Mahay mitady vola ny olona!
Nampidirin'i radotiana | 8 Sep, 2006
Fetin'ny "Labor day" moa taty amin'ny bekintana tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Nitohy hatramin'ny Alatsinainy teo ilay izy dia mba nandeha nihodikondina tany rehetra tany izahay. Nisy ramatoa izay ary tonga dia nanao be fiavy be nanatona ahy sady nilaza hoe " Smile, God loves you", " (Mifalia/mitsikia, Tia anao Andriamanitra" sady namoaka auto collant (sticker) misy an'io soratra io izy. Nanolotra karatra plastika fotsy misy ny momba momba azy sy ny vadiny ahy koa izy nony avy eo.
Nony tonga taty antrano dia nalaim-panahy aho hijery hoe inona marina no zavatra voizin'iny ramatoa iny dia nandeha tamin'ilay tranokala www.blessitt.com voasoratra tao anatin'ilay karatra nomeny ahy. Resaka fivavahana moa izany no tao mazava ho azy fa ny tena nanaitra ahy dia nisy rohy (link) iray izay tao nilaza fa handefa hazofijaliana hihodidina ny planeta tany any ambony tsy taka-maso any hono ry zareo (Launch of the Cross in Space). Notsindriko ilay rohy dia iny aho no lasa tafa-findra tany amin'ilay tranokala hoe azo anarahana ny fandefasana an'ilay hazofijaliana
http://www.memorialspaceflight.com/

Ireto toerana efatra amin'ny sary etsy ambany no aroson'izy ireo handehanana. Arakaky ny halavirana sy ny lanjan'ilay lavenona halefa ny halafony. Manomboka eo amin'ny $495 (1.054.092,6 Ariary) ka hatramin'ny $12500 (26.618.500 Ariary) eo izany ny saran-dalana.

Ny tena mahavariana dia ny fisian'ny olona marivo salosana mety ho tangosana. Be tokoa angamba ny vola ka tsy hita intsony izay hanaovana azy. Sa efa blasés ka mila zavatra hisarangotana hanamarihina ny fisian'ny tena.
Nampidirin'i Su 09 Sep 2006, 18:57Asa tokoa ry Su fa variana amin'ny zavatra tena andanian'ny olona sasany vola aho. Ny vazaha amerloky moa no manodidina ahy isan'andro eto. Zavatra tsy ampoizinao izany no tena manan-danja goavana be amin-dry zareo. Ny mpandoka ny zavatra hamidiny koa etsy andaniny tena gaigy lahy fa hainy mihitsy ny maka ny fon'ny mpanjifa.
Nampidirin'i Rado 10 Sep 2006, 07:06Efa mivoana ilay finoana e! Tsy mahandry ny andro zoma tahaka ny akoho, te hiakatra alohan'ny fitsarana any an-danitra fa manantena ny tanjaky ny fandrosoana.
Nampidirin'i Lati 12 Sep 2006, 19:19Tsy ny Malagasy ihany kay no mora babon'ny marketing.
Ny an'ilay bizna indray anie ry Lati tsy hoe misy resaka idiran'ny finoana raha ny fahitako azy e. Efa ataony mazava tsara ny azy ny antony heveriny fa tokony hampiasanao ny services-ny. Hoy mantsy ny voalaza ao:
" Leaving Earth to touch the cosmos is an experience few have ever known, but many have often dreamed of. Space Services makes it possible to honor the dream and memory of your departed loved one by launching a symbolic portion of cremated remains into Earth orbit, onto the lunar surface or into deep space."
Fanatanterahana izay mety ho nofinofin'ireo efa lasan-korazana no itondrany azy na koa hoe ho mari-pahatsiarovana ireo efa maty. Na izany aza anefa mihitatra foana ilay izy ka mety ho tonga amin'ilay resaka finoana lazainao ihany. Misaotra an'i Lati tonga nitsidika.
Nampidirin'i Rado 14 Sep 2006, 00:28