Hazakazaka arahin-tosika

Nampidirin'i radotiana | 23 Sep, 2006

Tadidiko indray mandeha izay nisy fifaninana "hazakazak'Apondra" tao Mahamasina. Henoko hoe misy midongy hono ny apondra sasany rehefa akaiky ho tonga any amin'ny farany. Mety hitovitovy amin'izay ihany angamba ity natrehanay herinandro vitsivitsy lasa izay ity:

Biby fiompy antsoina hoe "Llama" no tarihin'ny mpifaninana mihazakazaka miaraka aminy ao anatin'ny halaviran-dalana mirefy 4, 82 km (3 miles). Miampita renirano in 4 izy ireo amin'izany. Misy fiakarana sy fidinana ny lalana tsy maintsy izorana. Alaivo sary antsaina.  21 minitra ny zava-bita tsara indrindra hatramin'izao. Efa ampolontaonany no nisian'ity fifaninanana ity hono.

 

Tanana fitrandrahana volamena tamin'ny andron'ny Cowboys no mikarakara ity fifaninanana ity ka dia nisy ny fampisehoana ny mety ho endriky ny fiainampiainan'ny olona tamin'izany andro izany.

 

Duel

Mampihomehy ahy ny mandinika an'ity sary farany eto ambany ity. Azo lazaina fa nifandona ny "lasa" sy ny "Ankehitriny" eto.

Vita tompoko.

Mahay mitady vola ny olona!

Nampidirin'i radotiana | 8 Sep, 2006
  Fetin'ny "Labor day" moa taty amin'ny bekintana tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Nitohy hatramin'ny Alatsinainy teo ilay izy dia mba nandeha nihodikondina tany rehetra tany izahay. Nisy ramatoa izay ary tonga dia nanao be fiavy be nanatona ahy sady nilaza hoe " Smile, God loves you", " (Mifalia/mitsikia, Tia anao Andriamanitra" sady namoaka auto collant (sticker) misy an'io soratra io izy. Nanolotra karatra plastika fotsy  misy ny momba momba azy sy ny vadiny ahy koa izy nony avy eo. 

 

  Nony tonga taty antrano dia nalaim-panahy aho hijery hoe inona marina no zavatra voizin'iny ramatoa iny dia nandeha tamin'ilay tranokala www.blessitt.com voasoratra tao anatin'ilay karatra nomeny ahy. Resaka fivavahana moa izany no tao mazava ho azy fa ny tena nanaitra ahy dia nisy rohy (link) iray izay tao nilaza fa handefa hazofijaliana hihodidina ny planeta tany any ambony tsy taka-maso any hono ry zareo (Launch of the Cross in Space). Notsindriko ilay rohy dia iny aho no lasa tafa-findra tany amin'ilay tranokala hoe azo anarahana ny fandefasana an'ilay hazofijaliana 

 

http://www.memorialspaceflight.com/  

 

  Nony tafiditra tao amin'ity tranokala ary aho dia tsy ilay resaka fandefasana hazofijaliana intsony indray no nahaliana ahy fa resaka hafa mihitsy. Ity orinasa iray ity mantsy hono dia misahana ny fanatanterahana ny nofinofin'ireo maty na koa hoe fanomezam-boninahitra azy ireo ka ny ampahany amin'ny lavenon'ilay olona maty no alefa misidina miakatra any ambony tsy taka maso any. Arakaraky ny vola foin'ny fianakaviana ho laniana  no mametra ny toerana handehanan'ilay lavenona.

 

  Ireto toerana efatra amin'ny sary etsy ambany no aroson'izy ireo handehanana. Arakaky ny halavirana sy ny lanjan'ilay lavenona halefa ny halafony. Manomboka eo amin'ny $495 (1.054.092,6 Ariary)  ka hatramin'ny $12500 (26.618.500 Ariary) eo izany ny saran-dalana.

 

  

Boaty kely tahaka ireto no asiana ireo lavenona.

Miverina amin'ny fianankaviana ihany moa ilay lavenona rehefa tafaverina soamantsara ety ambonin'ny tany.  Gaigy be ilay bizna kah. Mahay mitady vola ny olona.

 

Paradin'omby!!

Nampidirin'i radotiana | 13 Aog, 2006
Andian-tsarina omby vongana miisa 100 mahery no ampirantiana eny amin'ny arabe, parc ary toerana falehan'ny be sy ny maro ao amin'ny tananan'i Denver, Colorado (USA). Tsidiho ny Cow Parade raha te hahalala misimisy kokoa mikasika azy ity ianao.

Nandalo tany Denver aho ny alakamisy lasa teo ka ireto misy sary vitsivitsy nalaiko izay mba tiako ho zaraina aminareo. Mijere finaritra.

 Lohateny: San Luis Valley Cow

San Luis Valley Cow 

Lohateny: Village Cow

Village cow 

Lohateny: Mo-La

Ity angamba no tena hoe "Omby Vola" aminy :-) )

Omby Vola

 

Tsy dia nanantena hahita vola gasy aho saingy ...

