New Orleans, LA - Tanàna be lavarangana
Nampidirin'i radotiana | 22 Nov, 2007
Raha vao maheno ny hoe "New Orleans" ianao dia ny tondra-drano nateraky ny tafiotra "Katrina" tamin'ny taona 2005 no tonga ao antsaina matetika na ny Fety andalam-ben'ny "Mardi Gras" izay hampihanjahan'ny andriambavilanitra sahisahy ny "tratrany" amin'ireo mpandalo sy ireo mpitazana avy eny andavarangana. Ny hahazoany vakana miloko marevaka betsaka indrindra no tanjony amin'io. Tsy ireo ihany anefa no hitako fa mampiavaka ity tanàna izay niorina tamin'ny taona 1718 ity fa anisany ihany koa ny fisian'ireo lavarangana mitomandavana manemitra ireo trano amoron'ny arabe toy izay hita ao amin'ny French Quarter.
"The pontalba apartments" izay naorina tamin'ny taona 1745 io hita amin'ny sary eo ambany io. Manatombo 25 taona amin'ny taonan'i Etazonia ny taonany. Anisan'ireo " Registered Federal Landmark" izy ankehitriny.
Any amin'ny faritra Atsimo Antsinanan' i Louisiana izay manamorona ny Mississippi river no misy an'i New Orleans. Ny farihy Pontchartrain no mamefy azy avy ao Avaratra ary ny eli-dranon'i Mexico no avy ao Antsinanana.

Izany Philippe II, Duc d'Orléans, Regent of France izany no nampitondra ny anarany ity tanàna ity. Tsy iadian-kevitra fa nandalo tao ny Frantsay amin'ny fahitana ny endriky trano sy ny arabe teritery ao amin'ny French Quarter.

Anisan'ny tanàna tranainy indrindra aty amin'ny Bekintana i New Orleans ary fanta-daza noho ireo karazan-kolontsaina voarary toy ny tsihy ao aminy. Mampiavaka azy ny nahandro kreola sy Funeral Jazz. Maro no mihevitra fa tao no nahaterahan'ny gadon-kira jazz izay maro mpakafy amin'izao fotoana.
Sady mihinana beignet vao maraina ao amin'ny Café du Monde ianao no voarotsirotsin'ny mozika milamina natolotr'ity mpanankato iray ity.
Tandrevaka ve sa niniana ny tsy hanoloana ireto sainam-pirenena mihofahofa ao amin'ny French Quarter ireto?

Eto no mihaona ny lasa sy ny ankehitriny. Trano manaka-danitra naorina tsy dia lavitra ny French Quarter. Mpivarotra daholo ny ambany rihana iray manontolo amin'izay trano tazanao amin'ity sary eto ambany ity.

Lasan'ny Espaniola i Louisiana tamin'ny taona 1762 ary i New Orleans no renivohitra. Nisy fifanarahana miafina nantsoina hoe "the Treaty of San Ildefonso" anefa nataon'ny Frantsay tamin'ny Espaniola ny taona 1800 ary dia naverin'ny Espaniola tamin'ny Frantsay indray ny faritry Louisiana.

Nanonofinofy ny hanitatra ny Fanjakany tany amin'ireo Tany Vaovao ny Frantsay notarihi'i Napoleon Bonaparte ary nihevitra fa anisan'ny faritra stratejika ho azy ny teo amin'ny lohasahan'i Mississippi. Foiben'ny varotra sy ny famatsiana ara-tsakafo ny nosy Hispaniola izay nokasainy ho ivon'ny Fanjakany no tiany hapetraka tao Louisiana. Nihoko anefa ireo andevo Haitiana tao amin'ny nosy Hispaniola ary norombahan'izy ireo ny fitondrana. Voatery nandefa andian-tafika ny Frantsay handrava ny fanoherana ary haka ny fahefana. Resy ireo andevo Haitiana mpioko saingy aman'arivony ny miaramila Frantsay naripaky ny arentina tazo vony. Nahatsapa i Napoleon taorian'izay fa ho sarotra ho azy ny hanatanteraka ny nofinofiny ary dia nilaozany ny nosy Hispaniola.
Vao nandao an'i Hispaniola ny Frantsay dia nahatsapa fa tsy dia misy antony tokony hitazonany ny Faritry Louisiana intsony. Ankoatran'io, velona indray ny ady nifanaovany tamin'ny Anglisy ka tsy ampy intsony ny isan'ny miaramila teo ampelan-tanany hiaro an'i Louisiana. Nila vola rahateo koa izy ireo hamatsiany ny ady tany Eoropa.
Nony farany dia tapakevitra ny Frantsay fa hivarotra ny Faritry Louisiana tamin'i Etazonia ny 30 Aprily 1803.

