Mandehandeha mahita raha
Nampidirin'i radotiana | 10 Nov, 2007Nandalo tany Kansas -Arkansas - Tennessee - Mississippi - Louisiana ary Texas aho tamin'ity indray mitoraka ity.
Na dia tsy mpakafy an'i Elvis Presley aza aho dia mba nandeha nijery ny trano fonenany tao Memphis, Tennessee. Ataoko lahatsoratra mitokana ny momba azy amin'ny manaraka fa ny nahasarika ny masoko tao Littlerock, New Orleans, ary Dumas, Texas no ho raiketiko eto.
Mety ho lasa "travel-aogy" ity 'Blaogy" -ko ity amin'ny farany raha izao no mitohy :-)
Tsy nanaiky ireo namana mipetraka ao Littlerock, Arkansas raha tsy notsidihana ny Bill Clinton Presidential Library. Anisan'ny reharehan'ny ao Arkansas moa izy io. Eo amin'ny valin-drihan'ny efitra fiasan'ny filoham-pirenena Amerikana no misy ity "fitomboka" ity.
Rakotry ny hafatra napetrak'ireo "fan"ina mpakafy azy ny rindrin'ny vavahady miditra ao amin'ny "Lapa" fonenan'i Elvis Presley ao Memphis, Tennessee.

Misary vongana no fitadiavam-bolan'ity ranamana iray tao New Orleans, Louisiana ity. Mandrotsaka $1.00 ianao raha te haka sary miaraka aminy.

Mahasarotiny ny mpanjifa aty Etazonia ny antsoina hoe "Customer Service" . " Tsy misy iraharahiako @%$# an'izany " hoy ny dikan'io soratra eo ambonin'ny paosy ankavanana io.
Lobaka natao hanalana azy izy ity raha ny fahitako azy. Tsy inoako fa hisy sahy hanao azy any ampiasana. Iza anefa no mahalala :-)
Ao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Dumas, Texas no nahitako an'ity takela-by iray ity. Fiangonan'ny cowboy. Tongava miangona amin'izay maha ianao anao.

Aleo ho raiketiko eto ihany ny làlana nodiaviko mba hamisavisako azy any aoriana :-)
Halavirana: 3004 Miles (4806.4 km)
Faharetany: 5 andro.

VITA TOMPOKO
Misaotra Rado nizara o.
Nampidirin'i soanja 10 Nov 2007, 10:32ary lava tongotra mihitsy ianao ity. tiako be ny toraka blaoginao. mahafinaritra fa tohizo e !
Nampidirin'i sipakv 10 Nov 2007, 14:00Soanja:
Misaotra nanaiky nizarana o!
Sipakv:
Misy ny "okazy" handehanana dia tsy maintsy noararaotina. Ny valala hono tsinona tsy indroa mandry eo ambavahady.
Misaotra amin'ny famporisihina e.
Nampidirin'i Radotiana 10 Nov 2007, 14:37ary tsy nahazo nangalana sary nga less ny ranch an-drazaorza Bosy :P
iMerikasinina otran'ny azo tsiditsidihana ihany kanou ;)
Nampidirin'i simp 11 Nov 2007, 01:26o ry rado e, ary ny Jesoa mihantona amin'ny lakroa ao anatin'ilay fiangonan'ny kofboay ve manao ireny boty oesterna sy manao satroka kofboay ireny ? :-P
Nampidirin'i ikalamako 11 Nov 2007, 01:29Vazivazy ny ahy nefa anontaniako ihany fa ity latera ity manko misy raha izay koh :-)
Mankasitraka foana an'ilay voan-dàlana e !
Simp:
Rehefa dila angamba i leiry izay vao avelany idiran'ny vahoaka ny ranch-ny kou.
Ikalamako:
Nampidirin'i Rado 11 Nov 2007, 04:19Nalaiko sary antsaina ilay sarin'i Jesoa mihantona manak cowboy boots fa tena toran'ny hehy irery aho. Mety tsy ho tafa kosa angamba iny iray iny e.
Avelao Jesoa Koboy e! :D
Misaotra anao mihitsy aloha nanao lava tongotra fa tena mampahafantatra tànana maro ho anay e!
Ary manao ahoana ny fiainan'ny olona any?
Nampidirin'i ikalakely 13 Nov 2007, 16:34Ikalakely:
Mpamboly sy mpiompy omby ankijana ny ankamaroan'ny olona amin'iny faritry Texas iny. "Silos" lehibe sady mivangongo no hitanao matetika eny ampovoan'ny lemaka midadasika. Ireny pick up trucks toy ny Ford, GMC, Chevy,... no entin'ny ankamaroan'ny olona. Ranch mifefy hazo miloko fotsy matetika no hitanao onenan'ny olona. Mitovitovy amin'ireny taminy film "Dallas" ireny raha efa hitanao.
Ny any tanan-dehibe indray dia saika itovitovizana daholo ny eran'i Etazonia.
Nampidirin'i Radotiana 13 Nov 2007, 17:50ikalamako, mba nosaintsainiko koa ny voalazanjiko dia niomehy tsy nisy ohatran'izany aho kannn mmhh
rado: misaotra nizara e! dia tohizo ihany ny fanomezana vao² anay fa mahafinaritra
milay ny blaogy e!
Nampidirin'i sipagasy 16 Nov 2007, 16:04Efa nahita fotoam-pivavahana cowboy aho tany Fairplay, Colorado. Hiram-pivavahana cowboy mihetsiketsika ireny no iraina. Ankalamanjana ilay izy aloha tamin'izay. Cowboy church service no niantsoana azy. Manao fitafy cowboy tranainy daholo ny olona tamin'izay fotoana izay.
Azo jerena ato ny sary sasany:
http://radotiana.blaogy.com/post/283/1865
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 16:34