Samy manoratra izay tiany

Nampidirin'i radotiana | 28 Jan, 2008

Asa ianareo na mba misy toa ahy fa izaho ilay karazan'olona mora voasariky ny soratsoratra etsy sy eroa. Aty ivelany moa dia ireny auto-collants (bumper stickers) mipetraka amin'ny fiaran'ny olona mandeha eo alohako ireny no matetika voavakiko. Misy hafatra tian'izay namolavola azy hampitaina foana tsinona. Ohatra iray fotsiny ilay hoe " GOD IS MY CO-PILOT" hoan'ireo tena mino an'Atra fa hiaro azy amin'ny loza. Nisy nanita-kevitra taty aoriana dia namoaka ny hoe "DOG IS MY CO-PILOT". Ny Vazaha moa tia miompy alika tsy misy ohatran'izany.

Efa miresaka an'izay bumper sticker izay ihany dia manararaotra fotsiny aho milaza fa misy fikambanana mpanao asa soa hoan'i Dago aty Amerika ary manana auto collant gasy milay ato sao mahaliana anao.

Ireto manaraka ireto indray soratra nahasarika ny masoko tany Dago.

Te hanontany ny tompon-tanàna tamin'ity iray ity aho saingy tsy nisy olona tao :-(

Sarotra ny tsy hamakiana an'ity soratra iray ity. Ny làlana miholikolika, izy tsy afaka mandeha,... Omeny anao amin'izay ny hafatra :-)

Tsy misy fihatoana mihitsy izany :-)

Tsikaritro fa miha maro ny olona manambatra teny roa amin'ny faingo mihantona.

- " Man'ina? "

- Misy " ..bonn'occas " hono ao.

Lasa lamaody ny fametrahana laharana finday amin'ny fiaram-pitanterana. Dokam-barotra tsy andoavam-bola kosa ve?

Version gasy amin'ilay "God is my co-pilot" angamba ity "Arovy aho Tompo" ity.

 

VITA TOMPOKO

Peta-drindrina

Nampidirin'i radotiana | 26 Jan, 2008

Sambany aho vao nahatsikaritra ity peta-drindrina mivaingana iray ao Isoraka ity. Eo ampitan'ilay tranom-bakoka no misy azy. lafim-piainan'ny olona ao Dago amin'ny ankapobeny no arantiny.  Nisy nilaza fa avaozin'ny tompony arakaraky ny zava-malaza ao antanàna hono ny vaingan-javatra asehony eo. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hijery azy lehibebe kokoa.

Ao ambanin'ny tetezan'i Behoririka. Mbola eo ampanamboarana azy ny CUA raha ny fahitako azy. Vita amin'ny simenitra izy ireto. Maromaro izy no ao. Niova endrika ho tsara mihitsy ilay tao ambany tetezana fa tsy ilay fako be miavosa araky ny tahirin-tsary tavela tao antsaiko intsony. Misaotra e.

Eo  akaikin'ny vavahadin'ny Rova no misy an'ireto vaingan-tsary mampiranty ny fiainampiainan'ny Malagasy fahizay ireto. Izany Rabemanantsoa izany no niketrika azy ity tamin'ny taona 1940 hono. Asa izy ity na ketrika vaovao mody nohaterina na tena efa tena nisy teo tokoa fa tsy nisongadina fotsiny.   Mba topazo maso io rehefa mianika eny amin'ny avo eny fa tsy mahasosotra mihitsy ny mijery azy :-) 

 Mbola misy takela-bato anakiroa fanampiny somary lehibe ao antokotanin'io trano fotsy komavoka io. Mba mametraha kely fotsiny hono hoy ilay mpiandry tanàna ao alohan'ny hivoahana ny vavahady :-).

Tamboho kodiaran-tsarety eny amin'ny 67Ha. Gasigasy ilay eritreritra ary tena milay saingy rakotry ny mpivarotra foana izy isan'andro ka tsy hita loatra ny hakantony.

