Voan-dàlana - Betioky - Ejeda

Nampidirin'i radotiana | 30 Apr, 2007

Tanàna kely iray antsoina hoe Beomby, 25 km avy eo Beahitse amin'iny làlam-pirenena faha folo (RN 10) mankany Fort Dauphin iny no nandehanako tamin'ity indray mandeha ity. Avy amin'ny foko Mahafaly ny mponina ao. Ny teny Mahafaly no ifampiresahana. Ny hoe - " Talilio rie, ihan'izay rie!" sy ny - "Mbe soa avao raho rie!" no mety ho henonao matetika rehefa misy olon-droa mifanatojake (mifanena) eny andalana.

 Ireto misy sary vitsivitsy tamin'ny fandalovako tany Dago: Ambalavao - Isalo - Ilakaka - Toliary - Betioky - Ejeda - Beomby (Avril 2007).

Tazana eny amin'ny faravodilanitra ny vohi-bato "le chapeau de l'évêque".

Nandalovana ny tampon'i Horombe

Tsy azo nodikaina fotsiny ny tao Isalo

 

 

Na dia ora vitsivitsy aza no nijanonana tao Isalo dia mba afaka nanararaotra nihaona tamin'i Kitjo izay namana mpitoraka blaogy miaraka amintsika eto. 

 

Andava-tsafira, ILAKAKA 

Rehefa nandinika maimaika ny zava-misy ao Ilakaka aho dia nahatsapa fa ireo mpitrandraka ny mpitrandraka safira toy ny mpivarotra enta-madinika, solika, hotely fisakafoanana sy fatoriana, mpamana rano handroana, sns... no tena hanan-karena amin'ny farany.

Santionany amin'ny herisetra manjaka ao amin'ny faritry ILAKAKA. Io feno diam-bala io ny fiara nitondra ireo namono an'i Jamal Khalifa, zaodahin'i Osama Bin Laden araka ny fanazavan'ny olona.

Aleo ity takelaby eo Sanfily ity, izay toerana iantsonan'ny zotram-pitanterana antanety no hiarahabana anao Tonga Soa ao Toliary.

Sanfily, Toliary

 

Rehefa afa-bizana tao Toliara dia notohizana ny dia hamonjy an'i Ejeda. Nifarana teo Andranovory ny làlana vita tara. Manomboka eto ny lalam-pirenena faha 10 (RN 10) mitondra anao hoany Taolagnaro.

 Ny fiarabe TATA no manjaka amin'ny fitanterana olona amin'iny làlampirenena faha 10 iny.

Ny reniranon'i Onilahy no mikoriana ao ambanin'ity tetezana ity.

 

Tongasoa eto Betioky

 " An'iza !"

Gidraka ny làlana eo anelanelan'i Betioky sy Ejeda. Mila fiara 4 sy 4.

 Eto no mivily raha handeha hoany amin'ny valan-java-boaharin'i Tsimanapetsotse. Mbola misy 100 km avy eo amin'io takela-bato io.

Tonga tany Ejeda ihany nony farany. Mbola TATA ihany. Gloria, Malalatiana, Le coq sportif, sns. no mifanena aminao amin'iny làlana iny isan'andro.

Lemaka mari-tampona - Beomby

Tso-piaina ny Mahafaly. Ny fambolena Tsako sy Kapika ary Balahazo no tena antom-piveloman'ny mponina. Hitako fa mbola lavitr'ezaka ny ady amin'ny andiam-balala mpanimba voly.

Mbola lavitry ny samy maka ho azy ny ao Beomby.  Iarahana ny fitaliana volo.

 

Entina tsy misaraka amin'ny tena toy ny finday any antanan-dehibe ny lefona sy ny basim-borona. Anisan'ny kapa malaza ny Kyranil. Asiany fanamboarana ireo kapa kyranil vaovao mialoha ny hanaovany azy. Fisahany amin'ny antsy hitovy tantana ny faladihany. Mandreraka angamba ilay izy somary misy vodi-tongotra avo kely iny. Misy koa ireo mampangotraka azy amin'ny rano mafana mba hanovana ny lokony ho fotsy mandronono. 

 

"Tifiro sary!" hoy ny antsoantson'ny roa tamin'izy efa-bavy. "Mamaraha ty valiko" hoy aho nananihany sady nanapika ny fakan-tsariko.

Kanto loatra ny zavatra voarakitra ao anatin'ity sary ity. " tifiro sary raho manoroka ty valiko" hoy ilay tovovavy velontsiky somary menamenatra.

 

VITA TOMPOKO