Nampihaiky ahy!

Nampidirin'i radotiana | 21 Jio, 2006

Mba nandeha nihodina tany amin'ny ville tany izahay gasy vitsivitsy teto amin'ny tanàna tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Sendra ireto sary hosodoko vita amin'ny tsaoka fanoratana amin'ny solaitra be ireto izahay ka tena nivanaka (impressed). Ny tena nampivanaka azy ankoatran'ny fahaizan'ny artista maromaro izay nifaninana teo nandritra ny roa andro dia ny toerana nanaovana ilay hosodoko sy ny fitaovana nampiasaina. Arabe fandehanan'ny vam io no nanaovana ny sary. Vita amin'ny béton moa ny betsaka aty aminay amin'izao. Tsaoka (la craie ozy isika gasy) miloko isankarazany no nampiasaina. Ireo ny santionany tamin'ireo tena mba tsy aritro. Soa ihany fa nitondra fankan-tsary aho tamin'io.  Tiako hozaraina hoan'ireo izay mbola tsy nahita. Ny mampalahelo dia efa tsy misy intsony ireo sary hosodoko ireo ankehitriny satria ny alatsinainy lasa teo ihany dia efa nivalona ho tantara . Tsy maintsy sokafana hoan'ny fifamoivoizana tsinona ny arabe :-((  too bad...

 

 

 

Tsy izahay mitsam akory io azo sary mijoro eo io an.

Ity no nahazo ny loka voalohany tamin'ny fahaizana mampiasa loko marevaka.

Vita tompoko.

Azoko tamin'ny tsy nampoizina

Nampidirin'i radotiana | 20 Jio, 2006

Tamin'ny fotoana tsy nampoiziko no nahatonga ahy ho voapetaka ny anarana hoe Rado. Roa taona lasa izay, ndeha hiverina hody aty Amerika rehefa avy nanao vacances iray volana tany Dago aho. Izaho irery moa no nandeha tany tamin'io fotoana io. Ny alina mialoha ny andro niaingako dia mba niangavy ahy ny zaobaviko (Farah no anarany) hoe ndao mba hanalanala azy kely any amin'ny ville (Analakely) rehefa avy miasa vao mody. Ndao ary hoy aho tsy sarotiny. Efa ho sivy taona aho izay no nipetraka taty amin'ny bekintana. Azo lazaina ho naniry faka aty raha ny tena marina saingy tsy mahafoy ny an'ny tena ihany koa ka dia miezaka ny hamangy an'i Dago indray mandeha isan-taona. Hitako tsara mihitsy ny fiovaovan'ny ao Madagasikara tao anatin'izay sivy taona nivezivezeko teo izay. Ao ny fiovana tsara ao ny fiovana ratsy. Fiovana tsy azo nihodivirana daholo anefa ireny fa tsy maintsy nitranga araka ny fahitako azy. Teo amin'ny Arcade Analakely no fotoanako sy Farah zaobaviko tamin'izay hariva izay. Mbola azo irevirevena labiera,... hampiderana vam, teny tamin'io. Asa na mbola navelan'ny fivondronana io amin'izao fotoana izao. Hitako tamin'ny  gazety mantsy taty aoriana fa toa hoe nanomboka tezitra ny mpitondra fa mandoto tanàna izay tsy izy ireo mpirevy mivoaka alina sy ireo mpivarotra amoron-dalana mamalifaly azy ireo manoloana ny arcade iny.