 "...Aza tifirina tsirairay fa alaivo miaraka." hoy ilay razoky mpivarotra. Mba niera mantsy aho tamin'iny indray mipika iny.

Tsy naharitra aho fa dia voasarik'ity doka nataon'i Tina ho fampahafantarany ilay raki-kira vaovao nantsoiny hoe "Ibesafira"  ity. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hahita an'i Tina sy ny mpihira feo lafikany miaraka amin'ireo mpitendriny eny antsehatra. Nampiavaka an'io fampisehoana io koa ny fandraizan'i "Zamba" anjara. Mpitendry valiha maro afitsoka miangaly ny kanto any amin'ny tanàna any fa mba araho maso akaiky.

 

Mety tsy peta-drindrina intsony kosa angamba ity e. Fetsifetsy ireto Celtel ireto :-). Novoleny ireto takela-by fiarahabana tonga soa ireto iny lalan'Antsirabe iny. Azo antsoina amin'ny finday foana ianao mandrapahatonga any Bira...

Hay ve ka rakotra tariby ohatran'izao ity habakabak'Ambondrona ity.

 Ho an'ilay namana mpanamory voromahery :-)

VITA TOMPOKO

Ireo nanaitra ny masoko tany Dago - 2008

Nampidirin'i radotiana | 18 Jan, 2008

Tafaverina soamatsara indray ary dia miarahaba ny mpitoraka blao-gy rehetra. Ireto no voan-dalana mba tiako ho zaraina aminareo.

Analakely tao anatin'ny fety. Mihamaro ireo mitady vola amin'ny fakan-tsary toy izay hita amin'ireto trano eva fotsifotsy mitandahatra ireto.

 

Nifanosehana ny sisin'arabe midina hoany Analakely avy eo Ambohijatovo saika isan'andro. 

Mivoaka daholo izao karazana hetsika hisintonana ny mpanjifa ny tolotra amin'ny fampiasana Finday rehetra izao. Orange, Celtel ary Telma no mifanandrina eto. Mihirahira eran'Analakely ireto andian-tanora ireto hisintonana ny mason'ny olona. Miparitaka miresaka amin'izay sendra azy izy ireo avy eo ary dia manazava ny tolotra vaovao aroson'ny orinasa Orange.

Novakiana lalan-tsara voarary biriky mafy voatra  ny sasany amin'ireo zaridaina eo ampovoan'Analakely.

Tsara ilay eritreritra saingy tokony mba fantsona vy matevina angamba no nampiasaina fa tsy simenitra fotsiny. Efa misy mianjerazera sahady ny sasany amin'izy ireto.

Misy an'ity tsangam-bato vaovao ity eo ampitan'ny BNI Analakely. Tsy misongadina loatra izy raha tazanina lavitra noho ny lokony mitovitovy amin'ireo tafo fanitso arafesina aorinany. 

 

Tsy sahy manitsaka eo amin'ilay zaridaina ny olona na dia mitohy ao ambadika aza io marika fiampitana io. Efa mba miezaka mikajy ny olona fa  ny mpiketrika no mila mandinika tsara. Jereo eto ny sary lehibe kokoa.

 

Inoako fa ny fametrahana ireo jiro telo loko natao handrindrana ny fifamoivoizana no mety ho vaha olana maharitra hoan'Antananarivo. Ilay jiro vita sinoa teny amin'ny 67Ha aloha tsy tafa na dia eo aza izany. Enga anie mba ho hitan' Atoa AndryTGV ity blaogiko ity. :-) 

Ketrika vaovao amin'iny làlana hoany Bira iny.

Milay fa Misaotra e! " Ny soa fianatsa ro ..."

Hoan'ilay namako mpiondana 3CV any Ambaidra :-)

VITA TOMPOKO aloha ny androany.

