Fandalovana tany Dago - Dec 2006

Nampidirin'i radotiana | 30 Des, 2006

Tafaverina soamatsara aty amin'ny Bekintana indray aloha na dia ranomandry be tsy ifankahitana aza no niandry taty. 

Samy manana ny fahitany ny zava-misy moa fa raha ho ahy manokana dia misy fivoarana be ny fahadiovan'ny renivohitr'i Dago sy ny faritra maro amin'ny ankapobeny. 

Tsy maintsy "shocked" kely foana raha vao mitontona any fa rehefa afaka andro vitsivitsy dia milamina. Io ilay antsoin'ny olona hoe "reculture shock". Lasa vahiny any amin'ny taninao indray ianao ka gaga mahita izao zavatra lasa tsy mahazatra rehetra izao.

Ilay mikosoka kapoaka rehefa harivariva eo analakely kosa aloha tena tsy tafa mihitsy na dia izany aza eh.

Ireto misy sary vitsivitsy nalaiko tetsy sy teroa tamin'ireo toerana nandehanako.

ANTANANARIVO

 

 

 

Efa misokatra ity by-pass mankany Ambohimangakely ity amin'izao.

Mihamaro ny toeram-ponenana toa tsy d mahasosotra ny mijery azy.

Tsy azo lavina ihany koa anefa fa ny toy izao no mbola iainan'ny gasy maro an'isa ao andrenivohitra.  Faritra akaikin'ny 67 Ha.

Niampy iray ny mpifaninana amin'ny orinasa Orange sy Celtel eo amin'ny sehatry ny fifandraisana amin'ny finday. Mihamora ny vidin'ny finday amin'ny ankapobeny. Io tolotra 49 000 Ariary io no anisan'ny mora indrindra raha tsy diso aho.

Lasa fomba fiteny andavan'andron'ny olona ny hoe " mety be amiko ".

Mihagoavana hatrany ny takelaka dokambarotra toa izay hita eo akaikin'ny Hotel Hilton ity.

Anosy. Azo isaina ireo taxi-be manao ankisisika amin'iny arabe manamorona ny tambohon'ny Sekoly Saint Michel iny no afabela amin'ireto polisy ireto.

Mahasarika ny masoko hatrany ny tao-tranom-piangonana ka dia tsy maintsy mba omena kely ny anjara toerany eto. :-)    Faravohitra

Miverina kely amin'ny zava-misy tsy azo hodian-tsihita.

Andohatapenaka.

Hoan'ireo izay mirevy mamonjy Braderie.

Ndao hikisaka kely hoany BIRA amin'izay.

Milay be eny amin'ny Gara sy ny manodidina azy eny fa mba mandalova any rehefa afaka. Ohatran'izao ny teny Antsena Sabotsy talohan'ny Krismasy.

Tia loko marevaka sady misoratsoratra ny Malagasy amin'ny ankapobeny raha ny fahitako azy.

Tapakevitra tampoka aho mba hijery an'izany MORONDAVA izany fa efa ela loatra no nahenoako ny lazany.

Nandalo an'i Betafo.

 

Maizina tanteraka vao tonga tao Miandrivazo. Nanomboka teto dia gidragidra ny lalana. 120 km natao tao anatin'ny adiny 10 tao anaty aizina. Niteny ny zandary mpisava taratasy tao fa misy andianjiolahy mirongo basy manakana sy mitora-bato ny mpandeha alina manomboka eo Miandrivazo ka hatrany Malaimbandy. Tsy nisy hevitra fa tsy maintsy natsofoka tany anelalenan'ny Taxi-Brousses Minibus efa za-dalana tany ny fiara nentinay.

Raha mieritreritra ny hoany Morondava mandeha fiara aloha dia aleo miandry ny lalana vita fa tena gidraka be.

Nazava ny andro vao tonga tao Malaimbandy.

 

Tsy maintsy ho ny Sinoa angamba no nanao ny lalana tany. Tsotra kokoa noho ilay ao Moramanga ity saingy tena mahatazana tokoa ilay toerana misy azy.

Tsy tody tany amin'ilay "Baobab Alley"  aho fa na dia izany aza mba nahita baobaba ihany teny andalana.

Fotsy be ny tora-pasik'i Morondava

Nandalovana vetivety i Morondava dia namonjy an'i Bira haingana hitodi-doha hianantsimo antsinanana.

Nandalo an'Ambatovaky,  ilay toerana anisan'ny voaala sary matetika raha handeha hoany Ranomafana - Ifanadiana ny vahiny na mpizaha tany.

Niova tampoka ny endriky ny tanana raha vao vita ny arabe.

Tsy mampino fa 30 minitra fotsiny no anaovana an'iny lalana mampitohy an'Alakamisy-Ambohimaha sy Vohiparara iny amin'izao fotoana izao raha adiny roa izy teo aloha.

Ohatran'izao ny lalana mandalo eo amin'ny tananan'i Sahavondronana ankehitriny.

Tsy nety ny saiko raha tsy nandeha kely tany Tsiroanomandidy nialohan'ny niaigako tany Dago tamin'ny herinandro lasa. Efa ela koa no naniriako hijery ny fiovana tany.

Gaga aho fa misy "median" mandritra ny km maromaro ny arabe RN  1  na dia any akodahoda be aza.

Toa mbola ho ela anefa vao ho zatra hanaja azy ireny ny mpamily fiara ao Dago.

Aleo faranana any Tana ny dia sa ahoana?

Sendra nifanontona tamin'ny faradoboka nataon-dRa8 tao Mahamasina ny fandalovako tao Tana ka dia nanao fanahiniana mihitsy aho mba hijery ny zava-misy tao. Namorom-potsy i Mahamasina. Tsinjo teny antsefatsefany teny ihany koa anefa ny Tee shirt mena zarain'i Celtel (madacom taloha) maimaimpoana hoan'ireo izay mividy laharana finday vaovao any aminy.

Tsy afenina fa toran'ny hehy foana aho rehefa maheno ny filoha mikabary amin'ny fampielezan-kevitra na tamin'ny fahitalavitra na ilay tao Mahamasina. Sendra izy tonga tao mantsy aho no tonga tao ihany koa. Faranany amin'ny "eh!" daholo ny zavatra teneniny. Ohatra. "Handeha kely amin'izay aloha izahay eh!" na hoe " 1er tour de vita eh!", ...

Lasa fitenin'ny olona koa ilay manisy "eh!" any amin'ny farany  amin'ny resaka andavan'andro rehefa te hampihomehy izy.

Elaela vao tsapako fa tetika efa maty paika hay ny an'ny filoha mba hahatsapan'ny olona fa tsy misy elanelana firy manasaraka azy amin'ireo sara-babem-bahoaka (tantsaha, ... ary isan'ireo vahoaka niaina teny andalam-be izy).

Aleo faranana amin'izay ary aloha eh!

Vita tompoko!