Fandalovana tany Dago - Dec 2006

Nampidirin'i radotiana | 30 Des, 2006

Tafaverina soamatsara aty amin'ny Bekintana indray aloha na dia ranomandry be tsy ifankahitana aza no niandry taty. 

Samy manana ny fahitany ny zava-misy moa fa raha ho ahy manokana dia misy fivoarana be ny fahadiovan'ny renivohitr'i Dago sy ny faritra maro amin'ny ankapobeny. 

Tsy maintsy "shocked" kely foana raha vao mitontona any fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia milamina. Io ilay antsoin'ny olona hoe "reculture shock". Lasa vahiny any amin'ny taninao indray ianao ka gaga mahita izao zavatra lasa tsy mahazatra rehetra izao.

Ilay mikosoka kapoaka rehefa harivariva eo analakely kosa aloha tena tsy tafa mihitsy na dia izany aza eh.

Ireto misy sary vitsivitsy nalaiko tetsy sy teroa tamin'ireo toerana nandehanako.

ANTANANARIVO

 

 

 

Efa misokatra ity by-pass mankany Ambohimangakely ity amin'izao.

Mihamaro ny toeram-ponenana toa tsy d mahasosotra ny mijery azy.

Tsy azo lavina ihany koa anefa fa ny toy izao no mbola iainan'ny gasy maro an'isa ao andrenivohitra.  Faritra akaikin'ny 67 Ha.

Niampy iray ny mpifaninana amin'ny orinasa Orange sy Celtel eo amin'ny sehatry ny fifandraisana amin'ny finday. Mihamora ny vidin'ny finday amin'ny ankapobeny. Io tolotra 49 000 Ariary io no anisan'ny mora indrindra raha tsy diso aho.

Lasa fomba fiteny andavan'andron'ny olona ny hoe " mety be amiko ".

Mihagoavana hatrany ny takelaka dokambarotra toa izay hita eo akaikin'ny Hotel Hilton ity.

Anosy. Azo isaina ireo taxi-be manao ankisisika amin'iny arabe manamorona ny tambohon'ny Sekoly Saint Michel iny no afabela amin'ireto polisy ireto.

Mahasarika ny masoko hatrany ny tao-tranom-piangonana ka dia tsy maintsy mba omena kely ny anjara toerany eto. :-)    Faravohitra

Miverina kely amin'ny zava-misy tsy azo hodian-tsihita.

Andohatapenaka.

Hoan'ireo izay mirevy mamonjy Braderie.

Ndao hikisaka kely hoany BIRA amin'izay.

Milay be eny amin'ny Gara sy ny manodidina azy eny fa mba mandalova any rehefa afaka. Ohatran'izao ny teny Antsena Sabotsy talohan'ny Krismasy.

Tia loko marevaka sady misoratsoratra ny Malagasy amin'ny ankapobeny raha ny fahitako azy.

Tapakevitra tampoka aho mba hijery an'izany MORONDAVA izany fa efa ela loatra no nahenoako ny lazany.

Nandalo an'i Betafo.

 

Maizina tanteraka vao tonga tao Miandrivazo. Nanomboka teto dia gidragidra ny lalana. 120 km natao tao anatin'ny adiny 10 tao anaty aizina. Niteny ny zandary mpisava taratasy tao fa misy andianjiolahy mirongo basy manakana sy mitora-bato ny mpandeha alina manomboka eo Miandrivazo ka hatrany Malaimbandy. Tsy nisy hevitra fa tsy maintsy natsofoka tany anelalenan'ny Taxi-Brousses Minibus efa za-dalana tany ny fiara nentinay.

Raha mieritreritra ny hoany Morondava mandeha fiara aloha dia aleo miandry ny lalana vita fa tena gidraka be.

Nazava ny andro vao tonga tao Malaimbandy.

 

Tsy maintsy ho ny Sinoa angamba no nanao ny lalana tany. Tsotra kokoa noho ilay ao Moramanga ity saingy tena mahatazana tokoa ilay toerana misy azy.

Tsy tody tany amin'ilay "Baobab Alley"  aho fa na dia izany aza mba nahita baobaba ihany teny andalana.

Fotsy be ny tora-pasik'i Morondava

Nandalovana vetivety i Morondava dia namonjy an'i Bira haingana hitodi-doha hianantsimo antsinanana.

Nandalo an'Ambatovaky,  ilay toerana anisan'ny voaala sary matetika raha handeha hoany Ranomafana - Ifanadiana ny vahiny na mpizaha tany.

Niova tampoka ny endriky ny tanana raha vao vita ny arabe.

Tsy mampino fa 30 minitra fotsiny no anaovana an'iny lalana mampitohy an'Alakamisy-Ambohimaha sy Vohiparara iny amin'izao fotoana izao raha adiny roa izy teo aloha.

Ohatran'izao ny lalana mandalo eo amin'ny tananan'i Sahavondronana ankehitriny.

Tsy nety ny saiko raha tsy nandeha kely tany Tsiroanomandidy nialohan'ny niaigako tany Dago tamin'ny herinandro lasa. Efa ela koa no naniriako hijery ny fiovana tany.

Gaga aho fa misy "median" mandritra ny km maromaro ny arabe RN  1  na dia any akodahoda be aza.

Toa mbola ho ela anefa vao ho zatra hanaja azy ireny ny mpamily fiara ao Dago.

Aleo faranana any Tana ny dia sa ahoana?

Sendra nifanontona tamin'ny faradoboka nataon-dRa8 tao Mahamasina ny fandalovako tao Tana ka dia nanao fanahiniana mihitsy aho mba hijery ny zava-misy tao. Namorom-potsy i Mahamasina. Tsinjo teny antsefatsefany teny ihany koa anefa ny Tee shirt mena zarain'i Celtel (madacom taloha) maimaimpoana hoan'ireo izay mividy laharana finday vaovao any aminy.

Tsy afenina fa toran'ny hehy foana aho rehefa maheno ny filoha mikabary amin'ny fampielezan-kevitra na tamin'ny fahitalavitra na ilay tao Mahamasina. Sendra izy tonga tao mantsy aho no tonga tao ihany koa. Faranany amin'ny "eh!" daholo ny zavatra teneniny. Ohatra. "Handeha kely amin'izay aloha izahay eh!" na hoe " 1er tour de vita eh!", ...

Lasa fitenin'ny olona koa ilay manisy "eh!" any amin'ny farany  amin'ny resaka andavan'andro rehefa te hampihomehy izy.

Elaela vao tsapako fa tetika efa maty paika hay ny an'ny filoha mba hahatsapan'ny olona fa tsy misy elanelana firy manasaraka azy amin'ireo sara-babem-bahoaka (tantsaha, ... ary isan'ireo vahoaka niaina teny andalam-be izy).

Aleo faranana amin'izay ary aloha eh!

Vita tompoko!

Ho any amin'ny 666 tokoa ve?

Nampidirin'i radotiana | 3 Nov, 2006
Be loatra ny resaka manodidina an'ilay "RFID tags" taty Etazonia tao ho ao ka dia tsy aritro ny tsy hanokana pejy iray iresahana azy fohy ato amin'ny blaogiko.

RFID = Radio Frequency IDentification


Ohatran'ny tavoahangy tsy miloko mitovivovy habe amin'ny voam-bary izy io. Eo ambanin'ny hoditra eo amin' ny sandry no hametrahana azy.   Tsy hita  ety ivelany hoe mitondra azy io ianao.


Betsaka ny antony namorona an'ity teknolojia iray ity fa vitsivitsy fotsiny no ho tanisaiko:


-  Eo amin'ny sehatry ny fitsaboana aloha no fantatro fa efa nahazoana fankatoavana ny fampiasana azy aty Etazonia.  Azo "scan"-ena io RFID tags io  ary dia mipoitra ho azy avy hatrany ny anaran'ilay marary, ny sokajin'ny rany sy ny fitsabona rehetra efa natao azy tany aloha. Manamora ny asan'ny mpitsabo izy izany.


