Balloon Fiesta - Albuquerque, New Mexico (2007)

Nampidirin'i radotiana | 16 Okt, 2007

Izay indray aho vao afaka mitoraka blaogy na dia betsaka tokoa aza ny zavatra mba tiana ho raketina sy ho zaraina eto. Aleo ny farany izay vao vita omaly no aroso mialoha. Nanatrika ilay  fihaonambe iraisam-pirenena fanao isan-taonan'ireo balloonista eran'izao tontolo izao tany Albuquerque, New Mexico aho ny Oct 5 - Oct 14, 2007.  Balloons miisa 500 mahery no nandray anjara tamin'izany. Balloon Fiesta araka ny anarany tokoa fa dia voaravaka toy ny hazo noely ny habakabaka isa-maraina nandritry ny sivy andro.

Ireo balloons asidin'ny rivotra mafana (hot air balloons) no betsaka nandray anjara tamin'ity fihaonam-be ity. Raha tsorina dia noho ny hafanan'ny rivotra ao anatin'ilay balloon raha mitaha amin'ny rivotra ety ivelany no mampisidina azy. Rivotra mangatsiaka no ampidirina ao anatiny amin'ny voalohany hampibontsina azy. Hafanaina amin'ny lelan'afo amin'izay ireo rivotra efa voaangona ireo rehefa avy eo.  Ampiana ny hafanana raha te hitsingevana ny balloon na koa te  hiakatra avo avo kokoa.  Anesorana ny rivotra mafana ao anatiny amin'ny alalan'ireo lalan-drivotra (vents) azo sokafana sy hidina  raha te hidina ambanimbany na hipetraka amin'ny tany. 

  

Miandry "thumb's up" avy amin'ireo "zebra"(jereo ny sary eo ambany) hoe mahazo miainga amin'izay fotsiny ity balloon iray ity.

Efa mitsingevana e. Mahazo maka sary amin'izay. :-)

I Brazil no lohalaharana amin'ny fanamboarana balloons eran'izao tontolo izao. Orinasa telo no tena mibahana ny tsena famokarana azy ity any aminy. $20 000 ka hatramin'ny $30 000 ny vidin'ny balloon iray vaovao. $25 eo kosa no vidin'ny gazy ilaina hampitsingevana ilay balloon mandritry ny adiny roa. Ny maraina be manodidina ny amin'ny enina eo no tena tsara hanidinana amin'ny balloon satria malefaka kokoa ny hafanana ety ivelany ary tony kokoa ny rivotra eny amin'ny habakabaka. Eo amin'ny 19 km isan'ora na latsak'izany ny hafainganam-pandehan'ny rivotra tena tsara anidinana amin'ny balloon.

Afatotra amin'ny fiaran'ny tompony aloha ny balloon mialoha ny hanidinany

Santionany amin'ireo "Special Shape Balloons". Azo atao amin'ny endrika isan-karazany ny balloons.  Ity Creamland Cow ity no anisany goavana indrindra ary tena nahasarika ny maro. Ny andro faha efatra nanambotsinana azy izy vao nety nitsingevana ary dia horakoraka tsy nisy ohatran'izany no niarahabana ny fiakarany.

 

 40 minitra no ilaina hamenoana rivotra mangatsiaka ity WellsFargo Bank Stage coach ity.

Hoan'ireo mpakafy ny Star Wars. Darth Vader

Ity balloon miendrika carousel ity no niondranan'ny gasy.

Ireto "Zebra" ireto no mpanome alalana ny balloon tsirairay hahazo hisidina. Mitsoaka kiririoka izy amin'izay fotoana izay sady manome ny marika " thumb's up" amin'ny tanany. Tsikaritro fa samy manao izay hampihavaka ny fomba fitafiny ireto Zebra ireto.

Natao itondrana mpitsangatsangana anabakabaka ity balloon iray ity. Nahatratra hatramin'ny $325 ny saran-dalana. "Sold out" ry zareo ny Sabotsy lasa teo fa maro loatra ny maniry te hitaingina balloon.

Ohatran'ny hoe manindry be izany koa ireto "pra" mitaingi-tsoavaly ireto. Aty amin'ny tanin'ny Cowboys marina aho hoy aho nahita azy ireo. Zorro Style ny fiakanjony.

Mba topazo maso kely anie ireo "korontam-by" eo ambalahany e?

