Fitenin-jatovo
Nampidirin'i radotiana | 11 Feb, 2007" Ka raha tsy kobon'là le kôzy, dia istawaka lesy ry bainina ah!"
Anisan'ireo tia ny teny gasy madio sady marina ara-tsipelina aho ary izany indrindra no namoahako teto ilay resaka fifaninanana soratonon'2007 hatao any Frantsa atsy ho atsy. Tsy azo amaivanina koa anefa ny fisian'ny fitenin-jatovo izay ampiasain'ny maro amin'ny fiainany andavan'andro.
Sendra nandalo ny masoko ity lahatsoratra nivoaka tamin'ny gazety Midi Madagasikara (Nivoaka ny 13 Desambra 2006 - Laharana 7104, pejy 21) ity ka tiako mba ho zaraina amin'ireo izay liana.
Ampahany ihany ireo ary misy ny efa hatry ny ela no nampiasana azy. Misy ihany koa anefa ireo teny vaovao tanteraka raha ho ahy manokana.
Aleo ho raketina hatrany hahitana ny fivoarany.

Ohatran'ny tsy mety mivoaka tsara ilay soratra fa aleo adikako vetivety eto ilay lisitra:
Analagame: Analakely
Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 08:51B-Tax: Taxi Be
Bajô, Jôba: Sipa (vehivavy)
Bâko: Mividy
Barakay: Mandeha
Berlin : Behoririka
Bexa: Labiera
Bikina: Bevohoka
Bolao: Lainga
Bira: Antsirabe
Clou: Ariary zato
Dezaka: Lavitra
Dizina: Mamo
Fôkasy: Hadalàna, Famitahana,...
Kala iray: Roanjato
Kala be: Manam-bola
Katry: Mamo
Kefona: Sakafo
Kobo: Fantatra, Azo, Tratra
Koaitra: Mpivarotena
Kôfa: bandy (lehilahy)
Kôpy: Mahazo (Teny anglisy " Cope")
Gala: Arivo Ariary
Goal: Resevera (mpanampy ny mpamily)
Glom: Gitara
Gretra: Manao karatra
Ikina: Voky be
Mafy daka: Sigara mahery be
Mamba: tia loatra
Makafoka: Mbola reraky ny alina, na avy nisotro
Mibaradaka: milaza ny afenina
Mijajika: Tsara, vaovao
Mitsatsaka: Matahotra
Milay: Mahafinaritra, tsara
Mirôzy: Mandehandeha
ôsika, Pra: Polisy,
Oainina: Afa-baraka
Pakta: Manambola
Parotsa: Vola
Pikla: Taxi
Poinsa: Mety, ao tsara
Py: Toaka
Tafa: Mety, afaka
Traingo: Tratra amin'ny zavatra afenina.
Sahorika: Savoritaka
Vam: Fiara
Vozongo, ngozo: Vazaha
Misaotra tompoko! Tena miasa @ piesiko mintsy 'reo ;-)
Nampidirin'i Mirana 11 Feb 2007, 10:39Tohizo ny lisitra ry Mirana ah.
Poivra: Vola vahiny - Dolara
Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 10:51Mibontsina: Bevohoka
Amboarina: ambakaina, vonoina,... vizanina
Toa mbola tsisy J ato fa aleo hasiako iray e hihi
Nampidirin'i Mirana 11 Feb 2007, 11:23Jojopila: Vaovao (zavatra vaovao) @ manaraka indray manampy hafa fa za kou ange mbola tsy maharaka an'ity kozy ty e!
ity koa tenin-jatovo vaovao ry rado :
Nampidirin'i bilakarenjy 11 Feb 2007, 13:36vazaha :ray aman-dreny
vazaha lahy : dada na papa na baina
vazaha vavy : neny na mama na bofy
jereo eto betsaka ao ;)
Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 15:08solafa==manampy any antrano :)
Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 15:08oops, mpanampy no tiako tenenina fa adino le "p"
sady te hampitombo ny coms eto ;-)
Nampidirin'i simplex 11 Feb 2007, 15:09tena @ le "ouais" = mijajika = milay = tsara be
Nampidirin'i Tokinao 11 Feb 2007, 18:15sabnam = sabotsy namehana
six sept = 67hectares
entana be = vehivavy be fitombenana :)
ny M. de izao e = ny marina dia izao e!