New Orleans, LA - Tanàna be lavarangana

Nampidirin'i radotiana | 22 Nov, 2007

 

Raha vao maheno ny hoe "New Orleans" ianao dia ny tondra-drano nateraky ny tafiotra "Katrina" tamin'ny taona 2005 no tonga ao antsaina matetika na ny Fety andalam-ben'ny "Mardi Gras" izay hampihanjahan'ny andriambavilanitra sahisahy ny "tratrany" amin'ireo mpandalo sy ireo mpitazana  avy eny andavarangana. Ny hahazoany vakana miloko marevaka betsaka indrindra no tanjony amin'io. Tsy ireo ihany anefa no hitako fa mampiavaka ity tanàna  izay niorina tamin'ny taona 1718 ity fa anisany ihany koa ny fisian'ireo lavarangana mitomandavana manemitra ireo trano amoron'ny arabe toy izay hita ao amin'ny French Quarter.

 "The pontalba apartments"  izay naorina tamin'ny taona 1745 io hita amin'ny sary eo ambany io. Manatombo 25 taona amin'ny taonan'i Etazonia ny taonany.  Anisan'ireo " Registered Federal Landmark" izy ankehitriny. 

 

Any amin'ny  faritra Atsimo Antsinanan' i  Louisiana izay manamorona ny Mississippi river no misy an'i New Orleans. Ny farihy Pontchartrain no mamefy azy avy ao Avaratra ary ny eli-dranon'i Mexico no avy ao Antsinanana.

 

 

 

Izany  Philippe II, Duc d'Orléans, Regent of France izany no nampitondra ny anarany ity tanàna ity. Tsy iadian-kevitra fa nandalo tao ny Frantsay amin'ny fahitana ny endriky trano sy ny arabe teritery ao amin'ny French Quarter.

 

 

 

 

 

Anisan'ny tanàna tranainy indrindra aty amin'ny Bekintana i New Orleans ary fanta-daza noho ireo karazan-kolontsaina voarary toy ny tsihy ao aminy.  Mampiavaka azy ny nahandro kreola sy Funeral Jazz. Maro no mihevitra fa tao no nahaterahan'ny gadon-kira jazz izay maro mpakafy amin'izao fotoana.

 

 

Sady mihinana beignet vao maraina ao amin'ny Café du Monde ianao no voarotsirotsin'ny mozika milamina natolotr'ity mpanankato iray ity.

 

 

 

Tandrevaka ve sa niniana ny tsy hanoloana ireto sainam-pirenena mihofahofa ao amin'ny French Quarter ireto? 

 

 

Eto no mihaona ny lasa sy ny ankehitriny. Trano manaka-danitra naorina tsy dia lavitra ny French Quarter. Mpivarotra daholo ny ambany rihana iray manontolo amin'izay trano tazanao amin'ity sary eto ambany ity.

 

 

 

Lasan'ny Espaniola i Louisiana tamin'ny taona 1762 ary i New Orleans no renivohitra. Nisy fifanarahana miafina nantsoina hoe "the Treaty of San Ildefonso"  anefa nataon'ny Frantsay tamin'ny Espaniola ny taona 1800 ary dia naverin'ny Espaniola tamin'ny Frantsay indray ny faritry Louisiana.

 

 

 

 

Nanonofinofy ny hanitatra ny Fanjakany tany amin'ireo Tany Vaovao ny Frantsay notarihi'i Napoleon Bonaparte ary nihevitra fa anisan'ny faritra stratejika ho azy ny teo amin'ny lohasahan'i Mississippi. Foiben'ny varotra sy ny famatsiana ara-tsakafo ny nosy Hispaniola izay nokasainy ho ivon'ny Fanjakany no tiany hapetraka tao Louisiana. Nihoko anefa ireo andevo Haitiana tao amin'ny nosy Hispaniola ary norombahan'izy ireo ny fitondrana. Voatery nandefa andian-tafika ny Frantsay handrava ny fanoherana ary haka ny fahefana. Resy ireo andevo Haitiana mpioko  saingy aman'arivony ny miaramila Frantsay  naripaky ny arentina tazo vony. Nahatsapa i Napoleon taorian'izay fa ho sarotra ho azy ny hanatanteraka ny nofinofiny ary dia nilaozany ny nosy Hispaniola.