Tonga tokoa ary i Farah rehefa avy niasa ny hariva dia tapakevitra izahay rehefa avy nihainohaino nijery ny zava-misy teo fa ndeha hihinana glace kely aloha. Teny andalana hiakatra hoany andohan'Analakely iny , tsy lavitra ny Hotel Glacier izahay no nifanena tampoka tamin'izay jo be haingo be izay. Nahafantatra an'i Farah izy ka tsy nisy fika nialana fa dia voatery nijanona kely teo aloha izahay niresaka. Raikitra ny fampifankafantarana. Tsy haiko na taiza no nahazoan'i Farah an'izany anarana hoe Rado izany fa ohatran'ny tonga dia nandeha hoazy tao ambavany ny nanondro ahy sady niteny hoe "Rado, vadin'ny zokiko". Misy zavatra tsy mazava izy izany hoy aho tany antsaiko tany fa nahoana no lasa Rado fotsiny teo ny anarako. Nilaza moa ilay jo fa hoe " Nirina no anarany. "Faly mahalala" hoy aho. Ny zavatra tsy azoko dia tampoka teo dia hoe hanaraka anay hihinana glasy koa hono izy. Niera tamiko moa i Farah sady niteny hoe " ahoana tsy maninona ve raha miaraka amintsika izy?" "tsy maninona" hoy aho tsy naka sarotra sady nieritreritra fa mety mba mila namana koa angamba i Farah fa tsy dia azony ny ainy hoe izahay roa irery no ho hitan'ny olona mandeha eran'Analakely. Be resaka be i Nirina ary ohatran'ny be fanadihadiana be izany ny momba ahy. Sahirana aho aloha tamin'ny voalohany nizatra ilay anarako vaovao. Nisy fotoana mantsy izy niantso hoe " ary i Rado ve...." dia izaho tsy namaly. Tsy tadidiko hoe izaho no iantefan'ny resany hay. I Farah efa mangalam-pijery any amiko vao "cope" aho hoe mila valiana haingana izany resaka izany fa ialahy ry "Rado" no iantefany.

Niverina tany Dago indray aho tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity ary nandeha tany Fianarantsoa fa avy any mantsy ny rafozako. Ndeha handefa email tamina cybercafe iray aho no nisy olona henoko niantsoantso hoe "Rado, rado,.." tsy dia lavitra teo. Tsy nihotsina mihitsy aho aloha ela ela. Tsy tadidiko hoe izaho anie ilay "Rado" antsoiny. Nanatona mihitsy izy nony farany sady nokitihiny aho. "Rado" hoy izy. "Oviana elah no tonga". Gaga be aho nahita an'i Nirina. Tena ity ilay jo tamin'ny taona lasa hoy aho aneritreritra fa tena tadidiny aho.  marina. Kely koa moa izay cybercafe tao Ampasambazaha izay ka tena naheno ny antsony daholo ny olona sady be koa ny nihainohaino niandry toerana hisokatra teo. Any aminay daholo ny mason'ny olona satria izy dia tena ireny be paozy miavaka be ireny. Somary "eccentric" kely raha ho ahy tia zavatra tsotsotra. Tsy fantatro koa na fantatry ny olona izy fa ohatran'ny hafahafa izany ny fijerin'ny olona manodidina. Voatery nilalao ilay anjarako hoe "Rado" indray aloha aho izany sady nitady fika hivoahana haingana tao amin'ilay cybercafe araka izay azo atao. "Ity ny laharan'ny findaiko" hoy izy "dia antsoy aho fa mba te hiaraka aminao." " Misaotra fa voaraiko ity" hoy aho sady lasa aho namonjy ny varavarana hivoaka rehefa avy nanao veloma azy.

Tsy afaka intsony anefa ilay anarana hoe Rado satria rehefa manoratra hoan'ilay zaobaviko aho dia lasa Rado no iantsony ahy. Mety anarana kofa sipany taloha ary ve izany Rado izany sa anarana mba tiany homeny anjanany any aoriana sa dia hoe anarana mahafinaritra ny sofiny tsotra izao. Izy moa tsy mety mamaly hatrany na dia efa napetrako mivantana taminy daholo ireo fanontaniana ireo fa dia ny hoe " Izay fotsiny no anarana nifanandrify ny vavako tamin'iny fotoana iny dia izay fa tsy misy zavatra hafa ifandraisany amiko" no avaliny ahy foana. "Sipa mihodina mantsy iny Nirina iny ka tsy tiako ho tena fantany ny anaranao." hoy izy.  "Tafaraka taxi-brousse ndeha hiakatra hoany Tana izahay indray mandeha dia izay no nahafantarako azy". hoy ihany izy nanohy.  " Hay ve hoy aho" tsy te hanadihady betsaka intsony na dia tonga saina aza mandinika ny fahasahisahian'i Nirina. Mety ho hitany ve izao ity zavatra nosoratako momba azy ity? ...Azoko antoka fa tsy maintsy mbola hifanena tampoka amin'i Nirina aho indray andro any dia ho hita eo izay tohiny. Enga anie mba ho tadidiko foana fa izaho no Rado.