K'aôna ny P. e!? = ka ahoana ny prôgrama e!?
Misy S. any!? = misy sôsy (vola) any ?!!
gala = arivo ariary ( ny fidirana @'ireny gala evangelique ireny hono mantsy taloha 1000ariary na 5000fmg matetika )
komany be = ngeza be ( comme un boeuf )
bônôkany = bonne occasion
Fianakams = fianakaviana
k'aiza k'aiza = manao ahoana tompoko :) :) :) :) :)
Nampidirin'i Tokinao 11 Feb 2007, 18:17hahahha
mampiomehy sady mahaliana ahy ty resakao ty ry Rado..
nde hotohizana ary e!
mampma= tsy tadidiko izy io na "mampiomehy" na "mampalahelo"..hahaha..nea mifanohitra mitsy
ramaria= noana
kali = joba = sipa= vehivavy
kombaka= ady
rasoerina= masiaka
kva= alika
kisoa= pra= polisy
mi-12 na mi-douze= rehefa milahatra sigara..hahaha
be taimbaka= be taim-bava= be vava..grrrrr
misy excedent= be entana= vehivavy be vody..haha..ny ankizilahy aty mpiteny an' io ka tsy haiko ny anyDago raha miteny io "excedent" io koa
krizy= tezitra
tsisy S= avy @ hoe tsisy $= tsisy sosy= tsisy vola
serana= noana - tsisy vola- vizaka
beka= bisikileta
tara masinina= tsy kopy - tsy maharaka
game over= vita! na ohatra oh le oe tsy tafa na tsy poinsa
Zandrinay no reko niteny an'io fa tsy mbola nahare olon-kafa aloha za any Dago
Andeha hivoaka zay dia hoy izy hoe :"za tsy handeha fa game over amin' izany ny voloko"
zay aloha fa aleo ho an' ny hafa ndray
Mahatsiaro tena ho antitra mitsy aho marina!!!
Nampidirin'i kitjo 11 Feb 2007, 19:17kovindro : alika
kôdy|kôksa, Koaitra: mpandeha mafy be, mpitrifana(Bira)
frou (frotsaka): vola
mams : paraky
sôra : sigara
dasika : atory (dodo)
bikina: bevohoka, ,mibontsina
gli: jokotra, maty, vizana
nofa, fopla: ratsy, tsy milay
miklapy : mandeha an-tongotra
miramala : mandeha mafy
fango : noana be
ramaka : noana
silaka : vasoka
Misambadidaka=mikorotana
mandé 11= mi battre = mandé tongotra
milaiso = mangalatra
micoinsa = mikoainsa e!
andé hanaloka = hijery sônema
manamôly manamôsy ,mihanikazo, mipouka mitapô = mifanena
gnin, nints : sipa, jô, jôba
nax : toaka
kaly : sakafo
tslaim= milamina, moramora
mipà= miala
toto tanana=toaka gasy
milaiso= mangalatra
pra,osika= polisy
rasil= miaramila
mbala= akanjo
vovo=trano
MF sy John Deer =anana sy hena
boto mitrifana= henakisoa
kitro, kitsaka= kiraro
balarora=mampiesona
toraka bilao= voapetrapetraka
TOEFL= antitra
mikefa= manao firaisana ara-nofo, Mandona
mivazavaza = mihira
gamatako ito vary ito a = laniako ito vary ito a
Nampidirin'i Rado 11 Feb 2007, 21:47akoho kely = sipa (vhv)
akoho vavy = vady (vhv)
reniakoho = vady (vhv) efa niteraka
Ilay kiva sy kivindro/kovindro kosa aloha tsy fiteny vaovao fa fitenin'ny any anindrana hatramin'izay e.
Mampihoney ilay akohokely sy akohovavy.
Fa izao, raha ireo teny ireo fotsiny no misy ampiasaina amin'ny ilazana zavatra amiko, dia tsy ho azoko ny an-tsasany. Tena mahatsiaro ho antitra amin'ny antsoin'i Kitzo koa izaho amin'izany.
