Fitenin-jatovo

Nampidirin'i radotiana | 11 Feb, 2007

" Ka raha tsy kobon'là le kôzy, dia istawaka lesy ry bainina ah!"

     Anisan'ireo tia ny teny gasy madio sady marina ara-tsipelina aho ary izany indrindra no namoahako teto ilay resaka fifaninanana soratonon'2007 hatao any Frantsa atsy ho atsy. Tsy azo amaivanina koa anefa  ny fisian'ny fitenin-jatovo izay ampiasain'ny maro amin'ny fiainany andavan'andro.  

Sendra nandalo ny masoko ity lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety Midi Madagasikara (Nivoaka ny 13 Desambra 2006 - Laharana 7104, pejy 21) ity ka tiako mba ho zaraina amin'ireo izay liana.

Ampahany ihany ireo ary misy ny efa hatry ny ela  no nampiasana azy. Misy ihany koa anefa ireo teny vaovao tanteraka raha ho ahy manokana.

Aleo ho raketina hatrany hahitana ny fivoarany.

Tutorial- Fanovana sary (Header) eto @ blaogy.com

Nampidirin'i radotiana | 2 Feb, 2007

Araka ny fangatahan'ny namana sasany dia aleo omena tsotsotra eto ireo dingana arahina hanovana ny sary eo amin'ireo "endrika" ampiasaintsika eto amin'ny blaogy.com.

Fitaovana ilaina:

1- Ny sary tinao hapetraka

2- Adobe Photoshop na mampiasà ny Cellsea

3- Toerana ametrahanao ny sary online. Ohatra: http://www.geocities.com raha manana kaonty ao amin'ny yahoo ianao.

 

Dingana voalohany

Ho ahy dia ny endrika Kubrick no ampiasaiko.

1- Sokafy ny blaoginao (oh: anarana.blaogy.com)

- Manaova "right click" eo ambonin'ilay sary tinao hovana.

- Save as (tehirizo amin'izay tinao hasiana azy ilay kubrickheader.jpg)

Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana faharoa

Raha mampiasa Adobe Photoshop na photo editor hafa ianao dia azonao jerena ny haben'io sary io.

Image --> Image Size

Dingana Fahatelo

Sokafy ny sary tinao hampiasaina ary akelezo hitovy habe amin'io faritra miloko manga eo amin'ilay Kubrickheader.jpg. Tokony ho kely noho ny 760 pixels izany ohatra ny "width" ary latsaky ny 200 pixels ny "height".  (Ny fanovana ho zoro dombo ny sisiny efatra moa mbola tutorial hafa indray iny.)

- Hetezo (Cut) ilay sary tinao ampiasaina ary Apetaho "Paste" eo ambonin'ilay faritra miloko manga. Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana fahaefatra

1- Omeo anarana vaovao ilay sary avy namboarina.

2- Asio izay soratra tinao hapetraka eo.

3- Aza adino ny mitahiry ny fanovana farany nataonao (Save)

 

Dingana fahadimy

Ampiakaro any amin'izay toerana tinao ametrahanao azy online ilay sary vaovao.

Ohatra:

- Ndeha ataontsika hoe rakoto no anaranao (username), 

- mampiasa ny www.geocities.com ianao itehirizanao  sary ao amin'ny internet.

- tambohogasyheader.jpg no anaran'ilay sary vao avy namboarina.

Tokony ho toy izao izany ny adiresy hampiasainao eo amin'ny dingana fahaenina.

http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg

 

Dingana fahaenina

1-Midira ato amin'ny blaogy.com-nao. (log in), rehefa tafiditra ao anatiny dia,

2- Mankanesa ao amin'ny réglages --> Fanovana CSS

3- Apetaho (copy --> paste) eo amin'ilay Fanovana CSS ireto code ireto.

#header { background: url(http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg) no-repeat center center;
border: none;
}

4- Ilay soratra ao anaty fonosana (...) ihany no ovana hifanaraka amin'izay adiresy misy ny sary vao avy namboarinao.

 

Raha endrika "Kubrick" no nampiasainao dia ampio an'ireto code ireto mba tsy hisehoan'ilay anaran'ny blaoginao indroa.

h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;}

 

5- Tehirizo.

VITA TOMPOKO.

Raha misy manahirana hafa dia azo anontaniana an'i Hery na i Pissoa angamba sa ahoana?

