Sary nalaina teny Analakely - 16 Febroary 2009

Nampidirin'i radotiana | 16 Feb, 2009

Andohan'Analakely - 2:21 pm

 

 

Andohan'Analakely - 2:25 pm

 

 

Andohan'Analakely - 2:27 pm

 

 

Akaikin'Ambohijatovo - 2:44 pm 

 

 

Andohan'Analakely - 3:36 pm

 

 

Andohan'Analakely - 3:47 pm

 

 

Paositra Analakely - 3:52 pm

 

 

Andohan'Analakely - 4:10 pm

 

 

Analakely - 4:19 pm

 

 

Analakely - 4:33 pm

 

 

Toby Miaramila RM1 - Andohan'Analakely - 5:09 pm

 

 VITA TOMPOKO


22 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Sary nalaina teny Analakely - 16 Febroary 2009"

  1. misaotra @ fanomezam-baovao tsy tapaka Rado a!

    Nampidirin'i dadasy 17 Feb 2009, 00:15
  2. Lainga lainga tokoa aloha fa ny fametrahana sary (tsy misy fanazavana) toy izao ihany tokoa no atao hoe filazam-baovao tsy miangatra e! satria vao mametraka, na dia fehezanteny iray aza ny olona iray dia efa misy fironana foana.

    Mankasitraka indrindra rado a!

    Nampidirin'i tokinao 17 Feb 2009, 00:21
  3. izao ataon'ny olona izao ilay hoe mangarom-biby an-davaka, hummm

    Nampidirin'i mpandalo 17 Feb 2009, 00:39
  4. mankasitraka hatrany Rado a !!!
    Entre pa, brigade spéciale ve ireo manao cagoule ireo ?

    Nampidirin'i ikalamako 17 Feb 2009, 01:19
  5. Raoviana vao tsy hampifangarona ny politika sy ny fivavahana eh?

    Nampidirin'i sorena 17 Feb 2009, 01:34
  6. mankasitraka aloha fa mahazo vaovao aminareo. feno fankasitrahana koa fa tsy nisy aina very androany.

    Nampidirin'i haritia 17 Feb 2009, 01:54
  7. Des affrontements entre les forces de l'ordre et les manifestants ont fait 19 blessés à Andohan'Analakely. Six d'entre eux ont été atteints de balles : trois sont grièvement blessés, tandis que les projectiles n'ont fait qu'effleurer les trois autres. Dans le camp des forces de l'ordre, trois policiers sont dans un état inquiétant, des pierres les ayant atteints en plein tête. Les autres victimes souffrent de contusions et de fractures. (L'express de Madagascar - 17 Fev)

    Nampidirin'i tiahari 17 Feb 2009, 08:14
  8. Ikalamako,
    Avy ao amin'ny EMMO-NAT ireo raha ny fahalalako azy.

    Nampidirin'i radotiana 17 Feb 2009, 08:21
  9. Fa angaha teo analakely ihany e! na teny Ankadifotsy, Antanimena, Behoririka poa-basy saika tsy anki-janona mihitsy raha tsy maizina ny andro. Misy ministera alaina koa angamba eny hihihi!

    Nampidirin'i Latina 17 Feb 2009, 10:24
  10. Misaotra betsaka amin'ny vaovao isan'andro. Atao maraindraina mihitsy hono androany ny fangalana ny ministera fa tsy maintsy mahita paik'ady tgv na tsy hatoriany mihitsy aza t@ alina. Dia manantena ny sary vaovao indray izany Rado a!

    Nampidirin'i Latina 17 Feb 2009, 10:30
  11. Misaotra rado fa tena tsara le sary an!

    Nampidirin'i kenda 17 Feb 2009, 10:55
  12. Kenda,
    Kenda mihitsy aho namaky an'ilay hafatra :-)Tsara amin'ny ahoana ilay sary? Ilay ohatran'ny mandihy mitora-bato eo anoloan'ny setroka ny ahy no tena mahasarika ny masoko ny mandinika azy ela ela. Lasa background nanasaraka tsara an'ireo mpitoraka tamin'ireo olona aorinany mantsy ilay setroka.

    Misaotra anareo rehetra nametraka hafatra.

