Hifindra monina aty Etazonia

Nampidirin'i radotiana | 4 Okt, 2006

Mety samy hanana ny handikany azy ny olona mamaky an'ity post-ko androany ity fa na dia izany aza dia harosoko ihany.

Nisokatra androany 4 Octobre 2006 ary mifarana ny 3 Decembre 2006 ny fandraisana anjara amin'ilay famelana ny olona hifindra monina tanteraka aty Etazonia. Diversity lottery no anarany ka ny hoan'ny taona 2008 no raisina amin'izao.(DV2008)

Tsy izay rehetra mandray anjara anefa dia ho voaray daholo satria rindranasa amin'ny solosaina no asaina mifidy amin'ny kisendrasendra ny anaran'ny olona hofidina.  Voafetra arakaraky ny firenena iaviany ny isan'ny olona raisina. Azonareo tadiavina ao amin'ny internet ao hoe firy ny Malagasy nahazo an'io tamin'ny taona lasa. 

Tsy andoavam-bola na dia irambilanja aza.  Be dia be mantsy ireo olona na orinasa manararaotra sady manambaka vahoaka amin'izy ity.

Ny tena mahasarotra azy fotsiny dia tsy maintsy ianao tenany ihany no miantoka ny sarandalanao mandeha aty Etazonia raha voafidy ianao. Tsy maintsy misy olona efa mipetraka aty Etazonia, (fianankaviana, namana, ...) miantoka anao mba tsy ho vesatra hoan'ny fitondrana amerikana ianao amin'ny fotoana ahatongavanao aty.

Izaho aloha tsy afaka miantoka fa aleo tonga dia mibaradaka aty amboalohany. Sao d singanin'ny vintana eo d hoe ao mba amboary any aho ry "Rado" :-))

Ato ny toerana hakana ny toro hevitra rehetra. Mila mahay mamaky teny anglisy.

http://travel.state.gov/visa/immigrants/types/types_1318.html

GOOD LUCK!

Vita tompoko.