"Sotro vy" enti-miady amin'ny SIDA

Nampidirin'i radotiana | 1 Nov, 2007

Aleo asiana fiverenana kely any Dago amin'izay. Efa ela aho no te handrakitra ity sary ity teto amin'ny blaogiko fa izao angamba vao tonga ny anjarany. :-) Asa na firy aminareo no efa sendra an'ireto sotro fihinanam-bary amin'ny hotely gasy ireto tany Dago. Tamin'ny fandalovako tao Ejeda tamin'ny volana Avrily 2007 no sendra azy ity voalohany tao amin'ny hotely iray tao antampon-tanàna. Rehefa niverina hoany Toliary aho herinandro vitsivitsy taorinan'izay mbola sendra azy ihany koa tao amin'ilay hotely gasy  tsotsotra ao Beahitse.  Nozaraina an'ireto sotro ireto daholo ve hoy aho izany ny hotely fisakafoanana amin'ity làlam-pirenena mampitohy an'i Toliary sy Taolagnaro ity?

Mena ny lokon'io soratra io raha ny fahitako azy tany ampiandohana saingy ravan'ny rano nanasana azy matetika angamba.  Voasikotra tanteraka amin'ilay tahon-tsotro ilay "hafatra".

Deraiko manokana ny olona nahita ny hevitra fa tena miavaka. Tsy azonao odiana fanina mihitsy mantsy io soratra io raha vao tonga eo anoloanao ny vary sy laoka ao anaty vilia. :-)) 

Asa raha efa manenika an'i Dago izy io ankehitriny na any amin'iny faritra atsimo iny  ihany.

Tsy naharitra aho fa dia nangataka tamin'ilay tompon'ny hotely tao Beahitse. "Aleo mba  hovidiako ity sotro ihinanako ity " hoy aho taminy. Gaga be izy. "Fa ataonao inona?" hoy ny fanontaniany.  " ho entiko hanentanana ny hafa" hoy aho toa tsy dia tena nanampo loatra ny teny nivoaka ny vavako. " Ento ho anao fotsiny raha izany." hoy izy somary nitsiky. 

VITA TOMPOKO

 

Taos Pueblo, NM - Tapa-porohana

Nampidirin'i radotiana | 26 Okt, 2007

Afaka nitsidika ny iray amin'ireo tanàna vitsy sisa tavela any Taos, New Mexico aho. Nifindra any mantsy ireo taranaka Puebloana tao Mesa Verde, Colorado. Raha atao ny kajy amin'ny halaviran-dalana amin'izao fotoana dia nifindra 397 km nianantsimo antsinanana ry zareo. Hita misongadina ny fitovitovian'ny endriky ny rafi-trano. Ny hany mahasamihafa azy fotsiny dia fitaovana nampiasaina nananganana azy sy ny toerana nanorenana ny tanàna.

Ny kiefitrefitra mifampitohitohy sady mifampitaingina mbola notazoniny ihany. Tao-trano tany toy ireny tambohon'ny ntaolo gasy ireny ireto trano ireto. Foana izany ny fampiasana vato toy ny ao Mesa Verde. Ny foko Puebloana antsoina hoe Red Willow no mipetraka any Taos Pueblo, NM.

Mbola misy mipetraka amin'ny ampahany amin'ireto trano ireto ankehitriny saingy ny ankamaroany dia efa lasa toerana fivarotana firavaka sy asa-tanana amin'ny mpizaha tany.

 

 Adinonao tanteraka mihitsy fa aty Amerika ianao rehefa tafiditra ao anatin'ity tanàna ity.

Hita taratra fa nandalo tao ny Espanola amin'ny rafitry ny varavaran-kazo sasany.

Ny Eglizy St Jerome izay naorina tamin'ny taona 1619. Rava tamin'ny taona 1680 tamin'ny fotoana nisian'ny fanoheran'ny Puebloana ny mpanjanaka Espanola. Naorina indray ny taona 1692 rehefa tafaverina indray ny Espanola. Rava fanindroany indray io eglizy io ny taona 1847 tamin'ny fotoana niadian'ny Amerikana sy ny Meksikana. Naorina indray ny taona 1850 ary dia io mbola mijoro hita amin'ny sary mandrak'ankehitriny io.

Mbola misy ireo "Kiva" saingy tsy azon'ny mpizaha tany tsidihina. Ny teny Indiana antsoina hoe Tiwa no ifampiresahan'ny mponina. Tsy hay soratana io teny io fa dia ampitaina amin'ny taranaka mifandimby fotsiny amin'ny alalan'ny fampiasana azy. Efa miteny anglisy ny ankamaroan'ny olona saingy misy "accent" tena mampiavaka andry zareo. Ny tena mampalahelo dia feno "Casinos" ny " Indian Reservations" any New Mexico.

Efa hirotsaka ny ranomandry ka dia ho vita hatreo ny fandehandehanana aloha raha tsy hoe misy irika tampoka indray :-)

VITA TOMPOKO

Pissoa: Raha ny fahazahoako azy dia nohezahina naverina tamin'ny  endriny teo aloha foana io Eglizy St Jerome io isaky ravan'ny ady.

