Soratra nanelingelina ny masoko tany Dago
Nampidirin'i radotiana | 16 Nov, 2007Tsy voaisako intsony hoe impiry aho no nandalo sady namaky ity sora-baventy iray ity izay ho hitanao amin'iny lalam-pirenena faha fito mandeha mianantsimo iny. Eo antampon-kavoana mahatazana mialoha ilay fidinana miolikolika hamonjy an'Alakamisy-Ambohimaha no misy azy raha tsy diso ny fitadidiako.
Inoako fa maro ny mpizaha tany miteny anglisy mandalo eo mamaky azy ity toa ahy.

Rehefa nataoko ny fandinihina maimaika dia ny teny malagasy hoe "Toerana fakan-drivotra/fialan-tsasatra" no nadika ara-bakiteny eto.
Raha tsy mahadiso dia mba te hanolotra soson-kevitra ny tompon'andraikitra tamin'ny fanamboarana azy io aho hoe "REST AREA" no dikan-teny manakaiky ny marina eto.

Ao Ambositra no misy ity anakiray ity. Anisan'ny toerana fandriam-bahiny milay ao raha ny hevitro manokana no lazaina. Tsotra nefa mihaja sady mampiseho ny mampiavaka ny faritra Ambositra ny haingo ao anatin'ireo efitrano.