Nampidirin'i Su 11 Feb 2007, 22:49Mbo veabelaro oe ry rado raha hainao ilay hoe
MF sy John Deer =anana sy hena
Nampidirin'i kitjo 11 Feb 2007, 23:43Tena mahavarian de mahavariana! zany heo afaka hiresaka ny olona iray de tsy azoko ny resany nefa teny gasy le izy.:)
Nampidirin'i Soanja 12 Feb 2007, 00:07Maintso daholo ny lokon'ny fitaovana vokarin'ny John Deer (maintso sy mavo raha ny tena marina). Ilay MF tena tsy fantatro nefa inoako fa mety hitovy loko amin'ny lokon'ny hena angamba ny loko mampiavaka an'io MF io.
Ireto indray no hitako tany:
sisiny = ohatra hoe "eny amin'ny sisiny= en marge de la société"
bandy avy any amin'ny sisiny= bandy avy any amin'ny province.
hi-battre = handeha an-tongotra
folaitra = fôpla = fokasy = ratsy.
dossier = dog = pelaka = homo
cainfri" = africain = maizina
inona no kaipa= inona no paika= inona ny inona= inona no malaza ?
kallyh B air Bag = sipa be nono
Tsy mahazo reseau = tsy mahazo resaka
misquad = mihainohaino
Sketba= lalao basket
pro = grama = mouv = programa
mercedes = merc = string
100 Ar=klou (500 fmg)
200 Ar=Kala iray (1000 fmg)
300 Ar=kala iray sy klou (1500 fmg)
1000 Ar= gala (5000 fmg)
5000 Ar=gala dimy (25 000 fmg)
10000 Ar=Maizina iray (50 000 fmg)
200000 Ar=Biriky iray (1 000 000 fmg)
Klopy = sigara
Krika = briquet
Demareo le klopy eh = ampireheto ilay sigara eh
miketsa = mikosoka = mandona = manao firsaisana ara nofo.
Fynda = andafy
Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 03:03ny bikina midika ihany koa hoe voky, mamanay fony fahavelony tamin'izy mbola (sa efa) 55 taona teo tsy nanaiky gisitra taminay tao an-trano dia rehefa mba manolotra vary hanampiany ny ao ambiliany ianao dia hoy izy hoe merci fa bikina. Mba mihiratra ihany ny masonay, fa izy angaha hono any ambadik'i sahondra !
Nampidirin'i ikalamako 12 Feb 2007, 03:30Dia ao ny gilita na gidro : gitara,
biby : moto, mitaingina biby be hoy rizalahy
mihanika hazo : mifoka zava-mavesatra
midotra : mifoka sigara
Rehefa ny bandy no sady tafika an-dranomasina no an'habakabaka dia sady misotro izy no mifoka.
Mbola betsaka tokoa ireo fiteny mahavariana fa indraindray tena tsy mi-capte mihintsy izahay e.
Ary inona indray ilay istawaka?
Nampidirin'i malalatina 12 Feb 2007, 08:14Siksa lesy papa a.
Istawaka = Tsy misy blema.
"Tsy kwa" mivadika no mety fototra niaviany.
Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 10:07Tsilian-tsofina sendra ré teo Andohatapenaka.
Nisy rapapa efa "dizina" nandalo d ozy le kôfa teo akaikiko hoe "Tena efa avy any Vatican sahady anie razoky izany eh"
Elaela aho vao "saina tonga" hoe "avy nandray" izany hay no tiany tenenina.
Nampidirin'i Rado 12 Feb 2007, 10:18hahahhahahhaha
za ko aloha tsy 'saina tonga" amzany raha tsy mandinika elaela e...
mahita tenenina k!
Nampidirin'i kitjo 12 Feb 2007, 13:22kil = mpanontany, client
mikaly = misakafo
kaly = sakafo
daba = tomobil
Nampidirin'i Su 12 Feb 2007, 13:38Ary efa renareo indray ity . Rehefa misy olona hirahana matsaka (mividy toaka) dia hoy ry zalahy manohy ny resaka :tandremo indray sao manao titanic (sambo milentika) any de fihazana hatramin'ny tavoahangy ,de lazaina fa hoe :nifanena t@ vazaha (rad) .
Nampidirin'i bilakarenjy 17 Feb 2007, 02:58Ilay hoe manao titanic efa henoko fa ilay hoe mandeha matsaka no sambany aho vao naheno ny fampiasana azy io. Misaotra an'i bilakarenjy nanome sopapa.
Nampidirin'i Rado 17 Feb 2007, 06:02