Mesa Verde - Tanàna fahagola

Nampidirin'i radotiana | 21 Okt, 2007

Tonga tany Mesa Verde ihany aho nony farany. Efa ho sivy taona mahery izay no naniriako mba ho any. Anisan'ny zavatra mahaliana ahy ny tantaram-piaraha monina fahagola. Iray amin'ireny ny foko "mena hoditra" Puebloana nantsoina hoe Anasazi izay nonina nanodidina ny "Table Mesa" izay lemaka rakotra ala any antampo-kavoana Atsimo andrefan'i Colorado.

Tany amin'ny taona A.D 550 -1300 tany ho any no niorimponenana tao Mesa Verde ny foko indiana nantsoina hoe Anasazi. Mpiandry omby (cowboys) roalahy natsoina hoe Richard Wetherill sy Charlie Mason izay sendra nitady ny ombiny very no nahita tsy nahy ny fisian'ireto tanàna mihantona amoron-tevana antsoina hoe "Cliff dwellings" ireto tamin'ny taona 1888.

Rehefa natao ny fikarohana dia voalaza fa  miisa 600 ny tanàna/trano niorina ao Mesa Verde. Ity antsoina hoe "Cliff Palace" (sary eo ambony) ity no voalaza fa anisan'ny lehibe amin'ireo "cliff dwellings". Tendrombohi-bato manamorona hantsana lalina no nanorenan'ireto Anasazi ireto ny fonenany. Misy ireo efa voa-janahary ary nisy ihany koa ireo tsy maintsy nolavahana tamin'ny tànana. 

Mampihaiky volagna ny fomba nidirana sy nivoahana ireto toerana ireto. Lavaka kely zara raha misy asiana ny loha-tongotra sy hamikiran'ny ratsan-tànana no nampiasaina.  Mahalasa fisainana ihany koa ny mandinika ireto kiefitrefitra be dia be  miampy ireo lavaka miendrika faribolana izay antsoina hoe "Kiva" hita saika isan-tanàna.

Diniho ny haben'ny olona mivory manoloana ilay "Kiva" ery ambany dia alaivo sary antsaina ny haavon'ity vatolampy be izay lolohavin'ity "Cliff Palace" ity. 150 ny isan'ny efitra hita ao amin'ity "Cliff Palace" ity ary 23 ny isan'ireo "Kiva". Heverina fa 100 tany ho any ny isan'ireo olona nonina tao.

Lavaka be toy izao ireo efitrano faribolana antsoina hoe "Kiva". Toerana natao hivoriana na hanomezana hasina izay notompoina tamin'izany andro izany. Toy izao hita amin'ny sary eto ambany izao ny ao anatiny.

Vato malefaka (sandstone), hazo ary tany mena no fitaovana nanangana ny tanàna ao Mesa Verde. Azoko antsaina fa "gidragidra" araka ny fitenin-jatovo ankehitriny ny fitaterana ny vato sy hazo ary ny tany mena natao rihatra nananganana azy.

 

Ity tanàna iray antsoina hoe "Spruce Tree House" (sary eo ambony sy ambany) ity no azoko notsidihina akaiky. Miisa 130 ny efitra hita ao anatiny ary 8 fotsiny kosa no isan'ireo "Kiva". Heverina fa mety ho olona 60-80 tany ho any no nonina tao.

Toy izao ny halalin'ny hantsana manamorona ny " Cliff Palace". (sary eo ambany)

 Iray amin'ireo takela-by maneho ny mety ho fiaimpiainan'ny olona tamin'izany andro izany nialoha ny fananganana kiefitrefitra.

Rehefa natao ny fikarohana dia nifindra nianantsimo nankany Arizona sy New Mexico ny taranak'ireo Puebloana tao Mesa Verde ireto.

Ny foko Pico no taranany izay monina any Arizona miampy ireo foko Puebloana miisa 19 any Rio Grande, New Mexico: Taos, Picuris, Sandia, Isleta, San Juan, Santa Clara, San Ildefonso, Nambe, Tesuque, Jemez, Cochiti, Pojoaque, Santo Domingo, San Felipe, Santa Ana, Zia, Laguna, Acoma, and Zuni.

VITA TOMPOKO.

Balloon Fiesta - Albuquerque, New Mexico (2007)

Nampidirin'i radotiana | 16 Okt, 2007

Izay indray aho vao afaka mitoraka blaogy na dia betsaka tokoa aza ny zavatra mba tiana ho raketina sy ho zaraina eto. Aleo ny farany izay vao vita omaly no aroso mialoha. Nanatrika ilay  fihaonambe iraisam-pirenena fanao isan-taonan'ireo balloonista eran'izao tontolo izao tany Albuquerque, New Mexico aho ny Oct 5 - Oct 14, 2007.  Balloons miisa 500 mahery no nandray anjara tamin'izany. Balloon Fiesta araka ny anarany tokoa fa dia voaravaka toy ny hazo noely ny habakabaka isa-maraina nandritry ny sivy andro.