Efa tonga taty andafy mijery ny sary nalaiko aho vao gaga fa hay ilay toerana natoriako ity manao dokam-barotra nanelingelina ny masoko ity. :-)
Ilay " Bonne route" nadika hoe "GOOD TRAVEL" no mba tiako anolorana soson-kevitra hosoloina hoe " HAVE A SAFE TRIP" farafaharatsiny.
Hay moa misy adiresy email ry zareo...
VITA TOMPOKO
Ny volana Desambra 2006 aho nandalo tao amin'io hotely io. Izay fiovany tao anatin'ny iray taona no tsy haiko.
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 16:10Efa nanoratako email ry zareo. Inoako fa ho raisiny ho fanankianana omban-damina ny ahy fa tsy fanankianana be fahatany :-)
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 16:16Be ny toy itony eto Dago.
Nampidirin'i Tsikisariaka 16 Nov 2007, 18:38Mety mihitsy ny nataonao. Enga anie ka tsy ho be marenina ry zareo. Mampi-te haka loko dia takosenina e ?
toy ny kavim-barahina izy izany, tsy hampihaingo fa handrovi-tsofina.
Nampidirin'i ikalamako 16 Nov 2007, 18:46Enga anie tsy very hanjavona hoatran'ny tsifotry ny mpifana ny mail-nao ry rado.
hahaha, mampihomehy mampalahelo koa izy izany.
Ilay place of break no tena mampihomehy!
izy aza moa efa niezaka nanisy teny anglisy fa soa fa misy Rado manoro hevitra azy,
Hita ihany hoe tsy mbola ni-voyage na tsy nandalina lalina ry zareo fa dia nadika fotsiny izay teo.
Nampidirin'i ikalakely 16 Nov 2007, 19:13Mipetraka antragno mahita jofo! hozy Jaojoby zay.
Nampidirin'i soanja 16 Nov 2007, 19:55Misaotra Rado nanome tips a.
Ikalamako:
Milay be ilay oham-pitenenana nampiasainao. Mbola tsy naheno an'ireo mihitsy aho an.
Ilay hoe "...tsifotry ny mpifana" no mampihomehy ny mieritreritra azy. Hay moa izany izy io :-)
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 20:59Ikalakely:
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 21:09Ilain'ireo tompon'andraiki-panjakana any Dago ireo mihitsy ilay mba mijery zava-misy any amin'ny firenena hafa mba hakany sopapa amin'izay mety azo ampiharina any amintsika e. Asa na azo ampiasaina eto ny fiteny lamaody ankehitriny hoe mba atao "manara-penitra iraisam-pirenena".
Soanja:
Tena mba ampireheto kely ny jiro hitondra hazavana amin'ilay hoe "...mahita jofo" ry Soanja fa maizina be izy izany :-)
Ny tips indray omena maimaimpoana amin'ny fomba malalaka mihitsy kah. Izay ny ahy no anjara birikiko amin'izy ity :-)
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 21:15Tsikisariaka:
Izay lazainao izay mihitsy no tiako hatao tamin'ny vao nahita azy voalohany:-) Aleo ary maintimainty fotsiny no avela eo.
Ny dikan-teny anglisy amin'ireny taratasy fenoina rehefa hipetraka amin'ny hotel any Dago ireny koa anie ka tena misy tsy miteny mihitsy e. Mety lasitra iray angamba no ampiasain'izy rehetra.
Nampidirin'i radotiana 16 Nov 2007, 21:22rado : jofo = lavenona
ka raha mandehandeha ianao dia mahita raha, dia mba mianatra izay fanaon'ny olona,
fa raha mitoetra an-trano fotsiny ianao dia jofo ihany no hitanao maraina sy hariva ao - ny lavenona eo am-patanao - fa tsy mba misy zava-baovao.
izay no mahatonga io fiteny any avaratra ka nataon'i Jaojoby hira io hoe "mandehandeha mahita raha e, mitoetra an-trano mahita jofo o"
Nampidirin'i ikalamako 18 Nov 2007, 19:43Ikalamako:
Nampidirin'i radotiana 18 Nov 2007, 21:37Misaotra betsaka fa tena mazava tsara ny heviny. Mankasitraka.
Mahery koa r'ikalamako amin'ny oha-pitenenana. Efa ho mpikabary atsy ho atsy ! mankalaza e !
Io hadisoana io tsy amin'ireny ihany fa feno eto e ! ary tena be marenina ry zareo. Tena mahatezitra ilay izy fa tsy mampihomehy intsony. Na any amin'ny gazety sy télé aza dia feno an'ireny e ! Tsy diso tsipelina akory fa tena hadisoana ankitsirano amin'ilay "izay tiako ihany io !"
Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Nov 2007, 16:50Tsy any Gasikara ihany no feno an'ireny. Tokony hanatona olona mahay tsara an'ilay fiteny vao mametraka takelaby sy manonta taratasy fa tsy mampihomehy intsony fa mahasosotra.
Tsy manam-potoana hitanterana ny hita teny am-pandehandehanana aho, fa ity no hitako farany, teny an-dalana mankany Montréal:
Hoy ilay takelaby anglisy hoe : Two-Way Traffic Ahead
Dia hoy ilay takelaby frantsay hoe:
Nampidirin'i Su 19 Nov 2007, 18:13Contresens devant.
Miverina amin'ny teniko ery ambony aho, ho voasazy ve raha itondràna loko ireny dia takosenina fa diso tsinona ? satria tsy hita takarina ny tena tompony no sady raha hita aza dia be marenina ko !
Nampidirin'i Tsikisariaka 19 Nov 2007, 18:42Tsikisariaka:
Ilay mampianatra diso ny hafa no tena hitako mampalahelo. Ohatran'ilay ao Ambositra. Misy maromaro ny takela-by na vato misy an'io soratra "Good Travel" io. Enga anie mba hisy afaka hanome ohatra tsara.
Nampidirin'i radotiana 19 Nov 2007, 19:03Su:
Marina mihitsy ny zavatra voalazanao. Mialoha ny hanoratsoratana zavatra ho vakian'ny be sy ny maro tokony mba misahirana kely ny tompon'andraikitra. Manjary mianatra zavatra diso ny mpandalo eo
Nampidirin'i radotiana 19 Nov 2007, 19:08Hono hoy aho Rado? Inona avy hono no misy amin'io toerana fakana sasatra io? Misy kabone koa ve ao sa de sakafo fotsiny sns sa ianao tsy nijanona fa nanohy?
Nampidirin'i soanja 20 Nov 2007, 10:33Misaotra.
Soanja:
Nampidirin'i radotiana 20 Nov 2007, 11:33Toerana fitazatazanana fotsiny izy io raha tsy diso ny fitadidiako. Ohatran'ny efa manangasanga any ho any ny "Rest Area" misy toerana fivoahana any amin'ny faritra sasany.
Misaotra anise rado mba manampy ny am hevtra hanatsarana ny aty Madagascar. Efa mba mahatsiro ny tanana de fa zv-dehibe eh
Nampidirin'i olives 20 Nov 2007, 17:01Olives:
Nampidirin'i radotiana 20 Nov 2007, 19:01Tsy misy isaorana ny amin'iny kah. Izay hahatsara ny hoavin'i Dago no tanjona. Mba tsy mianatra teny diso ny olona sady mba tsy ihomehezan'ny vahiny isika tompon-tany.
Ka izy anie mihevitra fa raitra any an-tanin'ny jamba e ! dia lasa mampianatra diso tokoa, kanefa dia ny mpizahan-tany sy ny mpandalo no mahatsikaritra ilay fahadisoana. Izay no hanaovako hoe mila finiavana ilay izy. Finiavan'izay mahita mba manitsy amin'ny alalan'ny firesahana amin'ny tompon-kevitra na koa finiavana hanitsy an-kitsirano ny diso !
Nampidirin'i Tsikisariaka 23 Nov 2007, 00:16Tsikisariaka:
Izay tompon'andraikitra azo torona hevitra avy hatrany aloha d'efa nohezahina ny nanoro azy.
Misy ny olona sarotiny ka na manana ny marina aza ianao ohatra sarotra ny tonga dia hanitsy ankitsirano ny zavatra ataon'olona.
Nampidirin'i radotiana 23 Nov 2007, 10:55hay ve efa natonina ny tompon'andraikitra e ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 24 Nov 2007, 21:54mafy loha amin'ilay "izay tiako ihany io ?"
Dia ahoana valiana amin'ny "zaho hiraharaha" izany ?
Tsikisariaka:
Nampidirin'i radotiana 25 Nov 2007, 08:59Ilay ao amin'ny hotely ao Ambositra ihany no efa nanoratana kah. Ilay Place of Brake indray tsy hitako hoe iza no tokony ho resahina. Mila manontany any amin'ny biraom-paritry ny asa vaventy any Fianarantsoa angamba?
bô korazy ary e ! aleo mintsiny za tsy handéndé any fa manjary takoseniko eo !!!! kony ô ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 20:29aleo aloha handeha milamina ny fifanakalozan-kevitra.
Tsikisariaka:
Raha hitanao izany ilay soratra tonga de notirifinao tamin'ny baomba mainty :-)
Efa nieritreritra an'izay ihany aho fa tsy sahy :-)
Nampidirin'i radotiana 26 Nov 2007, 20:46Raha mandeha fiara mitokana dia vonona be aho fa raha taxi-brousse mbola hifampitady amin'ny "olombelo-tsy akoho" aloha sy ny sakana mety hataon'ny mpiray fiara e !
"Déformation professionnelle" koa ny ahy nefa hitako fa tsy ratsy satria izaho dia tsy misalasala ny manitsy izay diso tsipelina amin'ny taratasy rehetra mandalo eto ambany masoko mainka fa soratra mivandravandra takatry ny tànako ?
Nampidirin'i Tsikisariaka 30 Nov 2007, 16:42