New Orleans, LA - Tanàna be lavarangana

Nampidirin'i radotiana | 22 Nov, 2007

 

Raha vao maheno ny hoe "New Orleans" ianao dia ny tondra-drano nateraky ny tafiotra "Katrina" tamin'ny taona 2005 no tonga ao antsaina matetika na ny Fety andalam-ben'ny "Mardi Gras" izay hampihanjahan'ny andriambavilanitra sahisahy ny "tratrany" amin'ireo mpandalo sy ireo mpitazana  avy eny andavarangana. Ny hahazoany vakana miloko marevaka betsaka indrindra no tanjony amin'io. Tsy ireo ihany anefa no hitako fa mampiavaka ity tanàna  izay niorina tamin'ny taona 1718 ity fa anisany ihany koa ny fisian'ireo lavarangana mitomandavana manemitra ireo trano amoron'ny arabe toy izay hita ao amin'ny French Quarter.

 "The pontalba apartments"  izay naorina tamin'ny taona 1745 io hita amin'ny sary eo ambany io. Manatombo 25 taona amin'ny taonan'i Etazonia ny taonany.  Anisan'ireo " Registered Federal Landmark" izy ankehitriny. 

 

Any amin'ny  faritra Atsimo Antsinanan' i  Louisiana izay manamorona ny Mississippi river no misy an'i New Orleans. Ny farihy Pontchartrain no mamefy azy avy ao Avaratra ary ny eli-dranon'i Mexico no avy ao Antsinanana.

 

 

 

Izany  Philippe II, Duc d'Orléans, Regent of France izany no nampitondra ny anarany ity tanàna ity. Tsy iadian-kevitra fa nandalo tao ny Frantsay amin'ny fahitana ny endriky trano sy ny arabe teritery ao amin'ny French Quarter.

 

 

 

 

 

Anisan'ny tanàna tranainy indrindra aty amin'ny Bekintana i New Orleans ary fanta-daza noho ireo karazan-kolontsaina voarary toy ny tsihy ao aminy.  Mampiavaka azy ny nahandro kreola sy Funeral Jazz. Maro no mihevitra fa tao no nahaterahan'ny gadon-kira jazz izay maro mpakafy amin'izao fotoana.

 

 

Sady mihinana beignet vao maraina ao amin'ny Café du Monde ianao no voarotsirotsin'ny mozika milamina natolotr'ity mpanankato iray ity.

 

 

 

Tandrevaka ve sa niniana ny tsy hanoloana ireto sainam-pirenena mihofahofa ao amin'ny French Quarter ireto? 

 

 

Eto no mihaona ny lasa sy ny ankehitriny. Trano manaka-danitra naorina tsy dia lavitra ny French Quarter. Mpivarotra daholo ny ambany rihana iray manontolo amin'izay trano tazanao amin'ity sary eto ambany ity.

 

 

 

Lasan'ny Espaniola i Louisiana tamin'ny taona 1762 ary i New Orleans no renivohitra. Nisy fifanarahana miafina nantsoina hoe "the Treaty of San Ildefonso"  anefa nataon'ny Frantsay tamin'ny Espaniola ny taona 1800 ary dia naverin'ny Espaniola tamin'ny Frantsay indray ny faritry Louisiana.

 

 

 

 

Nanonofinofy ny hanitatra ny Fanjakany tany amin'ireo Tany Vaovao ny Frantsay notarihi'i Napoleon Bonaparte ary nihevitra fa anisan'ny faritra stratejika ho azy ny teo amin'ny lohasahan'i Mississippi. Foiben'ny varotra sy ny famatsiana ara-tsakafo ny nosy Hispaniola izay nokasainy ho ivon'ny Fanjakany no tiany hapetraka tao Louisiana. Nihoko anefa ireo andevo Haitiana tao amin'ny nosy Hispaniola ary norombahan'izy ireo ny fitondrana. Voatery nandefa andian-tafika ny Frantsay handrava ny fanoherana ary haka ny fahefana. Resy ireo andevo Haitiana mpioko  saingy aman'arivony ny miaramila Frantsay  naripaky ny arentina tazo vony. Nahatsapa i Napoleon taorian'izay fa ho sarotra ho azy ny hanatanteraka ny nofinofiny ary dia nilaozany ny nosy Hispaniola.

 

Vao nandao an'i Hispaniola ny Frantsay dia nahatsapa fa tsy dia misy antony tokony hitazonany ny Faritry Louisiana intsony. Ankoatran'io, velona indray ny ady nifanaovany tamin'ny Anglisy ka tsy ampy intsony ny isan'ny miaramila teo ampelan-tanany hiaro an'i Louisiana. Nila vola rahateo koa izy ireo hamatsiany ny ady tany Eoropa.

 

Nony farany dia tapakevitra ny Frantsay fa hivarotra ny Faritry Louisiana tamin'i Etazonia ny 30 Aprily 1803.

 

 "The Louisiana Purchase" no ahafantarana io fifanarahana ara-barotra io eo amin'ny tantaran'i Etazonia. Nahatratra 2 tapitrisa kilometatra tsy mivadi-mandry ny velaran'ity faritry Louisiana ity. Nanomboka teo amin'ny moron'ny reniranon'i Mississippi ka hatrany amin'ny sisin'ny "Rocky Mountains" izay manasaraka an'i Etazonia amin'ny Canada.

Eto ampanoratana eto aho vao tena mahazo tsara ny fandehan'ny zava-nisy :-) Soa fa nisy ity fitorahana bilao-gy ity hiraiketana izay mba kely azo notovozina tany.

Ny tetezana antsoina hoe  Pontchartrain Causeway no noraisina rehefa handeha hody taty Colorado. Tsy fantatro teo ampidirana ilay tetezana fa hay izy io no misalotra ny laharana voalohany eran-tany amin'ny halavirana izay mahatratra 38.24 km (23.9 miles).

 

 

Mifarana eto izany ny fitorahako bilao-gy amin'ity taona 2007 ity. Hanainga tsy ho ela hoany Dago mantsy aho ka dia amin'ny volana Febroary 2008 indray izany isika mifankahita virtoaly eto :-).

 

Misaotra anareo rehetra nazoto namaky sady namela hafatra.

 

Fetin'ny Thanksgiving ny aty Etazonia rahampitso 22 Nov ka dia mirary antsika rehetra " Happy Thanksgiving!"

 

VITA TOMPOKO