Ireo balloons asidin'ny rivotra mafana (hot air balloons) no betsaka nandray anjara tamin'ity fihaonam-be ity. Raha tsorina dia noho ny hafanan'ny rivotra ao anatin'ilay balloon raha mitaha amin'ny rivotra ety ivelany no mampisidina azy. Rivotra mangatsiaka no ampidirina ao anatiny amin'ny voalohany hampibontsina azy. Hafanaina amin'ny lelan'afo amin'izay ireo rivotra efa voaangona ireo rehefa avy eo.  Ampiana ny hafanana raha te hitsingevana ny balloon na koa te  hiakatra avo avo kokoa.  Anesorana ny rivotra mafana ao anatiny amin'ny alalan'ireo lalan-drivotra (vents) azo sokafana sy hidina  raha te hidina ambanimbany na hipetraka amin'ny tany. 

  

Miandry "thumb's up" avy amin'ireo "zebra"(jereo ny sary eo ambany) hoe mahazo miainga amin'izay fotsiny ity balloon iray ity.

Efa mitsingevana e. Mahazo maka sary amin'izay. :-)

I Brazil no lohalaharana amin'ny fanamboarana balloons eran'izao tontolo izao. Orinasa telo no tena mibahana ny tsena famokarana azy ity any aminy. $20 000 ka hatramin'ny $30 000 ny vidin'ny balloon iray vaovao. $25 eo kosa no vidin'ny gazy ilaina hampitsingevana ilay balloon mandritry ny adiny roa. Ny maraina be manodidina ny amin'ny enina eo no tena tsara hanidinana amin'ny balloon satria malefaka kokoa ny hafanana ety ivelany ary tony kokoa ny rivotra eny amin'ny habakabaka. Eo amin'ny 19 km isan'ora na latsak'izany ny hafainganam-pandehan'ny rivotra tena tsara anidinana amin'ny balloon.

Afatotra amin'ny fiaran'ny tompony aloha ny balloon mialoha ny hanidinany

Santionany amin'ireo "Special Shape Balloons". Azo atao amin'ny endrika isan-karazany ny balloons.  Ity Creamland Cow ity no anisany goavana indrindra ary tena nahasarika ny maro. Ny andro faha efatra nanambotsinana azy izy vao nety nitsingevana ary dia horakoraka tsy nisy ohatran'izany no niarahabana ny fiakarany.

 

 40 minitra no ilaina hamenoana rivotra mangatsiaka ity WellsFargo Bank Stage coach ity.

Hoan'ireo mpakafy ny Star Wars. Darth Vader

Ity balloon miendrika carousel ity no niondranan'ny gasy.

Ireto "Zebra" ireto no mpanome alalana ny balloon tsirairay hahazo hisidina. Mitsoaka kiririoka izy amin'izay fotoana izay sady manome ny marika " thumb's up" amin'ny tanany. Tsikaritro fa samy manao izay hampihavaka ny fomba fitafiny ireto Zebra ireto.

Natao itondrana mpitsangatsangana anabakabaka ity balloon iray ity. Nahatratra hatramin'ny $325 ny saran-dalana. "Sold out" ry zareo ny Sabotsy lasa teo fa maro loatra ny maniry te hitaingina balloon.

Ohatran'ny hoe manindry be izany koa ireto "pra" mitaingi-tsoavaly ireto. Aty amin'ny tanin'ny Cowboys marina aho hoy aho nahita azy ireo. Zorro Style ny fiakanjony.

Mba topazo maso kely anie ireo "korontam-by" eo ambalahany e?

 

VITA TOMPOKO.

 

Atao inona izay kamiao?

Nampidirin'i radotiana | 8 Mey, 2007

Saika hanohy ny voan-dalana antsary avy any Dago aho saingy aleo aloha mba asiana mampihomehy kely ato anatin'ity blaogiko ity.

" Mbola mba misy mpividy ihany ve ny kamiao any Vietnam any? " no lohatenin'ity rantin-tsary voaraiko tamin'ny mailaka tohivakana androany ity. Mahazoa fafiny izay mbola tsy nahita. Enga anie mba tsy ho tonga any Dago ny ohatran'izao na dia efa miha maniry ohatran'ny anana aza ny scooters.

 

 

 

 

 

 

 

Ity anakiray eto ambony ity dia tena mampihomehy ahy ny mandinika azy.

 

 

Ilay atody mifatotra "bungee cords" aoriana mba azo leferina ihany fa izy mbola nampiany an'ireo atody trotroina eo anoloana kosa tena maha saina tonga ahy eh.

 

Mahazo jejojejo eo amin'ny fitaratra eo daholo nareo ao aoriana ao.

 

 

F'angaha dia tena tsy azo nampifanaingenina ireto harona plastika be ireto. ???  

 

" Tazomy tsara lesy eh!"

 " Tonga d miaraka dahôlo ..."

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11  Manaraka»