Gasigasy

Nampidirin'i radotiana | 1 Feb, 2007

Nanao lava tongotra/kodiarana tany California tany d izao indray vao tafaverina eto amin'ny tanàna.

Tapakevitra tampoka ny hanome endrika gasigasy ny takelaka aho androany ka dia io hitanareo nosoloina tamboho ntaolo gasy io ilay sary teo aloha. Teo akaikin'ilay fasana misy soratra hoe 1896 eny Andraisoro, Antananarivo no nangalako ny sary.  Manontany tena aho hoe mety hitovitovy taona amin'io fasana io koa ve izany ity tamboho ity?

Misaotra an'i Pissoa tamin'ny sopapa.

Ity misy voan-dalana tany ampandehandehanana tany. Mampatsiahy ahy ilay hiran'i Tovo'Jhay manao hoe "...masoandro mody malefaka eh..."

Tany Huntington Beach, California no nangalana ny sary.

 

 

Molia - Brillante

Nampidirin'i radotiana | 15 Jan, 2007

Tafahoana ny gasy efatra mianadahy androany alahady hariva d mba nijery ny clip n'i Brillante. Samy tia ilay hira daholo saingy sahirana naminavina ny tena tiany ho tenenina. Nony farany d hoe aleo hangataka fanampiana ato amin-tsika mpitoraka blao-gy.  Misaotra mialoha hoan'izay afaka manampy.

 

Lia ela zay ty liano         
Talinjo avao ty triako    
Nagnalokaloka ahy, eny e   
Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito

Lia ela zay ty liano         
Talinjo avao ty triako    
Nagnalokaloka ahy, eny e   
Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito

Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy

Liako lia nomaly tsy nijiagnankany e
Ty foko an'io marary e
Ty hamagninako azo, eny e

Mimpolia e zao ko lako lia, eny e
Tolio ty anaky toy fa tika tsy naito
Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Aia rehe?
Le mahatoboke zao, toliho anio fa zoky e
Ho tahako ambe e'zao, molia ko lako lia
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy
Molia malaky rehe zay
Fa lavitry azo an'io ty ahy

Ireo nofinofiko hoan'i Dago

Nampidirin'i radotiana | 10 Jan, 2007

  Nahita aho tamin'ilay fandalovana tany Dago tamin'ny volana Desambra teo fa efa misy ezaka ary hita maso ny vokany ataon'ireo mpitondra.

  Na izany aza anefa dia mihevitra aho fa tsy mahadiso raha manolotra ny soson-kevitra eto aho/isika ny amin'izay mety hanatsara misimisy kokoa ny fiainana ao Madagasikara.

  Manasa anao koa aho handray anjara hametraka izay nofinofinao.


FIFAMOIVOIZANA

  1- Tokony ho velomina indray ireo " Traffic lights" manampy ny mpandeha tongotra hiampita arabe sady manampy ny fiarakodia te hivily miankavia na ankavanana eo amina sampanan-dalana. (Ny ao andrenivohitra aloha no tena hitako mila azy ity maika).

  Ny polisy no manao an'io asa fandrindrana ny fifamoivoizana io ankehitriny. Rehefa tsy eo ny polisy dia mifanaritaka samy manao izay saim-patany ny mpamily. Izay tafatsofoka mialoha no tompon'ny lalana.

  Tadidiko fa nisy betsaka azy io tao Analakely, Antanimena,  sampanana hoany Ampahibe eo amin'ny Route circulaire, sampanana hoany Ankatso sy Antanimora, ...

  Tsy manaratsy  ny vita sinoa aloha fa tsy tafa ilay eo amin'ny 67Ha eh. Mila mba atao manarampenitra ohatran'ny fahita any Europe sy aty USA ohatra.


  2- Mba hisy "median" ilay tsipika fotsy mitohy sy tapataka iny amin'iny arabe teritery sady miholakolaka mankany Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, ...

  Mba entanina sy ampianarina ny mpamily tsy hangalatra ny ampahan-dalana tsy natokana hoazy rehefa mivily amin'ireny fiholanana tsy ifankahitan'ny fiara mifanena ireny.

Firy isan-taona re ny aina voatsimbina raha mba miala amin'ilay fi-coupe-na fiholanana ny mpamily ao Dago e?

Aleo ireo fotsiny aloha fa amin'ny manaraka indray tohizana.

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»