Tao antranon'i Elvis Presley - Memphis. TN

Nampidirin'i radotiana | 15 Nov, 2007

Rehefa tena miezaka mitadidy aho hoe firy amin'ny hiran'i Elvis Presley no fantatro, dia hira iray monja no mba tadidiko. "Peace in the Valley". Tao anaty fiaran'izay amerikana namako iray izay no nahenoako azy io tany Dago efa ho folo taona mahery lasa izay.  Tsy dia rototra tamin'ity mpihira kalaza ity aho izany raha ny tena marina. Tsy haiko anefa ny tsy hitsidika an'i "Graceland Mansion" nonenany fahavelona rehefa nandalo tao Memphis, Tennessee aho tamin'ny herinandro lasa teo.

Elvis Presley Boulevard no anarana entin'ilay arabe manemitra ny tamboho misy ny trano nonenany.  $102.000 no nividianany azy tamin' i Ruth Brown Moore ny taona 1957.

Eo ampitan'ity vavahady feno hafatra avy amin'ireo "fan"inany ianao no tsy maintsy miditra aloha raha te hitsidika an'i Graceland. Misy ambaratongany ny saram-pidirana ao. $25 ny mora indrindra. Hain'ny vazaha mihitsy  ny miketrika izay hahazoana ny vola any ampaosinao :-)

Tereny haka sary manoloana ity sarin'ny vavahady vita hosodoko ity aloha ianao mialoha ny handraisanao ny zotra mitondra etsy ampita.

Novolena "jiro mena" mihitsy eo anoloan'ny vavahady mba hiampitampitan'ireo zotra mpitatitra ny mpitsidika.

Mahazo maka sary rehefa tafiditra tao anatiny saingy tsy azo asiana jiro mitselatra.

Tsotra ny endriky ny lakozia. Mety izao angamba no anisan'ny raitra tamin'izany andro izany :-)

Efitranon-tserasera. Fijereny fahitalavitra. Vata fahitalavitra telo avy hatrany no miara mandeha ao amin'io efitra io.  

Voatemitra lamba ny rindrina sy  ny valin-drihan'ity efitra iray ity.

Ireo boky nahaliana azy. Nisalotra ny fehikibo mainty(dingana voalohany) teo amin'ny taranja haiady karaté izy  ny taona 1960.

Iray amin'ireo hosodoko mihantona amin'ny rindrina ao antranon'i Elvis Presley.

Ny 8 Janoary 1935 izy no teraka ary maty ny 16 Aogositra 1977.  Mba anjaranao kosa ny manao ny kajy e :-)

VITA TOMPOKO.

 

Mandehandeha mahita raha

Nampidirin'i radotiana | 10 Nov, 2007

Nandalo tany  Kansas -Arkansas - Tennessee - Mississippi - Louisiana  ary Texas aho tamin'ity indray mitoraka ity.

Na dia tsy mpakafy an'i Elvis Presley aza aho dia mba nandeha nijery ny trano fonenany tao Memphis, Tennessee. Ataoko lahatsoratra mitokana ny momba azy amin'ny manaraka fa ny nahasarika ny masoko tao Littlerock, New Orleans, ary Dumas, Texas no ho raiketiko eto.

Mety ho lasa "travel-aogy" ity 'Blaogy" -ko ity amin'ny farany raha izao no mitohy :-)

Tsy nanaiky ireo namana mipetraka ao Littlerock, Arkansas raha tsy notsidihana ny Bill Clinton Presidential Library. Anisan'ny reharehan'ny ao Arkansas moa izy io. Eo amin'ny valin-drihan'ny efitra fiasan'ny filoham-pirenena Amerikana no misy ity "fitomboka" ity.

 

Rakotry ny hafatra napetrak'ireo "fan"ina mpakafy azy ny rindrin'ny vavahady miditra ao amin'ny "Lapa" fonenan'i Elvis Presley ao Memphis, Tennessee.

Misary vongana no fitadiavam-bolan'ity ranamana iray tao New Orleans, Louisiana ity. Mandrotsaka $1.00 ianao raha te haka sary miaraka aminy.

 Mahasarotiny ny mpanjifa aty Etazonia ny antsoina hoe "Customer Service" . " Tsy misy iraharahiako @%$# an'izany " hoy ny dikan'io soratra eo ambonin'ny paosy ankavanana io.

Lobaka natao hanalana azy izy ity raha ny fahitako azy. Tsy inoako fa hisy sahy hanao azy any ampiasana. Iza anefa no mahalala :-)

 

Ao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Dumas, Texas no nahitako an'ity takela-by iray ity. Fiangonan'ny cowboy. Tongava miangona amin'izay maha ianao anao.

 

Aleo ho raiketiko eto ihany ny làlana nodiaviko mba hamisavisako azy any aoriana :-)

Halavirana: 3004 Miles (4806.4 km)

Faharetany: 5 andro.

VITA TOMPOKO

 

"Sotro vy" enti-miady amin'ny SIDA

Nampidirin'i radotiana | 1 Nov, 2007

Aleo asiana fiverenana kely any Dago amin'izay. Efa ela aho no te handrakitra ity sary ity teto amin'ny blaogiko fa izao angamba vao tonga ny anjarany. :-) Asa na firy aminareo no efa sendra an'ireto sotro fihinanam-bary amin'ny hotely gasy ireto tany Dago. Tamin'ny fandalovako tao Ejeda tamin'ny volana Avrily 2007 no sendra azy ity voalohany tao amin'ny hotely iray tao antampon-tanàna. Rehefa niverina hoany Toliary aho herinandro vitsivitsy taorinan'izay mbola sendra azy ihany koa tao amin'ilay hotely gasy  tsotsotra ao Beahitse.  Nozaraina an'ireto sotro ireto daholo ve hoy aho izany ny hotely fisakafoanana amin'ity làlam-pirenena mampitohy an'i Toliary sy Taolagnaro ity?

Mena ny lokon'io soratra io raha ny fahitako azy tany ampiandohana saingy ravan'ny rano nanasana azy matetika angamba.  Voasikotra tanteraka amin'ilay tahon-tsotro ilay "hafatra".

Deraiko manokana ny olona nahita ny hevitra fa tena miavaka. Tsy azonao odiana fanina mihitsy mantsy io soratra io raha vao tonga eo anoloanao ny vary sy laoka ao anaty vilia. :-)) 

Asa raha efa manenika an'i Dago izy io ankehitriny na any amin'iny faritra atsimo iny  ihany.

Tsy naharitra aho fa dia nangataka tamin'ilay tompon'ny hotely tao Beahitse. "Aleo mba  hovidiako ity sotro ihinanako ity " hoy aho taminy. Gaga be izy. "Fa ataonao inona?" hoy ny fanontaniany.  " ho entiko hanentanana ny hafa" hoy aho toa tsy dia tena nanampo loatra ny teny nivoaka ny vavako. " Ento ho anao fotsiny raha izany." hoy izy somary nitsiky. 

VITA TOMPOKO

 

Taos Pueblo, NM - Tapa-porohana

Nampidirin'i radotiana | 27 Okt, 2007

Afaka nitsidika ny iray amin'ireo tanàna vitsy sisa tavela any Taos, New Mexico aho. Nifindra any mantsy ireo taranaka Puebloana tao Mesa Verde, Colorado. Raha atao ny kajy amin'ny halaviran-dalana amin'izao fotoana dia nifindra 397 km nianantsimo antsinanana ry zareo. Hita misongadina ny fitovitovian'ny endriky ny rafi-trano. Ny hany mahasamihafa azy fotsiny dia fitaovana nampiasaina nananganana azy sy ny toerana nanorenana ny tanàna.

Ny kiefitrefitra mifampitohitohy sady mifampitaingina mbola notazoniny ihany. Tao-trano tany toy ireny tambohon'ny ntaolo gasy ireny ireto trano ireto. Foana izany ny fampiasana vato toy ny ao Mesa Verde. Ny foko Puebloana antsoina hoe Red Willow no mipetraka any Taos Pueblo, NM.

Mbola misy mipetraka amin'ny ampahany amin'ireto trano ireto ankehitriny saingy ny ankamaroany dia efa lasa toerana fivarotana firavaka sy asa-tanana amin'ny mpizaha tany.

 

 Adinonao tanteraka mihitsy fa aty Amerika ianao rehefa tafiditra ao anatin'ity tanàna ity.

Hita taratra fa nandalo tao ny Espanola amin'ny rafitry ny varavaran-kazo sasany.

Ny Eglizy St Jerome izay naorina tamin'ny taona 1619. Rava tamin'ny taona 1680 tamin'ny fotoana nisian'ny fanoheran'ny Puebloana ny mpanjanaka Espanola. Naorina indray ny taona 1692 rehefa tafaverina indray ny Espanola. Rava fanindroany indray io eglizy io ny taona 1847 tamin'ny fotoana niadian'ny Amerikana sy ny Meksikana. Naorina indray ny taona 1850 ary dia io mbola mijoro hita amin'ny sary mandrak'ankehitriny io.

Mbola misy ireo "Kiva" saingy tsy azon'ny mpizaha tany tsidihina. Ny teny Indiana antsoina hoe Tiwa no ifampiresahan'ny mponina. Tsy hay soratana io teny io fa dia ampitaina amin'ny taranaka mifandimby fotsiny amin'ny alalan'ny fampiasana azy. Efa miteny anglisy ny ankamaroan'ny olona saingy misy "accent" tena mampiavaka andry zareo. Ny tena mampalahelo dia feno "Casinos" ny " Indian Reservations" any New Mexico.

Efa hirotsaka ny ranomandry ka dia ho vita hatreo ny fandehandehanana aloha raha tsy hoe misy irika tampoka indray :-)

VITA TOMPOKO

Pissoa: Raha ny fahazahoako azy dia nohezahina naverina tamin'ny  endriny teo aloha foana io Eglizy St Jerome io isaky ravan'ny ady.

Mesa Verde - Tanàna fahagola

Nampidirin'i radotiana | 21 Okt, 2007

Tonga tany Mesa Verde ihany aho nony farany. Efa ho sivy taona mahery izay no naniriako mba ho any. Anisan'ny zavatra mahaliana ahy ny tantaram-piaraha monina fahagola. Iray amin'ireny ny foko "mena hoditra" Puebloana nantsoina hoe Anasazi izay nonina nanodidina ny "Table Mesa" izay lemaka rakotra ala any antampo-kavoana Atsimo andrefan'i Colorado.

Tany amin'ny taona A.D 550 -1300 tany ho any no niorimponenana tao Mesa Verde ny foko indiana nantsoina hoe Anasazi. Mpiandry omby (cowboys) roalahy natsoina hoe Richard Wetherill sy Charlie Mason izay sendra nitady ny ombiny very no nahita tsy nahy ny fisian'ireto tanàna mihantona amoron-tevana antsoina hoe "Cliff dwellings" ireto tamin'ny taona 1888.

Rehefa natao ny fikarohana dia voalaza fa  miisa 600 ny tanàna/trano niorina ao Mesa Verde. Ity antsoina hoe "Cliff Palace" (sary eo ambony) ity no voalaza fa anisan'ny lehibe amin'ireo "cliff dwellings". Tendrombohi-bato manamorona hantsana lalina no nanorenan'ireto Anasazi ireto ny fonenany. Misy ireo efa voa-janahary ary nisy ihany koa ireo tsy maintsy nolavahana tamin'ny tànana. 

Mampihaiky volagna ny fomba nidirana sy nivoahana ireto toerana ireto. Lavaka kely zara raha misy asiana ny loha-tongotra sy hamikiran'ny ratsan-tànana no nampiasaina.  Mahalasa fisainana ihany koa ny mandinika ireto kiefitrefitra be dia be  miampy ireo lavaka miendrika faribolana izay antsoina hoe "Kiva" hita saika isan-tanàna.

Diniho ny haben'ny olona mivory manoloana ilay "Kiva" ery ambany dia alaivo sary antsaina ny haavon'ity vatolampy be izay lolohavin'ity "Cliff Palace" ity. 150 ny isan'ny efitra hita ao amin'ity "Cliff Palace" ity ary 23 ny isan'ireo "Kiva". Heverina fa 100 tany ho any ny isan'ireo olona nonina tao.

Lavaka be toy izao ireo efitrano faribolana antsoina hoe "Kiva". Toerana natao hivoriana na hanomezana hasina izay notompoina tamin'izany andro izany. Toy izao hita amin'ny sary eto ambany izao ny ao anatiny.

Vato malefaka (sandstone), hazo ary tany mena no fitaovana nanangana ny tanàna ao Mesa Verde. Azoko antsaina fa "gidragidra" araka ny fitenin-jatovo ankehitriny ny fitaterana ny vato sy hazo ary ny tany mena natao rihatra nananganana azy.

 

Ity tanàna iray antsoina hoe "Spruce Tree House" (sary eo ambony sy ambany) ity no azoko notsidihina akaiky. Miisa 130 ny efitra hita ao anatiny ary 8 fotsiny kosa no isan'ireo "Kiva". Heverina fa mety ho olona 60-80 tany ho any no nonina tao.

Toy izao ny halalin'ny hantsana manamorona ny " Cliff Palace". (sary eo ambany)

 Iray amin'ireo takela-by maneho ny mety ho fiaimpiainan'ny olona tamin'izany andro izany nialoha ny fananganana kiefitrefitra.

Rehefa natao ny fikarohana dia nifindra nianantsimo nankany Arizona sy New Mexico ny taranak'ireo Puebloana tao Mesa Verde ireto.

Ny foko Pico no taranany izay monina any Arizona miampy ireo foko Puebloana miisa 19 any Rio Grande, New Mexico: Taos, Picuris, Sandia, Isleta, San Juan, Santa Clara, San Ildefonso, Nambe, Tesuque, Jemez, Cochiti, Pojoaque, Santo Domingo, San Felipe, Santa Ana, Zia, Laguna, Acoma, and Zuni.

VITA TOMPOKO.

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»