Samy manoratra izay tiany
Nampidirin'i radotiana | 28 Jan, 2008Asa ianareo na mba misy toa ahy fa izaho ilay karazan'olona mora voasariky ny soratsoratra etsy sy eroa. Aty ivelany moa dia ireny auto-collants (bumper stickers) mipetraka amin'ny fiaran'ny olona mandeha eo alohako ireny no matetika voavakiko. Misy hafatra tian'izay namolavola azy hampitaina foana tsinona. Ohatra iray fotsiny ilay hoe " GOD IS MY CO-PILOT" hoan'ireo tena mino an'Atra fa hiaro azy amin'ny loza. Nisy nanita-kevitra taty aoriana dia namoaka ny hoe "DOG IS MY CO-PILOT". Ny Vazaha moa tia miompy alika tsy misy ohatran'izany.
Efa miresaka an'izay bumper sticker izay ihany dia manararaotra fotsiny aho milaza fa misy fikambanana mpanao asa soa hoan'i Dago aty Amerika ary manana auto collant gasy milay ato sao mahaliana anao.
Ireto manaraka ireto indray soratra nahasarika ny masoko tany Dago.
Te hanontany ny tompon-tanàna tamin'ity iray ity aho saingy tsy nisy olona tao :-(

Sarotra ny tsy hamakiana an'ity soratra iray ity. Ny làlana miholikolika, izy tsy afaka mandeha,... Omeny anao amin'izay ny hafatra :-)

Tsy misy fihatoana mihitsy izany :-)

Tsikaritro fa miha maro ny olona manambatra teny roa amin'ny faingo mihantona.
- " Man'ina? "
- Misy " ..bonn'occas " hono ao.