    Nampidirin'i Radotiana 17 Feb 2009, 23:17
  13. Misaotra manaparitaka vaovao amin'ny alalan'ny sary. Miteny ho azy ireo.
    Fa hono ho aho, fa nahoana no tsy nijanona tany Mahamasina tany izay any? Fa tonga any Analakely, haninona? Sa rehefa tsy mana-kambara @'ny valinteny mahafa-po sy maharesy lahatra ny vahoaka ve dia ny manao bodongerona no mety?
    Ary ireo manao fotsifotsy ireo: hatraiza marina no herin'izy ireo? Mandrampahoviana? Ny vahoka mijaly, ny maty efa tsy azo atao ny mitanisa azy, ny maratra koa anefa izany izao vao mainka mitombo.

    Nampidirin'i liana 18 Feb 2009, 00:13
  14. Ho an'i Rado, Tsara ny site-nao fa tokony hasianao selection ihany mikasika ny resaka ataon'ny sasany @'ny forum na dia ouvert ho an'ny rehetra aza izy ity. Ny proTIM, ny tao ambony no naniraka dia mody tsy tonga ny tompon'andraikitra t@'ny fotoanan'ny meeting. HAY MOA KA NOTAMBAZANA VOLA 10 Euro, ny olona soa mbe maro ty avy tao. Tokony manaja ny toerany koa ny pro-TIM fa tsy vao mainka mandeha miantsy ady any Analakely. Manambara ny tsy fisian'ny CREDIBILITE intsony izany! Sa hanao RWANDA koa ny Malagasy. Ha ha ha, fivavahan a fivavahana... Izao ve no olona mivavaka ny matahotra an'Andriamnitra. RAISO FA VOLA E! Fa diniho ihany izay zavatra iainanao hatramin'izao? Nahoana no mbola mitady fanazavana mikasika ny vola nividianan AVION ny pays maro aty ivelany??? AO RAHA? Na lazaina fa nahay nadresy lahatra toa inona aza i Ra8, t@'ny alalan'ny vahoaka ny hevitra NAROSO... Izao anefa ny vahoaka indray ity no NAHEMONY... Any AN-KADY... Fenoy aloha ny posiko... Samia mazotoa... Mivavaha ho an'ny tanondrazan Nampidirin'i 18 Feb 2009, 00:29
  15. Akombony hoa ny vava ry liana fa tsy reraka manaratsy olona ve nareo e! efa ataon-dra8 mandry fotsy mbola manohana azy ihany, sa isan'ilay mahazo vola ianao? Nampidirin'i tefy 18 Feb 2009, 01:14
  16. Liana,
    Faniriako ny hisian'ny sehatra hanehoan'ny olona ny heviny malalaka ao anatin'ny fifanajana. Afaka manoratra izay tiany lazaina rehetra eto daholo ny tsirairay avy ary tsy ho fafako raha ohatra ka tsy misy fanompana na fiantsiana adim-poko ary fanalam-baraka olon-tsotra ao anatiny.

    Nampidirin'i radotiana 18 Feb 2009, 06:19
  17. Misaotra foana foana amin'ny sary ôooooooo!!!:-)

    Nampidirin'i VALE 18 Feb 2009, 21:56
  18. Vale,
    Tsy misy isaorana fa mampita sary eto ihany rehefa sendra azy.Henoko hatraty mihitsy ilay oooooooo!!! :-)

    Nampidirin'i Radotiana 18 Feb 2009, 22:39
  19. misaotr ry rado fa tna mafinartr le blognao.mataotr b alo za am ty grev ISAN'ANDRO2 ty.mba manaon zao any amnaro?aty Diego alo d mbla mandimandry ian fa isaky ny alarobia ariva sy sabotsy ariva,d manao meeting fona ry zareo opposants.manahy ny hoavy aho;ny akiz manao polytek aty zao tokony iditra am 3mars nfa votery naemotra noho zany reetr zan.mihavana re tsik e.

    Nampidirin'i nomena 19 Feb 2009, 09:45
  20. Misaotra @ sary sady tsy misy commentaire.Ny sary miteny ho azy .Misaotra indrindra

    Nampidirin'i Haingo 19 Feb 2009, 17:18
  21. Mbola tsara Nomena!
    Misaotra nanoratra.

    Nampidirin'i Radotiana 19 Feb 2009, 20:10
  22. Haingo,
    Misy fitenenana iray izay amin'ny teny anglisy manao hoe "A picture is worth a thousand words". Io fomba fijery iray io no heveriko fa mety amiko manoloana ny zava-misy atrehintsika amin'izao fotoana.

    Nampidirin'i radotiana 19 Feb 2009, 20:15