 

Lohateny: Cow Stamp(ede)

Lohateny: Identity Crisis

Lohateny: It's your moove

Lohateny: Aspen Eyes

Lohateny: Alpine Explosion

Lohateny: Bovine Beauty

Lohateny: Mavine Muse

Lohateny: Cow Town USA

Ankafihiziko!

 

Ity farany ity indray kosa dia mba tsetratsetra tsy aritra teny andalana teny fotsiny.

Lohateny: Gossip - Mifosa

Vita Tompoko!

 (tohiny)

Mety ho izany tokoa ve?

Nampidirin'i radotiana | 5 Jol, 2006

Anisan'ireo liana amin'ny tantara fahagola mikasika an'i Madagasikara aho ary dia nampihaonin'ny kisendrasendra tamin'ity vazaha amerikana iray antsoina hoe David Halvorson iray volana lasa izay. Nanao fampisehoana fampahafantarana an'i Madagasikara teto amin'ny tanana izahay tamin'izay fotoana izay no nipoitra tampoka avy any i David ary tonga dia nampiresaka be ny amin'ny momba  an'i Dago.

Izay mipetraka aty ivelany moa dia azoko antoka fa efa sendra an'ireny vazaha ohatran'ny (miseho) mahalala an'i Madagasikara noho ny gasy ireny. Tamin'ity indray mitoraka ity aloha dia tsy maintsy nisapaoritra aho fa dia tena mahalala betsaka momba an'i Dago noho izaho izy eh.

Ny dadan'ny dadabe sy bebeko antsoina hoe Peter C Halvorson sy Antonette Nilsen Halvorson izay samy teraka sady lehibe tany Madagasikara hoy izy no anisan'ireo misionera voalohandohany nitondra ny fivavahana Loterana tany Madagasikara.

Nanoratra boky i Antonette Nilsen Halvorson izay renin'ny dadabeko hoy ihany i David Halvorson. Ny tantaram-piainany tany Madagasikara no voarakitra ao anatin'io boky io.  "Loharano"  no lohatenin'ilay boky izay voatonta voalohany  tamin'ny taona 1948. (io amin'ny sary eo ambany io ny fonony). Ity indray kosa ny ISBN 0-9726655-0-1  hoan'izay liana.

Izaho moa izany tsy mbola naheno ny fisian'io boky io mihitsy dia tena tsy nanan-kandahatra firy fa dia ny hoe "mahafinaritra izany, sns..." no tadidiko voateniko matetitetika. Vita ny resaka dia lasa i leiry. Tsy tadidiko hoe afaka adin'ny firy anefa fa ohatran'ny vetivety kely dia iny indray i ra David fa niverina sady nanolotra ahy ilay boky.

Na dia tsy Loterana aza moa ny tena dia tsy andriko izay hodiana hamakiana azy milamina taty antrano nony hariva. Mahaliana ahy foana mantsy ny mamaky ny zavatra soratan'ireny vahiny nipetraka na nandalo tany Dago ireny. Ity indray mitoraka ity moa dia hoe nosoratan'olona niaina tamin'ny andro faha mpanjaka mihitsy.

Betsaka ny zava-baovao tamiko tao anatin'ilay boky amin'ny ankapobeny na dia hita hoe mirona kokoa amin'ny resaka fivavahana aza ny zava-boalaza ao anatiny. Ny fiainan'izy ireo tao Betafo, Antsirabe ary Fort Dauphin moa no tena voaresaka ao. Nisy ampahany ihany koa mikasika an'Antananarivo. Nilaza moa i Antonette Nilsen Halvorson, izay mpanoratra fa anisan'ireo nanatry maso teo amin'ny kianjan'ny Mahamasina ny fanosorana an'i Ranavalona III ho mpanjakan'i Madagasikara izy tamin'ny taona 1883. Hoy mantsy izy hoe " ... The last queen of Madagascar - Ranavalona III - was crowned in the year 1883. I was there that day."

Tantarainy antsipirihany ny zava nitranga tamin'io andro fanosorana ho mpanjaka an' i Ranavalona III io. Anisan'izany ny fianjeran'ny satroboninahitry ny mpanjaka tamin'ny tany raha izy ndeha hiakatra teo ambony kalesy taritin'ny soavaly fotsy hiseho vahoaka iny.  Inoako hoy izy fa mbola tsy nitarika kalesy mihitsy ity soavaly fotsy natao hitarika ny kalesy hotaingenan'ny mpanjaka ity fa vao ndeha hiakatra teo amboniny i Ranavalona III dia nitroatra tampoka ilay soavaly ka nahatonga ny satroboninahitra teny andohan'ny mpanjaka hilatsaka tamin'ny tany. "Fambara ratsy iny fa tsy hijanona ela eo amin'ny fanjakany izy" hoy hono izany lehilahy iray sendra teo akaikin'ny mpanoratra tamin'izany andro izany. . Afaka nitaingana ilay kalesy ihany moa izany ny mpanjaka nony avy eo ary dia nahita azy ny olona izay nanatrika.  22 taona hoy izy Ranavalona III tamin'izay. ... Votsitra teny antanany tokoa ny fanjakany 12 taona taty aoriana nony tonga ny mpanjanaka Frantsay tamin'ny taona 1895.   Tantara efa diso fantatsika daholo ireo fa mba tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny ny ahy.

