Tutorial- Fanovana sary (Header) eto @ blaogy.com
Nampidirin'i radotiana | 2 Feb, 2007Araka ny fangatahan'ny namana sasany dia aleo omena tsotsotra eto ireo dingana arahina hanovana ny sary eo amin'ireo "endrika" ampiasaintsika eto amin'ny blaogy.com.
Fitaovana ilaina:
1- Ny sary tinao hapetraka
2- Adobe Photoshop na mampiasà ny Cellsea
3- Toerana ametrahanao ny sary online. Ohatra: http://www.geocities.com raha manana kaonty ao amin'ny yahoo ianao.
Dingana voalohany
Ho ahy dia ny endrika Kubrick no ampiasaiko.
1- Sokafy ny blaoginao (oh: anarana.blaogy.com)
- Manaova "right click" eo ambonin'ilay sary tinao hovana.
- Save as (tehirizo amin'izay tinao hasiana azy ilay kubrickheader.jpg)
Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana faharoa
Raha mampiasa Adobe Photoshop na photo editor hafa ianao dia azonao jerena ny haben'io sary io.
Image --> Image Size

Dingana Fahatelo
Sokafy ny sary tinao hampiasaina ary akelezo hitovy habe amin'io faritra miloko manga eo amin'ilay Kubrickheader.jpg. Tokony ho kely noho ny 760 pixels izany ohatra ny "width" ary latsaky ny 200 pixels ny "height". (Ny fanovana ho zoro dombo ny sisiny efatra moa mbola tutorial hafa indray iny.)
- Hetezo (Cut) ilay sary tinao ampiasaina ary Apetaho "Paste" eo ambonin'ilay faritra miloko manga. Toy izao ny sary tokony ho azonao:

Dingana fahaefatra
1- Omeo anarana vaovao ilay sary avy namboarina.
2- Asio izay soratra tinao hapetraka eo.

