Samy manoratra izay tiany

Nampidirin'i radotiana | 28 Jan, 2008

Asa ianareo na mba misy toa ahy fa izaho ilay karazan'olona mora voasariky ny soratsoratra etsy sy eroa. Aty ivelany moa dia ireny auto-collants (bumper stickers) mipetraka amin'ny fiaran'ny olona mandeha eo alohako ireny no matetika voavakiko. Misy hafatra tian'izay namolavola azy hampitaina foana tsinona. Ohatra iray fotsiny ilay hoe " GOD IS MY CO-PILOT" hoan'ireo tena mino an'Atra fa hiaro azy amin'ny loza. Nisy nanita-kevitra taty aoriana dia namoaka ny hoe "DOG IS MY CO-PILOT". Ny Vazaha moa tia miompy alika tsy misy ohatran'izany.

Efa miresaka an'izay bumper sticker izay ihany dia manararaotra fotsiny aho milaza fa misy fikambanana mpanao asa soa hoan'i Dago aty Amerika ary manana auto collant gasy milay ato sao mahaliana anao.

Ireto manaraka ireto indray soratra nahasarika ny masoko tany Dago.

Te hanontany ny tompon-tanàna tamin'ity iray ity aho saingy tsy nisy olona tao :-(

Sarotra ny tsy hamakiana an'ity soratra iray ity. Ny làlana miholikolika, izy tsy afaka mandeha,... Omeny anao amin'izay ny hafatra :-)

Tsy misy fihatoana mihitsy izany :-)

Tsikaritro fa miha maro ny olona manambatra teny roa amin'ny faingo mihantona.

- " Man'ina? "

- Misy " ..bonn'occas " hono ao.

Lasa lamaody ny fametrahana laharana finday amin'ny fiaram-pitanterana. Dokam-barotra tsy andoavam-bola kosa ve?

Version gasy amin'ilay "God is my co-pilot" angamba ity "Arovy aho Tompo" ity.

 

VITA TOMPOKO

Peta-drindrina

Nampidirin'i radotiana | 26 Jan, 2008

Sambany aho vao nahatsikaritra ity peta-drindrina mivaingana iray ao Isoraka ity. Eo ampitan'ilay tranom-bakoka no misy azy. lafim-piainan'ny olona ao Dago amin'ny ankapobeny no arantiny.  Nisy nilaza fa avaozin'ny tompony arakaraky ny zava-malaza ao antanàna hono ny vaingan-javatra asehony eo. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hijery azy lehibebe kokoa.

Ao ambanin'ny tetezan'i Behoririka. Mbola eo ampanamboarana azy ny CUA raha ny fahitako azy. Vita amin'ny simenitra izy ireto. Maromaro izy no ao. Niova endrika ho tsara mihitsy ilay tao ambany tetezana fa tsy ilay fako be miavosa araky ny tahirin-tsary tavela tao antsaiko intsony. Misaotra e.

Eo  akaikin'ny vavahadin'ny Rova no misy an'ireto vaingan-tsary mampiranty ny fiainampiainan'ny Malagasy fahizay ireto. Izany Rabemanantsoa izany no niketrika azy ity tamin'ny taona 1940 hono. Asa izy ity na ketrika vaovao mody nohaterina na tena efa tena nisy teo tokoa fa tsy nisongadina fotsiny.   Mba topazo maso io rehefa mianika eny amin'ny avo eny fa tsy mahasosotra mihitsy ny mijery azy :-) 

 Mbola misy takela-bato anakiroa fanampiny somary lehibe ao antokotanin'io trano fotsy komavoka io. Mba mametraha kely fotsiny hono hoy ilay mpiandry tanàna ao alohan'ny hivoahana ny vavahady :-).

Tamboho kodiaran-tsarety eny amin'ny 67Ha. Gasigasy ilay eritreritra ary tena milay saingy rakotry ny mpivarotra foana izy isan'andro ka tsy hita loatra ny hakantony.

 "...Aza tifirina tsirairay fa alaivo miaraka." hoy ilay razoky mpivarotra. Mba niera mantsy aho tamin'iny indray mipika iny.

Tsy naharitra aho fa dia voasarik'ity doka nataon'i Tina ho fampahafantarany ilay raki-kira vaovao nantsoiny hoe "Ibesafira"  ity. Tsindrio ny sary eo ambany raha te hahita an'i Tina sy ny mpihira feo lafikany miaraka amin'ireo mpitendriny eny antsehatra. Nampiavaka an'io fampisehoana io koa ny fandraizan'i "Zamba" anjara. Mpitendry valiha maro afitsoka miangaly ny kanto any amin'ny tanàna any fa mba araho maso akaiky.

 

Mety tsy peta-drindrina intsony kosa angamba ity e. Fetsifetsy ireto Celtel ireto :-). Novoleny ireto takela-by fiarahabana tonga soa ireto iny lalan'Antsirabe iny. Azo antsoina amin'ny finday foana ianao mandrapahatonga any Bira...

Hay ve ka rakotra tariby ohatran'izao ity habakabak'Ambondrona ity.

 Ho an'ilay namana mpanamory voromahery :-)

VITA TOMPOKO

Ireo nanaitra ny masoko tany Dago - 2008

Nampidirin'i radotiana | 18 Jan, 2008

Tafaverina soamatsara indray ary dia miarahaba ny mpitoraka blao-gy rehetra. Ireto no voan-dalana mba tiako ho zaraina aminareo.

Analakely tao anatin'ny fety. Mihamaro ireo mitady vola amin'ny fakan-tsary toy izay hita amin'ireto trano eva fotsifotsy mitandahatra ireto.

 

Nifanosehana ny sisin'arabe midina hoany Analakely avy eo Ambohijatovo saika isan'andro. 

Mivoaka daholo izao karazana hetsika hisintonana ny mpanjifa ny tolotra amin'ny fampiasana Finday rehetra izao. Orange, Celtel ary Telma no mifanandrina eto. Mihirahira eran'Analakely ireto andian-tanora ireto hisintonana ny mason'ny olona. Miparitaka miresaka amin'izay sendra azy izy ireo avy eo ary dia manazava ny tolotra vaovao aroson'ny orinasa Orange.

Novakiana lalan-tsara voarary biriky mafy voatra  ny sasany amin'ireo zaridaina eo ampovoan'Analakely.

Tsara ilay eritreritra saingy tokony mba fantsona vy matevina angamba no nampiasaina fa tsy simenitra fotsiny. Efa misy mianjerazera sahady ny sasany amin'izy ireto.

Misy an'ity tsangam-bato vaovao ity eo ampitan'ny BNI Analakely. Tsy misongadina loatra izy raha tazanina lavitra noho ny lokony mitovitovy amin'ireo tafo fanitso arafesina aorinany. 

 

Tsy sahy manitsaka eo amin'ilay zaridaina ny olona na dia mitohy ao ambadika aza io marika fiampitana io. Efa mba miezaka mikajy ny olona fa  ny mpiketrika no mila mandinika tsara. Jereo eto ny sary lehibe kokoa.

 

Inoako fa ny fametrahana ireo jiro telo loko natao handrindrana ny fifamoivoizana no mety ho vaha olana maharitra hoan'Antananarivo. Ilay jiro vita sinoa teny amin'ny 67Ha aloha tsy tafa na dia eo aza izany. Enga anie mba ho hitan' Atoa AndryTGV ity blaogiko ity. :-) 

Ketrika vaovao amin'iny làlana hoany Bira iny.

Milay fa Misaotra e! " Ny soa fianatsa ro ..."

Hoan'ilay namako mpiondana 3CV any Ambaidra :-)

VITA TOMPOKO aloha ny androany.