"The Louisiana Purchase" no ahafantarana io fifanarahana ara-barotra io eo amin'ny tantaran'i Etazonia. Nahatratra 2 tapitrisa kilometatra tsy mivadi-mandry ny velaran'ity faritry Louisiana ity. Nanomboka teo amin'ny moron'ny reniranon'i Mississippi ka hatrany amin'ny sisin'ny "Rocky Mountains" izay manasaraka an'i Etazonia amin'ny Canada.
Eto ampanoratana eto aho vao tena mahazo tsara ny fandehan'ny zava-nisy :-) Soa fa nisy ity fitorahana bilao-gy ity hiraiketana izay mba kely azo notovozina tany.
Ny tetezana antsoina hoe Pontchartrain Causeway no noraisina rehefa handeha hody taty Colorado. Tsy fantatro teo ampidirana ilay tetezana fa hay izy io no misalotra ny laharana voalohany eran-tany amin'ny halavirana izay mahatratra 38.24 km (23.9 miles).

Mifarana eto izany ny fitorahako bilao-gy amin'ity taona 2007 ity. Hanainga tsy ho ela hoany Dago mantsy aho ka dia amin'ny volana Febroary 2008 indray izany isika mifankahita virtoaly eto :-).
Misaotra anareo rehetra nazoto namaky sady namela hafatra.
Fetin'ny Thanksgiving ny aty Etazonia rahampitso 22 Nov ka dia mirary antsika rehetra " Happy Thanksgiving!"
VITA TOMPOKO
Misaotra betsaka Rado fa sady finaritra ny maso no nahazo sakafon-tsaina. Tsara vintana izahay manana mpitoraka blaogy sady guide no mpanao reportage no historien. Mankasitraka Tompoko.
Nampidirin'i latina 22 Nov 2007, 11:57Fa Hono oa, mba azonao azavazavaina fohifohy ve ny tantaran'ity thanksgiving ity?
Dia mirary anao ho tonga soa eto an-tanindrazana indray.
Latina:
Lavabe raha ny tantaran'ny Thanksgiving Day no soratana eto :-) fa raha tsorina dia heviny amin'izao fotoana dia fotoana natokana hanomezam-pisaorana amin'izay soa nisy na misy eo amin'ny fiainanao ilay izy. Ny tena niandohany indray dia azonao jerena ato amin'ity website ity ohatra : http://www.thanksgiving-day.org/origin-thanksgiving-day.html
Tadidiko fotsiny tamin'ny fiaraha misakafo Thanksgiving natrehako voalohany tany Dago niaraka tamin'ny namana Bekintana vitsivitsy. Alohan'ny sakafo dia misy olona iray nasaina nitantara hoe inona moa no niantombohan'ny Thanksgiving day. Rehefa avy eo amin'izay dia samy miteny ny tsirairay hoe ny toy izao sy toy izao ny ahy no mba mahavelom-pisaorana ahy.Samy velom-pisaorana amin'izay inoany any :-)
Mazotoa Latina a.
Nampidirin'i radotiana 22 Nov 2007, 12:40Na any Dago aza mbola afaka mi-blaogy kah :-p ... mila faharetana kely fotsiny
Nampidirin'i Hery 22 Nov 2007, 13:04misaotra betsaka tompoko.
Nampidirin'i ikalamako 22 Nov 2007, 13:30miandry vaovao be dia be avy any Dago izany. Ny sary no mety tsy ho tafiditra hoy zareo vao nahazo traikefa avy tany, fa ny blaogy toratorao eto ihany re ry rado.
Mandrapihaona e
Misaotra betsaka nizara radotiana.
Nampidirin'i hira 22 Nov 2007, 14:51Tena mahaliana ilay izy.
Mirary fialantsasatra sambatra ho anao ary e. Veloma any gasikara any, manimanina hono hoe fa tsy afa manoatra:(
Manorata ihany fa misy connexion anie any e, fa ny sary fotsiny no elaela :)
Ikalamako:
Hiezaka fa tsy tena mampanantena :-) sao d lanin'ny fitorahana blao-gy eo ny fotoana kely natokana mba hialana sasatra kou.
Mazotoa an.
Nampidirin'i radotiana 22 Nov 2007, 21:42Hira:
Nampidirin'i radotiana 22 Nov 2007, 21:45Ataoko tonga tsara any aminy any mihitsy ny hafatrao kah. Mbola hoavy hono izy hoe fa aza manary toky :-)
soava dia izany e! dia mazotoa @ rehetss atao e!!!!
mampamangy azy...... ao ilaozanao ao e! hihihi
Nampidirin'i sipagasy 22 Nov 2007, 21:58ah zalahy, mahavariana ahy ilay tetezana io dia iverenako jerena foana :-)
Nampidirin'i ikalamako 23 Nov 2007, 18:58Manao revin-gadra izany aho eto hoe raha misy toa an'io miala amin'ny sisin-dranomasin'i Roma dia mandeha mahitsy dia mahitsy dia any Dago vao mifarana an.
Aleo hiverina eto antany hanangona vola atao saram-piaramanidina, hahaha
Ikalamako:
Izaho tsy "cope" hoe lava be izy io. Nanontany tena mihitsy aho teny amboniny teny hoe mba firy km ary izy ity hay moa dia tena lava tokoa. Ohatran'ny ranomasina mihitsy ny fahitana ny rano eo ambaniny na dia farihy aza. Misy ampahany miakatra be tampoka izay eny ampovoany eny mba hamelan-dry zareo ny sambo hiampita.
Ilay Roma mankany Dago kosa aloha ... asa anefa :-)
Mazotoa e.
Nampidirin'i radotiana 23 Nov 2007, 22:44Rado a,
Nampidirin'i soanja 23 Nov 2007, 23:18Zah hoa mieritreritra na manonofy hoe tokony mba hisy tetezana lavabe tahak'io entre Tamatave sy Soanierana Ivongo amboarin'ny fanjakana Malagasy. Raha tsy izay dia tokony hisy sambo na Ferry an'ny fanjakana ihany manao izany fitaterana izany. Mampatahotra be mantsy le vedette misy ao izao sady lafobe ho an'ny sambambem-bahoaka.
Ahoana ny hevitrao?
oudry ! hay farihy izy io ! Nataoko dia ranomasina ange !
Nampidirin'i ikalamako 24 Nov 2007, 21:52Ikalamako:
Nampidirin'i radotiana 25 Nov 2007, 06:52Lake Pontchartrain no anaran'io farihy io. Manapaka eo amin'ny savaivony ilay tetezana. Goavana io farihy io kah.
Ato amin'ity site web ity no mety ahitana an'io tetezana io avy eny ambony:
http://googlesightseeing.com/2005/04/16/the-lake-pontchartrain-causeway/
Nampidirin'i radotiana 25 Nov 2007, 08:53Adinoko fa rehefa tafiditra ao amin'ilay site web an'i Google sightseeing, tsindrio ilay sary kely mampiseho ny ampahany amin'ilay tetezana hahitanao azy iray manontolo. Aerial View.
Nampidirin'i radotiana 25 Nov 2007, 08:55Manaona ô,
Nisy mpamaky nampiditra an'ny Rado (http://radotiana.blaogy.com) ho Blaogy Tsara Indrindra ao amin'ny BOMBS
Azo vakina eto ny momba momba an'io fifaninanana io.
Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin'ny 31 desambra 2007.
Aza adino ary mametraka BOMBA B!
Bizzzzz
Nampidirin'i joan 25 Nov 2007, 13:39joan:
Misaotra an'izay nampiditra e. Tsy nataoko hifaninana loatra izy fa mba ho fialana vonkina amin'ny asa toto afo tsy misy fiafarany :-)
Ny adidy vita ny fafiny azo :-)
Nampidirin'i radotiana 26 Nov 2007, 10:23Rado, efa lasa any Dago ve?
Misaotra tamin'i sary mahaliana e, fa taraiky be ve 'za? sa efa madio be ohatrizao izany ilay tanàna tondraka be teo? Haingana kosa izy izany an, mbola aiza i Behoririka amizao?
Tandremo sao lanin'ny mamba an'i Dago any an,
Nampidirin'i ikalakely 30 Nov 2007, 19:10:D
Ikalakely:
Tsy misy fisaorana fa ireny no voandalana e :-)
Ora vitsy sisa d hanitsaka an'i Dago indray.
Efa madiodio aloha ny downtown fa ny any ambadika any anaty tanàna any no tsy haiko.
Zany an! Misy mamba mihinana angaha any Dago any ry Ikalakely? :-)
Nampidirin'i radotiana 01 Des 2007, 01:55