Atao inona izay kamiao?
Nampidirin'i radotiana | 8 Mey, 2007Saika hanohy ny voan-dalana antsary avy any Dago aho saingy aleo aloha mba asiana mampihomehy kely ato anatin'ity blaogiko ity.
" Mbola mba misy mpividy ihany ve ny kamiao any Vietnam any? " no lohatenin'ity rantin-tsary voaraiko tamin'ny mailaka tohivakana androany ity. Mahazoa fafiny izay mbola tsy nahita. Enga anie mba tsy ho tonga any Dago ny ohatran'izao na dia efa miha maniry ohatran'ny anana aza ny scooters.






Ity anakiray eto ambony ity dia tena mampihomehy ahy ny mandinika azy.


Ilay atody mifatotra "bungee cords" aoriana mba azo leferina ihany fa izy mbola nampiany an'ireo atody trotroina eo anoloana kosa tena maha saina tonga ahy eh.

Mahazo jejojejo eo amin'ny fitaratra eo daholo nareo ao aoriana ao.

F'angaha dia tena tsy azo nampifanaingenina ireto harona plastika be ireto. ???

" Tazomy tsara lesy eh!"

" Tonga d miaraka dahôlo ..."
Dia misaotra ny mpampita ny sary, nataoko dia ilay zana-kisoa minono ao @ blaogin'i Hery etsy ambony ireto kisoa tato...
Nampidirin'i ikalamako 08 Mey 2007, 18:24hahaha
Nampidirin'i sitlo 08 Mey 2007, 18:43mahatokiky mihitsy
Tapaka be ny tsinaiko mijery an'ilay milanja fitaratra.
Nampidirin'i kally 08 Mey 2007, 20:45Misaotra e!
Soa ihany aho fa sady tsy akoho no tsy kisoa tsieran'ny aina :)
Nampidirin'i malalatina 08 Mey 2007, 21:40Ny ahy ireo roalahy mitondra sisin-davarangana no tena tsy mampino ahy. Ny tanan'ilan'izy roalahy mitazona ilay vy eo amin'ny sorony daholo amin'io.
Nampidirin'i Rado 08 Mey 2007, 23:37Tokony ho saziana ny olonamampijaly biby toa ireo.
Nampidirin'i Su 08 Mey 2007, 23:50Ireto zava-miseho ireto aloha dia tena hita mihitsy hoe tsy misy fitsinjovana ny ain'ny tena sy ny hafa ihany koa eh. Ny biby moa amin'izany tsy resahina intsony.
Nampidirin'i Rado 09 Mey 2007, 00:02Mbola mety hisy ho sahy hiloloa fandriana 2 places aza eo rehefa avy eo raha izao no mitohy. :-))
Nampidirin'i Rado 09 Mey 2007, 00:05hahaha...
Nampidirin'i kitjo 11 Mey 2007, 15:02mahitahita mitsy anie ry Rado zany e;
Manoatra nohon' ny chargement taxi ao Ilakaka izy ity
Ny ahy dia ilay mitondra fitaratra sy ilay manao 5ambony moto no tena mapme be anah ato. mafnartra e
Nampidirin'i Tokinao 12 Mey 2007, 18:50