 

VITA TOMPOKO.

 

Atao inona izay kamiao?

Nampidirin'i radotiana | 8 Mey, 2007

Saika hanohy ny voan-dalana antsary avy any Dago aho saingy aleo aloha mba asiana mampihomehy kely ato anatin'ity blaogiko ity.

" Mbola mba misy mpividy ihany ve ny kamiao any Vietnam any? " no lohatenin'ity rantin-tsary voaraiko tamin'ny mailaka tohivakana androany ity. Mahazoa fafiny izay mbola tsy nahita. Enga anie mba tsy ho tonga any Dago ny ohatran'izao na dia efa miha maniry ohatran'ny anana aza ny scooters.

 

 

 

 

 

 

 

Ity anakiray eto ambony ity dia tena mampihomehy ahy ny mandinika azy.

 

 

Ilay atody mifatotra "bungee cords" aoriana mba azo leferina ihany fa izy mbola nampiany an'ireo atody trotroina eo anoloana kosa tena maha saina tonga ahy eh.

 

Mahazo jejojejo eo amin'ny fitaratra eo daholo nareo ao aoriana ao.

 

 

F'angaha dia tena tsy azo nampifanaingenina ireto harona plastika be ireto. ???  

 

" Tazomy tsara lesy eh!"

 " Tonga d miaraka dahôlo ..."

 

Voan-dàlana - Betioky - Ejeda

Nampidirin'i radotiana | 30 Apr, 2007

Tanàna kely iray antsoina hoe Beomby, 25 km avy eo Beahitse amin'iny làlam-pirenena faha folo (RN 10) mankany Fort Dauphin iny no nandehanako tamin'ity indray mandeha ity. Avy amin'ny foko Mahafaly ny mponina ao. Ny teny Mahafaly no ifampiresahana. Ny hoe - " Talilio rie, ihan'izay rie!" sy ny - "Mbe soa avao raho rie!" no mety ho henonao matetika rehefa misy olon-droa mifanatojake (mifanena) eny andalana.

 Ireto misy sary vitsivitsy tamin'ny fandalovako tany Dago: Ambalavao - Isalo - Ilakaka - Toliary - Betioky - Ejeda - Beomby (Avril 2007).

Tazana eny amin'ny faravodilanitra ny vohi-bato "le chapeau de l'évêque".

Nandalovana ny tampon'i Horombe

Tsy azo nodikaina fotsiny ny tao Isalo

 

 

Na dia ora vitsivitsy aza no nijanonana tao Isalo dia mba afaka nanararaotra nihaona tamin'i Kitjo izay namana mpitoraka blaogy miaraka amintsika eto. 

 

Andava-tsafira, ILAKAKA 

Rehefa nandinika maimaika ny zava-misy ao Ilakaka aho dia nahatsapa fa ireo mpitrandraka ny mpitrandraka safira toy ny mpivarotra enta-madinika, solika, hotely fisakafoanana sy fatoriana, mpamana rano handroana, sns... no tena hanan-karena amin'ny farany.

Santionany amin'ny herisetra manjaka ao amin'ny faritry ILAKAKA. Io feno diam-bala io ny fiara nitondra ireo namono an'i Jamal Khalifa, zaodahin'i Osama Bin Laden araka ny fanazavan'ny olona.

Aleo ity takelaby eo Sanfily ity, izay toerana iantsonan'ny zotram-pitanterana antanety no hiarahabana anao Tonga Soa ao Toliary.

Sanfily, Toliary

 

Rehefa afa-bizana tao Toliara dia notohizana ny dia hamonjy an'i Ejeda. Nifarana teo Andranovory ny làlana vita tara. Manomboka eto ny lalam-pirenena faha 10 (RN 10) mitondra anao hoany Taolagnaro.

 Ny fiarabe TATA no manjaka amin'ny fitanterana olona amin'iny làlampirenena faha 10 iny.

Ny reniranon'i Onilahy no mikoriana ao ambanin'ity tetezana ity.

 

Tongasoa eto Betioky

 " An'iza !"

Gidraka ny làlana eo anelanelan'i Betioky sy Ejeda. Mila fiara 4 sy 4.

 Eto no mivily raha handeha hoany amin'ny valan-java-boaharin'i Tsimanapetsotse. Mbola misy 100 km avy eo amin'io takela-bato io.