-  Azo asolo ny fanalahidy koa izy. Ilay hitako tamin'ny fahitalavitra omaly alina ohatra dia mampiseho fa  ahofahofanao manoloana ilay vata kely mpampita ny onja elekronika fotsiny ny tananao dia misokatra hoazy ny varavarana. Tsy mila mitondra fanalahidy etsy sy eroa intsony.  Izay manana  RFID ao anatin'ilay system ihany no mahasokatra ny trano.  (Efa mihitatra any amin'ny fiara, solosaina, sns... )


- Amin'izao fotoana izao moa dia mihevitra ry zareo ao amin'ny http://www.verichipcorp.com/  fa azo asolo ny  "ATM card" (Automatic Teller Machine card) mihitsy ity RFID tag ity. Tsy mila mitondra ireny karatra plastika misy ny logo-n'ny  VISA, MASTERCARD, AMERICAN EXPRESS, DISCOVERY, sns... ireny intsony izany ianao fa ny sandrinao fotsiny no ahofahofanao eo anoloan'ilay ATM dia voamarin'ilay machine avy hatrany fa ianao mihitsy io ary mahazo alalana maka na mapiditra vola eo ianao... Hihena hono ny resaka fisandohana sy ny halatra raha mampiasa an'io daholo ny olona...


 - Tsy vitsy koa anefa ny mpanohitra azy ity:


Anisan'izany ny ireo olona manahy mafy ny amin'ny mety ho fahavotsoran'ny "fahafahan'ny tsirairay". Raha mitondra io RFID tags io daholo tokoa mantsy ny olona dia ho mora amin'ny fanjakana, ny polisy, sns... ny  manaramaso ny olona. Ho fantany hoe taiza ianao, inona no nataonao, sns...


-  Ny tena manaitra  dia ny filazan'ny mpino kristiana fa ho lasa fitaovam-pamoretan'ny devoly ny fampiasana ity teknolojia ity ka hitarika ny fahatanterahan'izay voalaza ao amin'ny:

 Apokalipsy 13: 16-17.
" Ary ny olona rehetra , na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tanany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany."


 Revelations 13:16-17
 "And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads: And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name."

 
Ho tonga any amin'ny isan'ny bibidia "666" tokoa ve ity RFID tag ity?

BANKSY mampisaina

Nampidirin'i radotiana | 24 Okt, 2006

Tsy aritro ka dia naleoko nanokanana pejy iray ato amin'ny blaogiko ity "Guerrilla Street Artist" iray ity. Asa na efa mba henonao fa misy an'izay magazine malaza antsoina hoe Esquire izay aty Etazonia. Tapakevitra ry zareo ary fa hanome ny anaram-boninahitra " artist of the year " an'i BANKSY.  Ireny olona mpanoratsoratra sy mpanao sary amin'ny rindrina amin'ny "spray paint" ireny izy io. Any Angletera izy no mipetraka.

Ny tena olana dia tsy misy mahalala hoe iza marina ity Banksy ity fa ny asa-tanany mipetraka eny amin'ny rindrin'olona no ahafantarana fa nandalo teo izy.

Nisy fotoana aza moa dia afaka nametraka ny sangan'asany tao amin'ny rindrin'ny British Museum any Angletera ny tenany.

Sary mainty sy fotsy mampiasa stencil (Ireo mpanao soratra apetraka amin'ny fiara, toeram-pivarotana, sns... any Madagasikara no mpampiasa ity teknika efa ela dia ela ity) no tena ahafantarana azy.

Mampita hafatra ny sangan'asany. Tsy any Angletera ihany fa hatrany  amin'ny rindrim-be  manasaraka an'i Palestina sy Israely.

