Sary nalaina tetsy sy teroa - 05 Mar 2009
Nampidirin'i radotiana | 6 Mar, 20098:44 am
Analakely - 10:26 am

Tohatohabaton'Antaninarenina - 10:43 am
Ampovoan'Analakely - 10:46 pm

Pavillons Analakely - 10:47 am
Ambohijatovo - 11:25 am
Ambohijatovo - 11:27 am

Ambohijatovo - 11:55 am

Sisin'ny Gara Soarano - 1:47 pm

Behoririka - 2:30 pm

67 Ha - 4:57 pm

VITA TOMPOKO
Fisaorana be dia be no omena an'i RaBens naka sady nampita ny sary.
Nampidirin'i radotiana 06 Mar 2009, 04:13manao inona le bandy @ sary fahatelo io hono ry Rado ? manao marche canard no fahitako azy manko. Fa naninona angaha, nefa ny olona toa miakatra normalement daholo. Sa io ilay emmerdement, hobby-n'ny rasil ampanaovina ny vahoaka fa mi s'ennuyé ry leirony ?
Misaotra ny naka sy nampita ny sary e !
Nampidirin'i ikalamako 06 Mar 2009, 05:36Ireny no antsoina hoe makamaka r'ikalamako ah!
Fa mahafinaritra aloha ilay izy eh, tiako mihitsy.
Nampidirin'i sitlo 06 Mar 2009, 06:50Ikalamako,
Nampidirin'i radotiana 06 Mar 2009, 06:55Nasaina nanao marche canard mihitsy izy io araka ny fitantaran'i RaBens naka ny sary. Ny antony aloha tsy voalaza mazava.
sary voalohany: ary nankaiza ny rangers n'ilay ranamana anakiray io ry Rado a? lol
Nampidirin'i zoky 06 Mar 2009, 09:31Maka sitraka ry Rado a ! Amin'ilay sary faha-4 : nakaiza daholo ireo mpivarotra kay ?
Nampidirin'i Kdaombaramita 06 Mar 2009, 13:33o razoky a fikan-na polisy ao anaty grevy ny tsy manao rangers raha vao mivadika ny tantara ka manenjika polisy ny olona dia miditra elakelan-trano haingana manala ankanjo'na polisy dia lasa sivily tampoka teo...
Nampidirin'i ndrema 06 Mar 2009, 14:18sitl : mouhahahaha soa fa makamaka fa tsy makomako...
Ka i avylavitra koa manko avy nitantara toe-javatra toa izao, andrasoa nge atao dika-petaka e :
"Tena tanàna maty tokoa Antananarivo androany ary ny mpitandro filaminana no nanohy ny hetsiky ny 13 mai. (sic). Ao ireo mitsotsotra maka aina, na matory ampitoerana mihitsy aza, ao ireo mahita fahafinaretana ‘manala azy’ amin’ireo mpandalo mba sendra azy, ka ampihazakazahana ny olona, dia avy eo indray asaina mandeha mora, ary dia ampifandimbiasina tahaka izay (sady arahana fihomehezana). Toy ny nahazo ilay boaikely tetsy amin’ny Firaisana voalohany no lalina. Nitaingina bisikilety i zandrikely. Handeha ho any Behoririka na Ambondrona any angamba no anton-dia. Avy any Ambodifilao izy no nipoitra. Rehefa tonga teo amin’ny fivoahan-dàlana teo amin’ny firaisana voalohany, dia nasaina niverina tany amin’ny 20 metatra aloha, ary dia nantsoina indray hiverina hanohy ny làlany, ary rehefa nahazo ny làla-mahitsy hihazo ny Econo Center iny dia nokorododosina sy nihogahogan’ireto mpitandro filaminana."
nalaina tao amin'ny blog (avylavitra)
izany tsy ampy divertissement ny rasil-tsika dia mba manala azy, loza.
Nampidirin'i ikalamako 06 Mar 2009, 19:02fa ny ahy ilay nampandohalika vehivavy no tena tsy laitrako loatra, ontsa ny foko. Abus de pouvoir daholo daholo e, na ny lehibe na ny kely, na ny manam-pahaizana na ny tsy nahita fianarana...
mmhh zah indray koa naheno hoe nampiboridana ankizy vavy mpianatra tao à rabearivelo?? marina veh izany ry reto???
Nampidirin'i sipagasy 06 Mar 2009, 19:15Tsy rabearivelo fa CEG Antanimena. Ny TGVista no nanao azy.
Tsy haiko raha nisy koa tao amin-dRabearivelo anefa.
Nampidirin'i sitlo 06 Mar 2009, 21:03Zoky,
Efa resa-be eto amin'ny internet eto fahitana an'ireto mpitandro ny filaminana manao kiraro tennis ireto. Samy manontany tena ny tsirairay hoe fa nahoana?
Nampidirin'i radotiana 06 Mar 2009, 21:53Ndrema,
Nampidirin'i radotiana 06 Mar 2009, 22:02Policia = Police.
Teny Espaniola tokoa io. Andramo google-vana.
kdaombaramita,
Nampidirin'i radotiana 06 Mar 2009, 22:04Nandeha nitsoaka ny mpivarotra eo amin'ilay sary fahaefatra sy fahadimy.
sipagasy : angaha tsy hitanjy le sary misy kapoty be dia be devant tsenaben'ny pochard ao @ blog avylavitra - beurk
Nampidirin'i ikalamako 07 Mar 2009, 00:05Ireny ilay HIMO NAT fa tsy EMMO NAT ry ise a!Ilay tee shirt aza toa maloto koa koooo!
Nampidirin'i Therezemay 07 Mar 2009, 00:11inona no tsy mampiavaka ny HIMO NAT sy ny EMMO NAT ?
Nampidirin'i Kdaombaramita 07 Mar 2009, 17:07nanambara ny CEMGAM (lehiben tafika) fa tsy hainy na miaramila marina antsia ireo manao tennis, mba zabatra normal v izany toe javatra izany?
raha ny fanadihadiana aloha dia mpanao rugby zareo ireo
mbola marche canard aza no hitanareo fa tsy olona totofana vodibasy sy vonoina kanefa mpivarotra tsotra
tsy haiko hoe adala angamba izany i Odon; ny Communaute Internationale, SOciete civile sns nanameloka sy niangavy ny hanajanonana ity operation "fampandriantany" ataon'ny tafika ity, mampitomany anie mijery ireo olontsotra darohan' ny miaramila zay mifanena aminy,
soa fa najanona ihany ny farany ary misaotra iero nahatsapa tena
n tena nampahonena dia ireo zazakely ao amin hopital des enfants Tsaralalana tsy antonina intsony ny hop fa sempotra
mitomany mihitsy ireo reny fa anaty trano zareo fa dia atsipitsipin'ny miaramila eraky n tanana sy elakelantrano toy ny milalao ny grenade
izay eto antoerana angamba samy nahita izany antsary daholo amin'ny vaovao na dia tapahina daholo aza ny radio sy fahitalavitra
rado: neveriko oe enao aty
Nampidirin'i kitjo 10 Mar 2009, 12:34