Lasa lamaody ny fametrahana laharana finday amin'ny fiaram-pitanterana. Dokam-barotra tsy andoavam-bola kosa ve?
Version gasy amin'ilay "God is my co-pilot" angamba ity "Arovy aho Tompo" ity.
VITA TOMPOKO
Afaka volana vitsivitsy any indray vao afaka mitoraka blaogy eto aho noho ny anton'ny asa aman-draharaha fa dia mirary fahavitrihana hoantsika mpitoraka sy mpamaky blao-gy rehetra hatrany. Hiezaka ny hamaly hevitra eo ihany aho rehefa misy irika.
Nampidirin'i radotiana 28 Jan 2008, 23:04dia misaotra foana foana ry Rado e ! Afa-diana ny maso sady misy hotsakoina foana. Eto izahay miandry ny arosonao na rahoviana na rahoviana e.
Nampidirin'i ikalamako 29 Jan 2008, 00:22Ikalamako: Tsakoy tsara aza sao kenda an :-) Mazotoa indray ary.
Nampidirin'i rado 29 Jan 2008, 00:39tsara
mahereza e!
simp
Nampidirin'i simp 29 Jan 2008, 01:44God anie ny ho co-pilot-nao ry Rado!
Nampidirin'i soanja 29 Jan 2008, 09:20Arovy izy Tompo!
Tongavasoa indray ary tsara mandroso tsara miverina!
Misoatra nizara voan-dalana.
Simp: Misaotra nankafy.
Nampidirin'i rado 29 Jan 2008, 10:31Soanja: Le mahavelo bevata aminao gea. Ny tso-drano mantsy hono zava-mahery.
Ary mety milay tokoa raha asiana soratra teny gasy hoe "Arovy aho Tompo" ohatran'io mini bus manga io fitaratry ny vam aoriana an. Mamaky teny tsy fantatra ny vazaha amin'izay sady maminany...
Nampidirin'i Rado 29 Jan 2008, 10:38mano ahn i Rado!
Nampidirin'i news2dago 29 Jan 2008, 12:48Milay be nama ny reportage ataonao a! za dia liana miandry izany isakin'ny manapotoana! asio sary bobaka foana fa tena miaina mihitsy ilay blaogy e! toraka voninkazo kely!
mahereza e!
hihihi oatran ny numeroako le eo am le tomobil hihihi fa aza atsoina za an
de le lasy ve gasy? io ngamba route de tamatave no misy azy io eny Mandraka eny e
Nampidirin'i sazykely 29 Jan 2008, 13:14news2dago: Voatanty tsara ilay toraka voninkazo kely fa misaotra e. Asiantsika sary bobaka be foana eo fa aza manahy.
Sazykely: mbola hoe ohatran'ny nomerao-nao izany fa tsy tena izy kou. Aleo fa eto ihany no poinsa :-)
Làlana mankany Tamatave mihitsy no misy an'io Lasy ve? gasy io. Efa any ambadik'ilay sampanana mivily hoany Andasibe any izy io raha tsy diso ny fitadidiako.
Izay ary aloha fa "On the road again" aho izany. Mazotoa daholo.
Nampidirin'i rado 30 Jan 2008, 00:15za vao hanao hoe tonga soa avy any lavitra i rado kay izy efa ande sahady :(. Misaotra @sary bobaka be.
Tena mahafinaritra ilay sarisikotra atsy ambadika atsy :D
Nampidirin'i maintikely 30 Jan 2008, 02:27mahafinaritra ny sary kann
dia soava dia indray aza e!, tsara mandroso ary ho tsara miverina an'ivon'ny fianakaviana ihany koa e!
mampamangy ny zokiko any e!
Nampidirin'i sipagasy 30 Jan 2008, 17:12Tsy nandra aho zany fa tsy azoko ilay hoe Lasy ve? gasy; sa hoe lasy gasy ve? s ahoe te hilsy ve ny gasy? sa inn e?
D ilay soratra amin'ny kamio koa zany tsy azoko satria tsy miroky loatra aho e,
Dia tsy ratsy ilndray lay bonn'ocaz avy any frantsa io an
Nampidirin'i Ikalakely 30 Jan 2008, 17:57D miandry an'i rado zany kou inn moa
Maintikely: tsy misy tokony isaorana e. Mahafinaritra ny mizara izay azo zaraina eto kah.
Sipagasy: Misaotra e. Tonga soa aty amin'izay naleha aloha. Mba afaka mandeha kely amin'ny internet d manararaotra.
Ikalakely: Tsy azoko koa ny tena tian'ilay tompony ho soratana amin'io Lasy ve? gasy io kah. Ny hany fantatro dia ilay teny hoe Las Vegas any Nevada no tiany ho heno saingy amin'ny teny gasy no anoratana azy. Mety misy hevitra ambadika fa mba samy mandika azy amin'izay tiany angamba :-)
Lavani natsobo drano. Tsy tena azoko antoka ny fahamarinany. Afaka manitsy izay mahay ny tena izy. La vanille angamba no tiany ho lazaina amin'io hoe Lavani io. Andrinao andriko hoy izy sa ahoana?
Ilay bonn'occas izany mba tsy hilazana hoe "fripy"e. Sa diso aho :-) mba miankanjo milailay daholo kosa aloha ny olona fa tsy azo tsinontsinoaviny mihitsy ny fisian'ireo fripy mora be ireo.
Nampidirin'i rado 02 Feb 2008, 07:37Mazotoa daholo indray ary.
Misaotra @ sary fa mafnartra be, sady mahatsikaiky. dia mirary soa @ dia e!
Nampidirin'i Tokinao 02 Feb 2008, 21:08Manitra bevata raho
Nampidirin'i soanja 03 Feb 2008, 03:40Iha tolisoa.
Zanahary Zhao mahery
mikarakara iha tsy ho very.
Serisereo ao sary reo.
Mimpolia laha avy eo.
Tokinao: Tsy misy tokony isaorana e. Mankalaza.
Soanja: Sambany aho nahita tononkalo amin'ny teny Mahafaly. Milay kah. D'efa voatahiry eto io izany kou :-)
Bumper sticker nipetraka tamin'ny fiara teo alohako omaly:
DON'T STEAL, THE GOVERNMENT HATES COMPETITION.
Aza mangalatra hoy izy fa halan'ny fitondram-panjakana ny ifaninanana. Sady manentana ny olona tsy hangalatra izy no miampanga ny fitondrana amerikana ho mpangalatra ary indrindra indrindra mba mitondra tsiky kely eny amin'ny tarehin'izay tia mamakivaky soratsoratra ohatra ahy.
Ankafizako ny aty USA ny fisian'ny lalana fototra (lst amendement) miaro ny zon'ny olona hiteny ankalalahana izay tiany.
Nampidirin'i rado 06 Feb 2008, 00:28