Peta-drindrina
Nampidirin'i radotiana | 26 Jan, 2008Sambany aho vao nahatsikaritra ity peta-drindrina mivaingana iray ao Isoraka ity. Eo ampitan'ilay tranom-bakoka no misy azy. lafim-piainan'ny olona ao Dago amin'ny ankapobeny no arantiny. Nisy nilaza fa avaozin'ny tompony arakaraky ny zava-malaza ao antanàna hono ny vaingan-javatra asehony eo. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hijery azy lehibebe kokoa.
Ao ambanin'ny tetezan'i Behoririka. Mbola eo ampanamboarana azy ny CUA raha ny fahitako azy. Vita amin'ny simenitra izy ireto. Maromaro izy no ao. Niova endrika ho tsara mihitsy ilay tao ambany tetezana fa tsy ilay fako be miavosa araky ny tahirin-tsary tavela tao antsaiko intsony. Misaotra e.

Eo akaikin'ny vavahadin'ny Rova no misy an'ireto vaingan-tsary mampiranty ny fiainampiainan'ny Malagasy fahizay ireto. Izany Rabemanantsoa izany no niketrika azy ity tamin'ny taona 1940 hono. Asa izy ity na ketrika vaovao mody nohaterina na tena efa tena nisy teo tokoa fa tsy nisongadina fotsiny. Mba topazo maso io rehefa mianika eny amin'ny avo eny fa tsy mahasosotra mihitsy ny mijery azy :-)

Mbola misy takela-bato anakiroa fanampiny somary lehibe ao antokotanin'io trano fotsy komavoka io. Mba mametraha kely fotsiny hono hoy ilay mpiandry tanàna ao alohan'ny hivoahana ny vavahady :-).

Tamboho kodiaran-tsarety eny amin'ny 67Ha. Gasigasy ilay eritreritra ary tena milay saingy rakotry ny mpivarotra foana izy isan'andro ka tsy hita loatra ny hakantony.

"...Aza tifirina tsirairay fa alaivo miaraka." hoy ilay razoky mpivarotra. Mba niera mantsy aho tamin'iny indray mipika iny.

Tsy naharitra aho fa dia voasarik'ity doka nataon'i Tina ho fampahafantarany ilay raki-kira vaovao nantsoiny hoe "Ibesafira" ity. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hahita an'i Tina sy ny mpihira feo lafikany miaraka amin'ireo mpitendriny eny antsehatra. Nampiavaka an'io fampisehoana io koa ny fandraizan'i "Zamba" anjara. Mpitendry valiha maro afitsoka miangaly ny kanto any amin'ny tanàna any fa mba araho maso akaiky.
Mety tsy peta-drindrina intsony kosa angamba ity e. Fetsifetsy ireto Celtel ireto :-). Novoleny ireto takela-by fiarahabana tonga soa ireto iny lalan'Antsirabe iny. Azo antsoina amin'ny finday foana ianao mandrapahatonga any Bira...

Hay ve ka rakotra tariby ohatran'izao ity habakabak'Ambondrona ity.

Ho an'ilay namana mpanamory voromahery :-)

VITA TOMPOKO


Izaho ve rangahy saika hamoaka sary sahala amin'ireo voalohany ireo dia ianao no nahavoaka azy. Ilasy sary lehibebe voalohany no tsy hitako fa ny teo ivelany efa nalaiko tsirairay mihitsy. Lasanao aloha ny tamin'iny e!
Nampidirin'i jentilisa 26 Jan 2008, 12:02Jentilisa: Azafady rangahy marina a. Asiana ankamerim-botsitra? :-) Tsara asongadina mihitsy izany iny satria tsy izaho irery no liana taminy. Mazotoa e.
Nampidirin'i rado 26 Jan 2008, 19:16Rado a, tiako be ilay sary famadihana. Misaotra nizara. Bizzzz
Nampidirin'i soanja 26 Jan 2008, 23:05Soanja: I Rabemanatsoa no isaory e. :-)Misaotra nankafy.
Nampidirin'i rado 26 Jan 2008, 23:48zavatra 3 tsy maintsy tenenina:
* le voaloha no sary tiako indrindra
* tro loatra le fil eran'ny tanana kle, manaratsy endrika be le izy...
* mafinaritra kosa any Antanifotsy zany an
Nampidirin'i simp 27 Jan 2008, 23:27Simp:
Ankafiziko koa io sary voalohany io ka. Ahitana taratra zavatra maro ny amin'ny fivoaran'ny any Dago. Karazan'entana amidy, fomba fiakanjon'ny olona,...
Mety olana saro-bahana aloha ilay tariby misandrahaka etsy sy eroa ry Simp. Ny tena gaigy aza dia ny fahitana ireo "Antena" fahitalavitra misavoritaka manaka-danitra eny amin'ireny trano mivangogo ireny. Mba mandehana eny Ankatso II fotsiny raha te hahita ny santionany.
Misaotra tamin'ny hafatra e.
Nampidirin'i Rado 28 Jan 2008, 01:08Latina:
Nampidirin'i radotiana 28 Jan 2008, 17:18Misaotra betsaka tamin'ny fanazavana fa tena mahafapo. Mipao-tsatroka e :-) Tsara tokoa raha nitondra fahatsiarovana mamy be dia be taminao ny fahitana io sary siokitra mitomandavana manemitra io tamboho io. Tsy nanontany aho hoe lasa inona izao io trano mavomavo io fa ireo sary lazainao fa amin'ny rindrin'ny trano fivoahana angamba ireo mbola azo jerena ao antokontany nolazaiko etsy ambony. Mazotoa.
variana fotsiny aho mijery ny sary ato anatin'ity rakitra ity!
misaotra nizara e!, mankasitraka hatrany
bizz
Nampidirin'i sipahasy 30 Jan 2008, 17:08Zà ndray zany le mpihanika an'ny totoabaton'Ambondrona rehefa hody any aminay any e, fa tsy mba mijery an'ireny fil reny aho fa zao vao hitako hoe toa be dia be sa vao haingana ireny!
Nampidirin'i Ikalakely 30 Jan 2008, 17:49Dia hafa mihitsy ny masonao ry rado kà, tena mahafinaritra!
Misaotra e
Sipahasy: Misaotra nitsidika sady nankafy e!
Ikalakely: Mahafinaritra ny mihanika io tohatoha-baton'Ambondrona io kah. Kotrana vita. Hafa mihitsy ahoana indray ary ny masoko izany hoy Ikalakely :-). Mainty ohatran'ny ankamaroan'ny gasy ihany izy io kah :-) vazivazy iny fa raha mipetraka ao Dago dia tsy dia mahita ireny zavatra manaitra ahy ireny. Rehefa mipetraka aty ivelany ela ela ianao dia lasa mahatsikaritra an'izao karazan-javatra tsy dia maharototra ny hafa rehetra izao :-)
Nampidirin'i rado 02 Feb 2008, 07:26somary mavesatra ny onjam-piainana de niditra teto ah hiala voly ka de tena hitako oe maivana tokou mijery ireto zava-tsy takatra sainina loatra andavanandro na de lalovana matetika ;sy mihomehy am zavatra sasany hitan mason-drado nefa tsy hitan'ny maso malagasy monina eto antanindrazana.
Nampidirin'i setrasetra 04 Feb 2008, 21:03mahafinaritra fa tohizo e!
misaotra anao tsy nanadino ilay "aigle noir"
Setrasetra: Tanàna nahitana ny mamy sy ny soa ve dia ho hadinoina. Misaotra nankafy e!
Nampidirin'i rado 05 Feb 2008, 07:48