Tonga tany Ejeda ihany nony farany. Mbola TATA ihany. Gloria, Malalatiana, Le coq sportif, sns. no mifanena aminao amin'iny làlana iny isan'andro.

Lemaka mari-tampona - Beomby

Tso-piaina ny Mahafaly. Ny fambolena Tsako sy Kapika ary Balahazo no tena antom-piveloman'ny mponina. Hitako fa mbola lavitr'ezaka ny ady amin'ny andiam-balala mpanimba voly.

Mbola lavitry ny samy maka ho azy ny ao Beomby.  Iarahana ny fitaliana volo.

 

Entina tsy misaraka amin'ny tena toy ny finday any antanan-dehibe ny lefona sy ny basim-borona. Anisan'ny kapa malaza ny Kyranil. Asiany fanamboarana ireo kapa kyranil vaovao mialoha ny hanaovany azy. Fisahany amin'ny antsy hitovy tantana ny faladihany. Mandreraka angamba ilay izy somary misy vodi-tongotra avo kely iny. Misy koa ireo mampangotraka azy amin'ny rano mafana mba hanovana ny lokony ho fotsy mandronono. 

 

"Tifiro sary!" hoy ny antsoantson'ny roa tamin'izy efa-bavy. "Mamaraha ty valiko" hoy aho nananihany sady nanapika ny fakan-tsariko.

Kanto loatra ny zavatra voarakitra ao anatin'ity sary ity. " tifiro sary raho manoroka ty valiko" hoy ilay tovovavy velontsiky somary menamenatra.

 

VITA TOMPOKO

Ela ny ela - ceinture de sécurité ao Dago?

Nampidirin'i radotiana | 3 Mar, 2007

Ohatran'ny tsy mampino ahy hoe ho haingana be toy izany ny fahatanterahan'ity nofinofiko iray ity. Faniriako hatrizay ny mba hanaovan'ny mpamily fiara sy ny mpandeha mipetraka eo aloha ny antsoina hoe " ceinture de sécurité". Izaho moa dia efa diso zatra loatra an'izy io ka tena tsy mahazo aina mihitsy rehefa mandeha fiara any Dago. Mihomehy foana ireo mpamily na ireo mpiraitampo amiko rehefa mahita ahy mampiasa azy. Niezaka nanazava  ny antony iziriziriako hanaovana azy aho fa tena tsy resy lahatra ry zareo.

Manomboka amin'ny 16 jolay 2007 anefa hoy ny tatitra angazety nivoaka tao amin'ny http://www.madagascar-tribune.com/ Laharana faha 5501 : Sabotsy 03 Mars 2007, dia ho lasa fandikan-dalana mahavoasazy ny tsy fampiasana azy io ao Madagasikara.

Araka ny eritreritro dia mendrika omena tehaka mafy be mirefodrefotra ny Ministeran'ny fitanterana sy ny fizahan-tany ary ireo mpiandraikitra ny fiahiana ny fifamoivoizana.

Tsy io resaka ceinture de sécurité io ihany hono no hahavoasazy fa ao  koa ny firesahana amin'ny finday eo ampamiliana fiara, ny fanamaizinana ny fitaratry ny fiara, sns ... (vakio ny gazety)

Source: Madagascar Tribune. No 5501 : Samedi 03 Mars 2007

Tsy maintsy ho volena "seat belt" daholo indray izany ireo vam efa vizana be dia be ao Dago ireo? Bizna vaovao hoan'izay mahay manararaotra indray ity.

 

Jereo ato ireo nofinofiko hoan'i Dago.

 

Source: Madagascar Tribune N° 5507 : Samedi 10 Mars 2007

Teny Anglisy - teny ofisialy ao Dago?

Nampidirin'i radotiana | 2 Mar, 2007

Voalaza tao amin'ny gazety novakiako androany fa nampiana ny hoe " ny teny malagasy, frantsay ary anglisy no teny ofisialy» ary «ny teny malagasy no tenim-pirenena» ny ao amin'ny andininy faha 4 ao amin'ny lalam-panorenana haroso hisafidianan'ny vahoaka amin'ny 4 Aprily.

Raha lany ny "Eny" dia hanomboka hahazo vahana ve izany ny fampiasana ny teny anglisy any Dago? Mety hahaliana ihany ny hanaraka ny fivoarany.

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»