Ho any amin'ny 666 tokoa ve?

Nampidirin'i radotiana | 2 Nov, 2006
Be loatra ny resaka manodidina an'ilay "RFID tags" taty Etazonia tao ho ao ka dia tsy aritro ny tsy hanokana pejy iray iresahana azy fohy ato amin'ny blaogiko.

RFID = Radio Frequency IDentification


Ohatran'ny tavoahangy tsy miloko mitovivovy habe amin'ny voam-bary izy io. Eo ambanin'ny hoditra eo amin' ny sandry no hametrahana azy.   Tsy hita  ety ivelany hoe mitondra azy io ianao.


Betsaka ny antony namorona an'ity teknolojia iray ity fa vitsivitsy fotsiny no ho tanisaiko:


-  Eo amin'ny sehatry ny fitsaboana aloha no fantatro fa efa nahazoana fankatoavana ny fampiasana azy aty Etazonia.  Azo "scan"-ena io RFID tags io  ary dia mipoitra ho azy avy hatrany ny anaran'ilay marary, ny sokajin'ny rany sy ny fitsabona rehetra efa natao azy tany aloha. Manamora ny asan'ny mpitsabo izy izany.


-  Azo asolo ny fanalahidy koa izy. Ilay hitako tamin'ny fahitalavitra omaly alina ohatra dia mampiseho fa  ahofahofanao manoloana ilay vata kely mpampita ny onja elekronika fotsiny ny tananao dia misokatra hoazy ny varavarana. Tsy mila mitondra fanalahidy etsy sy eroa intsony.  Izay manana  RFID ao anatin'ilay system ihany no mahasokatra ny trano.  (Efa mihitatra any amin'ny fiara, solosaina, sns... )


- Amin'izao fotoana izao moa dia mihevitra ry zareo ao amin'ny http://www.verichipcorp.com/  fa azo asolo ny  "ATM card" (Automatic Teller Machine card) mihitsy ity RFID tag ity. Tsy mila mitondra ireny karatra plastika misy ny logo-n'ny  VISA, MASTERCARD, AMERICAN EXPRESS, DISCOVERY, sns... ireny intsony izany ianao fa ny sandrinao fotsiny no ahofahofanao eo anoloan'ilay ATM dia voamarin'ilay machine avy hatrany fa ianao mihitsy io ary mahazo alalana maka na mapiditra vola eo ianao... Hihena hono ny resaka fisandohana sy ny halatra raha mampiasa an'io daholo ny olona...


 - Tsy vitsy koa anefa ny mpanohitra azy ity:


Anisan'izany ny ireo olona manahy mafy ny amin'ny mety ho fahavotsoran'ny "fahafahan'ny tsirairay". Raha mitondra io RFID tags io daholo tokoa mantsy ny olona dia ho mora amin'ny fanjakana, ny polisy, sns... ny  manaramaso ny olona. Ho fantany hoe taiza ianao, inona no nataonao, sns...


-  Ny tena manaitra  dia ny filazan'ny mpino kristiana fa ho lasa fitaovam-pamoretan'ny devoly ny fampiasana ity teknolojia ity ka hitarika ny fahatanterahan'izay voalaza ao amin'ny:

 Apokalipsy 13: 16-17.
" Ary ny olona rehetra , na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tanany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany."


 Revelations 13:16-17
 "And he causeth all, both small and great, rich and poor, free and bond, to receive a mark in their right hand, or in their foreheads: And that no man might buy or sell, save he that had the mark, or the name of the beast, or the number of his name."

 
Ho tonga any amin'ny isan'ny bibidia "666" tokoa ve ity RFID tag ity?