloha ireny ihany no hiseho eto. Ny mpandray anjara fotsiny no misy fiovana kely fa ireo efa matihanina mbola ao ihany.

    Nampidirin'i radotiana 12 Feb 2009, 21:46
  8. fA AHOANA NO MANDAINGA FOTSINY EH
    tgv IHANY NO IZA HITA FA TSY MANAJA NY DEMOCRATIE IANAREO

    Nampidirin'i Jeannine 13 Feb 2009, 00:04
  9. TGV IHANY EH. EFA VOAFARITRA NY LALANA ALEHA NATAON'ANDRIAMANITRA; HIONGANA RAVALO AFAKA 36HEURES FROM NOW DIA HO HITANAREO EO NY TOHINY...

    Nampidirin'i Jeannine 13 Feb 2009, 00:09
  10. Gasy tia vao" aza adinona zay, tadidio ny tantara fa t@ 2002 aleo ravalo fa izy sad bogoss no mpanana, d zao zao ko aleo tgv fa lery jeune no manana zan no impression any akamarony v.Aleo ary izy hitondra de samy mizaka ny vokany fa samy jamba daholo ny masony ny gasy rehtra @zao." fa sao misy mitaraina avieo hoe natao fitaovana angalana seza ftsn zahay nefa zanakay tsy mihinakanina, zay tsy manana , asa, sns. za tsy miteny hoe ravalo milay fa ny ezaka ataon ny tsirayray ihany no atafavoaka na tsy azy reo @ fiainana fa efa vohasoratra hoe ny atsembohan ny tavanao no hinananao, noho izany le mana avy an danitra efa fahagola zan ary le hoe hanakarena tampoka miankina @ toe tsaina ihany io, fa ny tena izy ko ny gasy tsy mahay politika e. samy mandinika ftsn Nampidirin'i fydagosky 13 Feb 2009, 00:40
  11. Inona no vandy be sy fampanantenana poakaty tsy mbola natao teto Madagasikara teto ? Politikan’ny kibo no hamokisako anareo hoy i Tsiranana tamin’ny Repoblika Voalohany. Ny deuxième classe no ho karakaraiko voalohany hoy ny Jeneraly Ramanantsoa tamin’ny 1972. Entiko any amin’ny Paradisa Sosialista ianareo hoy i Didier Ratsiraka tamin’ny 1975. Entinay miakatra any an-danitra ity Firenena ity, hoy i Zafy Albert sy Andriamanjato Richard ary ny FFKM sy ny Hery Velona Rasalama tamin’ny 1991-1992. Nivimbinako Fanantenana Vaovao avy any Paris ianareo hoy Ingahibe Amiraly Didier Ratsiraka niverina teo amin’ny fitondrana tamin’ny 1995-1996.

    Dia adala nitotorebika foana ny vahoaka é ! Ataoko manankarena 4 L isan-tokantrano amin’ny alalan’ny Fahamarinana sy Fahamasinana ianareo hoy i Masindahy Marc Ravalomanana. Dia mbola nino fotsiny ihany sy nifaly havanja koa ny vahoaka malagasy mahantra é.

    Ataoko sesika Fitiavana sy ataoko voky Demokrasia hatreny an-tenda kely ianareo hoy i Andry TGV sy Rolland Ratsiraka ary ry Alain Ramaroson sy ny Jeneraly Rasolosoa Dolin. Dia mbola mafana fo mitolona sy milatsaka ao ambovon’ny Frantsay indray koa ny vahoaka Malagasy mahonena.

    (...)

    Nampidirin'i rangory 13 Feb 2009, 10:27
  12. Jeanine a! inn ay no atao araka ny hevitrao, hiandry fahapotehina hoatran'ny tamin'ny andron'ny dadabe ratsiraka ve ho hi-agir, za tsy manda ny zv-bita tsara, tsara tokoa zany fa zao, inn no zv-bita ho fanatsarana ny fiainan'le 80%, niakatra ny harinkarentsika fa tsy nipaka velively any amin'le 80% zany, vita le lalana fa nanjary tsy natao ho an'le 80% izany, ny fihenan'ny kapoaka harotsaky ny isambaravarana no mihena andro aman'alina, vokatry ny lalana vita de niakatra ny frais aloha le vola miditra amin'le mpandoa frais reo nefa tsy nisy fihovana fa nihena aza, izany oe : ny mbola ny fiainana ambony ambony iany ary ny ambany ambany iany no manjaka eto amin'ny tanana ary zao tonga eo manangana mafy araka zay tratry ny heriny toy reo teo aloha iany, noho izany : refa tena mangirifiry ny gasy de mitroatra satria noana ny kibony, ny farany ve any andro any volana hisy olona tsra iany mba omen'Andriamanitra antsika hanavotra marina ty tany mahantra sy ny olona ao aminy ty, iza moa no hahita na izy tompo mitsy no hidina hitondra ny firenentsika gasy, fa namitaka lotra i masindahy ravalomanana ?...

    Nampidirin'i zoitra 13 Feb 2009, 23:03
  13. VAVAK PREZIDA
    "marina daolo zany Zafy!....tsy mendrika hitsimpona izay sombitsombiny latsaka avy @ latabatro akory ianao...nefa raha hanao TIM ianao tsy mba holaviko mihitsy!!!"

    "Izaho no lalana sy la farine ary menaka,tsy mahazo mikaly raha tsy amin'ny alalako irery ihany"
    "Tiava ny namanao ary gadrao zay manenjika anao"

    "araraoty ny andro azo hanangonam-bola fa miharatsy zao fiainanaizao"

    Ahoana no tsy hinoanao fa mivavaka aho?misaotra an'Andriamanitra mandrakariva aho fa nomeny vahoaka bado sy dondrona ary koa fiangonana mora vidy izay maharo ahy mihoatra noho ny foloalindahy sy ny miaramilako.

    Ny miaramila miaro ahy raha misy mitady hitifitra na
    hamono ahy,ny fiangonana kosa mampianatra ny olona tsy hamono ahy fa hivavaka hoahy sy hankatoa ny fahefako lehibe.

    Hoahy irery ihany anie ny voninahitra sy ny fanjakana
    ary fiadanana hoan'ny olona ankasitrahako!

    de nandray ny dibera tiko izy de hoy izy:hano, ity ny dibera vitan'ny omby vavy be ronono nafarana avy any afrika atsimo zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy raha mahavidy ianareo,,de toy izany koa ny ronono:raiso, ka sotroy, ity ny màna milk,zao no ataovy ho fahatsiarovana ahy refa lasa adala any @hopitaly ianareo .....

    Raha misy olona roa na telo mivory tsy amin'ny anarako dia sambory izy!

    Nampidirin'i rahoity 14 Feb 2009, 22:28
  14. merci rahoity a!

    Nampidirin'i therese may 14 Feb 2009, 23:27