Ireo nanaitra ny masoko tany Dago - 2008
Nampidirin'i radotiana | 18 Jan, 2008Tafaverina soamatsara indray ary dia miarahaba ny mpitoraka blao-gy rehetra. Ireto no voan-dalana mba tiako ho zaraina aminareo.
Analakely tao anatin'ny fety. Mihamaro ireo mitady vola amin'ny fakan-tsary toy izay hita amin'ireto trano eva fotsifotsy mitandahatra ireto.
Nifanosehana ny sisin'arabe midina hoany Analakely avy eo Ambohijatovo saika isan'andro.
Mivoaka daholo izao karazana hetsika hisintonana ny mpanjifa ny tolotra amin'ny fampiasana Finday rehetra izao. Orange, Celtel ary Telma no mifanandrina eto. Mihirahira eran'Analakely ireto andian-tanora ireto hisintonana ny mason'ny olona. Miparitaka miresaka amin'izay sendra azy izy ireo avy eo ary dia manazava ny tolotra vaovao aroson'ny orinasa Orange.
Novakiana lalan-tsara voarary biriky mafy voatra ny sasany amin'ireo zaridaina eo ampovoan'Analakely.
Tsara ilay eritreritra saingy tokony mba fantsona vy matevina angamba no nampiasaina fa tsy simenitra fotsiny. Efa misy mianjerazera sahady ny sasany amin'izy ireto.
Misy an'ity tsangam-bato vaovao ity eo ampitan'ny BNI Analakely. Tsy misongadina loatra izy raha tazanina lavitra noho ny lokony mitovitovy amin'ireo tafo fanitso arafesina aorinany.
Tsy sahy manitsaka eo amin'ilay zaridaina ny olona na dia mitohy ao ambadika aza io marika fiampitana io. Efa mba miezaka mikajy ny olona fa ny mpiketrika no mila mandinika tsara. Jereo eto ny sary lehibe kokoa.
Inoako fa ny fametrahana ireo jiro telo loko natao handrindrana ny fifamoivoizana no mety ho vaha olana maharitra hoan'Antananarivo. Ilay jiro vita sinoa teny amin'ny 67Ha aloha tsy tafa na dia eo aza izany. Enga anie mba ho hitan' Atoa AndryTGV ity blaogiko ity. :-)
Ketrika vaovao amin'iny làlana hoany Bira iny.
Milay fa Misaotra e! " Ny soa fianatsa ro ..."
Hoan'ilay namako mpiondana 3CV any Ambaidra :-)
VITA TOMPOKO aloha ny androany.