Gasigasy
Nampidirin'i radotiana | 1 Feb, 2007Nanao lava tongotra/kodiarana tany California tany d izao indray vao tafaverina eto amin'ny tanàna.
Tapakevitra tampoka ny hanome endrika gasigasy ny takelaka aho androany ka dia io hitanareo nosoloina tamboho ntaolo gasy io ilay sary teo aloha. Teo akaikin'ilay fasana misy soratra hoe 1896 eny Andraisoro, Antananarivo no nangalako ny sary. Manontany tena aho hoe mety hitovitovy taona amin'io fasana io koa ve izany ity tamboho ity?
Misaotra an'i Pissoa tamin'ny sopapa.
Ity misy voan-dalana tany ampandehandehanana tany. Mampatsiahy ahy ilay hiran'i Tovo'Jhay manao hoe "...masoandro mody malefaka eh..."
Tany Huntington Beach, California no nangalana ny sary.

tsara le sary tamboho :) . ilay sary "masoandro mody" koa. Fa raha io zao no avy tany Mkara dia vao mainka tsara kokoa, sady mampanembona kokoa hihihi
Nampidirin'i Tokinao 01 Feb 2007, 03:21misaotra e :)
Misaotra ry Tokinao ah. Marina mihitsy ny anao fa raha io no tany Jangila d tena tsy haiko intsony no filaza azy. Mety ho tonga daholo izao karazan'embona rehetra izao. Hihihi.
Nampidirin'i Rado 01 Feb 2007, 03:29tena izay mihitsy :). Mampahatsiaro ahy ny moron-tsiraka efa hitako koa izy io. Tsaroako ery le mandeha ambony fasika harivariva. ( alina tokoa izao anoratako izao ka entin'ny nofinofy za :) :) )
Nampidirin'i Tokinao 01 Feb 2007, 06:00Io ilay harivariva mahatsara vahiny ry Tokinao ah. Aza mba sendra azy antanin'olona ihany fa miteny irery eh.
Nampidirin'i Rado 01 Feb 2007, 07:11Toa tsy hampino kosa raha mitovy taona amin'ilay fasana ilay tamboho eny Andraisoro ka. Asa nefa.
Mampatsiaro ampahany amin'ilay tononkalon'i Ny Avana Ramanantoanina (raha tsy diso aho) ilay sary tany California ...
Nampidirin'i pissoa 01 Feb 2007, 11:12Izay tsy ho manina hoy aho mandainga
Fa olon-te hody ka te hanainga.
Ahoana no fanao an'io lohateny io fa mahaliana anay e!
Nampidirin'i jentilisa 01 Feb 2007, 11:35Vorona mitady fodiana ve ireo ry Rado sa ny masoko no jamben'ny hanina ny tanindrazana ka mahita ny tsy hita.
Nampidirin'i soanja 01 Feb 2007, 12:28Misaotra indrindra nizara o. Soanja.
Misaotra Rado ah!
Sady tongasoa koa..
Tokinao: nanaona ny nofy? blaogiavo..haha
Mampanembona tokoa ilay sary..eeehh..
Fa ahoana aloha manova ilay sary zay koa mba meo sopapa e...
Nampidirin'i kitjo 01 Feb 2007, 18:30