 

Vao nandao an'i Hispaniola ny Frantsay dia nahatsapa fa tsy dia misy antony tokony hitazonany ny Faritry Louisiana intsony. Ankoatran'io, velona indray ny ady nifanaovany tamin'ny Anglisy ka tsy ampy intsony ny isan'ny miaramila teo ampelan-tanany hiaro an'i Louisiana. Nila vola rahateo koa izy ireo hamatsiany ny ady tany Eoropa.

 

Nony farany dia tapakevitra ny Frantsay fa hivarotra ny Faritry Louisiana tamin'i Etazonia ny 30 Aprily 1803.

 

 "The Louisiana Purchase" no ahafantarana io fifanarahana ara-barotra io eo amin'ny tantaran'i Etazonia. Nahatratra 2 tapitrisa kilometatra tsy mivadi-mandry ny velaran'ity faritry Louisiana ity. Nanomboka teo amin'ny moron'ny reniranon'i Mississippi ka hatrany amin'ny sisin'ny "Rocky Mountains" izay manasaraka an'i Etazonia amin'ny Canada.

Eto ampanoratana eto aho vao tena mahazo tsara ny fandehan'ny zava-nisy :-) Soa fa nisy ity fitorahana bilao-gy ity hiraiketana izay mba kely azo notovozina tany.

Ny tetezana antsoina hoe  Pontchartrain Causeway no noraisina rehefa handeha hody taty Colorado. Tsy fantatro teo ampidirana ilay tetezana fa hay izy io no misalotra ny laharana voalohany eran-tany amin'ny halavirana izay mahatratra 38.24 km (23.9 miles).

 

 

Mifarana eto izany ny fitorahako bilao-gy amin'ity taona 2007 ity. Hanainga tsy ho ela hoany Dago mantsy aho ka dia amin'ny volana Febroary 2008 indray izany isika mifankahita virtoaly eto :-).

 

Misaotra anareo rehetra nazoto namaky sady namela hafatra.

 

Fetin'ny Thanksgiving ny aty Etazonia rahampitso 22 Nov ka dia mirary antsika rehetra " Happy Thanksgiving!"

 

VITA TOMPOKO

 

 

 

Soratra nanelingelina ny masoko tany Dago

Nampidirin'i radotiana | 16 Nov, 2007

Tsy voaisako intsony hoe impiry aho no nandalo sady namaky ity sora-baventy iray ity izay ho hitanao amin'iny lalam-pirenena faha fito mandeha mianantsimo iny. Eo antampon-kavoana mahatazana mialoha ilay fidinana miolikolika hamonjy an'Alakamisy-Ambohimaha no misy azy raha tsy diso ny fitadidiako.

Inoako fa maro ny mpizaha tany miteny anglisy mandalo eo mamaky azy ity toa ahy.

 Rehefa nataoko ny fandinihina maimaika dia ny teny malagasy hoe "Toerana fakan-drivotra/fialan-tsasatra" no nadika ara-bakiteny eto.

Raha tsy mahadiso dia mba te hanolotra soson-kevitra ny tompon'andraikitra tamin'ny fanamboarana azy io aho hoe  "REST AREA" no dikan-teny manakaiky ny marina eto.

Ao Ambositra no misy ity anakiray ity. Anisan'ny toerana fandriam-bahiny milay ao raha ny hevitro manokana no lazaina. Tsotra nefa mihaja sady mampiseho ny mampiavaka ny faritra Ambositra ny haingo ao anatin'ireo efitrano.

Efa tonga taty andafy mijery ny sary nalaiko aho vao gaga fa hay ilay toerana natoriako ity manao dokam-barotra nanelingelina ny masoko ity. :-)

Ilay " Bonne route" nadika hoe "GOOD TRAVEL" no mba tiako anolorana soson-kevitra hosoloina hoe " HAVE A SAFE TRIP" farafaharatsiny.

Hay moa misy adiresy email ry zareo...  

VITA TOMPOKO

1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»