3- Aza adino ny mitahiry ny fanovana farany nataonao (Save)
Dingana fahadimy
Ampiakaro any amin'izay toerana tinao ametrahanao azy online ilay sary vaovao.
Ohatra:
- Ndeha ataontsika hoe rakoto no anaranao (username),
- mampiasa ny www.geocities.com ianao itehirizanao sary ao amin'ny internet.
- tambohogasyheader.jpg no anaran'ilay sary vao avy namboarina.
Tokony ho toy izao izany ny adiresy hampiasainao eo amin'ny dingana fahaenina.
http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg
Dingana fahaenina
1-Midira ato amin'ny blaogy.com-nao. (log in), rehefa tafiditra ao anatiny dia,
2- Mankanesa ao amin'ny réglages --> Fanovana CSS
3- Apetaho (copy --> paste) eo amin'ilay Fanovana CSS ireto code ireto.
#header { background: url(http://www.geocities.com/rakoto/tambohogasyheader.jpg) no-repeat center center;
border: none;
}
4- Ilay soratra ao anaty fonosana (...) ihany no ovana hifanaraka amin'izay adiresy misy ny sary vao avy namboarinao.
Raha endrika "Kubrick" no nampiasainao dia ampio an'ireto code ireto mba tsy hisehoan'ilay anaran'ny blaoginao indroa.
h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;}
5- Tehirizo.
VITA TOMPOKO.
Raha misy manahirana hafa dia azo anontaniana an'i Hery na i Pissoa angamba sa ahoana?
Misaotra betsaka Rado fa za zany mila maka bahana tsara mihitsy aloha hanao an'io..hihihihi
otrin ecolagen ilay tutorial? haha
Misaotra e...aleo aloha handramana
Nampidirin'i kitjo 02 Feb 2007, 19:30Aleo aloha ho sedraina eto raha mazava io tutorial io na maizina. Hihihi.
Arotsahy any amin'i Hery ho fanohanana ny blaogy.com ny ecolage eh. Sa ahoana ry Hery?
Nampidirin'i Rado 02 Feb 2007, 19:39Tena milay e. Merci Rado an.
Nampidirin'i hery 02 Feb 2007, 20:09nety daholo ilay izy ry Rado
Nampidirin'i kitjo 03 Feb 2007, 11:18fa eo @ ilay
3 @ dingana fahaenina farany aho no nikatso..
Azonao hazavaina kokoa ve ilay anaty ( )..?
Azafady e!
Mila miditra ao anatin'ny blaoginao ianao Kitjo a.
- Log in --> Password
- Click-evo ilay hoe reglages --> Fanovana CSS
- Copy-evo io code miantomboka eo amin'ny #header...mandrapahatonga eo amin'ny ...{font-size : 0px;}
Ity ihany no mila ovainao:
anarana= kitjo
tambohogasyheader.jpg= anaran'ny sarinao
(http://anarana.blaogy.com/tambohogasyheader.jpg)
Nampidirin'i Rado 03 Feb 2007, 13:08Mety diso angamba ny filazako teo fa aleo ahitsy haingana. Hihihi
Ny adiresy (path) misy an'ilay sary namboarinao ho "header.jpg" no mila apetraka eo mba ahafahana misintona azy.
Ohatra hoe: http://geocities.com/kitjo/header.jpg
Nampidirin'i Rado 03 Feb 2007, 13:40d'akor
aleo ary aloha andramako indray
merci an
Nampidirin'i kitjo 03 Feb 2007, 14:42Misaotra indrindra amin'ny fanazavana e! izaho manko anisan'ny nangataka ilay fomba fanaovana azy!
Nampidirin'i jentilisa 03 Feb 2007, 20:01Ouufff...
Nampidirin'i kitjo 04 Feb 2007, 00:08Nety ihany!
Misaotra ny mpanoro rehetra e..nisy nanohana akaiky mitsy manko tao ambadika tao fa saika tsy tafavoaka za..hihihi
mba fanandramana fts aloha ny ahy fa mbola tsy mahita sary atao!!!
Congrats Kitjo ah.
Mba lazao eto hoe inona tamin'ilay dingana faha enina no tena maizina taminao mba hanitsiana izay tsy mety.
Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 02:02Misaotra ooo
Ilay apetraka anaty ( ) natoronao io k!
zany hoe t@ voalohany tsy haiko tsara oe inona marina no atao ao sayd misy an le h h1 sns reo
angamba mahatsotra az tokony ampianao fts oe:
Nampidirin'i kitjo 04 Feb 2007, 02:33ilay http sns adiresy online nametrahana ilay sary fts no adika natain' ilay ( )
d esorina le oe h1, h1 a, h1 a:hover, h1 a:visited{font-size : 0px;} ireo....sa??
Raha tsy manana toerana ametrahana ilay sary vao avy namboarina ianao dia mankanesa ao amin'ny http://geocities.com dia manokafa kaonty ao. Ilay "bojo" (free) no ampiasao. Raha efa manana kaonty ao amin'ny Yahoo moa ianao dia tsy mila manokatra vaovao intsony fa iray ihany tsinona ny geocities.com sy ny Yahoo.com.
Izay adiresy misy an'ilay sary tafakatra (uploaded) any amin'ny internet no apetraka ao anaty fonosana ao amin'ny dingana fahaenina. Raha vao misy diso io na litera iray aza dia tsy miseho ilay sary vaovao.
Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 06:50H@ izao aloha dia ny http://imageshack.us/ no hitako mora indrindra..
mbola ts nnandrana le geocities aloha za e!
fa @io ts mila mi log in sns..
ra io no asiana ilay sary dia aza adino fts manova le izy mba tsy hisy "resizing"
Nampidirin'i kitjo 04 Feb 2007, 19:57Ohatra fotsiny ny ahy ilay geocities.com ery ambony fa anisan'ny tsara sady mora ampiasaina tokoa ny http://imageshack.us naroson'i Kitjo. Misaotra an'i Kitjo nizara.
Nampidirin'i Rado 04 Feb 2007, 20:04six eh
Nampidirin'i sitlo 18 Mar 2007, 01:42Ny ahy endrika "forange" dia ity no miasa aminy:
Nampidirin'i sitlo 22 Mar 2007, 08:08#header h1 a{
font-size:0em;
color: #0000FF;
}
Ilay 0000FF dia code de couleur manga be satria manga ny ahy fa ovao arakaraka ny loko miasa aminao. Kaody RGB (red-green-blue) io, 0000ff dia midika Red=0, green=0, blue=255 :wink: