New Orleans, LA - Tanàna be lavarangana

Nampidirin'i radotiana | 22 Nov, 2007

 

Raha vao maheno ny hoe "New Orleans" ianao dia ny tondra-drano nateraky ny tafiotra "Katrina" tamin'ny taona 2005 no tonga ao antsaina matetika na ny Fety andalam-ben'ny "Mardi Gras" izay hampihanjahan'ny andriambavilanitra sahisahy ny "tratrany" amin'ireo mpandalo sy ireo mpitazana  avy eny andavarangana. Ny hahazoany vakana miloko marevaka betsaka indrindra no tanjony amin'io. Tsy ireo ihany anefa no hitako fa mampiavaka ity tanàna  izay niorina tamin'ny taona 1718 ity fa anisany ihany koa ny fisian'ireo lavarangana mitomandavana manemitra ireo trano amoron'ny arabe toy izay hita ao amin'ny French Quarter.

 "The pontalba apartments"  izay naorina tamin'ny taona 1745 io hita amin'ny sary eo ambany io. Manatombo 25 taona amin'ny taonan'i Etazonia ny taonany.  Anisan'ireo " Registered Federal Landmark" izy ankehitriny. 

 

Any amin'ny  faritra Atsimo Antsinanan' i  Louisiana izay manamorona ny Mississippi river no misy an'i New Orleans. Ny farihy Pontchartrain no mamefy azy avy ao Avaratra ary ny eli-dranon'i Mexico no avy ao Antsinanana.

 

 

 

Izany  Philippe II, Duc d'Orléans, Regent of France izany no nampitondra ny anarany ity tanàna ity. Tsy iadian-kevitra fa nandalo tao ny Frantsay amin'ny fahitana ny endriky trano sy ny arabe teritery ao amin'ny French Quarter.

 

 

 

 

 

Anisan'ny tanàna tranainy indrindra aty amin'ny Bekintana i New Orleans ary fanta-daza noho ireo karazan-kolontsaina voarary toy ny tsihy ao aminy.  Mampiavaka azy ny nahandro kreola sy Funeral Jazz. Maro no mihevitra fa tao no nahaterahan'ny gadon-kira jazz izay maro mpakafy amin'izao fotoana.

 

 

Sady mihinana beignet vao maraina ao amin'ny Café du Monde ianao no voarotsirotsin'ny mozika milamina natolotr'ity mpanankato iray ity.

 

 

 

Tandrevaka ve sa niniana ny tsy hanoloana ireto sainam-pirenena mihofahofa ao amin'ny French Quarter ireto? 

 

 

Eto no mihaona ny lasa sy ny ankehitriny. Trano manaka-danitra naorina tsy dia lavitra ny French Quarter. Mpivarotra daholo ny ambany rihana iray manontolo amin'izay trano tazanao amin'ity sary eto ambany ity.

 

 

 

Lasan'ny Espaniola i Louisiana tamin'ny taona 1762 ary i New Orleans no renivohitra. Nisy fifanarahana miafina nantsoina hoe "the Treaty of San Ildefonso"  anefa nataon'ny Frantsay tamin'ny Espaniola ny taona 1800 ary dia naverin'ny Espaniola tamin'ny Frantsay indray ny faritry Louisiana.

 

 

 

 

Nanonofinofy ny hanitatra ny Fanjakany tany amin'ireo Tany Vaovao ny Frantsay notarihi'i Napoleon Bonaparte ary nihevitra fa anisan'ny faritra stratejika ho azy ny teo amin'ny lohasahan'i Mississippi. Foiben'ny varotra sy ny famatsiana ara-tsakafo ny nosy Hispaniola izay nokasainy ho ivon'ny Fanjakany no tiany hapetraka tao Louisiana. Nihoko anefa ireo andevo Haitiana tao amin'ny nosy Hispaniola ary norombahan'izy ireo ny fitondrana. Voatery nandefa andian-tafika ny Frantsay handrava ny fanoherana ary haka ny fahefana. Resy ireo andevo Haitiana mpioko  saingy aman'arivony ny miaramila Frantsay  naripaky ny arentina tazo vony. Nahatsapa i Napoleon taorian'izay fa ho sarotra ho azy ny hanatanteraka ny nofinofiny ary dia nilaozany ny nosy Hispaniola.

 

Vao nandao an'i Hispaniola ny Frantsay dia nahatsapa fa tsy dia misy antony tokony hitazonany ny Faritry Louisiana intsony. Ankoatran'io, velona indray ny ady nifanaovany tamin'ny Anglisy ka tsy ampy intsony ny isan'ny miaramila teo ampelan-tanany hiaro an'i Louisiana. Nila vola rahateo koa izy ireo hamatsiany ny ady tany Eoropa.

 

Nony farany dia tapakevitra ny Frantsay fa hivarotra ny Faritry Louisiana tamin'i Etazonia ny 30 Aprily 1803.

 

 "The Louisiana Purchase" no ahafantarana io fifanarahana ara-barotra io eo amin'ny tantaran'i Etazonia. Nahatratra 2 tapitrisa kilometatra tsy mivadi-mandry ny velaran'ity faritry Louisiana ity. Nanomboka teo amin'ny moron'ny reniranon'i Mississippi ka hatrany amin'ny sisin'ny "Rocky Mountains" izay manasaraka an'i Etazonia amin'ny Canada.

Eto ampanoratana eto aho vao tena mahazo tsara ny fandehan'ny zava-nisy :-) Soa fa nisy ity fitorahana bilao-gy ity hiraiketana izay mba kely azo notovozina tany.

Ny tetezana antsoina hoe  Pontchartrain Causeway no noraisina rehefa handeha hody taty Colorado. Tsy fantatro teo ampidirana ilay tetezana fa hay izy io no misalotra ny laharana voalohany eran-tany amin'ny halavirana izay mahatratra 38.24 km (23.9 miles).

 

 

Mifarana eto izany ny fitorahako bilao-gy amin'ity taona 2007 ity. Hanainga tsy ho ela hoany Dago mantsy aho ka dia amin'ny volana Febroary 2008 indray izany isika mifankahita virtoaly eto :-).

 

Misaotra anareo rehetra nazoto namaky sady namela hafatra.

 

Fetin'ny Thanksgiving ny aty Etazonia rahampitso 22 Nov ka dia mirary antsika rehetra " Happy Thanksgiving!"

 

VITA TOMPOKO

 

 

 

Soratra nanelingelina ny masoko tany Dago

Nampidirin'i radotiana | 16 Nov, 2007

Tsy voaisako intsony hoe impiry aho no nandalo sady namaky ity sora-baventy iray ity izay ho hitanao amin'iny lalam-pirenena faha fito mandeha mianantsimo iny. Eo antampon-kavoana mahatazana mialoha ilay fidinana miolikolika hamonjy an'Alakamisy-Ambohimaha no misy azy raha tsy diso ny fitadidiako.

Inoako fa maro ny mpizaha tany miteny anglisy mandalo eo mamaky azy ity toa ahy.

 Rehefa nataoko ny fandinihina maimaika dia ny teny malagasy hoe "Toerana fakan-drivotra/fialan-tsasatra" no nadika ara-bakiteny eto.

Raha tsy mahadiso dia mba te hanolotra soson-kevitra ny tompon'andraikitra tamin'ny fanamboarana azy io aho hoe  "REST AREA" no dikan-teny manakaiky ny marina eto.

Ao Ambositra no misy ity anakiray ity. Anisan'ny toerana fandriam-bahiny milay ao raha ny hevitro manokana no lazaina. Tsotra nefa mihaja sady mampiseho ny mampiavaka ny faritra Ambositra ny haingo ao anatin'ireo efitrano.

Efa tonga taty andafy mijery ny sary nalaiko aho vao gaga fa hay ilay toerana natoriako ity manao dokam-barotra nanelingelina ny masoko ity. :-)

Ilay " Bonne route" nadika hoe "GOOD TRAVEL" no mba tiako anolorana soson-kevitra hosoloina hoe " HAVE A SAFE TRIP" farafaharatsiny.

Hay moa misy adiresy email ry zareo...  

VITA TOMPOKO

Tao antranon'i Elvis Presley - Memphis. TN

Nampidirin'i radotiana | 15 Nov, 2007

Rehefa tena miezaka mitadidy aho hoe firy amin'ny hiran'i Elvis Presley no fantatro, dia hira iray monja no mba tadidiko. "Peace in the Valley". Tao anaty fiaran'izay amerikana namako iray izay no nahenoako azy io tany Dago efa ho folo taona mahery lasa izay.  Tsy dia rototra tamin'ity mpihira kalaza ity aho izany raha ny tena marina. Tsy haiko anefa ny tsy hitsidika an'i "Graceland Mansion" nonenany fahavelona rehefa nandalo tao Memphis, Tennessee aho tamin'ny herinandro lasa teo.

Elvis Presley Boulevard no anarana entin'ilay arabe manemitra ny tamboho misy ny trano nonenany.  $102.000 no nividianany azy tamin' i Ruth Brown Moore ny taona 1957.

Eo ampitan'ity vavahady feno hafatra avy amin'ireo "fan"inany ianao no tsy maintsy miditra aloha raha te hitsidika an'i Graceland. Misy ambaratongany ny saram-pidirana ao. $25 ny mora indrindra. Hain'ny vazaha mihitsy  ny miketrika izay hahazoana ny vola any ampaosinao :-)

Tereny haka sary manoloana ity sarin'ny vavahady vita hosodoko ity aloha ianao mialoha ny handraisanao ny zotra mitondra etsy ampita.

Novolena "jiro mena" mihitsy eo anoloan'ny vavahady mba hiampitampitan'ireo zotra mpitatitra ny mpitsidika.

Mahazo maka sary rehefa tafiditra tao anatiny saingy tsy azo asiana jiro mitselatra.

Tsotra ny endriky ny lakozia. Mety izao angamba no anisan'ny raitra tamin'izany andro izany :-)

Efitranon-tserasera. Fijereny fahitalavitra. Vata fahitalavitra telo avy hatrany no miara mandeha ao amin'io efitra io.  

Voatemitra lamba ny rindrina sy  ny valin-drihan'ity efitra iray ity.

Ireo boky nahaliana azy. Nisalotra ny fehikibo mainty(dingana voalohany) teo amin'ny taranja haiady karaté izy  ny taona 1960.

Iray amin'ireo hosodoko mihantona amin'ny rindrina ao antranon'i Elvis Presley.

Ny 8 Janoary 1935 izy no teraka ary maty ny 16 Aogositra 1977.  Mba anjaranao kosa ny manao ny kajy e :-)

VITA TOMPOKO.

 

Mandehandeha mahita raha

Nampidirin'i radotiana | 10 Nov, 2007

Nandalo tany  Kansas -Arkansas - Tennessee - Mississippi - Louisiana  ary Texas aho tamin'ity indray mitoraka ity.

Na dia tsy mpakafy an'i Elvis Presley aza aho dia mba nandeha nijery ny trano fonenany tao Memphis, Tennessee. Ataoko lahatsoratra mitokana ny momba azy amin'ny manaraka fa ny nahasarika ny masoko tao Littlerock, New Orleans, ary Dumas, Texas no ho raiketiko eto.

Mety ho lasa "travel-aogy" ity 'Blaogy" -ko ity amin'ny farany raha izao no mitohy :-)

Tsy nanaiky ireo namana mipetraka ao Littlerock, Arkansas raha tsy notsidihana ny Bill Clinton Presidential Library. Anisan'ny reharehan'ny ao Arkansas moa izy io. Eo amin'ny valin-drihan'ny efitra fiasan'ny filoham-pirenena Amerikana no misy ity "fitomboka" ity.

 

Rakotry ny hafatra napetrak'ireo "fan"ina mpakafy azy ny rindrin'ny vavahady miditra ao amin'ny "Lapa" fonenan'i Elvis Presley ao Memphis, Tennessee.

Misary vongana no fitadiavam-bolan'ity ranamana iray tao New Orleans, Louisiana ity. Mandrotsaka $1.00 ianao raha te haka sary miaraka aminy.

 Mahasarotiny ny mpanjifa aty Etazonia ny antsoina hoe "Customer Service" . " Tsy misy iraharahiako @%$# an'izany " hoy ny dikan'io soratra eo ambonin'ny paosy ankavanana io.

Lobaka natao hanalana azy izy ity raha ny fahitako azy. Tsy inoako fa hisy sahy hanao azy any ampiasana. Iza anefa no mahalala :-)

 

Ao amin'ny tanàna iray antsoina hoe Dumas, Texas no nahitako an'ity takela-by iray ity. Fiangonan'ny cowboy. Tongava miangona amin'izay maha ianao anao.

 

Aleo ho raiketiko eto ihany ny làlana nodiaviko mba hamisavisako azy any aoriana :-)

Halavirana: 3004 Miles (4806.4 km)

Faharetany: 5 andro.

VITA TOMPOKO

 

"Sotro vy" enti-miady amin'ny SIDA

Nampidirin'i radotiana | 1 Nov, 2007

Aleo asiana fiverenana kely any Dago amin'izay. Efa ela aho no te handrakitra ity sary ity teto amin'ny blaogiko fa izao angamba vao tonga ny anjarany. :-) Asa na firy aminareo no efa sendra an'ireto sotro fihinanam-bary amin'ny hotely gasy ireto tany Dago. Tamin'ny fandalovako tao Ejeda tamin'ny volana Avrily 2007 no sendra azy ity voalohany tao amin'ny hotely iray tao antampon-tanàna. Rehefa niverina hoany Toliary aho herinandro vitsivitsy taorinan'izay mbola sendra azy ihany koa tao amin'ilay hotely gasy  tsotsotra ao Beahitse.  Nozaraina an'ireto sotro ireto daholo ve hoy aho izany ny hotely fisakafoanana amin'ity làlam-pirenena mampitohy an'i Toliary sy Taolagnaro ity?

Mena ny lokon'io soratra io raha ny fahitako azy tany ampiandohana saingy ravan'ny rano nanasana azy matetika angamba.  Voasikotra tanteraka amin'ilay tahon-tsotro ilay "hafatra".

Deraiko manokana ny olona nahita ny hevitra fa tena miavaka. Tsy azonao odiana fanina mihitsy mantsy io soratra io raha vao tonga eo anoloanao ny vary sy laoka ao anaty vilia. :-)) 

Asa raha efa manenika an'i Dago izy io ankehitriny na any amin'iny faritra atsimo iny  ihany.

Tsy naharitra aho fa dia nangataka tamin'ilay tompon'ny hotely tao Beahitse. "Aleo mba  hovidiako ity sotro ihinanako ity " hoy aho taminy. Gaga be izy. "Fa ataonao inona?" hoy ny fanontaniany.  " ho entiko hanentanana ny hafa" hoy aho toa tsy dia tena nanampo loatra ny teny nivoaka ny vavako. " Ento ho anao fotsiny raha izany." hoy izy somary nitsiky. 

VITA TOMPOKO