Ireo nofinofiko hoan'i Dago
Nampidirin'i radotiana | 10 Jan, 2007Nahita aho tamin'ilay fandalovana tany Dago tamin'ny volana Desambra teo fa efa misy ezaka ary hita maso ny vokany ataon'ireo mpitondra.
Na izany aza anefa dia mihevitra aho fa tsy mahadiso raha manolotra ny soson-kevitra eto aho/isika ny amin'izay mety hanatsara misimisy kokoa ny fiainana ao Madagasikara.
Manasa anao koa aho handray anjara hametraka izay nofinofinao.
FIFAMOIVOIZANA
1- Tokony ho velomina indray ireo " Traffic lights" manampy ny mpandeha tongotra hiampita arabe sady manampy ny fiarakodia te hivily miankavia na ankavanana eo amina sampanan-dalana. (Ny ao andrenivohitra aloha no tena hitako mila azy ity maika).
Ny polisy no manao an'io asa fandrindrana ny fifamoivoizana io ankehitriny. Rehefa tsy eo ny polisy dia mifanaritaka samy manao izay saim-patany ny mpamily. Izay tafatsofoka mialoha no tompon'ny lalana.
Tadidiko fa nisy betsaka azy io tao Analakely, Antanimena, sampanana hoany Ampahibe eo amin'ny Route circulaire, sampanana hoany Ankatso sy Antanimora, ...
Tsy manaratsy ny vita sinoa aloha fa tsy tafa ilay eo amin'ny 67Ha eh. Mila mba atao manarampenitra ohatran'ny fahita any Europe sy aty USA ohatra.
2- Mba hisy "median" ilay tsipika fotsy mitohy sy tapataka iny amin'iny arabe teritery sady miholakolaka mankany Antsirabe, Fianarantsoa, Toamasina, ...
Mba entanina sy ampianarina ny mpamily tsy hangalatra ny ampahan-dalana tsy natokana hoazy rehefa mivily amin'ireny fiholanana tsy ifankahitan'ny fiara mifanena ireny.
Firy isan-taona re ny aina voatsimbina raha mba miala amin'ilay fi-coupe-na fiholanana ny mpamily ao Dago e?
Aleo ireo fotsiny aloha fa amin'ny manaraka indray tohizana.