Ho any amin'ny 666 tokoa ve?
Nampidirin'i radotiana | 3 Nov, 2006RFID = Radio Frequency IDentification
Ohatran'ny tavoahangy tsy miloko mitovivovy habe amin'ny voam-bary izy io. Eo ambanin'ny hoditra eo amin' ny sandry no hametrahana azy. Tsy hita ety ivelany hoe mitondra azy io ianao.

Betsaka ny antony namorona an'ity teknolojia iray ity fa vitsivitsy fotsiny no ho tanisaiko:
- Eo amin'ny sehatry ny fitsaboana aloha no fantatro fa efa nahazoana fankatoavana ny fampiasana azy aty Etazonia. Azo "scan"-ena io RFID tags io ary dia mipoitra ho azy avy hatrany ny anaran'ilay marary, ny sokajin'ny rany sy ny fitsabona rehetra efa natao azy tany aloha. Manamora ny asan'ny mpitsabo izy izany.
- Azo asolo ny fanalahidy koa izy. Ilay hitako tamin'ny fahitalavitra omaly alina ohatra dia mampiseho fa ahofahofanao manoloana ilay vata kely mpampita ny onja elekronika fotsiny ny tananao dia misokatra hoazy ny varavarana. Tsy mila mitondra fanalahidy etsy sy eroa intsony. Izay manana RFID ao anatin'ilay system ihany no mahasokatra ny trano. (Efa mihitatra any amin'ny fiara, solosaina, sns... )
- Amin'izao fotoana izao moa dia mihevitra ry zareo ao amin'ny http://www.verichipcorp.com/ fa azo asolo ny "ATM card" (Automatic Teller Machine card) mihitsy ity RFID tag ity. Tsy mila mitondra ireny karatra plastika misy ny logo-n'ny VISA, MASTERCARD, AMERICAN EXPRESS, DISCOVERY, sns... ireny intsony izany ianao fa ny sandrinao fotsiny no ahofahofanao eo anoloan'ilay ATM dia voamarin'ilay machine avy hatrany fa ianao mihitsy io ary mahazo alalana maka na mapiditra vola eo ianao... Hihena hono ny resaka fisandohana sy ny halatra raha mampiasa an'io daholo ny olona...
- Tsy vitsy koa anefa ny mpanohitra azy ity:
Anisan'izany ny ireo olona manahy mafy ny amin'ny mety ho fahavotsoran'ny "fahafahan'ny tsirairay". Raha mitondra io RFID tags io daholo tokoa mantsy ny olona dia ho mora amin'ny fanjakana, ny polisy, sns... ny manaramaso ny olona. Ho fantany hoe taiza ianao, inona no nataonao, sns...
- Ny tena manaitra dia ny filazan'ny mpino kristiana fa ho lasa fitaovam-pamoretan'ny devoly ny fampiasana ity teknolojia ity ka hitarika ny fahatanterahan'izay voalaza ao amin'ny:
Apokalipsy 13: 16-17.
" Ary ny olona rehetra , na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tanany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany."
Revelations 13:16-17
"And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads: And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name."
Ho tonga any amin'ny isan'ny bibidia "666" tokoa ve ity RFID tag ity?
vakio left behind series fa hahita zavatra mahavariana be tokoa ianao momba io.
Nampidirin'i dailynews 03 Nov 2006, 04:14Efa namaky an'iny koa aho kah fa misaotra na d izany aza.
Nampidirin'i Rado 03 Nov 2006, 05:00Tsy sasatra mihitsy aho miteny hoe tsy any amin'ny teknolojia no idiran'ny 666. Ilay fanaraha-maso kosa aloha dia azo atao tsara raha ny fahitako azy amin'izao sy ny teknolojia mandroso fatratra.
Nampidirin'i jentilisa 03 Nov 2006, 12:01Samy mamoaka ny heviny tokoa ary samy tsy misy afaka mihizingizina amin'ny fahamarinan'ny azy raha io resaka 666 io fa dia ho hitantsika eo ny tohiny hoy ny fiteny fa ny aina no mateza. Tatitra no nataoko eto fa tsy famoahana ny fironanana atsy na aroa. Mazotoa
Nampidirin'i Rado 03 Nov 2006, 14:24tsy haiko raha novakianao izy rehetra fa jereo ange ilay hoe The mark e. tohin ilay left behind ihany. raha efa novakianao moa izany izy rehetra dia tsara be. tsy misy fisaorana fa ianao no isaorana fa interessant be ilay izy.
amiko dia efa akaiky be ny "rapture" ny dikan io.
Nampidirin'i dailynews 03 Nov 2006, 21:47rapture=> fahatongavan i Jesoa eny amin ny rahona haka ny fiangonana amin ny fotoana tsy ampoizina, ilay hoe ho tonga toy ny mpangalatra aho sns......inona indray izany hoy ny maro...aleo aho tsy hanazava azy. raha tsy izany hariva be eto isika fa manaova ange devoara e tadiavo manokana ny dikany. tsy haiko izy amin ny teny frantsay.
Hanisany hitondra fahamorana ny fianana marina io RFID io. Raha eo amin'ny resaka varotra no jerena dia hosolo ny code barre izy io.
Nampidirin'i Voromailala 04 Nov 2006, 23:21Indray andro any ianao miditra ao amin'ny supermarché iray dia mameno caddie, dia mandalo fivoahana misy mpamaky RFID, mety hoe 3 segondra monja dia mivoaka eo hoe 150 euros ny tsenanao...
Eo no mipetraka ny fanontaniana ry Voromailala hoe hatraiza no itiavanao ny fanjakana na ny compania hafa hiditra lalina (privacy) ny momba ny fiainanao. Amiko tokoa mantsy raha mitranga izay dia mifarana hatreo ny liberte fa dia vozanaka amin'ny fomba hafa aho zay atahorako tokoa. Mety manamora tokoa ny varotra izany sady manamora ireo te hitsentsitra ny volanao saingy amin'ny tombotsoantsika mpanjifa ve izay. Avy amin'io chips io daholo de fantany na ny tooth paste tianao ampiasaina, mbamin'ny zavatra madinika indrindra tsy tianao zaraina amin'olona fa mba anao irery no mahalala azy.
Nampidirin'i soanja 05 Nov 2006, 02:36Miankina tokoa amin'ny tsirairay ny hijerena azy io. Misaotra an'i Rasdo nizara.
Za zareo dia mitovy hevitra @ i dailynews sy soanja a! Vao androany za no nahare an'io resaka RFID io, nefa raha izao fanazavanareo azy izao de tô ho io tokoa no hitarika ny 666.
Tena mifanaraka @'le faminaniana ao @ baiboly mantsy le zavatra.
jentilisa > fa resaka inona ary le 666 e ?
Nampidirin'i Tokinao 10 Nov 2006, 02:33Efa ela ihany ty article-ny lah ity ry Rado , nefa androany aho vao namaky azy ary dia liana tokoa satria , tsy ampy herin'andro aho no namaky an'ity http://www.av1611.org/666/opinion.html .
Ataoko hoe 75% ny hevitra ao dia manohana an'io "théorie" io daholo , ka asa angaha...
Aleo mailo e! Sa tsy zany
Nampidirin'i maimaimpoana 02 Mar 2007, 18:41