Ireto misy sangan'asany vitsivitsy:


In June 2006, Banksy stencilled an image of a naked man hanging out of a bedroom window on a wall in central Bristol, England. The image sparked some controversy, with the Bristol City Council leaving it up to the public to decide whether it should stay or go. After an internet discussion in which 97% (all but 6 people) supported the stencil, the city council decided it would be left on the building

In August, 2005, Banksy painted 9 images on the Palestinian side of the Israeli West Bank barrier, including an image of a ladder going up and over the wall and an image of children digging a hole through the wall.


BANKSY OF ENGLAND

 

(from Wikipedia): “Banksy (born 1974) is a prolific graffiti artist from Bristol, UK, whose artwork has appeared throughout London and other locations around the world… His original street art form, which combines graffiti with a distinctive stenciling technique, has achieved a certain underground notoriety and widespread coverage in the mainstream media. Despite this attention, he carefully manages to keep his real identity hidden.

Source: http://www.esquire.com/features/articles/2005/060612_mfe_December_05_Banksy_1.html

Vita tompoko.

NASA - tohatra hoany andanitra!

Nampidirin'i radotiana | 20 Okt, 2006

Ohatran'ny hoe mampihomehy ny mieritreritra an'ity tetikasa feno ambom-po ketrehin'ny ao amin'ny NASA ity kanefa dia hita fa tena tapakevitra ry zareo. Vaovao nampitain' radio BBC androany hariva no nahenoko azy ity.

Tanjona: Hanamboatra tohatra hiakarana any andanitra.

 

Satria nahoana: Lafo loatra ny vola lanin'ny NASA amin'ny fandefasana ireo "rockets" manosika ireo sambon-danitra hiakatra any ambony tsy taka-maso any.

Fomba hanatanterahana azy: Mandefa satelita hitsingevaeva any amin'ny 37007 km any ambony any aloha. Asiana tady mafonja nefa maivana midina avy any rehefa avy eo hipaka ety ambonin'ny tany. Robot amin'izay no mitondra ny olona sy ny entana miakatra sy midina.

Rahoviana: Ny 2010 no mifarana ilay fifaninanana. Ho hita eo indray izany izay daty manaraka. 

Dingana vita: Mbola eo ampisafidianana izay teknolojia sy fitaovana hampiasaina ny NASA amin'izao fotoana izao. Mampanao fifaninanana hoan'ireo orinasa sy  mpikaroka siantifika liana amin'ity sehatra iray ity izy anio Zoma 20 Oct. Any amin'ny tany ngazan'i New Mexico no hanatanterahana io fifaninanana io. Mitotaly $400.000 ny loka ho zaraina.

Notsotsoriko ny resaka amin'ny teny gasy fa izay liana  te hahafantatra ny antsipirihiny dia afaka mamaky etsy ambany.

 

Nasa hopes to catch an elevator to space

US scientists compete to find technology that could replace costly rockets

Robin McKie, science editor

Sunday September 3, 2006
The Observer


 

In a few weeks, scientists from across the world will gather in the New Mexico desert to compete for one of the strangest - and most ambitious - technological competitions ever devised.
Some researchers will unveil robots, powered by solar panels, that will climb long lengths of cable. Others will demonstrate materials so light and strong that mile-long stretches of the stuff could be hung in the air without snapping. And some will highlight their plans to launch satellites carrying sets of mini-probes tethered together, to discover how they behave in space.
All these different projects are united by one extraordinary goal: to build a stairway to heaven. Each of the groups that will gather in New Mexico is competing to win a Nasa prize set up to encourage entrepreneurs to start development work on the technology needed to create a space elevator. Such a device would involve constructing a 23,000-mile cable that could pull men and goods into orbit without blasting them there on top of expensive, and dangerous, rockets.


'I think there are going to be lots of people that rise to this challenge,' said Michael Laine, president of the Washington-based company LiftPort, which will take part in the competition. 'We're at the beginning of something really great.'


The key feature of a space elevator would be the use of a satellite that will orbit almost 23,000 miles above Earth. At this altitude, known as geostationary orbit, the orbital period of a satellite moving around the globe matches Earth's rotation. The craft then hovers over a single spot on the equator.