Miala tsiny fa ohatran'ny hoe nivoana be ny resaka fa ity no tena antony nanosika ahy hanoratra ity ampahany androany ity. Rehefa namaky an'io boky "LO-HA-RA-NO" (The water spring) io aho dia sendra ity taratasy fanendrena hiasa (hampianatra raha ny marina kokoa) nomen'ny governora ireo mpampianatra vaovao voaofana tao Fort Dauphin hiparitaka hampianatra tany amin'ny foko Tanosy.

Io ambany amin'ny sary io ny zavatra voalaza tao anatiny. Jereo tsara fa 'N.N.,' no nasolo ny toerana anoratana ny anaran'ny olona voatendry. Ary mbola 'N.N.' ihany koa no nasolo ny anaran'ny toerana hanendrena ilay mpampianatra.

Aleoko tonga dia mitsotra fa tsy arako na mbola fampiasa amin'ny teny anglisy amin'izao io na  hoe teny efa tsy fampiasa intsony fa ohatran'ny alaim-panahy aho hieritreritra hoe mety ho io fomba fanoratra io no niavian'ny fiteny ankehitriny hoe " any ananona" sy ny hoe "ranona".

Raha vakina ilay litera anakiroa dia ohatran'ny hoe [aen, aen] no mety hamakiana azy. Inoako fa rehefa ela nampiasana azy ny gasy tamin'izany andro izany dia niova kely ny fanononana ilay litera "N" amin'ny teny anglisy dia mety lasa novakiana hoe [an,an] ilay hoe 'N,N'.  Ny hoe ranona indray moa dia mety vokatry fametrahana ny hoe "ry" teo anoloan'ilay 'N, N'.

Tsy mandala na mianatra ny teny Malagasy aho ka tsy afaka manome porofo ny fahamarinam-pototr'ireo fanazavana arosoko ireo fa dia ho raisiko antanandroa izay afaka mitsipaka na manohana azy.

Tsetsatsetsa tsy aritra faraparany:

I Nil Nilsen sy John Engh  no nitondra ny fivavahana Loterana tany Madagasikara. Ny taona 1866 izy ireo no nandao an'i Norway ary niondrana antsambo lay vita tamin'ny hazo nantsoina hoe "ELIESER" ary nihazo ny nosy Madagasikara.  Tadiaovo ilay boky hoan'izay mbola te hahalala misimisy kokoa Eh.

Misaotra anao namaky hatramin'ny farany.

 

 

UPDATE: ( Sept 13, 2006)

Araka ny fangatahan'i Mialina dia indro arosoko eto ny fizahan-takelak'ity boky LO-HA-RA-NO ity:

Ity ambany indray kosa ireo pejy roa nangatahinao izay milaza ny fahitan'ny mpanoratra ny zava niseho teo Mahamasina tamin'izany fotoana izany.

 

Nampihaiky ahy!

Nampidirin'i radotiana | 21 Jio, 2006

Mba nandeha nihodina tany amin'ny ville tany izahay gasy vitsivitsy teto amin'ny tanàna tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Sendra ireto sary hosodoko vita amin'ny tsaoka fanoratana amin'ny solaitra be ireto izahay ka tena nivanaka (impressed). Ny tena nampivanaka azy ankoatran'ny fahaizan'ny artista maromaro izay nifaninana teo nandritra ny roa andro dia ny toerana nanaovana ilay hosodoko sy ny fitaovana nampiasaina. Arabe fandehanan'ny vam io no nanaovana ny sary. Vita amin'ny béton moa ny betsaka aty aminay amin'izao. Tsaoka (la craie ozy isika gasy) miloko isankarazany no nampiasaina. Ireo ny santionany tamin'ireo tena mba tsy aritro. Soa ihany fa nitondra fankan-tsary aho tamin'io.  Tiako hozaraina hoan'ireo izay mbola tsy nahita. Ny mampalahelo dia efa tsy misy intsony ireo sary hosodoko ireo ankehitriny satria ny alatsinainy lasa teo ihany dia efa nivalona ho tantara . Tsy maintsy sokafana hoan'ny fifamoivoizana tsinona ny arabe :-((  too bad...

 

 

 

Tsy izahay mitsam akory io azo sary mijoro eo io an.

Ity no nahazo ny loka voalohany tamin'ny fahaizana mampiasa loko marevaka.

Vita tompoko.

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»