However, a space elevator would have one extra key feature: a massive cable would be lowered from it to link it to the ground where it would remain fixed, like a tube line to the stars.
It sounds like science fiction. And indeed for the past 30 years that is how most people have viewed the concept of a space elevator, after the idea - originally put forward by the Russian scientist Yuri Artsutanov in 1960 - was made famous by Arthur C Clarke in his 1978 novel, The Fountains of Paradise. At the time the book's ideas were praised for their soundness, though scientists noted that the incredibly strong materials needed to build a space elevator were well beyond the technology of the day.


But science has made enormous advances since 1978, particularly in the development of incredibly light but strong substances that could be used to construct the space elevator cable. In particular, the development of carbon nanotubes - made of highly robust webs of carbon atoms - have raised the promise that a space elevator may one day become reality.


And for Nasa that cannot come a moment too soon. Despite decades of putting rockets into space, the agency has never managed to make any real reductions in launch costs in that time. Hence its decision to back a competition to stimulate space elevator technology. 'With a space elevator, Nasa could build probes that they weren't able to do before; they could do new research on different applications of the space elevator,' said Bradley Edwards, an entrepreneur who played a key role in helping to set up the space elevator competition.


Several US companies and groups of university researchers, plus Canadian, German and Spanish scientists, have promised to bring their devices and put them through their paces at next month's space elevator competition. Prizes will be worth more than $400,000 in total, including one for a robot that will have to climb a 60-metre cable powered only by photovoltaic cells, and another for the creation of tether lighter and stronger than those made of materials now available commercially.


It promises to be a close-run thing. As New Scientist magazine reported last week, the best performing robot last year managed an ascent of only 12 metres up a cable before it stalled, while no material came close to meeting the standards needed for building a space elevator. In short, we may have to wait a little bit longer than anticipated to build that stairway to heaven.
Sources:

 http://observer.guardian.co.uk/world/story/0,,1863755,00.html

http://www.spaceelevator.com/

Vita tompoko.

Hifindra monina aty Etazonia

Nampidirin'i radotiana | 4 Okt, 2006

Mety samy hanana ny handikany azy ny olona mamaky an'ity post-ko androany ity fa na dia izany aza dia harosoko ihany.

Nisokatra androany 4 Octobre 2006 ary mifarana ny 3 Decembre 2006 ny fandraisana anjara amin'ilay famelana ny olona hifindra monina tanteraka aty Etazonia. Diversity lottery no anarany ka ny hoan'ny taona 2008 no raisina amin'izao.(DV2008)

Tsy izay rehetra mandray anjara anefa dia ho voaray daholo satria rindranasa amin'ny solosaina no asaina mifidy amin'ny kisendrasendra ny anaran'ny olona hofidina.  Voafetra arakaraky ny firenena iaviany ny isan'ny olona raisina. Azonareo tadiavina ao amin'ny internet ao hoe firy ny Malagasy nahazo an'io tamin'ny taona lasa. 

Tsy andoavam-bola na dia irambilanja aza.  Be dia be mantsy ireo olona na orinasa manararaotra sady manambaka vahoaka amin'izy ity.

Ny tena mahasarotra azy fotsiny dia tsy maintsy ianao tenany ihany no miantoka ny sarandalanao mandeha aty Etazonia raha voafidy ianao. Tsy maintsy misy olona efa mipetraka aty Etazonia, (fianankaviana, namana, ...) miantoka anao mba tsy ho vesatra hoan'ny fitondrana amerikana ianao amin'ny fotoana ahatongavanao aty.

Izaho aloha tsy afaka miantoka fa aleo tonga dia mibaradaka aty amboalohany. Sao d singanin'ny vintana eo d hoe ao mba amboary any aho ry "Rado" :-))

Ato ny toerana hakana ny toro hevitra rehetra. Mila mahay mamaky teny anglisy.

http://travel.state.gov/visa/immigrants/types/types_1318.html

GOOD LUCK!

Vita tompoko.

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»